Fivavahana mampitombo vola eo noho eo, sy manasitrana

1. endriny ( 03/11/2014 14:49)
Dia gaga ianao, fa mahazaka tranon-tsonema roa lehibe mihintsy ny mpitarika, ary filaharana lava be mihoatra ny mijery bruce Lee taloha ny alavan'ny laharana. Ary olona mihaingo be sy tsara fitafiana daholo mpilahatra.

Nahoana ireo mpangataka eo anoloanan'ny RM1, sy ireo kilemanay manoloana ny BNI no mba tsy milahatra eto amin'i Patrick?

Tena tsy azoko, kanefa hoe mivavaka ao dia sady sitrana no mahazo vola eo noho eo
répondu par endriny le 10/11/2014 14:43
2. rhaj0 ( 03/11/2014 14:57)
[size=8]ngo dia sahala @ resak'i Bor2lais tatsy hoe... "TSY miantefa aminy ny resaka"...[/size]

Fa tena mety ahoana tokoany azany raha fenoin'ireny 4Mi sy mahantra fadiranovana ireny ny Fiangonana... dia mahasahy TSY hanome ilay mofo&divay ve ohatra i Damopra ? mahasahy "manasa tongotra" an'ireo olona ireo koa ve ry Mpisorona isany ?

3. bor2lais ( 04/11/2014 10:45)
rhaj0:

[size=8]ngo dia sahala @ resak'i Bor2lais tatsy hoe... "TSY miantefa aminy ny resaka"...[/size]

[size=8]Ngo de tkou ...[/size] :-)
4. rhaj0 ( 04/11/2014 11:29)
[size=8]Ka tsy maintsy atao daholo re ny tombatombana ry Bor2lais, fa raha ny fahantrana fadiranovan'ireo olona anie ka mampiteny, sanatriavin'ny vava, hoe ... ny hanongotsongoina ny...[/size]

Fa tena mbola tsy afaka an-tsaiko ny mieritreritra hoe, dia feno an'ireto mahantra fadiranovana ny fiangonana hono.. Asa fotsiny .. hitako ery ry snobino mihaingo mamirapiratra fa hitsoakatsoaka sy hangarigarika, ary dia hamboatra "toerana voatokana" ho azy... (manonofy vendrana eto fotsiny aho io e.... :)
5. hery ( 04/11/2014 13:04)
Mety mbola tsy henon'ny mahantra io resaka io na tsy ankalazaina any amin'ny mahantra.

Ny an'ny "gros bras" anie na dia hoe hanakorontana aza, rehefa misy vola dia tonga izy e... vao maika ve fa izay hivavaka fotsiny
6. rhaj0 ( 04/11/2014 13:35)
Raha ny kely fantatro, dia Papa Fransoa fony mbola tany Arzentina, toa ireo pretra/reliziosy ao amerika latina, dia manantona foana ireny mahantra ireny. Farany teo moa izy dia hita mandray ireo tsy-manan-trano (homeless) sy manasa tongotra sy mamihina marary sns...

Mety hoe "photo opp" ny ataony, hoy ny befilaza, fa raha izaho manokana dia mankasitraka ny fijoroany manome ohatra ho an'ny "gros bras" katolika... na grosse tete azany e... ny mba hanantonana sy handraisana ireo mahantra fadiranovana..


Fa tsikaiky irery ato aho ho'a... Dia iny izany ilay mahantra fadiranovana hono fa manantona ny alitara mba ahazo koa ilay "mofo-kely-sy-divay", ka noana mangetaheta kouh...

Dia ahoana ho'a... "mendrika" ny higaonda aminareo ve izy ry Hery ?

Dia koa hoe... ka ilay mahantra izao mety hoe mamofona sady maloto.. marina tsy ho tapaka daholo ny appetit-ndry snobino :-)

7. ombelline ( 04/11/2014 14:45)
hery:

Mety mbola tsy henon'ny mahantra io resaka io na tsy ankalazaina any amin'ny mahantra.

Ny an'ny "gros bras" anie na dia hoe hanakorontana aza, rehefa misy vola dia tonga izy e... vao maika ve fa izay hivavaka fotsiny


Mety kôpy rizareo hoe tsy mandeha akory io, mety mihomehy ireo hafa mandeha any rizareo izao hoe voafitaka ireto :-D
8. gasy1zay ( 04/11/2014 14:51)

rhaj0:

Raha ny kely fantatro, dia Papa Fransoa fony mbola tany Arzentina, toa ireo pretra/reliziosy ao amerika latina, dia manantona foana ireny mahantra ireny. Farany teo moa izy dia hita mandray ireo tsy-manan-trano (homeless) sy manasa tongotra sy mamihina marary sns...

Mety hoe "photo opp" ny ataony, hoy ny befilaza, fa raha izaho manokana dia mankasitraka ny fijoroany manome ohatra ho an'ny "gros bras" katolika... na grosse tete azany e... ny mba hanantonana sy handraisana ireo mahantra fadiranovana..


Fa tsikaiky irery ato aho ho'a... Dia iny izany ilay mahantra fadiranovana hono fa manantona ny alitara mba ahazo koa ilay "mofo-kely-sy-divay", ka noana mangetaheta kouh...

Dia ahoana ho'a... "mendrika" ny higaonda aminareo ve izy ry Hery ?

Dia koa hoe... ka ilay mahantra izao mety hoe mamofona sady maloto.. marina tsy ho tapaka daholo ny appetit-ndry snobino :-)




izaho aloha tsy mbola nahita na nahalala fiangonana kristianina nandroaka mpiangona noho ny fitafiny na noho ny tsy fananany fa ny mifanohitra amin'izany aza. Mba teneno ihany aho raha efa nahita izany ianao mba ho vérifieko hoe aiza no misy manao an'zany.

Marihiko kely aloha fa ity mampivavaka resahin'ny namantsika ity dia tsy pretra na pastera manaraka ny doctrine kristianina no mitarika azy ka tsy tokony afangaro sao dia mamitaka ny mpijery ohatran'i rhaj0 :)
9. endriny ( 04/11/2014 15:13)

hery:

Mety mbola tsy henon'ny mahantra io resaka io na tsy ankalazaina any amin'ny mahantra.

Ny an'ny "gros bras" anie na dia hoe hanakorontana aza, rehefa misy vola dia tonga izy e... vao maika ve fa izay hivavaka fotsiny


Tena mandeha amin'ny tele sy ny Radio, ary itondrana megafaonina manodidinana ny Tanana mihintsy ny dokam-barotra amin'ity koa.

Sady ilay toerana haonaovana ny vavaka dia trano lehibe roa akaikin'ny BNI sy ny RM1 eto Analakely mihintsy.

Dia gaga ianao fa ireto mpangataka sy kilemaina eto Analakely indray no tsy mandray anjara.... satria mahay mandinika noho ireto mpilahatra an'arivony... Ataoko hoe an'arivony satria olona roa no mpitarika ka samy manana efitra lehibe iray avy, ary misy in-telo miditra ny mpiangona indray andro...
10. vony501 ( 05/11/2014 07:12)

rhaj0:


Fa tsikaiky irery ato aho ho'a... Dia iny izany ilay mahantra fadiranovana hono fa manantona ny alitara mba ahazo koa ilay "mofo-kely-sy-divay", ka noana mangetaheta kouh...

Dia ahoana ho'a... "mendrika" ny higaonda aminareo ve izy ry Hery ?

Dia koa hoe... ka ilay mahantra izao mety hoe mamofona sady maloto.. marina tsy ho tapaka daholo ny appetit-ndry snobino :-)



Fanamarihana voalohany : "manatona" fa tsy "manantona"
Fanamarihana faharoa : ny mofo sy ny divay dia tsy zaraina sy omena fahatany, fa omena ireo resy lahatra fa Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy azy. Mariky ny firaisan'aina amin'ny Tompo izany. Tena faharesen-dahatra fa tsy andrakandrana. Tsy maintsy misy dingana maro arahana vao tonga amin'ny fandraisana ny vatan'i Kristy sy fisotrona ny ràny
11. rhaj0 ( 05/11/2014 12:09)
Ny "mofokely-sy-divay" izany TSY "mendrika" ho an'ny "noana sy mangetaheta", fa kosa ho an'ny ... "noana sy mangetaheta tena izy" ihany... mahasoava ao azany e...
12. gasy1zay ( 05/11/2014 15:19)

rhaj0:

Ny "mofokely-sy-divay" izany TSY "mendrika" ho an'ny "noana sy mangetaheta", fa kosa ho an'ny ... "noana sy mangetaheta tena izy" ihany... mahasoava ao azany e...


Sao dia diso fihevitra aloha isika fa ny noana sy mangetaheta resahina tsy voatery ara-nofo fa ara-panahy koa, tadidio ilay hoe tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa ny tenin'Andriamanitra koa, raha noana tenin'Andriamanitra izy dia tena hahazo tokoa any ampiangonana fa ilay fiangonana tena mitory hoan'ny fanahy fa tsy hoan'ny nofo fotsiny ( vola-sakafo-fahombiazana ety ivelany)
13. endriny ( 07/11/2014 10:54)

gasy1zay:


rhaj0:

Ny "mofokely-sy-divay" izany TSY "mendrika" ho an'ny "noana sy mangetaheta", fa kosa ho an'ny ... "noana sy mangetaheta tena izy" ihany... mahasoava ao azany e...


Sao dia diso fihevitra aloha isika fa ny noana sy mangetaheta resahina tsy voatery ara-nofo fa ara-panahy koa, tadidio ilay hoe tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa ny tenin'Andriamanitra koa ( vola-sakafo-fahombiazana ety ivelany)


Fa misy koa anefa ilay ohabolana Malagasy hoe: "Raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy", ary iray amin'ny fangatahana telo lehibe amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo ny fangatahana sakafo: "Omeo anay anio ny haninay isan'andro, ary aza avela ho azon'ny fakam-panahy izahay". Toa midika hoe "raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy"
14. endriny ( 07/11/2014 11:00)
Fa ny tena tiako marihina dia ilay fomban'ny mpivavaka na mpitarika fivavahana hisarihana olona hanaraka ilay foto-pinoany mihintsy no misy mahatsikaiky indraindray:

"Manasitra sy mampahazo harena eo noho eo"
"Manome fitafiana eo noho eo"
"Mampahazo vary sy menaka eo noho eo"

Fa eo koa ary maro ny marivo salosana mora roboka amin'ireny ka miala amin'ny finoana efa nananany ka lasa milahatra sy mpanaradia mafana fo mihintsy.

Misy anefa ireo tonga saina na dia mahantra aza, ka aleony ihany miandry izay arotsaky ny tsara sitrapo eny amin'ny arabe toa izay hivarotra ny fanahy sy ny tenany ho an'ny antokom-pinoana tsy Fanta-pihaviana.

Misaotra ny razako aho
15. rhaj0 ( 07/11/2014 14:11)

endriny:
Fa ny tena tiako marihina dia ilay fomban'ny mpivavaka na mpitarika fivavahana hisarihana olona hanaraka ilay foto-pinoany mihintsy no misy mahatsikaiky indraindray...

Andrangarangarangany karoty e... Dia andrangarangarangany kibay koa avy eo.
Efa ela no hain'ny sasany io "carotte et baton" e... fa mbola roboka foana raolona.

Fa ny mahatsikaiky (ahy) dia ny karotin'ny sasany lazainy fa navet.. ary ny kibay lazainy fa tsoran-kazom-pitiavana...
16. endriny ( 10/11/2014 14:43)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.137