Iza no niaraka tamin'i Adama voalohany?

1. voromailala ( 16/10/2013 12:03)
Sao dia i Lilith no niaraka tamin'i Adama voalohany?

Ahoana ny hevitrao?
répondu par Miharena le 06/11/2013 03:20
2. voromailala ( 16/10/2013 12:07)
Raha ny genesisy 1-27 mantsy no jerena dia sady nanamboatra ny lahy sy vavy Andriamanitra tamin'ny voalohany.


Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy


3. Nehemiah ( 17/10/2013 05:20)
Taiza kay no nangalanao an'izay antontan-kevitra izay ? T@ filma hôrera ?
4. voromailala ( 17/10/2013 09:37)
Tao amin'ny Kabbale no nahitako azy io fa tsy filma horera, raha filma azany i lilith dia tokony filma X :-).
5. Nehemiah ( 17/10/2013 12:47)
Ka inona no tokony iraharahian'ny kristiana izay lazain'ny Kabbale, izay tsy inona fa sikidy jiosy ?
6. voromailala ( 17/10/2013 13:05)
Nehemiah> Ny lohahevitra anie dia hoe Fivavahana sy finoana fa tsy hoe Kristianina.

Ary tsy sikidy Jiosy ny kabbale fa Ezoterika ny fivavahana Jiosy, toy ny Gnozy amin'ny Kristianina, soafisita amin'ny silamo, sns....

Raha ohatra ka tsy misy irarahian'ny kristianina izay lzain'ny kabbale dia afaka tsy mamaly fotsiny ilay kristianina :-).
7. Nehemiah ( 18/10/2013 12:38)
Tohizo tsara ny fihatsarambelatsihy. Raha miresaka momba an'i Adama sy Eva dia mazava loatra fa ny kristiana no iantefan'izay.
8. voromailala ( 21/10/2013 09:10)
Nehemiah> resaka momba an'i Adama sy Eva tompoko dia tsy Kristianina ihany fa koa ny Jiosy sy ny silamo. Ary araka ny efa nolazaiko dia hoe rehefa voasoratra anaty baiboly dia an'ny kristianina foana.
9. barnasha ( 28/10/2013 16:54)
Salama daholo ianareo

Avy amin'ny Genesisy 1.27 io interprétation io Kabbalista io. Raha dinihana tokoa mantsy dia taorian'ny ny nanamboarana an'ilay 'lahy sy vavy" ao amin'ny Genesisy 1.27 no namboarina avy amin'ny silak'i Adama (Tselah HaAdam) i Havah (Eva). Ka teo no nipetraka ny fanontaniana hoe: "Iza io vehivavy io"?

Misy ny Kabbalista nilaza fa i Lilith hono izy io, ilay vady voalohan'i Adama, fa noho ny disadisa noho ny resaka "position sexuelle" dia nisaraka i Lilith sy Adama. I Lilith dia niala tao am'ny Gan Eden (Jardin d'Eden) ka nandeha tao amin'ny Midbar (désert), tao no nahitany devoly marobe ary noho ny "appétit sexuel insatiable" nanany dia lasa niray ara-nofo tamin'ireo izy. Lasa irery izany Adama, ka izany no nahatonga an'Elohim (Andriamanitra) nanamboatra an'i Havah mba ho solon'i Lilita.

Kanefa misy Kabbalista hafa indray milàza fa tsy i Lilita io vehivavy fa tena "côté féminin" an'ilay Adama voalohany izay "Androgyne" izany hoe sady lahy no vavy, ary hita tsara ao @ Genesisy 1.27 io:

"Vayivra Elohim et HaAdam Betsalmo, Betselem Elohim Bara oto Zakar ouNekeva Bara Otam"

Izany hoe:

"Dia namboarin'Elohim araky ny endriny i Adama, araky ny endrik'Elohim namboariny Lahy sy vavy zareo"

Ka noho izany, tena "lahy sy vavy" mihitsy hono i Adama. Fa taty aoriana dia nosarahin'Andriamanitra io côté féminin sy masculin ka ilay lahy tavela dia nantsoina hoe "Adam" ihany fa ilay vavy natsoina hoe "Havah" (Eva). Tsara hamarihana fa tsy t@ "côte" (taolan-tehezan) 'ny Adama no nanamboarana an'i Havah (Eva) fa tena "côté" (Tselah @ teny hebreo, silaka [Tselah - ka] @ teny Gasy) an'i Adama i Eva araky ny lazan'ny Kabbalista. Io "côté" dia ilay "côté féminin".
10. ratsirano ( 01/11/2013 21:54)
Raha ny momban’i Adama sy Eva dia tsy misy afatsy ny Mpamorona azy no afaka hilaza ny marina momba azy. Ka na inona na inona boky miresaka momba azy ireo, dia tsara fantarina hoe avy amin’ilay Mpamorona ve ilay boky.

Dia manjary mipetraka indray ny fanontaniana hoe : ahoana no hahafantarana hoe iza no tena boky nampanoratan’Andriamanitra ho an’ny olombelona ?

Raha avy amin’Andriamanitra marina ilay boky dia tsy maintsy hataony izay hahafahan’ny olona rehetra maneran-tany mamaky azy, izany hoe tsy maintsy voatonta sy voadika amin’ny fitenin’ny olona rehetra.

Raha ireo boky isan-karazany voatonona teto ireo aloha dia tsy misy mahafeno izay fepetra izay ankoatran’ny Baiboly. Koa noho izany dia izay voalazan’ny Baiboly momban’i Adama sy Eva no marina. Ny ankoatr’izay dia lazain’ny Titosy 1:13,14 hoe : “anganonganon’ny jiosy sy didin’olona” ka izay “mitandrina” an’izany dia “mivily miala amin’ny fahamarinana”.

Mbola misy zavatra betsaka manaporofo fa tena Tenin’Andriamanitra Mpamorona ny lanitra sy ny tany ny Baiboly, fa mila manana toe-panahy sahala amin’ireo olona tany Beria voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:11. Satria ireo dia nazoto nandinika ny Soratra Masina isan’andro mba hahitany izay tena marina.
11. Miharena ( 06/11/2013 03:20)
Misy azo raisina ilay fanazavana nataon'ny namana Barnasha.

Misy fanazavàna bebe kokoa izany ao amin'ny Kabbale. Ny olana amintsika raha tsy manana fijery ara-panahy matotra dia mihevitra fa tsy mfameno ny Soratra azo talohan'ny Baiboly sy ny Soratra azo taorian'ny Baiboly. Nefa amiko dia mifameno tsara izy rehetra raha vao miresaka zava-panahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0487