Ny fomba fandravan'ny kristianina ny marina
1. endriny
(
08/09/2014 04:27)
Tsy hilaza intsony isika hoe avy taiza ilay Kristy ary iza marina no nanoratra ny boky. fa ny zava-misy aloha dia mihazakazaka mafy ny Kristianina ankehitriny amin'ny adihevitra ny mety hanalana ny testamenta taloha anooatry ny Genesisy sy ny Tonon-kira tsy ho ao anaty baiboly intsony.
Be izay fomba rehetra natao teo aloha hatramin'ny fandrimpahana ny tompon-tantara, izay Jiosy fa eh eh, mbola miys Jiosy velona ihany mitranga avy eny ankebakeban-tany eny...
www.end-times-prophecy.org/secret-history-catholic-church.html

répondu par endriny le 11/09/2014 04:48
2. Randri87
(
08/09/2014 09:39)
Oviana ary iza amin'ireo ataonao hoe Kristianina ary no nilaza fa hanala ireo boky ireo ao amin'ny Baiboly ?; ny Kristianina no nampiditra an'ireo tao dia inona no antony tokony hanalany azy ? Ny faminaniana rehetra momba ny Mesia (ohatra Isaia 53 sy ny hfa be dia be) dia tanteraka tao amin'i Jesoa Kristy ...ny testamenta vaovao no efa fahatanterahan'ny faminanian'ny testamenta taloha sy manazava izany ary ny jodaisma dia fanomanana ny kristianisma arak'izany. ka inona ary ny marina lazainao fa tina horavana ?
3. hery
(
08/09/2014 10:11)
Iza tokoa hono izany hanova baiboly izany?
Tsy izahay Katolika aloha satria ny anay aza mbola betsaka kokoa ny an'ny Protestanta ny isan'ny boky ao amin'ny baiboly noho ireo "Deuterocanoniques"... :-)

4. rhaj0
(
08/09/2014 14:06)
TSY Kristiana no hitako hoe hanova (sa hanavao sa hanitsy) ny Soratra Masina (anaty Baiboly na Torah) fa Jiosy mpandalina (scholars). Eto ohatra izao misy manazavazava ny petra-kevitry rizareo
http://failedmessiah.typepad.com/failed_messiahcom/2011/08/the-tanakh-as-it-was-the-evolution-and-change-of-the-hebrew-bible-456.html

5. rhaj0
(
08/09/2014 14:08)
Dia eto koa izao milazalaza fa... novain'ny Kristiana Amerikana i ... A.tra.
http://religion.blogs.cnn.com/2014/09/06/5-ways-america-changed-god/

6. Randri87
(
09/09/2014 08:38)
Raha ny voalazan’ny Baiboly aloha no jerena dia izay olona mikasa manao an’izany sy ny mitovitovy amin’izany sy ireo izay efa manohitra an’i Jesoa Kristy rahateo angamba no efa voafaritra amin’ireto faminaniana ireto ohatra ny zava-misy sasany amin’izao andro izao:
“Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; 4dia hanentsin-tadiny amin'ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin'ny angano foana” (2 Timoty 4,3-4)
“Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; 2fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, 3tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, 4mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan'ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, 5ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro. 6Fa anisan'izany ireo mitsofoka any an-tranon'ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran'ny ota sy tarihin'ny filana maro, 7ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana” (2 Timoty 3, 1-7)
“Ary toy ny nisian'ny mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka fahiny, no hisian'ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an'ny tenany. 2Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin'izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina. 3Hataony varotra amin'ny teny manodòka hianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.
4Fa matoa tsy namindra fo tamin'ny anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itànany azy ho amin'ny fitsarana; 5matoa tsy namindra fo tamin'izao tontolo izao fahiny izy, afa-tsy tamin'i Noe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony izy nahatonga safo-drano tamin ízao tontolo ratsy fanahy izao; 6matoa nohelohiny hofongorana sy hanjary lavenona ny tanànan'i Sodoma sy Gomora, ary nataony ho anatry ny mpanao ratsy aty aoriana; 7ary matoa izy namonjy an'i Lota olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondran-tenan-dry zareo tsy misoro-doza, 8(fa ory loatra ny fanahin'io olo-marina io mahita sy mandre isan'andro ny fandikan'izy ireo ny Lalàna, fony izy niara-nitoetra taminy): 9dia satria hain'izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin'ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin'ny andron'ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazìna, 10indrindra fa ireo manaram-po amin'ny filan-dratsin'ny nofo, sy manamavo ny fahandrianana.
Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo voninahitra akory, 11nefa na ny anjely izay mahery kokoa sy ambony fahefana aza, tsy mitsara sy tsy miteny ratsy azy ireo eo anatrehan'ny Tompo. 12Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin'ny fahalotoany izy ireo: 13izany no ho valin'ny faharatsiany” (2 Piera 2, 1-13)

7. endriny
(
11/09/2014 04:48)
Randri87:
“Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; 4dia hanentsin-tadiny amin'ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin'ny angano foana” (2 Timoty 4,3-4)
Marina io! Rehefa ilazan'ny Jiosy sy Silamo izay niandohan'ny tantaram-pamonjena ny kristianina fa hoe tsy ilay Kristy anareo io ange no Mesia nandrasana e. Dia arosony ny porofo ara-baiboly milaza ilay tantara. Tonga dia tsy zakan'ny Kristianina, ka dia nataony hatrany hatrany ny hamonoana ny Jiosy sy ny Silamo...
Kroazady e...