Araka ny baiboly manaraka ny toetr'andro, Jesosy miakatra eto Jerosalema

1. endriny ( 12/09/2014 03:50)
Nandray ny findainy Jesosy ary niantso an'i Piera: "mandalova ianareo eny akaikin'ny tombin-dasantsy akaiky anareo indrindra, ary ho hitanareo fa misy moto mijanona eo anoloany. Ka alaivo izay moto mitovitovy amin'ny honda 250 amin'ireo ho entiko miakatra ny ville rahampitso. Ary omany vahoaka hanofahofa saina sy balaonina eny amin'ny arabe mandritra ny fandalovako"

baiboly manara-penitra io a, sady maharaka toetrandro.
répondu par rhaj0 le 15/09/2014 14:02
2. hery ( 12/09/2014 04:52)
Tsy ampy.

Hisy hiteny hoe "Ataonareo inona iny moto iny?" dia valio hoe "misy ilain'ny Tompo azy"
....
Dia nataony tokoa izany.
3. Vony501 ( 12/09/2014 06:42)

hery:

Tsy ampy.

Hisy hiteny hoe "Ataonareo inona iny moto iny?" dia valio hoe "misy ilain'ny Tompo azy"
....
Dia nataony tokoa izany.


Dia tonga dia voadaroka izy roalahy sady nisy nanondraka lasantsy, dia voadoro velona teo (fitsaram-bahoaka)
4. moustaraf ( 12/09/2014 13:26)
Ny boriky manana aina,
Moto tsy mananana aina, eo dia efa tsy mitovy
....
Ny jiosy dia manana faminaniana milaza fa mitaingina boriky tanora miaka ho any Yeroshalaym ilay Mesia!

Sa miova daholo mou ny rehetra??? 'zay ngamba
5. endriny ( 14/09/2014 03:55)

moustaraf:

Ny boriky manana aina,
Moto tsy mananana aina, eo dia efa tsy mitovy
....
Ny jiosy dia manana faminaniana milaza fa mitaingina boriky tanora miaka ho any Yeroshalaym ilay Mesia!

Sa miova daholo mou ny rehetra??? 'zay ngamba


Tena niova daholo koa...

Jereo ange e: "dia nandray ny tablette ilay Kristy ary namaky izay voasoratra araka ny constitution"

Aleo aloha mba mihomehy fa tsss
6. moustaraf ( 14/09/2014 04:05)
dia nandray ny Skool izy dia nisaotra,
ary nizara ny piiizzzzaaaa !!!
7. rhaj0 ( 15/09/2014 14:02)
Fa mbola miankanjo toa ny taloha ihany Izy @io... Dia toatoa izao izany izy rahefa mitondra ny vokovoko e... (fa ilay Romana k'lou dia tena mba lozan'olona mihintsy... mendrika ny ho ringaniNY )

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3678