Zaza tsy mitadidy

1. takona ( 12/11/2013 13:48)
Mila fanampiana avy aminareo aho ,toy izao ny olana . 7 taona izao ny zanako ,sarom-piterahana aho taminy, nosintonina t@ ventouse izy avy eo koa elaela vao nitomany ,normale tsara izy fa ny olana dia izao tsy mitadidy mihintsy izy any am-pianarana (raha dessin animé indray tsisy very)tena tsisy azo raisina mihintsy e , mangataka hevitra aminareo aho inona no ataoko?inona no tokony atao aminy?
répondu par MITIA7 le 06/08/2015 11:04
2. vahiny2004 ( 12/11/2013 14:01)

takona:

Mila fanampiana avy aminareo aho ,toy izao ny olana . 7 taona izao ny zanako ,sarom-piterahana aho taminy, nosintonina t@ ventouse izy avy eo koa elaela vao nitomany ,normale tsara izy fa ny olana dia izao tsy mitadidy mihintsy izy any am-pianarana (raha dessin animé indray tsisy very)tena tsisy azo raisina mihintsy e , mangataka hevitra aminareo aho inona no ataoko?inona no tokony atao aminy?


Sao dia tsy olana fitadidiana izany fa désinteressement, ohatran'ny hoe séléctif be manko ilay hoe mitadidy DA nefa tsy mitadidy lesona ? Sao dia lanin'ny DA ny zanakao dia tsy mi s'intéresser @ zavatra hafa . Raha foananao ny DA dia manao ahoana ny réaction-ny

Andramo ampianarina comptines ireny hoe ohatra
3. Nehemiah ( 13/11/2013 07:37)
Ataovy miendrika kilalao ny fianarana
4. takona ( 13/11/2013 08:06)
Efa tsy mahazo mijery intsony izy afa-tsy ny alahady harina ihany,fa e e e .misaotra amin'ny torohevitra fa andramana indray aloha
5. ticoeur ( 13/11/2013 11:16)
somary ohatr'izay koa ny zanako, tsy resaka fitadidiana ilay izy fa resaka intérêt, rehefa mahaliana azy dia tsaroany tsara hainy tsianjery. taloha dessins animés hainy daholo fa ny lesona tsia, taty aoriana lasa liana be @ connaissance usuelle sy ireny émission documentaires animaliers na c'est pas sorcier ireny izy, dia iny no araraotina ampijerevana azy, dia ampahatsiahivina azy rehefa mamaky lesona izy. resaka problèmes sy mathématiques izao sisa manahirana kely azy asa ahoana indray no hampianarana azy raisonnement
6. endriny ( 15/01/2014 15:11)
Ny zaza dia izay mahafinaritra ny sainy no averiny, tsy midika izany fa tsy tadidiny ny zavatra hafa, saingy tsy mahafinaritra azy fotsiny dia tsy raharahiany ny marina kokoa.

Iza no mahafinaritra kokoa ny mijery film sa ny mianatra lesona... Dia izay.

Fa ity film DA, video game... ity dia mahavariana ankizy maro mihintsy ka mahatonga ny ankizy kamo mianatra, mbola miampy ilay finday moa vao maika loza, fa na any ampianarana aza SMS sy game no atao ao ambany latabatra fa ny tena mody mijery tabilao ihany sady mangina...

Fa ny tsotra aloha dia ampirimina daholo ny video sy ny tele, dia mba famakiana boky sy kilalao miaraka amin'ny Dada sy Neny no atao raha mety. Fa ilay olon-dehibe koa matetika hoe: Izaho tsy maintsy mijery vaovao, tsy maintsy mijery an'ilay fandaharana hoe... dia mba avy koa ny kely hoe izaho tsy maintsy mijery DA... Ilay zaza tereny mianatra fa izy mandeha mijery tele sy video, dia afaka ora iray miverina izy dia manadina lesona.. dia bedy ilay zaza raha tsy mahay.
7. Nehemiah ( 15/01/2014 15:55)

endriny:
Fa ny tsotra aloha dia ampirimina daholo ny video sy ny tele, dia mba famakiana boky sy kilalao miaraka amin'ny Dada sy Neny no atao raha mety
Il ne faut pas jeter le bébé avec l'eau du bain :-)
8. MITIA7 ( 06/08/2015 11:04)
Eo amin'io taona io mihitsy ny zaza no somary manao an'izay tsy mitadidy izay
Miankina be dia amin'ny fomba fitondranao azy , izany hoe ny fanabezanao azy tanteraka io Ny filaminana ao antokantrano,( ataovy milamina tsara ny trano sy ny manodidina dia hanao toy izany koa ny zaza
-Ny fomba firesaka tsy dia mitabataba fa malefaka tsara
-Asiana fepetra ny fijerena ny DA sy ny sisa, aleo ary atao mamaky boky izy ary ianao koa mandray anjara ao anatin'izany( mitantara ilay ao anaty boky sns...)
Rehefa miverina avy an ampianarana izy dia anontanio hoe "inona ky no nataonareo tany? Mba ampianaro ky maman fa tsy mahay a"
Toy izany foana ny ahy ny fanaovako ny zanako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5318