Ny finoana kristianina koa indraindray toa fanozonana izy tsy te hiaraka aminy fotsiny

1. endriny ( 17/06/2014 06:53)
Rehefa tsy mino ianao dia mandehana any amin'ny afobe,
Ho hitanao izany fa ho avy ny fotoana hitsran'ny lanitra anao,
Andriamanitra hamaly ny ratsy izay vitanao
Heloka ho an'ny taranaka aman-jafinao io,
Sns

Ohatran'ny didiko fe lehibe fotsiny, ka hoe rehefa tsy manaiky izay lazaiko ianao dia ireto no ahazo anao mandrakizay mandrakizay.
répondu par endriny le 02/07/2014 09:29
2. Tefigasy ( 18/06/2014 06:13)
Raha eritreretinao hoe ozona ny fiainana tsy misy ilay Andriamanitry ny baiboly dia manaiky aho hoe tena marina io lazainao io.
Ny tena mission an'ilay Andriamanitra, sy ny drafitr'io Andriamanitry ny kristianina io dia ny mba hananan'ny olona fiainana, fiainana mandrakizay, ho velona sy hiara-hiaina, hiara-hanjaka aminy mandrakizay (Jao.3:16).
Tsy mandidy anefa izy fa manome safidy anao na hanaiky na tsia. Apetrany eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana dia anjaranao no mieritreritra hoe aiza no asiako ny tongotro.
Mba saintsaino fotsiny izany fiainana tsy misy Andriamanitra izany, fa raha tianao ny zava-nisy tany Sodoma dia ireny ny mety ho sationany, fa mbola pira lavitra noho ireny ary ny voalaza ao amin'io baiboly io raha miresaka momba izany helo sy ny fiainana tsy misy Andriamanitra izany !
Apetraho tsara hatrany fa MASINA io Andriamanitra io ary tsy mahazaka faharatsiana sy fahotana noho izay fahamasinany izay. Izay no nahatonga ny zanak'olombelona sy izao tontolo izao tafasaraka taminy rehefa nanota sy nivadika amin'ny teny efa nifanaovana. Saingy tsy mivadika amin'ny efa fandaharany Izy ka te-hanolotra fiainana ho anao hatrany amin'ny alalan'ilay zanaka lahitokana. Io ihany no vavahady hidirana ary izay tsy miditra ao amin'Io dia tsy ho tafiditra mihitsy n'inon'inona ataony. Ary tsy ho tanteraka sy masina mihitsy ianao, raha tsy miditra ao amin'Io efa tanteraka Io ihany koa. Ka raha teny toa izany no adikanao ho fanozonana rehefa tsy manaiky ianao dia tsy vitan'ny ozona fotsiny angamba hoy aho satria tena mamaritra ny ho avy iray manontolo izany ary irreversible rehefa tonga ny fotoana hialanao ety amin'ity tany ity. Tsy an-tery anefa izany fa malalaka ny safidy dia anjaranao no .....
3. rhaj0 ( 18/06/2014 10:55)

Tefigasy:

Mba saintsaino fotsiny izany fiainana tsy misy Andriamanitra izany, fa raha tianao ny zava-nisy tany Sodoma dia ireny ny mety ho sationany .....

O ry Tefigasy... Fa tany Sodoma angaha "tsy misy Andriamanitra" ? F'angaha Izy tsy teo foana ? Ngo dia mila ahitsy kely ilay resaka ?
4. Tefigasy ( 18/06/2014 10:59)
rhaj0:

O ry Tefigasy... Fa tany Sodoma angaha "tsy misy Andriamanitra" ? F'angaha Izy tsy teo foana ? Ngo dia mila ahitsy kely ilay resaka ?

Te hiteny aminao aho hoe vakio ny baiboly, nefa efa fantatro fa halanao ny baiboly sy ireo mpanoratra azy ka tsy hilaza indray aho. Ao anaty baiboly anefa ny valiny ka raha tsy mino izany ianao dia tsy hamaly anao akory aho fa miala tsiny !
5. rhaj0 ( 18/06/2014 12:23)
Izaho ange hitanao io fa na Baiboly anglisy na frantsay vakiako daholo e...
6. endriny ( 18/06/2014 18:50)

Tefigasy:

Raha eritreretinao hoe ozona ny fiainana tsy misy ilay Andriamanitry ny baiboly dia manaiky aho hoe tena marina io lazainao io.
Ny tena mission an'ilay Andriamanitra, sy ny drafitr'io Andriamanitry ny kristianina io dia ny mba hananan'ny olona fiainana, fiainana mandrakizay, ho velona sy hiara-hiaina, hiara-hanjaka aminy mandrakizay (Jao.3:16).
Tsy mandidy anefa izy fa manome safidy anao na hanaiky na tsia. Apetrany eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana dia anjaranao no mieritreritra hoe aiza no asiako ny tongotro.
Mba saintsaino fotsiny izany fiainana tsy misy Andriamanitra izany, fa raha tianao ny zava-nisy tany Sodoma dia ireny ny mety ho sationany, fa mbola pira lavitra noho ireny ary ny voalaza ao amin'io baiboly io raha miresaka momba izany helo sy ny fiainana tsy misy Andriamanitra izany !
Apetraho tsara hatrany fa MASINA io Andriamanitra io ary tsy mahazaka faharatsiana sy fahotana noho izay fahamasinany izay. Izay no nahatonga ny zanak'olombelona sy izao tontolo izao tafasaraka taminy rehefa nanota sy nivadika amin'ny teny efa nifanaovana. Saingy tsy mivadika amin'ny efa fandaharany Izy ka te-hanolotra fiainana ho anao hatrany amin'ny alalan'ilay zanaka lahitokana. Io ihany no vavahady hidirana ary izay tsy miditra ao amin'Io dia tsy ho tafiditra mihitsy n'inon'inona ataony. Ary tsy ho tanteraka sy masina mihitsy ianao, raha tsy miditra ao amin'Io efa tanteraka Io ihany koa. Ka raha teny toa izany no adikanao ho fanozonana rehefa tsy manaiky ianao dia tsy vitan'ny ozona fotsiny angamba hoy aho satria tena mamaritra ny ho avy iray manontolo izany ary irreversible rehefa tonga ny fotoana hialanao ety amin'ity tany ity. Tsy an-tery anefa izany fa malalaka ny safidy dia anjaranao no .....


Raha ny fahafatesana no valin'ny ota... Ary raha marina fa ny hanafaka anao amin'ny ota no nahatongavan'ilay hoe kristy, dia efa 2000 taona lasa izay no tokony efa foana ny fahafatesana. Fa matoa io tsy foana, dia satria tsy ny fahotana no nahatonga ny fahafatesana.

Tsy misy toerana tsy misy andriamanitra fa toa hoe amin'ny toerana rehetra izy. Izy moa mbola tsy niresaka tamiko ka tsy dia haiko loatra fa ao amin'ny baiboly no milaza an'io. Ary raha tsy tany Sodoma moa izy dia ahoana no nahalalany ny zava-niseho tany? Tamin'izany anefa mbola tsy ny finday...
7. endriny ( 02/07/2014 09:29)
Izay tsy vita batisa hono tsy zanak'Atra ary tsy afa-pahotana tamin'ny fototra... Noho izany very any amin'ny afobe mandrakizay ny fanahiny. Dia ahoana izany ry pasietra sy mopera ireny zaza kely vao roa volana na 2 taona ireny dia nondaosin'ny fahafatesana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5279