HO AIZA ISIKA GASY E
1. nilex
(
23/09/2014 08:00)
Mampalahelo fa tsy misy mihevitra izay hoavin'ity firenena ity intsony ny mpanao politika malagasy fa dia samy manao izy maha metimety ny tenany sisa e.Natao ny fifidianana teo mba hoe hisian'ny fanantenana vaovao nefa ankehitriny tsy hita ho aiza mihintsy isika gasy.ny olona rehetra efa lasa lavitra na ireo nosy manodidina aza nefa isika tsy tena tsy misy hantenaina mihintsy e.Asa na hanao ahoana e?
répondu par hafahafa le 24/09/2014 12:52
2. rabaradaka
(
23/09/2014 08:05)
A ry dadatoa na nenitoa Nilex a, hao aiza hoy ianao isika malagasy ? Ho aiza moa fa tsy ho eto ihany e, ny mpanakarena tampoka mitombo izay tsy izy, ny mahantra mitombo betsaka koa. Fa mba fantatrareo moa fa izany Sareraka izany ka lasa multimilliardaire tamin'ny aferana hazo tany Morondava, nefa dia mitady hanongana ny fitondrana indray fa tsy ampy hono ny azony. Io HVM io dia tsy hahavita mandat raha izao no mitohy ary tsy hahavita ny 2015 akory aza. Efa misy kajy any fa hasehoko eto amin'ny manaraka
3. nilex
(
24/09/2014 08:53)
tena nopotehindry zalahy ny firenentsika e,raha izao mantsy no tsy nisy ireny fanakorontanana ireny tena mety efa aiza isika toy izao.Na ny fiainana teto aza tena niova be mihintsy.Ny sasany ity nanakorontana nefa sady afaka madiodio no lasa deba fa ny gasy vizana daholo.Ny nanohana azy ireo aza efa nanenina daholo e.
4. hafahafa
(
24/09/2014 12:52)
nilex:
tena nopotehindry zalahy ny firenentsika e,raha izao mantsy no tsy nisy ireny fanakorontanana ireny tena mety efa aiza isika toy izao.Na ny fiainana teto aza tena niova be mihintsy.Ny sasany ity nanakorontana nefa sady afaka madiodio no lasa deba fa ny gasy vizana daholo.Ny nanohana azy ireo aza efa nanenina daholo e.
Eh! atao aona e! Soa lavo hahay hamindra ko!
Tsy nijery lavitra fa ny androany sy rapitso iany no tany antsaina sady te hananan-karena vetivety e!
Hi3 maika andoro tanety anaovana saribao,kay le saribao ndray no nandoro itadiavana orana fa mahamay be ny tanana kou.