Herintaona Papa Francis

1. rhaj0 ( 13/03/2014 16:54)
Maro ny lahatsoratra an-gazety, fa etoy ny iray hitako fa mamintina izay herintaona izay. (raha mahita hafa koa ianareo dia zarao)

Mino aho fa ny maro amintsika koa manan-kambara, ny fijeriny sy fahatsapany sy izay niainana (na niainany) nandritra izay herintaona naha-Papa an'ny Papa Francis izay. (na dia tsy katolika aza ianao dia, raha ny fahitako azy, dia misy fiantraikany @ fiainanao sy ny fiainan'izao tontolo izao foana ny ataon'ny Mpitarika (leader) toa ny Papa na ny Filoham-pirenena Amerikana ohatra).


Raha ny ahy aloha dia nahafinaritra ahy voalohany @ Papa dia ny fanantonany ny mahantra/osa/malemy. Avoitrany (hatrany) ny tokony hisian'ny "compassion". Ny voalazan'ny gazety dia hoe, mihilana @ mahantra izy, fa koa, milefitra (flexible) izy @ dogma henjanabe: "compassion" sy "comprehension" no ambony kokoa aminy. Izay aloha no fahatsapako azy.


Mbola maro no afaka lazaina fa aoka aloha... ahoana kosany ny ambaranao?

répondu par rhaj0 le 28/03/2014 18:29
2. hery ( 13/03/2014 22:45)
Samy manana ny maha izy azy ny papa tsirairay izay mandalo. Samy manana ny laharam-pahamehana aminy ihany koa. Rehefa amin'ny vanim-potoana tahaka izao no manao bilan dia tsy maintsy mampitaha amin'ilay iraikalahy taloha foana... dia tsy hiadian-kevitra ny fitiavana.

Koa amiko dia mety tsara mihitsy ny fisian'ny papa samihafa tahaka izao. Amin'izay dia mampandroso ny lafiny rehetra eo amin'ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina. Ny Papa telo hitako izao dia samy nandray lafiny iray tamin'ny iraky ny Fiangonana, tahaka ny hoe nifanaraka izany izy telolahy nanao ny mission-ny. I Papa Joany Paoly II dia niantoka manokana ny fitoriana manerana ny vazan-tany (évangélisation), i Papa Benoa XVI dia nikarakara ny foto-pinoana sy ny maha Fiangonana (doctrines), ary i Papa Fransoà nijery momba ny fanafahana (libération) izany hoe ny fitsinijovana ireo madinika mba hanafahana azy ireo anatin'ny fahoriany. Jereo eto ny hafatra Karemy ohatra

Mety betsaka ny alaim-panahy hilaza hoe misokatra kokoa ity Papa ity (momba ilay lazain'i rhaj0 hoe compréhension) fa amiko dia mbola samy manana ny fifandraisany (approche) amin'ny lalàna ihany koa ireo papa telolahy ireo.

i Papa Joany Paoly II nanao izay hampahafantarana ny lalàna (mbola vao mafàna koa ny Konsily Vatikana II)
i Papa Benoà nitandrina izay hampiharana ny lalàna, manazava "pratiquement" ny tokony hatao (lasa toa hentitra kokoa izy vokatr'izany)
i Papa Fransoa kosa toa miteny hoe efa fantatrareo ny lalàna (efa be izay voalazan'ireo Papa roa teo aloha) dia anjaranareo amin'izay sisa. Fahafahana misafidy izany fa tsy gaboraraka.

Koa mifampiankina tanteraka izy telolahy ireo raha ny fahitako azy.
3. rhaj0 ( 14/03/2014 19:11)
Mety hoe samy hafa angamba ny niainantsika, ny fahatsapantsika na koa izay novakiantsika...

Raha ny fahatsapako azy indray dia, ny Papa Fransoa dia akaiky kokoa ny olona, ny mahantra indrindrindrindrindra. Efa hatrany Arzentinina izy no toa izay, toa hoe @ naha-zezoita azy angaha izay, ary koa toa hoe ny pretra any Amerika Latina dia toa izay. Rahefa akaiky ny olona izy, raha ny fahatakarako azy, dia mivoitra ho azy ny "compassion" sy "comprehension".

Ny Papa Benoa kosa dia akaikin'ny dogma, ary ireo fombafomba taloha. Ohatra taty izao, dia nitsiky tsiravina ny r-a-d nitantara, rahefa natao t@ teny latina (izay raha caricaturiser-na, dia izay no isan'ny "revy" miaraka @ Benoa) ny lamesa indray mandeha; hoe, koa rahefa @ teny anglisy ny lamesa dia efa matory ny ankizy, dia inty fa natao t@ teny latina, dia loza fa tsy tonga saina akoriny ny ankizy (sasany) fa hay t@ teny latina anie ilay izy teo. TSY akaiky ny olona ny Papa Benoa. Dia ao koa no manipika ny hoe, fa taratr'izay faha-samy hafAna izay ihany koa, dia ny fitiavana luxe an'ny Papa Benoa dia tsy mitovy @ fahatsoran'ny Papa Fransoa.


Koa raha hoy i Hery hoe, dia misy fitohizany (continuity) ary mifameno ("tahaka ny hoe nifanaraka izany izy telolahy" hoy Hery) na "mifampiankina" rizareo, dia hoye aho hoe dia samy hafa, mba tsy ilazako hoe tena mifanipaka, ny Papa Fransoa sy ny Papa Benoa.


[size=8]Miala tsiny mialoha raha hoatran'ny tsy mamaly resaka aho fa r@ alatsinainy aho vao ho tafaverina eto[/size]
4. rhaj0 ( 28/03/2014 18:29)
Eto ny Radio Vatican mitantara ny fandraisan'ny Papa ny mpitarika fivavahana any Mada. ireto no ho tsongoiko...

1- mampirisika "evangelisation" izy : "The Pope thanks the prelates for their “courageous and tenacious work of evangelisation”...", ary nampiany akoriny aza avy teo hoe : "urges them to guarantee a Christian presence in public schools"

2- mampirisika ny tsy fidirana @ polifika izy : "refusing any involvement in political disputes," fa kosa, eo anivon'ny "field of interreligious dialogue" dia nilaza izy hoe : "urgent to develop, and also at times to initiate, a lucid and constructive dialogue."

3- mampirisika ny hijerena ny mahantra izy : "persevere in your attention to the poor", ary koa mba ahazoany ireo "access to education"


Izaho manokana tsy manisy olana raha ny @ #2 sy #3, ary misaotra azy akoriny aza mampianatra ireo mpitarika fivavahana katolika mba hizoto @ ireo. Fa kosa, eo @ #1 aho no manana olana... raha ataoko kisarisary ny ato an-tsaiko, ary hitariko (exagerer), dia toa "mihantsy ady" @ ireo ho "evangeliser-na" izy, ary mitady hanindry aloka (imposer) ny finoaNY @ ireo zaza tsy manan-tsiny.

Dia mamerina ny lazain'ireo TSY ao anatin'ny Katolisisma (toa ny Sikh sy Hindu... ary ny atheist) aho, araka ny resaka eto, hoe :
tsy-katolika:
ianao ao @ Finoanao ao, asa-mitohy-goavana-tsy-vita mihintsy ny fitadiavanao ny hankany-hankany.. k'aza tsindritsindriana ny hafa ny @ finoaNAO. Ny anao hatrehina, fa ilay "mpamonjy" no hisarika ny hafa hankany-hankany, toa ny nisarihany anao.
Ary anay izay tsy mitovy aminao, mba ameo zo zahay @ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay, ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4728