Tena tsy misy vidiny marina ny atao hoe Malagasy angamba ka

1. endriny ( 28/05/2014 16:35)
Vazaha namono zanak'olona no niharan'ny valifaty tany Nosibe. Im-polo kely ny filoha malagasy no nandalo tany mijery ny fivoaran'ny toe-draharaha sy mipasoka daomy.
Malagasy maromaro niharan'ny valifaty noho ny halatra, Ambanja, Ambilobe, Toamasina, ary izao dia any Andranonnambo. Toa tsy hita izay mba teny na resak'ilay filoha malagasy. Ny fandravana tanana etsy Ankadimbahoaka moa efa eto am-baravarana mihintsy fa e e.
Dia hoy aho ranama hoe: Tokony hanova solomaso angamba ity filoha ity fa ny solomaso anaovany tsy mahita afa tsy fotsy fihodirana.
répondu par endriny le 12/06/2014 10:56
2. hery ( 28/05/2014 22:46)
Tsisy resaka momba an'io akory tao amin'ny filan-kevitry ny governemanta farany :-(

Atao ahoana e.
3. endriny ( 29/05/2014 05:20)
Ka ilay filan-kevitra tamin'ny teny frantsay angamba dia tsy afaka anaovan-draharaha ho an'ny Malagasy koa... Ahahaha

Rahoviana re vao hisy mpitondra toa ireny any korea atsimo ireny eto e
4. rhaj0 ( 30/05/2014 17:14)

endriny:
Rahoviana re vao hisy mpitondra ...

Dia ho antitra eo ihany isika rehetra fa tsy ho avy eo mihintsy izany mpitondra irianao izany... Ary raha atao toa izao indray ny faniriana : Rahoviana re ny olon-tsotra toa izaho sy ianao vao afaka hanindry ny mizana.. toa ireny mpi-facebook arabo sa inona ireny e...
5. endriny ( 31/05/2014 05:39)

rhaj0:

Mba miangatra ianao ry namana... Na oviana na oviana teto Madagasikara mbola tsy nahita aho na nahare mpitondra fanjakana nihaino ny feon'ny vahoaka. Fa ry zareo dia mihaino ny fikoritsan'ny vola. Ireo mpitondra ireo ange mety mijery ity serasera ity e, dia mihomehy izy izao mahita ny soratantsika eto manao hoe: "ny mpanenjika ao afara foana, ary ny sarety tsy maintsy mandalo na mivovo aza ny alika" dia sady akariny sy asiany dom-bera kely.

Saingy ny hadinony dia tsy mbola nisy olon-dratsy nandositra avy ao aoriana izany, fa ny mpangalatra sy ny mpamono olona rehefa enjehina dia eo aloha foana. Raha tsy izany dia diso ilay hoe manenjika olon-dratsy.
6. Fitokisana ( 10/06/2014 19:58)

endriny:

rhaj0:

endriny:
Rahoviana re vao hisy mpitondra ...

Dia ho antitra eo ihany isika rehetra fa tsy ho avy eo mihintsy izany mpitondra irianao izany... Ary raha atao toa izao indray ny faniriana : Rahoviana re ny olon-tsotra toa izaho sy ianao vao afaka hanindry ny mizana.. toa ireny mpi-facebook arabo sa inona ireny e...

Aleo atao ambony ny morale e! Mety tsy ho androany na rampitso ny fiovana tadiavitsika. Sure aho fa indray andro any. Ra ny tsirairay toa antsika no manomboka mihetsika , na de tsy hita tanteraka aza ny fiovana, de efa zavadehibe izay! Ka aza kivy ra-namana a!

Mba miangatra ianao ry namana... Na oviana na oviana teto Madagasikara mbola tsy nahita aho na nahare mpitondra fanjakana nihaino ny feon'ny vahoaka. Fa ry zareo dia mihaino ny fikoritsan'ny vola. Ireo mpitondra ireo ange mety mijery ity serasera ity e, dia mihomehy izy izao mahita ny soratantsika eto manao hoe: "ny mpanenjika ao afara foana, ary ny sarety tsy maintsy mandalo na mivovo aza ny alika" dia sady akariny sy asiany dom-bera kely.

Saingy ny hadinony dia tsy mbola nisy olon-dratsy nandositra avy ao aoriana izany, fa ny mpangalatra sy ny mpamono olona rehefa enjehina dia eo aloha foana. Raha tsy izany dia diso ilay hoe manenjika olon-dratsy.
7. rhaj0 ( 10/06/2014 20:57)

endriny:
Ireo mpitondra ireo ange mety mijery ity serasera ity e, dia mihomehy izy izao mahita ny soratantsika eto...

Mety hihomehy izy, fa mety ho kofona sy ho kenda koa rahatrizay antitra, ka viravirain'olona eny @ Fitsarana...
Aty Kanada izao dia voavelabelatra eo an-tsena (commission Charbonneau) ry goaika antitra mpangala-boanjo fony fahatanorany. Enjehina zareo noho ny nataony, ny sasany tany @ 90s, ny sasany 2000s. Dia hita eraky ny gazety ireto izy, ohatra, tsara-revy mivaninika eny ambony sambo t@ izany androny..
Koa na i Moubarak aza natao tsy ho tratrin'ny alokany, efa io eo am-pandriam-patiny io, mbola aviraviran'ny olona ihany..
Fa dia "tsy hihodina angaha io..."
8. endriny ( 12/06/2014 10:56)

I Ford mpifoka maoly aza sady tsy voasazy no tsy naninona, fa lany maire any Ontario koa... Maika fa aty Mada. Ny mpivarotra maoly mihintsy no mitondra fanjakana. Dia mivanitika fotsiny ry zareo e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6915