Tena noraran'ilay Pretra Curé tsy hilatsaka hofidiana ho Filohan'ny Filankevitra Paroasialy ny Kandidà iray satria tsy afaka manaraka ny sitrapony amin'ny daboraraka!!! Ary f'angaha moa tsy ny Kartie no tokony hanolotra olona hofidiana ho Filoham-piangona

1. ZEMJOS ( 14/07/2014 07:41)
Raha ohatra ka ny Pretra no manolotra olona hofidianana atao inona intsony ny fifidianana?? satria efa notendrena ireo olona ireo. Tokony ovain'io Pretra io ny soridalam-pitantanana ny Diosezy.
répondu par rhaj0 le 17/07/2014 17:29
2. hery ( 14/07/2014 08:27)
Ohatry ny raharaham-piangonanareo manokana izy izany ka angamba nareo no mandamina azy.

Ireny pretra ireny toa azo resahina ihany. Manana lehibe koa izy (eveka sns)
3. mpisotrtoaka ( 14/07/2014 11:50)
Ts lehiben'ny fiangonana ny pretra fa tadidio tsara ! Mis ambony noho izy hatrany ao ar miasa ho an'ny ondrin'Atra izy ireny fa ts natao hiandraikitra izany ! Raha mis ny olana d manatona ny distrika na ny diôsezy miits d resaho mvantana ! Na Carme iz na diôseziana na in na in !
4. rhaj0 ( 17/07/2014 17:29)
Ny fahazaoako azy dia TSY demokrasia ny Fiangonana.. Ny soatoavina demokratika izay hiainana @ izao fotoana maoderina izao, na iriana mba hiainana, dia TSY misy ao @ Fiangonana (ny ankamaroany). Ka efa safidin'ny vahoakam-piangonana ny tsy hisian'ny Demokrasia ao ka dia... izay izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0715