Fanehoam-pifalian'ny mpino kristianina

1. Tefigasy ( 02/06/2014 08:41)
Nanatrika fanamasinana fanambadiana aho tamin'ny asabotsy tao amin'ny fiangonana iray. Rehefa vita izany dia nisy fiaraha-mikorana natao tamin'ny toerana iray.
Ny zava-nisy dia tsy nety nisy nandihy ilay olona fa dia ny sakafo ihany no nabosibosik'izy ireo teo am-pitoerana.
Napetraka ny fanontaniana sy ny fanadihadiana dia ny valin-teny azo dia toa hoe tsy mankasitraka ireny dihy sy hirahiram-pitiavana ireny ireo olona ireo fa dia ny hiram-pivavahana foana no tokony alefa. Dia io mariazy io no mariazy tena nangatsika dia nangatsiaka hatramin'izay mba mariazy natrehako hatrizay.
Dia hoy aho hoe, toa izay izany ny atao hoe fanehoam-pifalian'ny kristianina ?
Mety ho maromaro no manaraka io firehan-kevitra io, nefa toa tsy izay no zavatra hita ao anaty baiboly ao ka mba mahalasa saina ihany dia hozaraiko aminao eto.
répondu par rhaj0 le 10/06/2014 13:39
2. Henikah ( 02/06/2014 10:01)

Tefigasy:

Nanatrika fanamasinana fanambadiana aho tamin'ny asabotsy tao amin'ny fiangonana iray. Rehefa vita izany dia nisy fiaraha-mikorana natao tamin'ny toerana iray.
Ny zava-nisy dia tsy nety nisy nandihy ilay olona fa dia ny sakafo ihany no nabosibosik'izy ireo teo am-pitoerana.
Napetraka ny fanontaniana sy ny fanadihadiana dia ny valin-teny azo dia toa hoe tsy mankasitraka ireny dihy sy hirahiram-pitiavana ireny ireo olona ireo fa dia ny hiram-pivavahana foana no tokony alefa. Dia io mariazy io no mariazy tena nangatsika dia nangatsiaka hatramin'izay mba mariazy natrehako hatrizay.
Dia hoy aho hoe, toa izay izany ny atao hoe fanehoam-pifalian'ny kristianina ?
Mety ho maromaro no manaraka io firehan-kevitra io, nefa toa tsy izay no zavatra hita ao anaty baiboly ao ka mba mahalasa saina ihany dia hozaraiko aminao eto.
3. Henikah ( 02/06/2014 10:04)
Salama!
Matetika no mateti-piseho ny tahaka izany fa mety izay ngamba ianao vao sendran'izay! mety izay mihintsy no fomban zareo fa ianao no mety tsy zatra fa tena mety aminy mihintsy ilay mangina iny noho izay hira ( hiran'izao tontolo izao no alefa eo) ; tsy maintsy ny sotra-pon'ireo mpanambady anefa no ekena amin'io fa ny anjaranao de ny manaiky; de rehefa izay zany ny azy de ekena e, hafa tokoa mantsy ny fifaliana tena Kristiana kosa an
4. Tefigasy ( 02/06/2014 10:18)
Henikah:

Salama!
Matetika no mateti-piseho ny tahaka izany fa mety izay ngamba ianao vao sendran'izay!

Tena nangatsiaka tanteraka ilay lanonana, ary ialako tsiny fa ny fiandrasam-paty aza toa mbola hahitana fifaliana kokoa !
Henikah:

mety izay mihintsy no fomban zareo fa ianao no mety tsy zatra fa tena mety aminy mihintsy ilay mangina iny noho izay hira ( hiran'izao tontolo izao no alefa eo) ;

Mba afaka faritanao ary ve ilay atao hoe hiran'izao tontolo izao. Ohatra ilay hiran'i Hantatiana hoe "Dada, Neny roa, ...." na ny hiran'i Ndriana ramamonjy hoe "aza manambady mamolava, ..." ve izao hiran'izao tontolo izao. Misy ihany koa ohatra ny hiran'i Bessa sns ....
Henikah:

tsy maintsy ny sotra-pon'ireo mpanambady anefa no ekena amin'io fa ny anjaranao de ny manaiky;

Raha ilay hitako aloha dia mba nandihy tamin'ny hira vahiny ihany ilay mpanambady tamin'ny fanokafana ny lanonana, nandihy afindrafindrao, nitsinjatsinjaka kely ihany fa rehefa hitany fa tsy dia betsaka ireo olona nandihy niaraka taminy dia hita nilamina sy nipirina tanteraka izy ireo ary toa ny akoho voan'ny barika aza ny fahitako azy.
Henikah:

hafa tokoa mantsy ny fifaliana tena Kristiana kosa an

Mba omeo sopapa amin'ilay hoe fifaliana kristiana aza ny tenanay fa taraiky be e
5. bor2lais ( 02/06/2014 10:30)
tefigasy:

Raha ilay hitako aloha dia mba nandihy tamin'ny hira vahiny ihany ilay mpanambady tamin'ny fanokafana ny lanonana, nandihy afindrafindrao, nitsinjatsinjaka kely ihany fa rehefa hitany fa tsy dia betsaka ireo olona nandihy niaraka taminy dia hita nilamina sy nipirina tanteraka izy ireo ary toa ny akoho voan'ny barika aza ny fahitako azy.

:-)
Ary tsy dia ny mpanambady loatra ange izany no tianao resahina fa ny "invité" e ! :-)
Tokony no-"évité"-na ve izy ireo ? :-)
6. Tefigasy ( 02/06/2014 10:47)
bor2lais:

Ary tsy dia ny mpanambady loatra ange izany no tianao resahina fa ny "invité" e ! :-)

Izay indrindra, niezaka ny mba hizara sy hiombo-pifaliana ho an'ireo olona nasainy ilay mpanambady noho ilay fifanekena nataon'izy ireo teo anatrehan'Andriamanitra sy ny fiangonana, saingy .....
Ny tsy haiko dia hoe mariky ny fifaliana ve ny fanjoretana eo am-pitoerana eo, tsy mandihy, tsy mihira, tsy mitehaka, tsy mitsikitsiky, be dia be mihitsy ny TSY. Nefa anie le olona natao mariazy ka mba sariaka tsara, mafatifaty daholo izy roa kely, tsy miavona, nandihy, nihira, nitehaka, ..... fa dia nampalahelo kely .
Na izany aza dia mba toa nazoto homana daholo kosa aloha ilay invité e, fa loza raha tsy nisy nisakafo teo ihany koa , lol
7. 5laody ( 02/06/2014 12:13)
Mety milay b angamba ny kaly dia tsisy nivakl handihy.
Inona ny menu?
8. Tefigasy ( 02/06/2014 14:20)
5laody:

Mety milay b angamba ny kaly dia tsisy nivakl handihy.

Enga anie mba ho izay sady ny sakafo ihany koa dia anisan’ny endrika iray hanehoana ny fifaliana eo amin’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra indrindra rehefa avy nanao fifanekena teo anatrehany. Jereo ohatra ao amin'ny Gen.29:22 “Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana” ary koa ny Liok.15:22-23 “Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizy lahiny hoe : Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy ; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony ; ary ento aty ny zanak'omby nafahy, ka vonoy ; ary aoka isika hihinana sy hifaly”
Rehefa nahavita ny fanekeny tamin’I Jehovah i Labana, dia nikarakara fanasana, fiarahana misakafo. Io ihany koa ny tantaran'ilay zanaka adala fa sakafo sy fitafiana ary dihy no nanehoana ilay fifaliana teo amin'izy ireo. Ny dikany, afaka mifaly amin'ny sakafo, dihy, fitafiana ny mpanompon'Andriamanitra eo amin'ny vanim-potoana nahavitana fanekena teo anatrehan’Andriamanitra.
Fa hoetiko ianao hijery misimisy kokoa izay mba hitako ao anaty baiboly mikasika ny fanehoam-pifalian'ny mpanompon'Andriamanitra :
Eks.15:20 “Ary Miriama mpaminany vavy , anabavin'i Arona , dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany ; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy”
==> nihira, nandihy ny zanak’israely rehefa tafita ny ranomasina mena, novonjen'Andriamanitra nanoloana ny fahavalo izay nanenjika azy ary feno famonjena ka nifaly. Ary eto ary dia na dia ny mpaminany vavy aza dia tena nitsinjaka nandihy sady nively aponga.
I.Sam.18:6 “Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina , dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona”
==> Ny fahazoana fandresena omen’Andriamanitra ny olona dia mitarika fifaliana eo amin’ny fiainany. Ny zavatra rehetra eo amin’ny fianantsika dia miteraka fifaliana avokoa, fa ny entintsika maneho izany fifaliana izany matetika no miteraka olana sy maneho fahasahiranana mandrakariva ho an'ny hafa ary misy ihany koa ny olona hafa sahirana mahita antsika zanak’Andriamanitra mifaly.
Mpits.11:34 “Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony , ary , indro , nivoaka ny zanany vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy”

Lio.15:25 “Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa ; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano , dia nandre zava-maneno sy dihy”

II.Sam.6:16 “Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah , dia nitsirika teo ambaravaran-kely Mikala , zanaka vavin'i Saoly , ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao ampony izy”

==> Amin’ny andro handrenesana ilay fifaliana dia mihira sy mandihy ny olona. Ny hira dia tena endriky ny fanehoam-pifaliana eo amin’ny zanak’Andriamanitra. Misy dihy niainan’ny olom-boavonjy nentina nifaly: nitsinjaka ny zanak’I Jefta, nitsinjaka sy mibitaka I Davida eo anatrehan’I Jehovah.
Amin’ny androm-pifaliana dia hita eto ny fihetsik’ireto olon’Andriamanitra nanam-pifaliana. Mitroatra avy ao anaty ny fifaliana ka tsy azo fehezina eo amin’ny fiainana fa izay te hihira dia mihira, na dia mihoatra amin’ny zavatra fanaony aza.
Koa amin’ny androm-pifaliana dia aoka ianao hifaly, ilay maha ianao anao no aoka hivelatra sy hiseho hanehoanao izany fifalianao izany fa tsy zavatra tokony hampiahotra izany maneho fifaliana amin’ny androm-pifaliana tahaka izany, indrindra ho an'ny vahoakan'Andriamanitra.
9. rhaj0 ( 06/06/2014 11:02)
Tefigasy:
- ... Ary Miriama mpaminany vavy , anabavin'i Arona , dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany ; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy
- ... dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy..
- ... nivoaka ny zanany vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy..


Nanitika (sa nampivanitika) ahy fotsiny.. fa maninona no (saika) vehivavy (foana) no mihira sy mandihy?
Mety tena efa izay foana izany ny lehilahy... rahefa mandeha bar na boite ianao aty, dia tsy dia misy ny lehilahy mandihy.. Dia nefany ohatra rahefa mijery dance amerindienne dia toa ny bandy no betsaka mandihy..
Vita H.S
10. bor2lais ( 06/06/2014 11:55)
H.S
rhaj0:

Nanitika (sa nampivanitika) ahy fotsiny.. fa maninona no (saika) vehivavy (foana) no mihira sy mandihy?

:-) :-)
Izay koa angamba no nahatonga ny "dihy manga" (danse bleue) satria "manga feo" (mahay mihira) ry zareo (ny vehivavy) !
:-)
Vita ny H.S
11. rhaj0 ( 06/06/2014 13:35)
HS. mijerijery ny dihy eran-tany ohatra eto: http://www.fitforafeast.com/dance_cultural.htm.. dia ahoana kosa ny an'ny gasy e...
Ampazahoy kilalaky tena manja e...
Vita H.S.
12. bor2lais ( 10/06/2014 08:56)
Aleo tohizana kely indray ity lohahevitra ity !

"Fanehoam-pifalian'ny mpino Kristiana" moa no lohateny natolotry ny namana Tefigasy, ka raha mamaky ny voasoratra eto amin'ity sehatra ity ny tenako dia mahita fa mety misy endriny maro ny fanehoana izany fifaliana izany :

- fanehoana iray (ivelany) : hira sy/na dihy (araka ny asehon'i Tefigasy amin'ny alalan'ireo andinin-tsoratra masina nomeny). Tsy asiako adi-hevitra intsony ny amin'iny !

- fanehoana hafa (anaty) : hoy ny namana "mampihomehy" izay "Izy no mahalala ny ao anaty tsy miloaka". Mety misy olona tsy mihira na/sy mandihy nefa miara-paly ihany koa amin'ny mpanambady. Na dia ny fahatongavany manatrika izany dia azo heverina ho firaisana amin'ny fifaliana. Indrindra moa fa hoe nazoto homana be izy ! Toa endrika fanehoam-pitiavana sy/na fifaliana ihany mantsy ny fahazotoana homana ! :-)

Mety zavatra hafa (mana-manjo, malahelo, marary ohatra) mantsy raha sady tsy nandihy no tsy nihira no tsy nahatelin-kanina ! :-)

Araka ny fanazavan'ny namana Tefigasy (rehefa nanao fanadihadiana izy) dia "toa hoe tsy mankasitraka ireny dihy sy hirahiram-pitiavana ireny ireo olona ireo fa dia ny hiram-pivavahana foana no tokony alefa.".
Amiko dia zavatra hafa indray izay satria na ny hiram-pivavahana aza dia maro no hiram-pitiavana. Ny toe-po anaovana ilay dihy sy/na hira no zava-dehibe ! Mba nitehaka na nikorana (nihomehy) anefa ve ry zareo sa dia mototra ! :-)

Araka ny fanamarihan'ny namana rhaj0 etsy ambony "toa saika ny vehivavy daholo no mandihy sy mihira" (raha ny andin-tsoratra masina nomen'ny namana Tefigasy no jerena): tsy milaza akory anefa izany fa ny lehilahy dia tsy mba nifaly ! :-)

Fomba fijery ihany anefa ny ahy io a ! :-)
13. rhaj0 ( 10/06/2014 13:39)
Fanehoam-pifaliana... misy zavatra 2 nanitikitika (na nampikitikitika) ahy foana:

1- hoe ny fanehoam-pifalian'ny avy ao afovoan-tany hono, dia hoe, maninona foana no milantolanto e... nefa ny avy any amorontsiraka dia mihetsiketsika ben'ihany.. (io dia fanamarihana reko t@ ireny bal-gasy aty aminay aty ireny, ka rahefa ilay DJ avy afovoan-tany ohatra)

2- dia hoe, ilay noho ny finoany dia tsy mirevy, nefa rahefa coince @ tsy-fireveny ao izy, dia manozonozona ireo tsara-revy...

Mety H.S aho, nefa mety azo raisina hanazavana ny fanehoam-pifaliana io ambony io koa izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4132