Baiboly Frantsay Kinova vaovao
1. voromailala
(
14/10/2013 15:44)
Salama daholo
Hisy fanovana indray izany ny ao anatin'ny Baiboly Frantsay, indrindra amin'ilay vavaka Rainay Izay Any An-danitra.
Jereo eto ny rohy...
Mety hisy fihatraikany amin'ny Baiboly Malagasy sy ny fanononana Rainay Izay any an-danitra mandritra ny lamesa ve io?

répondu par voromailala le 16/10/2013 13:19
2. moustaraf
(
15/10/2013 17:49)
Salama namana,
Ny momba ny fanovana tao @ baiboly malagasy moa dia efa nentina teto ihany koa!
ka izao no marina ry namana isany a!
Ireo baiboly dikan-teny rehetra ireo dia tsy hitsahatra ny hiova, fa dia samy manao izay mahametimety ny sainy avokoa izay afaka mandikateny!
Ilay boky fototra irery ihany anie no nolazaina hoe"tsy azo ovaina na dia litera tokana aza", fa ireo dikan-teny tsy mbola hiova in-100 sy in-1000 mandra-pahatonga ny farany!

3. voromailala
(
16/10/2013 07:29)
moustaraf> salama e
Miombokevitra tanteraka aminao aho amin'izany zavatra lazainao izany.

4. 5laody
(
16/10/2013 09:41)
Miarahaba ny rehetra,
tsy nankany amin'ilay rohy aho fa manjary ela vao tafaverina, heno ko tamin'ny radio ilay Rainay version 2.0,
manova ny hoe "aza entinao amin'ny fitaoman-dratsy izahay" toa mampieritreritra hoe Izy no mahatonga anao hanota. tsy fantatro hoe nosoloina ve izy io sa nofoanana fotsiny.
Mahazotoa daholo.
5. voromailala
(
16/10/2013 13:19)
5laody> nosoloina le izy, ohatra an'izao:
lasa
et ne nous soumets pas à la tentation
lasa
et ne nous laisse pas entrer en tentation.