JLR Safidin-dRavalo: tsara sa ratsy?

1. hery ( 16/09/2013 07:50)
Ho an'ireo TSY mpanohana manokana an-dRavalomanana NEFA kosa MPANOHITRA mafana fo ny fanonganam-panjakana dia tena nahafaly ny safidin-dRavalo. Tsy hoe ilay JLR manokana no mahafaly satria tsy dia tena fantatro ilay izy fa ilay tsy latsaka tao ambovon'ny fandriky ny TGV sy ny CI.

Ny tena tanjon'ny TGV aloha dia tifi-droa. Hoe na Ravalo mangingina manaiky fifidianana fa tsy manolotra olona ofisialy, na Ravalo mi-boycotter fifidianana. Mandresy foana ny TGV amin'ireo safidy roa ireo satria raha mangingina Ravalo dia be ny tsy hifidy na hanao vato fotsy ka ny kandidà TGV no ho favoris sy ho lany. Ary araka ny nolazain'ny CI hoe na 10% no mifidy dia izay mandresy no mandresy. Raha toa indray Ravalo ka ni-boycotter dia na mihemotra ny fifidianana, izany hoe mitohy ny fihinanan'ny TGV ao amin'ny tetezamita, na mandeha ihany ny fifidianana fa lasa Ravalo indray no ratsy ary lany ihany koa ny TGV.

Ny tanjon'ny CI indray dia hoe hangina tanteraka any mihitsy Ravalo dia hizotra milamina ny fifidianana... ary ho lany antsokosoko ny kandidà asesiny izay efa fantatry ny be sy ny maro.

Tamin'ity Ravalo nisafidy tampoka an'i JLRobinson ity anefa dia tapina ny daomy ho an'ny TGV sy ny CI. Ny làlana hany azon'ny TGV atao dia ny manakorontana mba hahafahany manafoana ny fifidianana sy mijanona elaela indray eo amin'ny fitondrana... amin'izay fotoana izay nefa izy dia mifanehitra amin'ny CI indray. Ny CI kosa indray izay efa nanilika an-dRavalo dia tsy afaka hiteny satria manara-dalàna tsara ny fanohanana kandidà ataond-Ravalo... ary raha lany tampoka eo ny kandidà tohanany dia very fihinanana koa izy.

Ny olana ho an-dRavalo fotsiny izao dia ny mandresy lahatra ireo mpiondana sy ireo izay entim-po ary ireo izay tsy mahay ny tena politika.

- Ireo mpiondana Magro izay te hahita anarana Ravalomanana ho filoha dia tokony hahatsapa hoe fotokevitra no tanjona. Raha miara-manohana izay atolotr'i Ravalo izy ireo dia hanana chance ho lany ny kandida-ny dia avy eo izay ataony. Tsy voatery ho filoham-pirenena foana koa Ravalo vao afaka hanao zavatra sy hody. Tsy maintsy nisy fifanarahana ambadika goavana ao.

- Ireo entimpo (Eliane Naika and co.) dia tokony hahatsapa hoe tsisy issue intsony satria tsy nahasahy nidina an-dalambe akory ry zareo tamin-dRavalomanana niteny hoe tsy hanaiky fifidianana. Mbola vita ihany ny calendrier ary mbola niseho ofisialy ihany ny lisitry ny kandidà manan-kery izay tsy nisy an'i Lalao. Raha ohatra ry zareo ka nahavita nidina an-dalambe nanohitra iny fifidianana iny dia hita ny heriny... fa amin'izao dia tokony hanaiky ny solution farany.

- Ireo misalasala indray izay heveriko hoe mbola tsy tena havanana amin'ny resaka politika dia mila resena lahatra hijery izay mitranga aty ivelany ka hatoky fotsiny ny mpitarika. Aty ivelany rehefa manapa-kevitra ny lohandohan'ny antoko dia manaiky an'iny ny mpitolona na dia indraindray tsy mifanaraka amin'ny sitra-pony aza. Ny tanjona dia ny handresen'ilay fotokevitry ny antoko ka rehefa izay no tapa-kevitra dia mivondrona sy manao izay handresen'izay fotokevitra izay.

Asa hanao ahoana izy ity :-)

répondu par Mateyous le 04/10/2013 16:53
2. andrywui ( 16/09/2013 12:20)
velombolo be i hery zany a ?

tena mety aminao tsara i Crusoé a , sao vaky sambo eo kou e ? ....oadray i Robinson manko e !! azafady !!
3. Mateyous ( 04/10/2013 16:53)
Hery>:

zao lesy no izy a!
Robison nen lah tsy lany eo zany e!!
sady sy tsy fantar"olona io, tsy meva ho Président da la Republique ihany koa!!
Zah mahasahy "migarantie" fa na i Hery na i Hajo no mandrobaka ny fandresena eo e!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.591