Taombaovao JANUS ARIUS

1. moustaraf ( 29/12/2014 03:55)
Salama namana,
Momba ity fetin'ny taombaovao ity ndray no asiana resaka.
SEPTembre : volana faha 7
OCTObre :volana faha 8
NOVembre : volana faha 9
DECembre : volana faha 10

Nahoana ary ny
JANVIER avy dia volana Voalohany avy hatrany ??? Aiza ny faha -11 sy -12???
Inona marina no fonosin'ilay 1er janvier no dia enjehina mafy tahaka izany ny fakalazana azy??
Izay manantsaina aoka hisaina !!!

Misy fety izay "nodidian'i Avo indrindra " ho tandremana, nefa tsy misy manao! fa ireo fety izay "tsy nolazainy akory " no ifamonjena atao, ary amin'io alin'ny 31 dec hifoha 1er janv dia samy mifety an'io andro io avokoa na "any amn boite de nuit " na "any ampiangonana ", tahaka ny NO EL ihiany e!!!
répondu par booboo le 13/01/2015 17:27
2. RBNIR ( 29/12/2014 06:42)
moustaraf:

Izay manantsaina aoka hisaina !!!

:-)
3. moustaraf ( 29/12/2014 18:11)
Ye! izay mihitsy ka! samia misaina lalina fa tsy izao zavatra mihetsika rehetra izao dia ihazakazahana : "malalaka be anie ilay lalana mankany e...... "

Na ny zaza eny amn garabola aza dia mahay manisa :
sept, huit, neuf, dix, Onze, Douze!
ka isika lehibe milaza tena ho efa samy mpampianatra indray no toa tena kely saina, hanisa 12 avy dia tsy hay :
31 DECembre 2014 dia soratana 31/12/2014 ,

Misy zavatra nafenina ao ambadiky ny fankalazana ny 1er Janus arius...
Ny fiangonana, ny mpitondra fivavahana no tokpny hahafantatra an'izany voalohany indrindra. Saingy indrisy fa ankalazaina manerana ny fiangonana ihany koa i Janius arius.
4. rhaj0 ( 29/12/2014 22:53)
[size=8]Asa miala @ google na Wikipedia [/size]

http://en.wikipedia.org/wiki/New_Year's_Day
New Year's Day liturgically marked the Feast of the Circumcision of Christ, and is still observed as such in the Anglican Church and Lutheran Church.
[size=8]Dia ahoana.. dia tokony mihinana akondro koa izany io andro io ... na dadabe na tsy dadabe [/size] :-)
5. moustaraf ( 30/12/2014 10:47)
hay koa ve ankalazaina ny didim poitran'i boay kely e!
izany hoe i Mithra izany no atao sa?

ity internet it dia hanova zavatra goavana eo amn tantara, satria ny "future génération" dia tsy hikaroka intsony fa izay bala alefan'ny internet dia basy!

Mahalala olona vitsivitsy eto Mada voasoratra ho mpandefa "infos" any amn wikipedia aho, odia gaga sy talanjona fa "ankizy kely tsy mifandraka 2ème année, sy 3ème année" ry zareo, kanefa dia raisina ho officiele avy hatrany ilay info rehefa avoakan'io wikipedia io! aoka hisaina koa isika e!

Misy boky tranainy voasoratra "officiel" momba ny fetin'i JANUS ARIUS, ilay olona sampona double face nivavahan'ny grika, rehefa maty nasandratra ho dieu ivavahana. Ho fanomezan-danja azy ny anaovana fety isaky ny 1er Jan. Ary NAMPITONDRAINA NY ANARANY MIHITSY ILAY VOLANA FAHA-11 , izay navadika mihitsy ho fiandohan'ny taona gregoriana, satria nomena azy ny toeran'ny "dieu du commencement"

Na inona filaza na inona fihizingizinana, izay mifety an'io andro io dia "Manompo sampy" ho fanomezan-danja sy fiankohofana à JANUS ARIUS"
6. rhaj0 ( 30/12/2014 14:31)
moustaraf:
... ny "future génération" dia tsy hikaroka intsony fa izay bala alefan'ny internet dia basy!


Tsia... taizao ny Ankizy mba hampiasa hatrany ny internet, na manome (mandray anjara @ forum ohatra), na mandray (mikarokaroka info eny rehetra eny). Taizao izy mba hisokatra @ izao tontolo izao: mandray SY manome.

Fa fotsiny, hafatrafaro im-10 mihintsy izy, hoe :

1- ny zavatra vakiana ao, dia cross-checker-na foana, ary assurer-na hoe, site official na tena serieux (fa tsy forum) no manamafy ny resaka

2- ny zavatra apetraka ao, dia... assurer-na hoe, raha ohatra ka azon'i Kotokely sy Nenibe vakiana, dia apetraho; fa raha tsy azon'ireo vakiana, dia aza apetraka.


moustaraf:
ity internet it dia hanova zavatra goavana eo amn tantara...

Ekena tanteraka... Ary ilazao Ikoto sy Ikala mba hiakatra an-tsehatra eto, na hikarokaroka izay eo @ sehatra...

1- veloma lava ilay rabainina, na ilay raboky tokana, mitana ny monopole ny fahalalana, ka mampitahotra na mamorona antsanga tsy aman'orana hitazomany ny fahefana.

2- Veloma lava ilay vohitrakely tsy mahalala izay hafa rehetra eto ambony tany, ka dia "minomino" foana izay lazaina azy rehetra.

7. moustaraf ( 30/12/2014 15:34)
Salama e,
Hafatra ho an'ny manantsaina rehetra izany oo! Ny olana fotsiny dia "ilay fikararohana nandanian'ny olona fotoana elabe sy voaporofo " dia simba tsotra izao amina hevitra taingina tsy fanta piaviana akory mieli patrana amn internet ary officialiser na wikipedia etc...
Ohatra :
Efa eken'ny rehetra fa "tsy izy " le 25 dec, izany hoe "imaginaire " dia mbola sahy ampiana indray hoe , afaka valo andro dia "misy circoncision imaginaire " indray ???

Ny apostoly dia nanamafy hoe "aoka ny firavakareo tsy ho firavahana ety ivelany...fa ho fahadiovam po... "
8. bor2lais ( 30/12/2014 17:08)
mousta_mpikaroka:

SEPTembre : volana faha 7
OCTObre :volana faha 8
NOVembre : volana faha 9
DECembre : volana faha 10

Ary mba volana fahafiry ny
- Membre ?
- GINGembre ? :-)
9. rhaj0 ( 30/12/2014 17:16)
moustaraf:
Efa eken'ny rehetra fa "tsy izy " le 25 dec, izany hoe "imaginaire " dia mbola sahy ampiana indray hoe , afaka valo andro dia "misy circoncision imaginaire " indray ?

Hozy ny site katolika, http://www.newadvent.org/cathen/03779a.htm
As Christ wished to fulfil the law and to show His descent according to the flesh from Abraham. He, though not bound by the law, was circumcised on the eighth day (Luke 2:21)...

Ka dia aza hadino ho'a, r@ sasak'alina manisa midina iny, dia akaro ny akondro eeee... :-)
10. moustaraf ( 31/12/2014 14:30)
Ny mahazendana amn itony resaka fivavahana itony dia, ny romana sy ny tandrefana no lasa toa mihevi tena ho tompony.
Misy izay nomena azy, ary tsy tokony hisy hilaza antsanga tsy aman'orana rehetra izao.
'" milaza ny teniny amn Jakob izy ary fitsipiny amn israely, TSy nanao toy izany tamn firenena hafa izy, ary ny didiny tsy mba fantatr'ireny "

Tokana ihany ny lalana raha te hahalala ny marina : mianara teny hebreo ary vakio izay voasoratra marina.
11. bor2lais ( 31/12/2014 16:05)
"Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra."

Epifania amin'ny alahady : fahatsiarovana ny nandraisan'ny jentilisa Azy tamin'ny alalan'ireo magy ! :-)
Ny Azy mbola variana tao an-dapa niaraka tamin'ny Heroda (nijery hoe inona no dikan'ny Noely sy ny hazolava koa angamba ! ;-))
12. moustaraf ( 01/01/2015 04:09)
Epifania???
Misy an'izany anatin'ny baibolinareo?
"lozan'izay manaraka fampianaran'olombelona "
Ny azy tsy nandray azy ??
Nisy maro be ireo voasoratra fa nandray azy koa anefa e! na izy mivantana na tamn alalan'ireo mpianatra !
Ary tsipiho tsara "dia ireo izay MANAIKY NY ANARANY ", io indray ilay anarana fa miverina foana ! YESHUA ilay anarana e! tsy anaranaram poana izany anarana izany !
13. bor2lais ( 01/01/2015 13:16)
izaho:

Ny Azy mbola variana tao an-dapa niaraka tamin'ny Heroda (nijery hoe inona no dikan'ny Noely sy ny hazolava koa angamba ! )

Hay tsy vitan'ny hoe nitady ny tena daty nahatongavaNY (tsy nino ny nolazain'ny magy) ry zareo fa mbola nitady ihany koa ny dikan'ny hoe Epifania kay ! :-)
mousta:

Ary tsipiho tsara "dia ireo izay MANAIKY NY ANARANY ", io indray ilay anarana fa miverina foana ! YESHUA ilay anarana e!

Ataovy YESHUA ny ana(re)o fa tsy olana aminay mihitsy ka ! :-)

Dia mirary soa ho an'ity taona vaovao 2015 ity e ! :-)
14. moustaraf ( 02/01/2015 09:44)
Tsy vao izao koa anie no tsy naneken'ny fiangonana romana ny anaran'Yeshua e !
Ka tsy dia mahagaga fa tarana boanjo foto boanemba ioe ! izay rehetra nivoaka avy tamn fototra romana dia tsy hanaiky io anarana io hatramin'ny farany e! Efa nilaza izany koa anie ny mpaminany e
15. bor2lais ( 02/01/2015 10:35)
Mety izay koa angamba no tsy naharototra an'ireo tao an-dapan'i Heroda hanaraka ireo magy fahiny (ho any Betlehema) satria tsy mba naheno ny magy niteny hoe Yeshua izy ireo (ka noheveriny fa zanaka romana na grika angamba Ilay Zaza teraka) ! :-)
16. moustaraf ( 02/01/2015 13:58)
Satria fantatry ny magy tamn alalan'ny kintana koa ny anaran o!
Hebreo koa sa jiosy ny tandapan'i heroda o!

Fanamarihana kely o!
ny nahaterahan Yeshua aloha dia tsy mifanitsy velively amn vanimpotoanan'i heroda . fa ity christos ity angamba no teraka tamin'io an!
17. bor2lais ( 02/01/2015 14:35)
"Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany."

Mariho fa tsy misy milaza mihitsy eo hoe "aiza no teraka i Yeshua ?", fa ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona (izay tsy tandapan'i Heroda akory fa mety diso fandray ny nosoratako iana(re)o) no nanoro fa ao Betlehema araka ny voalazan'ny mpaminany ! Ka iza amina(re)o ary io Zaza teraka tadiavin'ny magy io ?

Izay ilay nolazaiko hoe tsy noraisin'ny Azy (ho sérieux) ilay Vaovao Mahafaly (efa teraka Ilay Zaza) nentin'ny magy fa noheveriny hoe zanaka romana na grika angamba (ary ny valinteninao ambony io dia toa manamafy izany) ! :-)

Fanontaniana apetraka amina(re)o :
1. Jiosy na hebreo ve ny magy sa vahiny (jentilisa) ?
2. Nahita Ilay Zazakely ve ireto magy sa tsy nahita ?
3. NankasitrahaNY ve ny fanatitra nentin'izy ireo sa tsia ?

Fehiny : an'ny jiosy sy hebreo irery ve Izy sa tsia ? :-)
18. moustaraf ( 04/01/2015 09:41)
Mitovy tsy misy valaka amin'ny tantaran'i krishna sy boudha mantsy izany tantara izany ka asa na iza no tena tompon'ny tantara.
Boudha sy krisna dia samy anjatony taona maro talohan'ity lazainao itye!
Ihomehezan'ny bokin -tantara sonoa sy indiana fotsiny izany resaka "magy, tranon'omby,kintana, mpiandry ondry "

Ringana tokoa anie isika noho nytsy fahalalan e!
Tsy tokony ho kamo saina amn fikarohana isika namana.
Be loatra ny "copier coller " tamn boky hafa ity TTV ity.

Na izy aza "nafenina sy naetry tany an tranon'omby, ka kintana mamirapiratra "comet " indray ve no manondro ny misy azy!
Feno anjely mihira teny amn lanitra, sns... hita tsotra izao fa tantara nososohana ilay izy.

Novonoina daholo ny zazalahy kely vao teraka : i jaona, ry mpianatra sns...niafina taiza daholo e! Tantara hafa koa io no natsofoka,..
Mailo isika namana!
19. vahiny2004 ( 05/01/2015 10:23)
Andriakaky ô , hay diso daholo daholo izy izany
Allez, venez les amis, on va refaire le monde :-) :-) :-)
20. RBNIR ( 05/01/2015 11:50)
Ny mampalahelo amin'ny namana moustaraf dia

1- kiana no betsaka fa tsy manazava tsara akory izy izay lazainy ho marina (ary rehefa miinsiste ianao dia mivoaka hatramin'ny resaka "alika" ny farany (hahitsiho aho raha diso fa izay no fandraisako azy),
Izaho ohatra miteny hoe ireo anarana rehetra taty aoriana (Jesosy sns) dia niainga avy tamin'ny fandikan-teny grika avokoa (raha mijery ny baiboly protestante isika izao dia voalaza mazava fa hoe nalaina avy tamin'ny dikan-teny grika.

2- Indraindray asainy mamaky baiboly isika (vakio ny baibolinareo hoy izy...) indraindray kianiny, nefa mampalahelo, tsy entiny ilay "porofo" mazava sy marina ary tsy mazava tsara intsony ny zavatra ampitainy eto.....

Raha marina ny anao namana moustaraf inona no mampitahotra anao tsy hizara??? Sa aza omena ny alika ny..... (sao dia diso fandray teny kosa ary isika)?

Samia ho tahin'ny Tompo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1451