Kristiana Centrafrique

1. leva2 ( 23/03/2014 07:53)
Velona Jesosy !

Taiza ho aiza tao amin'ny fanjakan'ny lanitra no nipoiran'itony mpianatry ny Tompo hafa itony e ?


Dia itony koa mba Kristy inona no ao anatiny ao e?


Somary mifampitohy amin'ny lohahevitry Rabaradaka etsy aloha izy ity, ary manohy ny nambaran'ny namana sitlo ho fampisaintsainana antsika rehetra.

Ento ny hevitrao, fa indrindra ny hevitr'Andriamanitra nampahalalainy anao !
répondu par leva2 le 27/03/2014 17:10
2. hery ( 24/03/2014 14:59)
Tao amin'ny testamenta taloha e :-)

Ry Davida aza mbola niady lavitra noho ireo... namono sy nampamono.
3. leva2 ( 25/03/2014 05:11)

hery:

Tao amin'ny testamenta taloha e :-)

Ry Davida aza mbola niady lavitra noho ireo... namono sy nampamono.

Velona Jesosy !

Raha mbola ny testamenta taloha ve no iainana hatramin'izao namana, hankaiza ity fiainana ity ?
Efa vaninandron'ny Fanahy Masina isika izao, inona no nampianarin'i Kristy momba ny fahavalo ?
Dia ahoana no fijerinao ity rahalahy kristiana canibal mihinana musulman imason'ny tele ity ?
Izany ve no antsoina hoe kristiana sanatria ?
4. hery ( 26/03/2014 08:12)
Ka gaga mihitsy aho

Aiza koa mbola misy hoe sabata asabotsy no hajaina, tsy mihinana kisoa fa biby maloto.
5. bor2lais ( 27/03/2014 14:43)
leva2:

Raha mbola ny testamenta taloha ve no iainana hatramin'izao namana, hankaiza ity fiainana ity ?

hery:

Ka gaga mihitsy aho
Aiza koa mbola misy hoe sabata asabotsy no hajaina, tsy mihinana kisoa fa biby maloto.

:-)
Izao no atao hoe "dédicace" ry Maranatha sy ny namany a ! :-)
6. leva2 ( 27/03/2014 17:10)
Tokony ho resy lahatra isika fa taratry ny zavatra mbola ho avy ny testamenta taloha.

fa angaha ny sabotsy lasa tsy sabata intsony no dikany namana ?

mba fantatsika ve hoe inona no taratry ny biby maloto ka tokony ho fadiana araka ny ilazan'ny testamenta vaovao azy ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0666