Ireo pretra (sasany) nanolana ankizy (2)

1. rhaj0 ( 16/06/2014 03:08)
Tohin'ny resaka efa natao tatsy

Tena eo am-pijerena ity fandaharana @ TV aho io The Passionate Eyes: CBC Mea Maxima Culpa

- 50%-n'ny pretra mampiahiahy
- tsy ao zamerika ihany fa eran-tany
- efa h@ 60s no nahafantatra i Vatican io fanolanan-jaza io, ary nitady hanafina lava ny raharaha.
- ny mpiandraikitra rahefa miha-ambony, vao mainka mahafantatra tsara ny olana; ary ny fara-tampony mihintsy no mahalala; i Benoa mihintsy no nilaza fa izay raharaha manolana zaza tsy ampy taona dia mandalo aminy.. talohany izy lany ho Papa io
- Mpanota hono ireo fa tsy Criminel.
- hoy ilay rangahy nanadihady (izy @io katolika): the Church selects, cultivates, protects, defends and produces sexual abuser
répondu par rhaj0 le 18/06/2014 17:49
2. rhaj0 ( 16/06/2014 03:36)
- nisy tranga iray. Pretra Murphy. Zaza moana-marenina no noararaotin'ilay pretra mpanolana. ilay archbishop Weakland tsy mety mihetsika mba hampajanona an'i Murphy kay manana ny olany koa: homosexoaly izy, ary dia efa am-10 taona dia nokoboniny tao ny dossie. Efa antitra i Murphy ary efa hoe apoaka ny raharaha, fa nanoratra an'i RAtzinger i Murphy, ary dia tsy nihetsika i Ratzinger ny hanenjehana an'i Murphy
- nisy tranga iray, tao Ireland; efa eo ampelatanan'i Ratzinger ny raharaha, hoe izy no afaka hanapa-kevitra fa asorina ary alefa @ polisy ilay mpanolana zaza. Tsy nihetsika i Ratzinger. Dia nefa mbola nanolana ankizy iihany ilay pretra, ary t@ fandevenana ny dadaben'ilay zaza akoriny aza. tezitrabe ny olona. izay i Ratzinger vao namela an'ilay pretra ho @ polisy.
- pretra Marciel.. efa 15 taona no misy dossier. Fa voaafina foana. Farany voaangon'i Ratzinger ihany ny porofo farany, t@ andro nahalasanan'i Joany Paoly. Saingy nony lany Papa i Ratzinger, dia tsy nenjehiny i Marciel. Dia hoe, i Benoa angamba te-hanenjika an'ity mpanolana ihany, fa toa ny Curie no tsy mety

3. rhaj0 ( 16/06/2014 03:47)
- Dia hoe tsy i Murphy any Wisconsin ihany no mamango zaza moana marenina. Nisy torak'izay tanteraka koa tao Verona, Italy.
- Fitoriana an'ny Papa Benoa izao any @ Fitsarana
- tezitra izay mahalala ny raharaha. Rahefa hita mazavabe fa manolana ireo mpanolana, ny compassion an'i Vatican dia any @ ireo mpanolana (hoe mpanota) fa TSY any @ ankizy. Ny mahamendy an'i Vatican dia ny hitazona fa tsy diso mihintsy ny Eglizy sy ny printsy-ny ary pretra-ny. Ary izao izy dia "mino" fa izy Eglizy/Vatican indray hono no victime @ ity raharaha ity, fa ny mpanenjika sy ireo zaza voaolana no lazainy fa mifofo ny Katolisisma.
4. rhaj0 ( 16/06/2014 14:53)
Tena tsy mampahita tory indray ho'a ny mieritreritra ireto olona moana-marenina noararaotin'ireo pretra-mpanolana fony fahazazany. Sahala @ iretsy amerindiana nopehan-dry reliziosy tao @ akanin'ny kamboty noresahina taloha tatsy.

Dia hoy ny teo:
- nisy pretra iray oainina, dia hozy hono izy @ ilay ankizivavy kely 12 taona, fa toa izao no itiavan'ny Ray ny zanany, sady natsofony tany @ fivavian'ilay ankizy ny fanondro adalany
- fa ny ankizy anie raha hitantara an-dreniny fa hoe naolan-dra-pretra, moa tsy tonga dia ho voakapoka fa zaza adala fa tsisy an'izany pretra manao an'izany izany..
- nisy indrindra ilay zalahy kely iray.. naolan'i Murphy. Tsy afaky ny hilaza an-dreniny hono izy, satria efa nanomboka ihany izy, fa tonga dia nasiakabe ny reniny. Ka tao @ fianakams nisy olana hafa (ny rahalahiny sy ny rainy maty), ka ny reniny dia tsy mitodika raha tsy @ i ... Murphy, ka dia mba tsy ampalahelo an-dreniny, dia niafy tao ranamana
- dia nisy ilay moana-marenina roalahy tena tsy nanaiky intsony ity fanolanana efa an-taonany vitsy io, mbola ado efa ho 17 taona izy ireo @ io, dia nankany @ polisy. Dia nihaino ny polisy, dia nafindrany t@ efitra iray izy roalahy, dia nohidiana ny efitra, Dia niandry izy roalahy. afaka ora vitsy, dia saika hivoaka, kay nihidy lakile ny trano. Dia navoaka ihany izy roalahy farany, ary dia hoe, nandalo kay hono i Murphy, ary i Murphy no ninoan'ny polisy.
- nisy ilay arseveka, efa ampolo-taonany ny olona am-polony no mitaraina taminy, nefa dia nakobony foana fotsiny tao ny resaka. Nanadihady ihany "hono" izy, fa nony nanontaniana taty aoriana, hoe, nampiresaka ny ankizy va ianao? dia hoe, tsia.. ka izy ireo azany moana-marenina kouh...


Tena vaka rey olona ny saiko a... tena tsy eken'ny saiko hoe.. ahoana no naneken'ny sain'ny arseveka, h@ Ratzinger, izany rehetra izany ???


Nisy scene iray t@ ilay fandaharana omaly... Dia efa lehibe izany ilay ranamana moana-marenina naolan'i Murphy t@ fahazazany. Reny fa mbola noarovan'i Ratzinger ilay mpanolana satria hoe, efa antitra ary efa ho faty. Dia nankany an-tranon'i Murphy ranamana. Dia hoy izy t@ Murphy, fantatrao ny nataonao : mpanolana ankizy ianao. Mandehana mitolo-tena any @ polisy. Dia hoy Murphy, mandehana mandeha ianao fa aza mandrebireby. Dia nivoaka ilay masera mitaiza an'i Murphy tao. Dia samy moana-marenina ilay masera sy ranamana, fa nifamaly t@ signe. Masiakabe i masera, ary mikiaka kely sady manao signe hoe, "katolika ianao sa tsia, an?!!" Dia hoy ranamana, "tsy resaka Finoana izao, fa resaka fanolanana". Dia norohahin'i Masera i ranamana... Nisiontsiona i ranamana fa hoe, tsy ho takatr'i masera mihintsy izany.


Izay indray no sary sisa tavela ato an-tsaiko...


(Entre-pa fa i Murphy hono, ka dia nandeha tany @ casino, izy efa marary an-dalam-pahafatesana io, dia dangy takaikin'ny machine a sous tao. Fa kosa, mbola nalevina miaraka @ haja amam-boninahitra maha-pretra azy i Murphy)


5. rhaj0 ( 16/06/2014 17:29)
Tsisy re tsaika moa ny eto ka dia tohizako @ fijeriko azy manokana (ny monologue-ko eto, tsy olana)


Raha ny fahitako azy manokana, dia atomboko @ Fanontaniana :

Pretra sasany, na dia efa akaikin'ny 50% aza izy ireo araka ny tombatombana sasany, no manao ny ataony. Nefa .. FA MANINONA no tsy alefa any @ polisy/Fitsarana ireto izy fa noezahina lava ho afenina ? Vola anie no lanin'i Vatican hanafenana ireo e : akisa-toerana, amena tampim-bava ny r-a-d, mandoa ny sazy any @ tribonaly,... ary tany @ 60s aza, dia nividy nosikely mihintsy i Vatican hanasarahana ireto mpanolana @ izao tontolo izao...


FA MANINONA ??? WHY ??? POURQUOI ????

6. mamonjy1 ( 16/06/2014 20:10)
Ialako tsiny kely,Raha hamaly kely aho namana rhajo,fa tena nitantara be anao androany,de mba iteny kely..
Tena ankasitrahiko ny fitantaranao ireo zavatra ireo.
Mahagaga mihitsy anie,fa miafina @toera masina ny hadalana maro isan-karazany ee
Isika mieritreritra matetika fa,ao @eglize,na toeranam-piangonana de tsy misy fahotana,kanefa ao daholo ry zareo no miafina.
Mody mandray an-jara be dia be ry zalahy mba hanakonana ny ataony.
Tena tsy mampino anie ilay diakonina anankiray zay ,fa tratra nanao nenitoa eee.
zany daholo.
7. endriny ( 17/06/2014 07:15)
Jesosy ho'a tsy namela hafatra hoe manangana fiangonana na antokom-pinoana vaovao... Fa hoy izy hoe mandeha ka torio ny fanjakan'Atra...

Fa hafa ano namorona fihafenana, sy toerana tsy azo vangiana afa tsy izy samy izy ihany... Monastera e... Sns... Ny sasany aza manana sata manokana mihitsy hoe tsy azo idiran'ny mpitandro ny filaminana na ny polisy... Fa nahoana?

Dia ny valiny hoe: satria toerana masina sy tranon'Atra no ao... Ahahaha nefa ry zareo no ao, kay izy efa masina daholo ary efa Atra daholo kay...

Aleo aloha hiasa fa tssss, ny asa no vady manohana.
8. rhaj0 ( 17/06/2014 13:54)
Rehefa mandinika aho, ka hamaly ny fanontaniako ihany, hoe, fa maninona no afenina ?


Ny fahitako azy dia manana OLANA ngezabe ny Eglizy/Vatican


TSY demokrasia ny Eglizy/Vatican (na dia Etat azany i Vatican), marina; tsy hita hotoherina fa safidiny io : izay no hitsiny aminy sy ny "vahoakany" ka dia izay izany.

Nefa kosa dia tena ilaina ireo soatoavin'ny demokrasia (maoderina), satria dia lalAnam-piaraha-monina tsy misy raorao tsotra fotsiny, toa ny "transparence", ny "redevabilite" ary ny "check and balance". Efa ela ny fiaraha-monina no nandinika sy nanandrana ary dia nivoatra ho @ izany ka tonga @ izao. Mety mbola tsy tonga lafatra azany io, fa io aloha no ifaneken'ny mpandinika h@ izao.


Raiso tsirairay anie ireo tranga sy seho-na fanolanana ireo ambony ireo, dia manontania tena hoe : raha nisy ny "transparence", ny "redevabilite" ary ny "check and balance" tao @ Eglizy/Vatican, dia hiafara @ izao fijaliana be (helo eto an-tany) ho an'ireo zaza voa-olana ve ny Tantara ???
9. rhaj0 ( 18/06/2014 17:49)
Ny Organisation, na gouvernemental na non-gouvernemental, na politika na financiere na industrielle (indrindra rahefa publique ka mandeha eny @ Bourse ilay entreprise ohatra), ets... dia samy miezaka mafy mba hanaja ny soatoavina toa ny "transparence", ny "redevabilite" ary ny "check and balance". Efa be ny traikefa fa rahefa tsy manao izany ianao, dia tonga ny kitranoantrano sy ny fanapara-pahefana, ary miitatra @ tsy fanarahan-dalAna, toa ny risoriso na fanitsahana ny zo, h@ halatra sy famonoana olona...

Ny tsy mety miditra @ izany soatoavina izany izao dia ... raha ny fahitako azy, dia misy roa lehibe :
- ny organisation criminelle
- ny fiangonana (sasany)

Ary ny fahatakarako azy, dia "eo indrindra ny Eglizy/Vatican" izao

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.328