Tezitra be ilay Ramatoa mpivavaka fa tsy manaja ny Krismasy hono ny Sinoa eto Behoririka

1. endriny ( 26/11/2014 08:39)
Ramatoa iray niantsena no nitabataba: "Efa ho avy ny farany fa ny andro fankalazana ny nahaterahan'ny mpamonjy aza, dadabe noely sy hazo noely no mameno ny tsena fa tsy sarimasina ankalazana ny krismasy".

Saika hiteny aho hoe: "O Ramatoa ity a, fantatrao ve fetin'ingahibe Klaus ange ity no nangalarin'ny Kristianina e"

Toa adinony fa ireo fety rehetra ankalazain'ny Kristianina ankehitriny dia fety nangalirana avokoa ny ankamaroany

Paka, dia fety fandalovan'ny Jiosy tao amin'ny Ranomasina Mena, fa tsy fitsanganana amin'ny maty akory.
Ny Hallowing lasa natao hoe fetin'ny Maty sy fananteram-boninkazo.
Ny fetin'i Klaus lasa hoe Krismasy.
Ny fitsofan-drano lasa hoe Batisa.

Dia tohizako kely
Ny Fahafatesana lasa hoe fodiana any amin'ny ray
Ny Tompo lasa hoe Jesosy
répondu par endriny le 02/12/2014 17:58
2. rhaj0 ( 26/11/2014 14:10)
Io ho'a ilay hoe.. "afaka miara-miaina ve isikana?"

Ny aty izao dia, rahefa desambra, dia :
1- ny tranom-panjakana izao miasalasala ny hanisy sapin, satria TSY fetin'ny "rehetra" io 25 desambra io, ka maninona hono no asiana sapin ny trano iombonana
2- ny fifampiarahabana izao dia "happy holidays" fa TSY "happy xmas" (ho an'izay manaja ny hafa)
3- ny hiram-piangonana manakoako eny an-tsena, ny hira eny an-tsena manakoako any am-piangonana (sasany)
4- na ny any am-piangonana azany dia, kirintodritona mangarigarika ry puristes raha ohatra ianao ka miteny hoe tratry ny krismasy, fa tsy hoe tratry ny noely (na vice-versa)... (io moa rahefa miteny koa ianao hoe Jesosy fa tsy Jesoa dia misy tezitra)

ka io ho'a... "afaka miara-miaina ve isikana?"..
Sa ny fanontaniana dia hoe, dia voatery hilefitra @ ireo "tsy mahay miaina" ireo ve "isikana"? :-)

3. rekinbelo ( 26/11/2014 15:22)
salama namana,
Iza moa no diso ary ozy enao, ny fivavahana sa ny mpivarotra, fantaro fa fivavahana no nanaiky lembenana t@ ireo mpanompo sampy nakalza ireo fety ireo ka nampiditra azy teo @ fivavahana izay mody miteny hoe kristianina, ary koa ireo mpivarotra dia manaraaotra ny toe-javatra misy eto an-tany ka izao no vokany.
Koa mahereza namana isany fa dia izay no zava-misy moa ka atao ahoana moa fa dia miandry ny fanampahan-kevitry ny fitondram-panjakana isika hanafoanany ireo atao hoe fivavahana kristianina ireo fa efa mangasanga tsy ho ela ilay fotoana ahafinaritra antsika eee
4. endriny ( 27/11/2014 06:04)
Angamba kosa tsy ilay hoe iza no diso, fa tsy tokony batiana be toa izay ilay olona mpivarotra sy mpividy. Jesosy aza niteny hoe: "Mifalia amin'izay faly, ary miondreha eo amin'ny ory". Ka ny olona tsirairay tokony hankalaza ny krismasy na tsia araka izay fantany sy takany. Fa tsy hoe tsy maintsy sarimasina no vidiana atao haingo trano.

Ary Israely ange tsy misy sapin azo atao hazo noely e... no tsy mankalaza ny noely raha teo, fa ny olona amin'ny firenena kristianina tompon'ny kaladrie gregorianina dia mba aleo koa maka vakansy ny Noely e. Ny Saodianina tsy mahalala izay lohany sy vodiny amin'ny andro nahaterahan'izay Kristy izany aza mba mankalaza ny Noely. Fa ny azy ilay hazo noely sy dadabe noely no tena mba mahafinaritra azy...
5. rekinbelo ( 29/11/2014 07:33)
Endriny aaa,t
Zvt nalaina t@ fetin'ny mpanompo sampy ve no ankalzaina sy anaovana fety be toy izao de mafinaritra antsika zany, na Jesosy aza rikoriko mijery antsika manao io zvt io, tena marina tsisy nahafantatra date exacte nahaterahany ko inona no ilainy ankalazana izany, izy ko tsy namporisika ny mpanaradia azy hanaklaza ny nahaterahany, donc avelao izay tsy mahalala ankalaza fa isika mahalala manao zvt hafa
6. bor2lais ( 01/12/2014 16:22)
Miala any indray ny mpamaky takotra a ! :-)
7. rhaj0 ( 01/12/2014 16:28)
[size=8]@ dikany hoe.. "taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra" ve ny tian'i Bor2lais lazaina ? Sa dia hoe olona "mpamaky vilany" fotsiny ? Dia iza @ ireo ambony ireo no mamaky takotra izany ?[/size]
8. bor2lais ( 02/12/2014 09:00)
[size=8]Efa mahazatra[/size] :-)
9. rhaj0 ( 02/12/2014 11:15)
[size=8]ok.. hay izany hotry ny 'le mpamaky sofina mively cymbale mafibe ireny ...[/size]
10. endriny ( 02/12/2014 17:58)

rekinbelo:

Endriny aaa,t
Zvt nalaina t@ fetin'ny mpanompo sampy ve no ankalzaina sy anaovana fety be toy izao de mafinaritra antsika zany, na Jesosy aza rikoriko mijery antsika manao io zvt io, tena marina tsisy nahafantatra date exacte nahaterahany ko inona no ilainy ankalazana izany, izy ko tsy namporisika ny mpanaradia azy hanaklaza ny nahaterahany, donc avelao izay tsy mahalala ankalaza fa isika mahalala manao zvt hafa

Voalazanao, Jesosy tsy niteny hoe ankamasino izy na ny tantarany fa hoy izy hoe: "Raha hivavaka ianao ary hivavaka marina dia izao no ataovy : "Rainay izay any an-danitra....". Fa tsy hoe Jesosy o... aux riz aux rat

Fa iza tokoa moa no samy manamarina fa ity Atry ny Kristianina ity dia tsy sampy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6729