Ny vaky fasana sy ny finoana ankehitriny

1. endriny ( 28/10/2014 11:55)
Taloha dia masina ho an'ny Malagasy izany atao hoe fasana izany: Tsy azo anaovana maloto ny manodidina, atao izany hoe dio fasana izany, avadika ny razana...

Niova anefa io fijery io ankehitriny: fanariana fako ny tokotanim-pasana, taingenana ifohana sigara ny tampon'ny fasana, angalarina ny taolam-paty...

Nahoana angaha?

Satria betsaka ny lasa mino fa izany razana izany dia tsy misy hasiny fa Atra irery ihany.
Ny avelo sy ny lolo ary ny angatra dia tsy avy amin'Atra fa devoly sy belzeboba ka azo roahina amin'ny baiboly sy ny lakroa.

Fehiny lasa azo amidy ny taolam-paty, ary misy aza fiangonana mampiasa ireny anaovana haingom-piangonana na anaovana sarivongana.

Dia mandeha ny bizn'i Fransisy sy ny Karana
répondu par rhaj0 le 02/11/2014 21:38
2. toriteny ( 30/10/2014 11:07)
Dia raha ny hevitrao izany dia kristianina no mpamaky fasana sy mpangala-paty ary mpivarotra taolam-paty eto amintsika?


Raha izaho no hanontanianao dia vovoka amiko ny ao am-pasana. Misy importance ny ve ny vovoka? fa maninona moa no tsy azo itsahina ny vovoka (ohatran'ny manimba sofina be ilay hoe taingenana sy hivoahana sigara ny vovoka )? Ary maninona no fonosina lamba ny vovoka?
tsy misy zavatra hantenaiko intsony ao. Raha maty aho, tsy ilay vatako ao akory no hitsangana indray. tsisy dadako sy mamako sy havako intsony ao. Fa ny fasana amiko dia vovoka, ohatran'ny fisian'ny vovoka eny amin'ny arabe.
3. endriny ( 31/10/2014 06:03)

toriteny:

Dia raha ny hevitrao izany dia kristianina no mpamaky fasana sy mpangala-paty ary mpivarotra taolam-paty eto amintsika?


Raha izaho manokana aloha, amin'ity hafohin'ny fijeriko ity, isaky ny mahita ilay hoe mandroaka tromba sy devoly, sy ireo olona milaza fa ny angatra dia devoly ka tsy tokony atahoran'ny olona mpino...

Dia midika amiko fa ireto ry zareo tsy matahotra angatra ireto no mpangalatra taolam-paty. Aiza koa ny katedraly aza ny an'ny sasany taolam-tay daholo ny mandravaka azy (Pragy, Londre, Espagne...) misy ohatra amin'ireo daholo
4. toriteny ( 31/10/2014 07:40)

endriny:


Raha izaho manokana aloha, amin'ity hafohin'ny fijeriko ity, isaky ny mahita ilay hoe mandroaka tromba sy devoly, sy ireo olona milaza fa ny angatra dia devoly ka tsy tokony atahoran'ny olona mpino...


Ka ataon'ny mpivavaka inona ary vovoka e? Vovoka ve no hamakiako fasana nefa vovoka feno eraky ny arabe gratuitement eny? Mitsimpona dia mahazo.

Sady ny kristianina tsy milalao taolam-paty izany. fahavetavetana eo imason'Andriamanitra izany
5. endriny ( 02/11/2014 05:18)

toriteny:

Ka ataon'ny mpivavaka inona ary vovoka e? Vovoka ve no hamakiako fasana nefa vovoka feno eraky ny arabe gratuitement eny? Mitsimpona dia mahazo.

Sady ny kristianina tsy milalao taolam-paty izany. fahavetavetana eo imason'Andriamanitra izany


nga moa izy maka ny vovoka miraraka, tena marina io, fa ny taolana mikitra no tiany
6. rhaj0 ( 02/11/2014 19:26)
Ilay hoe "mpivavaka" sy "mpino" na hoe Kristiana anie tsy hoe dia "masina" daholo e... Ianao izany koa ry Toriteny ka toa hotry ny hiantoka izao soavaly be tongotra rehetra izao e...

Ohatra izao, jereo hoe firy isan-jaton'ny olona gadra, izany hoe voaheloka fa nandika lalAna (na "nanota" koa), no Kristiana ???

Afaka manao karoka ianao fa, ohatra ny "athee" izay migadra, dia vitsy dia vitsy ny isan-jatony, raha miolotra @ habetsahany ao @ fiaraha-monina amerikana ao ohatra...


Ka aleo atao hoe, na hoe miaiky fa, ny Kristiana "sasany" (na taloha na izao, hatrany Madagasikara io), ny Kristiana (sasany) anie ka dia tena roboka @ ity maka taolam-paty sy ny karazany ity, ary izany dia ... inspiration-ny avy @ Baiboly (an'azy manokana) ao e...

7. rhaj0 ( 02/11/2014 21:34)
2 Mpanjaka 13:21 Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’ i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ ny taolan’ i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ ny tongony.
8. rhaj0 ( 02/11/2014 21:38)
First-Class Relics (Roman Catholic):
If a saint did a lot of travelling then the bones of his feet may be prized.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1883