Ny ankehitriny ihany

1. voromailala ( 11/09/2013 07:13)
Misy tononkalo iray inty nosoratako hozaraiko aminareo


"Ny Ankehitriny Ihany"

Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra ilay fandresena

Fa ny ankehitriny ihany aloha banjinina
Na mamy na mangidy toa ny ravinkininina
Fa io no hivadika hanjary holasa
Ary koa fototr'ireo zay hokinasa


Fafao daholo ireo eritreritra misidina
Hadaboy amin'ny tany avelao hitsingidina
Aza avela mihemotra aza avela mandroso
Ny ankehitriny ihany no aoka hiroso


Raha misy filàna ny lasa na ny hoavy
Hindramo vetivetika fa sao mampatavy
Koa raha hefa izany dia miverena eto antany
Satria ny sarobidy dia "Ny ankehitriny ihany"

Voromailala (13 Aprily 2012)
Ny Ankehitriny Ihany....

Raha misy fanontaniana fa fanampikevitra dia aza misalasala manoratra. Nosoratako izy io taorinan'ny nadalinako ny hatao hoe "Le Pouvoir Du Moment Présent" an'i Eckart Tolle.

répondu par voromailala le 16/09/2013 14:01
2. universal ( 11/09/2013 08:34)
Bravo amin'ilay tonokalo. Mirindra tsara ilay izy.

Ny tena zava-dehibe dia ilay hevitra fonosiny: "ny ankehitriny", izay manana ny toerany eo amin'ny lafiny ara-panahy, ary ny olona rehetra mieritreritra ny hisondrotra ara-panahy (évolution spirituelle) dia tokony hametraka ny ankehitrininy eo amin'ny toerany fa tsy hanonofy paradisa na hatahotra afobe.
3. voromailala ( 11/09/2013 09:21)
universal> misaotra anao amin'izay.
Ary izay voalazanao izany mihintsy ilay izy, ary tsy manana afatry ny ankehitriny isika eo ampelatanana, izay sady fanomezana (Présent).
4. mizara ( 16/09/2013 07:23)

voromailala:

Misy tononkalo iray inty nosoratako hozaraiko aminareo


"Ny Ankehitriny Ihany"

Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra ilay fandresena

Fa ny ankehitriny ihany aloha banjinina
Na mamy na mangidy toa ny ravinkininina
Fa io no hivadika hanjary holasa
Ary koa fototr'ireo zay hokinasa


Fafao daholo ireo eritreritra misidina
Hadaboy amin'ny tany avelao hitsingidina
Aza avela mihemotra aza avela mandroso
Ny ankehitriny ihany no aoka hiroso


Raha misy filàna ny lasa na ny hoavy
Hindramo vetivetika fa sao mampatavy
Koa raha hefa izany dia miverena eto antany
Satria ny sarobidy dia "Ny ankehitriny ihany"

Voromailala (13 Aprily 2012)
Ny Ankehitriny Ihany....

Raha misy fanontaniana fa fanampikevitra dia aza misalasala manoratra. Nosoratako izy io taorinan'ny nadalinako ny hatao hoe "Le Pouvoir Du Moment Présent" an'i Eckart Tolle.




Aty amin'ny fivavahana sy finoana moa no nosoratanao ilay izy dia aleo valiako arak'izay.


Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra ilay fandresena


Ny ratsy vitanao androany
efa voasoratra any ho any
tsy maintsy ho tonga no fotoana
hanasana ireo fahalotoana

Azafady!! RAvorona, hohadinoana hoe ny lasa?
ka ity fanahinao maloto iza re no mba hanasa?
Azafady!! Ravorona, ny ho avy hoe tsy ho jerena?
Tsy mbola renao ve fa handia lalana volamena?






5. voromailala ( 16/09/2013 08:17)
Fivavahana "ny ankehitriny ihany"
Io ihany no hananao
Ary ny Tompo dia eto antany
Tsy rehefa avy eo fa izao


Ny ratsy vitanao omaly
Izay voasoratra any ho any
Dia hovoafafa mandrizay
Raha tena mibebaka am Ray


Koa raha variana hijery ny lasa
dia hoadinonao ny ankehitriny
Ka ireo ratsy tsy hovoasasa
Ka sao re hananantsiny

Raha toa koa hijery matetika ny hoavy
Hatory atoandro toy ny ramanavy
Dia mbola hovotsotra ihany ny ankehitriny
Tsy afa-mibebaka tsy afa-tsiny


Ka avelako ianao ry Mizara
Hanohy indray ny Tantara.....












6. Miharena ( 16/09/2013 12:36)
Misy tokoa fanadihadiana ny ho avy
Ataon'ny Kristianina mianakavy
Saingy rehefa tonga ilay ora
ka misy tsy ho afaka moramora

Dia satria hay ilay ankehitriny amin'izany
lasa ota tsy hita lany
dia lavina izy ao am-paradisa
satria variana namisavisa

fa tsy nahatsiaro tena hikasa
hoe ny ankehitrny madio no tena lahasa
7. voromailala ( 16/09/2013 14:01)
Miharena> tena marina izany, ary manana talenta mihafina kay ianareo a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0537