NY FITSARANA FAMOTOPOTORANA

1. Maranatha ( 21/08/2014 05:22)
« Ny asan’ny olona tsirairay dia mandalo eo anatrehan’ i Tsitoha sady voasoratra na mahatoky na tsy mahatoky. Eo anoloan’ny anarana tsirairay eo amin’ny bokin’ny lanitra dia voatana an-tsoratra amin’ny fahamarinana mampahatahotra ny teny ratsy rehetra, ny asam-pitiavantena rehetra, ny adidy tsy vita rehetra, ary ny fahotana miafina rehetra, miaraka amin’ny hafetsena sy ny fitaka rehetra. Ny fampitandremana nalefan’ny lanitra na ny fananarana natao an-tsirambina, ny andro verivery foana , ny fotoana mety tsy nohararaotina, ny hery miasa mangina ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy, miaraka amin’ny vokany lavitra indrindra, izany rehetra izany dia samy voatantaran’ny anjely mpanoratra avokoa» – Hery Mifanandrina, p. 498. ARAHO ARY
répondu par endriny le 26/08/2014 06:16
2. endriny ( 23/08/2014 06:05)
Nga i Maranatha efa tany an-danitra e?

Sao mba tsy rariny aza ity manao vavolombelona sandoka ity?
3. Maranatha ( 25/08/2014 05:45)
Tsy mbola tany an-danitra aho fa ny mpaminany no milaza izany. hoy ny Apok1:1 Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Ny Avo-indrindra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,2 Izay nanambara ny tenin'Ny Avo-indrindra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
Ny Tsitoha milaza @ Jesoa, i Jesoa maniraka ny Anjeliny (i Gabriela), Ny Anjely milaza @ mpaminany, ny Mpaminany milaza @ mpino.

Hoy koa ny teny iray Amosa 3:7 Tsy manao na inona na inona tokoa Tsitoha Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.

Tsy i Maranatha no nahita izany fa nolazain'ny Mpaminany dia tokony hinoana Romana 16:26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Ny Avo-indrindra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,

Hoy koa ny dsoratra masina any @ teny hafa hoe Minoa ny mpaminany dia hambinina hianareo.

Loza ity tsy fahampian'ny fahalalana ity ry endriny a! Ringana tokoa hoy ny Tompo ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana ar ny Ohab 19:2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana
4. endriny ( 25/08/2014 05:58)
Ilay mpaminany angaha efa tany koa sa ahoana?

Fa toa fanomezan-tsiny an'Atra sy fanamrinan-tena no fieheverako ilay hoe:"toa tsy manao na inona na inona Atra raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany izy"

Izany hoe raha tsy miteny izany izany ilay mpaminany dia tsy nisy hino izay lazainy eo, ary raha tsy milaza io ilay mpaminany dia tsy Atra no nampiteny azy...

Fa Atra tsy mila mpisolo vava ary tsy mila soloina vava. Fa ny asany na totofana tany 1000 bulldozer aza dia hohitan'ny olona foana. Tsy mila lazaina satria tsy misy mendrika na iray aza hitondra ny tenin'izany Atra izany...

Fa ilay Atr' i Abrahama tsy arako a, ny azy mantsy toa ity olona rehetra ity misoratena ho mpitondra ny hafany daholo, na dia ny mpanolan-jaza aza.
5. endriny ( 25/08/2014 06:31)
"Minoa ny mpaminany dia ho ambinina ianareo"

Hitako ny Malagasy no tsy mety ambinina mihintsy, satria na ny mpanandro amin'ny fanaovan-trano sy ny fandrafetana tanana aza efa tsiratsirainy, fa tsy fomba kristianina hono ireny.. Ka ny sasany manao varavarana mianatsimo. Efa sepotry ny asma izy mianakavy noho ny trano bobongolo dia lazainy fa misy demonia tafiditra indray ny tranony, nentin'ilay mpiasa vavy...

Ao amin'io baiboly io dia misy fiteny hoe: "fa aoka ianareo hino izay ninoan'ny razanareo".
6. Maranatha ( 25/08/2014 11:37)

endriny:

Ny Malagasy sy ny fanompoan-tsampy ity resahinao ity. Ny hoe ninoan'ny razanareo ao anaty baiboly dia mazava be fa ireo Ray aman-dreny tany aloha izay nino sy nanaraka ny sitram-pon'I ray izay any an-danitra.

endriny:

Ilay mpaminany angaha efa tany koa sa ahoana?

Ny Anjelin'i Ray no nilaza tamin'ilay mpaminany. Daniela 9:21 eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.

endriny:

Fa toa fanomezan-tsiny an'Atra sy fanamrinan-tena no fieheverako ilay hoe:"toa tsy manao na inona na inona Atra raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany izy"
Izany hoe raha tsy miteny izany izany ilay mpaminany dia tsy nisy hino izay lazainy eo, ary raha tsy milaza io ilay mpaminany dia tsy Atra no nampiteny azy...
Fa Atra tsy mila mpisolo vava ary tsy mila soloina vava. Fa ny asany na totofana tany 1000 bulldozer aza dia hohitan'ny olona foana. Tsy mila lazaina satria tsy misy mendrika na iray aza hitondra ny tenin'izany Atra izany...

Tena hita hoa tsy mpamaky baiboly mihintsy i endriny raha izao fa manaraka fotsiny izay voalazan'ny ao ampiangonany na marina na diso no lazainy.

Tsy tadidinao va ny tantaran'i Jonah izay nirahina tany ninive??? Rehefa nandre ny teniny ny mpanjaka fa ho ravana i Ninive dia nibebaka sy nitafy lamba fiasaonana ary nifady hanina na ny mpanjaka, na ny vahoaka, na ny biby fiompy tao aminy. Tsy nila mpisolo vava ve A/tra hilaza ny hafatrany ho an'i Ninive????

endriny:

Fa ilay Atr' i Abrahama tsy arako a,

Ny Ray tsy azo vazivaziana fa izay hafafain'ny olona no ho jinjainy. Matio 10:33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

endriny:

ny azy mantsy toa ity olona rehetra ity misoratena ho mpitondra ny hafany daholo, na dia ny mpanolan-jaza aza.

tsy izay rehetra misora-tena fa nirahiny dia nirahiny daholo fa misy fepetra mila fantarina mba hahafahana mino fa nirahiny io olona io. Indro homeko anao ireo fepetra ireo ka raha miteny arak'ireo izy dia ny Ray no naniraka azy:
Voalohany I jaona 4:1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Ny Avo-indrindra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Ny Avo-indrindra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Ny Avo-indrindra;3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Ny Avo-indrindra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. . Mino aloha io olona io fa efa tonga nofo ny Mesia
FAHAROA Apok 10:11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro. Miteny @ olona rehetra maneran-tany fa tsy ao Israely fotsiny intsony na eto M/car fotsiny
FAHATELO Isaia 8:20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina Tsy maintsy olona mitandrina ny Didy 10 tsy hakana, tsy ampianana, tsy soloina na dia ny iray ao anatiny aza, sns...
FAHAEFATRA Nomery 24:4 Izay mandre ny tenin'Ny Avo-indrindra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha , torana, kanefa voahiratra ny masony: Mijery ny masony ary tsy mikipy kanefa io olona io dia torana.
FAHADIMY Deo 18:22 Raha miteny amin'ny anaran'i Tsitoha ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Tsitoha izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. Ny mifanohitra amin'io dia hoeTsy maintsy marina ny zavatra izay lazainy.

Mandraisa amin'izay hianao izay milaza azy fa mpaminany anakiray dia refeso arak'ireo . Raha ny Iray fotsiny aza tsy tanterany amin'ireo dia efa tsy avy @ Rain'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izy izay.

Endriny tena mila hay ny soratra masina mba tsy ho voafitaka isika.
7. yohanan ( 25/08/2014 13:32)
Shalôm!
Tena marina fa raha tsy IZAY VOASORATRA no dinihina sy arahina dia sady ho diso lalana no ho diso fanantenana. Zaho d mamporisika ny rehetra hoe vakio ary aza atao vazivazy izay voasoratra mba hitombo ny fahalalanao ( NY MARINA ) .
Mbola ampiako aza hoe jereo @ teny fototra (ORIGINAL) ny Teny fa tsy ny dikan-teny, izany hoe ny Teny Hebreo.
8. endriny ( 25/08/2014 16:41)

Maranatha:

Ny Malagasy sy ny fanompoan-tsampy ity resahinao ity. Ny hoe ninoan'ny razanareo ao anaty baiboly dia mazava be fa ireo Ray aman-dreny tany aloha izay nino sy nanaraka ny sitram-pon'I ray izay any an-danitra.

Ny fanandroana tompoko dia tsy fanompoantsampy, fa fandrindrana ny rafitra apetraka hifanaraka amin'ny tontolo manodidina. Mpanandro no namaritra ny fitodiky ny Tanana sy ny famerana ny isan'ny trano azo napetraka teo amin'ny vohitra fahiny. Nametra ny hoe ito tokotany, ito asiana fahitra, ito tsy azo anaovana maloto.

Fa izao na eny ambony dale aza efa misy trano miforona fa Kristianina tsy manaraka andro

Fanompoantsampy ve? Aoka hazava fa ny Andriamanitr'i Abraham dia iray tamin'ireo sampy an'arivony nisy teo amin'ny vohitr'i Siona. Fa izy mody natao hoe :"Andriamanitry ny Andriamanitra" didy voalohany, jereo tsara dia hainao fa tsy iray ny Andriamanitra, fa nisy olona nanora-tena ny Andriamaniny ho Andriamanitry ny Andriamanitra...
9. Maranatha ( 26/08/2014 05:44)

Miray tsikombakomba @ mpanompo sampy ny mpanandro, mijery kintana sns... Tsy ny manao ihany fa ny mankasitraka koa.

Fa hianao izany tena tsy mivavaka raha azoko tsara. Tsy Mivavaka @ ilay Ray izay nanindry mandry ny mpaminany izay nanoratra ny baiboly. Ary olona tsy salama kay no hiresahako!!??!!
10. endriny ( 26/08/2014 06:16)

Maranatha:

Fa hianao izany tena tsy mivavaka raha azoko tsara. Tsy Mivavaka @ ilay Ray izay nanindry mandry ny mpaminany izay nanoratra ny baiboly. Ary olona tsy salama kay no hiresahako!!??!!

Tsra rehefa nahatsapa fa miresaka amin'ny olona tsy salama... Fa iza no nanoratra ny baiboly? Mba tadiavo hoe... Ny haiko dia na i Davida aza tsy nanoratra na dia takila iray monja tao amin'ny baiboly aza....

Ny testamenta vaovao diapenin'i Piso mianakavy tamin'ny taona 50-85... Dia milaza koa ianao mpaminany nanoratra baiboly?

Efa ataon'ny vazaha mivanitika fotsiny amin'ny fandalaninana ny anganony... Hany ka tsy mahay afa tsy tsianjery sisa dia manisa vitsika...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4928