Sary

1. rhaj0 ( 24/02/2014 15:08)
répondu par Nehemiah le 27/02/2014 14:17
2. hery ( 24/02/2014 15:38)
Ahoana ny mombamomba an'io sary io ry rhaj0 ?
3. rhaj0 ( 24/02/2014 15:40)
Miala tsiny fa hadinoko.. Eto ny loharano, ohatra.
4. rhaj0 ( 24/02/2014 17:08)
Ka io izany hoy ny siantista ny endrik'i Jesosy. Zatra ny sary ataon'ny mpanakanto moa isika, fa io izany no manakaiky kokoa ny tena izy, hoy ny siantista.

Ny manitikitika ahy dia... raha raisina hoe marina io, ahoana ny "fitsarantsika" an'i Jesosy.. Ny tiako lazaina dia hoe, hotry ny hoe vao mahita olona iray ianao, dia tonga dia hotry ny hoe manana "pressentiment" hoe, tena mety ho namako ity, na hoe azoko hatokisana, na azoko hianteherana... na hoe azoko vadiana ... etsetra...
5. hery ( 24/02/2014 23:08)
Izaho aloha dia tsy miraikitra amin'ny détails hoe misy volombava ve, fotsy ve, lava be ve, sns. Aza atao mahagaga hoe ny Katolika no matetika mampiseho ny endrik'i Jesoa amin'ny sary nefa ny Katolika no tsy miraikitra be fahatany amin'ny sary. Ny antony dia satria na ny sarin'i Jesoa aza dia famantarana fotsiny ihany (symboles) tahaka ny famantarana rehetra izay hahafahana miampita any amin'ilay tena tarafiny.
Raha mandeha any Afrika, ohatra ianao, dia Jesoa mainty hoditra, bory sady ngita volo no hitanao, mitovy ranjanana amin'ny ankamaroan'ny lehilahy. Izany hoe tsy ilay endrika ivelany intsony no ifikirana fa ilay hoe "naka ny endrik'olombelona" toa anao sy toa ahy izy.

Ara-tsiansa dia mazava be hoe amin'ny ankapobeny dia nitovy endrika sy ranjanana tamin'ireo vatan-dehilahy niray fiaviana taminy izy. Ireo artista nanao ny sary hatramin'izay koa dia niezaka naminavina toa izany saingy ny siansan'izy ireo angamba no tsy lafatra. Fa ny tiany hampitaina fotsiny dia hoe tonga olombelona tena olombelona tokoa i Jesoa.
6. mirananirina ( 25/02/2014 19:16)
Ohatra ny mampitsaoka raha izao ny tarehan ´ i Jesoa satria ohatra ny mampatahotra be ilay endrika.
7. 5laody ( 25/02/2014 22:46)
[size=21]souriez: 3,2,1[/size]


rhaj0:



[size=21]Aza hendratrendratra be tahaka izao moa Ramose fa atao amin'ny pasipaoro anie ity sary ity e![/size]
8. sitlo ( 26/02/2014 20:53)
Miova loko ohatra ny misionera kristianina ihany. Taloha izy ihany no tonga nividy andevo sy nanimba ny kolotsain'ny olona fa hoe mitondra fahazavana hono.
Ankehitriny izy indray no miseho hoe raha tsy ny kristianina hono dia tsy foana ny fanandevozana.
9. rhaj0 ( 26/02/2014 21:27)
sitlo:

Miova loko ohatra ny misionera kristianina ihany. Taloha izy ihany no tonga nividy andevo sy nanimba ny kolotsain'ny olona fa hoe mitondra fahazavana hono.
Ankehitriny izy indray no miseho hoe raha tsy ny kristianina hono dia tsy foana ny fanandevozana.


Raha ny hevitro @io dia hotry ny tatsy @ nifanakalozana hoe "Heloky ny ray sy reniny, heloky ny zanany - Heloka iraisana".

Ny taloha no nanao ny nataony. Raha ny fahitako azy, dia ho sarotra kosany ho an'ny (mpitondra fivavahana) ankehitrio ny hiantsoroka ny nataon'ny (mpitondra fivavahana) taloha. Ka izany no fijery/fiaina/fisainana t@ izany andro taloha izany, k'atao ahoana aza. Fa kosa tokony hiaiky ary hanome fanonerana ny (mpitondra fivavahana) aty aoriana, raha ny fahitako azy ihany

Fa ny mpitondra fivavahana moa toa hotry ny hilaza aminao hoe "tsy niova" (ary tsisy diso) ny Fivavahana sy ny fampianarana ny fivavahana h@izay ka h@izao. Ka dia izy ihany no mamatotra ny tenany ao. Sa ahoana hoy ianao? Sa diso aho?

Fa na izany na tsy izany, dia misy tsara hianarana ny aty Kanada. Averiko indray fa niaiky ny Kanadiana fa nanimba ny tompo-tany amerindianina. Niaiky heloka moa hoy ny fiteny. Teny @ antenimieram-pirenena ary imasom-bahoaka. Ary efa nandoa ary mbola mandoa ny fanonerana izy h@ izao. Jereo ohatra eto

Fa kosa ny @ireo zaza amerindiana nosimbana tany @ sekoly Katolika, dia h@izao mbola tsy nahenoana fiaikena (fa diso) avy @ Vatican. Ny papa Benoit no nilaza fa tsapany ny alahelo, fa TSY niaiky (fa diso) mihintsy izy. Jereo ohatra eto. Tena (mbola) tezitra @io ny amerindiana (autochtone); nefa moa... vao mainka nohosorana ho masina i Kateri Tekakwitha t@ 2012. Fa dia asa foana kosa ho'a izay ao antsaina sy ao am-pon'ny amerindiana (autochtone)
10. sitlo ( 26/02/2014 23:15)
Ka izay ange ilay teneniko hoe miova loko e. Tenenina fotsiny hoe tsy tena kristianina ireny dia vita.
11. Nehemiah ( 27/02/2014 14:17)

sitlo:
Miova loko ohatra ny misionera kristianina ihany. Taloha izy ihany no tonga nividy andevo sy nanimba ny kolotsain'ny olona fa hoe mitondra fahazavana hono.

Lol izany hadisoana ara-tantara izany ka :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1009