Ny Kristiana na Finoana na A/tra "Tena Izy"

1. rhaj0 ( 20/06/2014 12:43)
Miverimberina foana ity hoe "Tena Izy" ity, ary toa samy manono-tena ho "Tena Izy" na manana ny "Tena Izy" ny tsirairay.. izay midika fa ny hafa dia "Tsy Tena Izy", satria moa toa mifanipa-kevitra ihany ny samy eto.

ka fanontaniako @ ireo mpanainga lohahevitra eto : toatoa ny ahoana
- ny "Tena Izy" @ Maranatha
- ny "Tena Izy" @ Tefigasy
- ny "Tena Izy" @ Mamonjy1
- ny "Tena Izy" @ Rhaj0
- ny "Tena Izy" @ Bor2lais
- ny "Tena Izy" @ Toriteny
- ny "Tena Izy" @ Endriny
- ny "Tena Izy" @ Mampihomehy
- ny "Tena Izy" @ mpandrindra Bichette sy Hery
- ny "Tena Izy" aminao mpandalo eto, aminao tsy miloaka...

répondu par endriny le 09/07/2014 18:14
2. Tefigasy ( 20/06/2014 12:57)
Ao anaty baiboly izay ataonao hoe tsy tena izy ny valiny, hihihihihi
3. rhaj0 ( 20/06/2014 13:53)
Efa hoe tsy "izaho" no loha-hevitra eto fa ny "Kristiana Tena Izy"... Sao tsy mahasaka kosany azany i Tefigasy izany. Fa maninona no tsy mahasahy ? sa misy recette tsy tiana zaraina an...

Ka efa samy namaky Baiboly daholo ireo samy nilaza ho "Tena Izy" rehetra ireo... Fa dia lazao re ny "Tena Izy"-nao e...
4. endriny ( 20/06/2014 13:58)

rhaj0:

Miverimberina foana ity hoe "Tena Izy" ity, ary toa samy manono-tena ho "Tena Izy" na manana ny "Tena Izy" ny tsirairay.. izay midika fa ny hafa dia "Tsy Tena Izy", satria moa toa mifanipa-kevitra ihany ny samy eto.

ka fanontaniako @ ireo mpanainga lohahevitra eto : toatoa ny ahoana

- ny "Tena Izy" @ Endriny

Ho an'i Endriny dia tsy misy ny TENA IZY. Tsy afaka mitompo-tena ny amin'izay aho. MBa haka kely ny baiboly aho eto. Ny Didy voalohany nomen'i Mosesy: "Izaho no Atry ny Atra"... Izany hoe tsy iray ny Atra fa maro be, dia samy maka izay tiany alaina eo amin'ireo maro be ireo, afaka misafidy izay tiana...

NY finoana dia tokana: rehefa mino ianao fa ho vitanao ny tanjona iray dia vitanao io. Tsy mila miantso ny anaran'Atra na Jesosy na Satana na iza. Fa rehefa atomboka ny zavatra dia tsy maintsy manana fiafarana, ka vita no anarany. Fa ny zavatra tsy natomboka kosa tsy hisy farany mihintsy.

Araka ny fambarako dia ny olona ihany no namorona an'Atra rehefa tsy hainy sy tsy takatry ny sainy ny fanazavana ny tranga iray....

Dia ny olona ihany koa no namorina izany atao hoe Paradisa any amin'ny fianan-tsy hita izany, satria izy tsy te hitovy laharana amin'ny biby rehefa maty. Dia namoronan'i Abrahama ny hoe ny paradisa dia feno vehivavy virjiny, sy farihy ranom-boaloboka ary ahy maitso ambenan'ny anjely... Ety an-tany tahaka ny any an-danitra...

Eo aho aloha
5. rhaj0 ( 20/06/2014 14:30)
- ny "Tena Izy" @ Rhaj0

Ny ahy koa dia tsy misy ny "Tena Izy" (tout est relatif). Revy samy manan'ny azy io. Rahefa sambatra ianao -- ka tsy manohintohina ny hafa ao anaty fiaraha-monina -- dia tena izy aminao izany. Zovy aho no hilaza fa tsy tena izy ianao na ny anao ? Satria ny tena izy amiko koa mety tsy mety aminao (et vice-versa).

Eo koa aho aloha
6. 5laody ( 20/06/2014 14:48)

SAlama daholo,

Iza amintsika ireto moa no hiteny hoe ny ahy tsy tena izy? Efa ohatr'izay ny fisainan'olombelona ry zalahy sy zavavy fa reveo manja a! Tena izy daholo ny anareo fa tsy ialako ny Ahy.
7. rhaj0 ( 20/06/2014 17:15)
Ilay hoe "Tena Izy" aloha ve hoe, "Tena Marina" (vrai de vrai = Verite Absolu).. Raha milaza ny iray hoe izaho no manana ny Verite Absolu, dia raha amiko aloha, dia midika izany hoe, ny Verite an'ny hafa tsy "absolu" (tsy mety ho roa ny absolu). Izay no anisihako hoe "relatif" ity fiainana ity, fa tsisy manana ny "Tena Izy".

Fa raha hoy ny tsirairay hoe "tsy ialako ny Ahy", dia raha amiko aloha, dia tsara izany, tano ao ny anao sy ny revinao, ary tsy hidohika aho raha mbola "tsy manohintohina ny hafa ao anaty fiaraha-monina" izany...
8. endriny ( 21/06/2014 09:45)
Ity ange ry zareo mampihomehy be ilay olona milaza fa tena misy marina ny paradisa any an-danitra e... Izy aza mbola tsy nahita ilay izy akory... Dia raha ilazana izany izy dia manao valy hoe: sambatra izay tsy nahita ka nefa mino... Lazainy fa tsy sambatra indray ianao manontany azy hoe efa nahita io paradisa io ve ianao sahy manamarina ny fisian'io.

Ny matematika no misy tena marina sy tena izy (1 + 10 + 100) x (1 + 2 + 3) = 666

Fa ireo mpino kristianina dia milaza fa araka ny marina eo aminy io isa 666 dia famantarana ny demonia..., izay tsy azo porofoina akory fa finoana fotsiny ihany, eritreritra mandalo miserana...
9. moustaraf ( 22/06/2014 08:19)
Salama namana,
Ny resahin'ny lohahevitra eto dia "finoana" raha azoko tsara, ka lojika tsotra no valiny:
Ny tena Izy??
Ho antsika rehetra mitonona ho mpandala ny baiboly: Tantaran'ny Hebreo, nadika avy t@ teny hebreo ny baiboly ka raha liana @ fototra tena izy isika dia farafaharatsiny miverina ifotony mba tsy hihinana am-bolony, fa MARO DIA MARO IREO ZAVATRA NODISOINA SY NOVANA ao @ireo baiboly dikan-teny (grika,anglisy,frantsay,....malagasy)
Sao dia mba manampy antsika hanakaikikaiky Ilay Tena Izy, "Izy hatrizay, Izy hatrizao,sy Mandrakizay, "
10. rhaj0 ( 23/06/2014 12:37)
Tefigasy:
Ho an'ny tena kristianina dia ...

Nankaiza rey olona i Tefigasy a... sa mbola variana mijery baolina, no tsy mety manao dOmy eto (nefa ny dOmy ngaha tampina...)
11. 5laody ( 23/06/2014 16:46)

rhaj0:

Ilay hoe "Tena Izy" aloha ve hoe, "Tena Marina" (vrai de vrai = Verite Absolu).. Raha milaza ny iray hoe izaho no manana ny Verite Absolu, dia raha amiko aloha, dia midika izany hoe, ny Verite an'ny hafa tsy "absolu" (tsy mety ho roa ny absolu). Izay no anisihako hoe "relatif" ity fiainana ity, fa tsisy manana ny "Tena Izy".

Fa raha hoy ny tsirairay hoe "tsy ialako ny Ahy", dia raha amiko aloha, dia tsara izany, tano ao ny anao sy ny revinao, ary tsy hidohika aho raha mbola "tsy manohintohina ny hafa ao anaty fiaraha-monina" izany...

Ianao kosa kay malahelo an'i Tefigasy ko,
Le hoe "vérité absolu" mihintsy anie no tena tsy hita izay tena ilazana azy e. 1+1=2 aza mbola nifanarahana.

Ianao ihany angamba no nandefa ilay tantara sarisary teto hoe toy ny mijery zavatra ambony tendrombohitra ilay finoana ka mety samy hafa ny fahitana azy eo amin'ny toerana misy ny tsirairay avy. jerena avy any atsinanana izy mety ho manga, jerena avy etsy avaratra toa maitso ary avy any atsimo toa mena. Mbola miankina amin'ny hoe mijery lavitra sa mijery akaiky (mahatsiaro tena hoe lavitra sa akaiky) ; Ny mindrana ny toeran'ny tsirairay angamba ny tena ahitana ny valiny nefa tsy ho vita izany.

Ary ilay hoe hahay hiara-miaina ve, Ry zareo ireto toa tsy dia manana olana Tsy mbola fantatro tsara hoe ahoana no ahavitany izany.

12. rhaj0 ( 23/06/2014 18:23)
Tsy hoe "malahelo an'i Tefigasy" aho, fa "mampalahelo" ahy izy (sy ny mpanaraka azy), rahefa manao befamaritra nefany raha vao voan'ny fanontaniana dia ... tampina ny dOmy hono :)

Manja koa ny tantara sarisarinao io, fa ilay tantara nampitaiko dia hoe, maro ny lalana mankany Himalaya, koa zovy, izy ao lalana misy azy ao, zovy no hilaza fa ny lalany no "tena izy" ? (tsy fantany akoriny ny lalana alehan'ireo hafa any ambadika any)

Dia ilay tantaran'ireo jamba mihodidina ary mitsapa elefanta. Zovy @ ireo jamba no afaka hanao be famaritra fa ny tsapany ao no "tena izy" ka mahalaza ny hoe elefanta.

Ilay fanekena fa "relatif". raha ny fahitako azy, dia fanajana ny isan'isany (fa tsy hoe ny an'ny tenabe ihany no "tena izy"), ary izany no mitondra @ fetezan'ny "fiarahana miaina"..

13. rhaj0 ( 24/06/2014 19:55)
5laody:
Ary ilay hoe hahay hiara-miaina ve, Ry zareo ireto toa tsy dia manana olana Tsy mbola fantatro tsara hoe ahoana no ahavitany izany.

Ny "TSY ataon'ny ankamaroan'ny Maorisiana" dia io hitan'ny nahita ny Maurisiana. ary io voalaza toa izao io :...
... "S’il y a comme partout ailleurs de fervents croyants qui n’ont aucune limite quant au respect pour les autres, la population mauricienne fait preuve d’une incroyable considération, envers ses citoyens appartenant a une différente religion. "
14. leva2 ( 06/07/2014 06:40)
Velona Jesosy !

Ny famaritana ny atao hoe "Kristiana" dia izay lazain'ny baiboly ihany, fa tsy izay lazain'i Ranona na Ranona, na izay fijerin'ny fiangonana izao na izatsy.
Fa angaha i Kristy "relatif", fa angaha ny baiboly "verité relative" fa tsy "absolue" no ho relatif ihany koa ny famaritana ny antsoina hoe Kristiana?
ity no hamaritako azy, sady handinihako ny tenako no hitaomako ny hafa ihany koa handini-tena :
"Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy" Gal 2/20.

Mirary soa e !
15. endriny ( 09/07/2014 18:14)

leva2:

Velona Jesosy !

Ny famaritana ny atao hoe "Kristiana" dia izay lazain'ny baiboly ihany, fa tsy izay lazain'i Ranona na Ranona, na izay fijerin'ny fiangonana izao na izatsy.

Andao ary ekena ny hevitrao, fa aiza ao amin'ny baiboly no misy teny hoe: "Kristianina"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1981