Ilay Tsiambaratelo
1. voromailala
(
06/09/2013 11:29)
Ahoana indray ny hevitrareo amin'ity tsiambaratelo ity. Hoe misy lalana izao tontolo izao, ka izay mahafantatra sy mahay mampiasa azy dia ahazo izay hiriany amin'ny fianana.
Inty ny rohy: Le Secret...
Raha olona mampiasa "pensée positive" izao mety efa mahafantatra azy inty.
Iza no mahalala raha mety hampiova hanatsara ny fiainanao, aza izaho no hisaorana fa ilay Nahary antsika.

répondu par voromailala le 16/09/2013 08:33
2. Nehemiah
(
06/09/2013 13:50)
Milaza an'i Galilée sy Einstein ho nahafantatra an'izay tsiambara3 izay ilay rohy kanefa voa jerena fotsiny ny momba azy ireo @ Wikipedia dia tsikaritra fa tsy nahazo an'izay rehetra niriny t@ fiainany izy ireo, ka tsoriko fa fandrebirebena saim-bahoaka io.
3. voromailala
(
06/09/2013 14:43)
Nehemiah> Izay no hevitrao koa misaotra anao amin'izay fanehoanao azy izay.
Haveriko ary araka nolazain'ilay namanay iray anaty oronantsary, handramo hoy izy dia ho hitanao, raha mahasoa anao dia tazomy raha tsy misy vokany dia hajanony.

4. universal
(
07/09/2013 17:28)
Misaotra amin'ny fizarana.
Tsy misy azo kianina ny voalaza ao.
Ny fanamarihana tiako ho entina dia ity: io secret voalaza io dia heveriko fa ireo Grands Maîtres spirituels tatsinana dia tompony sy nahafehy izany tanteraka. fanazavana ihany no nentin'ireo tandrefana manam-pahaizana.

5. Hinagasy
(
08/09/2013 21:43)
Ny fijeriko azy dia tsy zava-baovao ilay izy. "mitovy" amin'ny mivavaka amin'Andriamanitra ilay fandehany. Ianao rehefa mivavaka dia mangataka amin'ny fo, satria manana finoana fa ho valiana ny vavakao,dia tahaka izay ilay izy, pensées positives na ny vavaka aza
6. voromailala
(
09/09/2013 08:26)
universal> Izay voalazanao izay ilay izy.
Ny fisiany sy fanazana tsotsotra ilay tsiambaratelo no nataondry zareo.
Raha efa namaky ilay bokin'i Napoleon Hil "pensez et devenez riche" ianao dia hitanao fa mitovitovy mihintsy.
Raha te hampihatra izay tsimbaratelo izay anefa ianao dia mila mamaky sy mianatra ny fampianaran'ireo Grands Maîtres spirituels tatsinana.

7. voromailala
(
09/09/2013 08:34)
Hinagasy:
Ny fijeriko azy dia tsy zava-baovao ilay izy. "mitovy" amin'ny mivavaka amin'Andriamanitra ilay fandehany. Ianao rehefa mivavaka dia mangataka amin'ny fo, satria manana finoana fa ho valiana ny vavakao,dia tahaka izay ilay izy, pensées positives na ny vavaka aza
Marina mihintsy izany fa tsy zavabaovao ilay izy, ary mitovy tanteraka amin'ny mivavaka amin'Andriamanitra, izay lasa niova anefa ankehitriny.
Satria matetika rehefa mivavaka ny olona ankehitriny dia vavaka miverimberina fotsiny no ankamaroany toy ilay lazainao hoe tokony mangataka amin'ny fo.
Raha hampifandraisina amin'ny vavaka ilay tsiambaratelo dia tokony ohatra izao:
Mivavaka aloha ianao amin'ny fo io: na mangataka na misaotra fotsiny. Ilay vavaka fisaorana no tena sarobidy indrindra.
dia mila hihainanao ilay vavaka, ary mila manana finoana tanteraka ianao amin'ilay vavaka fangatahana hataonao.
Hataovy toy efa azonao hoy izy ilay angatahanao.
8. booboo
(
09/09/2013 16:31)
tsy mety misokatra ilay rohy fa ela beeeeeeeeeee. sao dia mba afaka fintinina azafady ?
9. voromailala
(
10/09/2013 08:19)
booboo:
tsy mety misokatra ilay rohy fa ela beeeeeeeeeee. sao dia mba afaka fintinina azafady ?
andraso fitiniko amin'ny fijeriko azy. Fa na nisokatra azany afaka nofintiniko foana :-)
Maro izany ireo lalàna mifehy ny "univers" fa ny lalàna iray izay tena misy fihatraikany amin'ny fianantsika dia ny hatao hoe "loi de l'attraction".
Izany hoe izay zavatra eritreretinao dia lasa tanteraka ny ankamaroany na tsara io na ratsy.
Noho izany tokony hanana eritreritra tsara "pensée positive" foana ianao raha te hosambatra, hotafita, hanankarena, sns.....
Matetika ny olona mahantra sy ory amin'ny fiainana ireny dia manana eritreritra ratsy,masiaka,tezitezidava, sy manaratsy ny tenany.
Ny olana anefa dia tsy voafehintsika ny eritreritrantsika matetika satria mandeha ho azy, indraindray mandeha any amin'ny lasa, indraindray manofinofy ny ho avy, io ilay lazain'ny mpikaroka hoe 90% ny fihetsiky ny olona dia "habitude" daholo.
ireto zany ny zavatra tokony arahana raha tianao hotanteraka ilay eritreritrao.
Mieritreritra zavatra iray ianao, ohatra hoe teahazo poketra ohatra, dia tsy vitany hoe eritreretina fotsiny, fa milay asiana sentimaka,dia hiainana ilay izy hatao ohatra hoe efa azonao ilay poketra.
Ny tena tsara hoy izy dia alina alohany hatory no mieritreritra ilay izy.
Rehefa mangataka zavatra dia tsy hasiana "négation", ohatra zao hoe resaka ady. Tsy mety ny mangataka hoe "tsy hiady intsony ny olona" fa hoe "hifankatia ny olona.".
Ary ny zavatra iray tena sarobidy dia ny "Gratitude", amin'ny zavatra izay hanana, sy ny fiainana rehetra.
Misy ihany koa ny hatao hoe "transmutation" ny filàna aranofo, izany hoe raha misy filàana aranofo be ianao ka tsy mifandamoro fa havadiko zavatra hafa iny, dia miakatra be ny
fahaizanao amin'ilay zavatra hafa hataonao.
Izay aloha no azoko lazaina fa raha afaka miresaka ihany koa aho hoe ahoana no fomba hampitoniana ny saina dia hampetrahana ireo eritreritra tsara anatiny loha.
10. ratsirano
(
11/09/2013 07:17)
Manana io boky io aho (fanomezana azoko taman'olona) ary efa nojereko hatrany amin'ny voalohany ka hatramin'ny farany io DVD io.
Ny zavatra faran'izay goavana avoitran'io dia tsotra ihany : tsy mila an'Andriamanitra isika mitondra ny fiainantsika fa isika irery ihany dia mahavita azy. Azontsika hatao daholo izay tiantsika rehetra hatao. Ary io fomba fisainana io dia efa navoitra hatramin'ny fiandohan'ny zanak'olombelona ao amin'ny Genesisy 3:5.
Ary izao ihany ny tanjon'ilay menarana tao Edena : tsy hanompo sy hanaiky an'Andriamanitra hitondran'ny fiainany ny olombelona. Ataony izay hifantohan'ny sain'olombelona amin-javatra hafa foana mba tsy hi-eritreretany izay momba an'Andriamanitra mihitsy. Ary izany no nahazo an'i Eva. Nifantoka tamin'ilay voankazo voarara izy dia nanjary mahate-hihinana ilay izy (Genesisy 3:6)
Dia ho sahala amin'izany foana no fomba hitarihan'ny hery izay ao ambadik'io menarana io ny olombelona. Fa ny zavatra iray tena manaporofo fa mpandainga sy mpamitaka izy dia ilay nolazainy ao amin'ny Genesisy 3:4. Raha azony natao ny nanakana io fahafatesana io dia nataony saingy tsy vitany izany ary tsy ho vitany mandrakizay, satria ilay Mpamorona ny olombelona irery ihany no manana ny "mode d'emploi" momba ny zavatra rehetra nohariny.
Io "mode d'emploi" io dia ny Baiboly ihany, ary nomeny antsika io mba hahafahantsika mitondra ny fiainantsika araka izay tokony ho izy. Raha manana machine anankiray ianao ohatra ka tsy ampiasainao araka ny "mode d'emploi" nomen'ilay mpanamboatra azy io machine io, dia mazava ho azy fa ho simba izy io.
Tsy mba nataon'Andriamanitra ho tsiambaratelo ho an'olona vitsivitsy ny Baiboly fa ho an'ny olona rehetra, na dia ireo tsy mahay miteny frantsay sy anglisy aza. Porofon'izany ny fisian'ny Baiboly amin'izao fotoana izao amin'ny fiteny 2300 mahery ka afaka manana azy io ny 90 isan-jato mahery ny mponina eran-tany.
Efa nandraman'ilay hery ao ambadik'ilay menarana nosakanana ny fampielezana ny Baiboly fa tsy vitany ary tsy ho vitany mihitsy satria "taratasy" nomen'ilay Mpamorona antsika izay namorona ny "univers" koa, ka ho arovany foana ka izay te-hahalala ny momba azy dia ho afaka ny hanao izany, na aiza na aiza no misy azy eto an-tany.
Koa dia mirary soa indray aloha.

11. voromailala
(
11/09/2013 07:51)
ratsirano> Manaja izay fijerinao izay aho.
Mety tsy mitovy angambany ny fahazahoantsika an'ilay zavatra soratan'ilay boky, satria misy soratra masina azany noteneniny anatin'ilay boky ao.
Izao no fahazahoako ilay boky sy DVD hananako ihany koa ilay boky.Ilay dikateny eo ambany no misoratra anatin'io oronantsary io no tena voasoratra anatin'ilay boky.
Ireo lalana mifehy an'izao tontolo izao dia lalana avy amin'Andriamanitra avokoa, fa misy ambaratonga izany.
Arakaraka ny halaviranao an'Andriamanitra dia mitombo ny isan'ny lalàna.
Kanefa misy lanitra fito, noho izany dia ny lalana voalohany avy amin'Andriamanitra dia amin'ny lanitra voalohany ihany no afaka mihatra, ary ny lalana avy amin'ny lanitra 1 dia amin'ny lanitra faha 2 ihany no afaka mihatra, sns...
lalàna 1 avy amin'Andriamanitra, lasa lalàna 3 izy ao amin'ny lanitra faharoa, dia lasa 6 izy ao amin'ny lanitra faha3, lasa 12 izy amin'ny lanitra faha4, sns......
Noho izany ny lalàna mihatra eto antany (lanitra faha 6) izany dia ny lalana avy amin'ny lalana lanitra faha5 (lanitr'ireo planeta).
Ny volana izany no lanitra faha 7 (mbola zandrin'ny tany ny volana).
Izay mahatonga ny hoe Andriamanitra tsy afaka hanavotra ny olona rehetra eto antany, efa misy lalana mifehy ny lanitra faha 6, toy ny loi d'attraction, ka noho izany, izay hafafinao ihany no njijainao eto antany.
Ary efa naverimberin'i Jesoa izany ao amin'ny "Evangile de la Paix" hoe, raha tsy manaraka ny lalàn'Andriamanitra ianao dia tsy ahita ny fanjakan'Andriamanitra velively.
Tsy anaty ny soratra masina (Baiboly) hoy izy ny lalana satria ny soratra dia mafy, fa anatin'ny zavatraboarin'Andriamanitra rehetra, indrindra fa ny olombelona izany.

12. voromailala
(
11/09/2013 08:12)
Hoan'izay te andalina ny resaka lalàn'Andriamanitra sy lalàna mifehy izao tontolo izay dia inty mis y lahatsoratra mampiditra izany resaka izany.
La loi de 3, le rayon de Création de 7 mondes.
Raha mahaliana anao io, dia afaka hatoroko rohy misy boky miresaka anio.

13. mizara
(
16/09/2013 07:04)
voromailala:
Ahoana indray ny hevitrareo amin'ity tsiambaratelo ity. Hoe misy lalana izao tontolo izao, ka izay mahafantatra sy mahay mampiasa azy dia ahazo izay hiriany amin'ny fianana.
Inty ny rohy: Le Secret...
Raha olona mampiasa "pensée positive" izao mety efa mahafantatra azy inty.
Iza no mahalala raha mety hampiova hanatsara ny fiainanao, aza izaho no hisaorana fa ilay Nahary antsika.
Ry zareo tantsinanana izay tsy mahalala an'Andriamanitra (Jehovah) dia lasa lavitra kokoa mihoatra antsika milaza fa mahalala amin'ny resaka fiainana aram-panahy satria efa ela ry zareo no nahalala fa:
1- ny fanahy no maha-olona fa tsy nofo sy ny saina no maha-olona
2- Ny fanahy no mibaiko ny nofo fa tsy ny mifanohitra
Ireo zavatra roa ireo dia fototra tokony hijoroana na mpino ianao na tsia.
Fantatrao ve fa any Inde misy olona mahavita mifady hanina sy rano mandritra ny roa taona kanefa tsy maty, maro tsy tambo isaina ireo ohatra azo tanisaina fa andramo aloha ilay hoe miaina araka ny fanahy (1) sy ny fanahy no mibaiko ny nofo (2) dia ho hitanao fa:
- Hahatohitra ny fakam-panahy maro ianao
- Hahavita zavatra tsy takatry ny saina ianao
- Hahay mifandray amin'ilay Tompoinao ianao satria
"Andriamanitra dia Fanahy ary izay mivavaka amin'ny dia mivavaka amin'ny fanahy sy fahamarinana".
14. voromailala
(
16/09/2013 08:33)
mizara> Miombokevitra aminao aho hoe ny fanahy no tokony mibaiko ny nofo fa tsy ny mifanohitra, kanefa firy firy ny olona ankehitriny ny baikon'ny sainy fa tsy ny fanahiny?
90% ny fihetsiky ny olona dia "habitude" daholo, izany hoe 90% dia ny saina (nofo) no mibaiko ny olona fa tsy ny fanahy.
Samy manana ny fijeriny ny tsatsinana isika fa toy izao ny fijeriko:
Resaka Andriamanitra ohatra:
Aleon'i Bouddha miresaka hoe "Fitiavana" toa izay miteny hoe "Andriamanitra", satria hatramin'ny nisian'ny teny hoe "Andriamanitra" vao maika lasa niady ny olona, vao maika niparitaka nizarazara ny fivavahana.
Raha ny avy ny Inde no jerena dia misy fianarana telo no ahafandry zareo mandry ny nofo ka ahafan'ny fanahy mibaiko.
Fakir:amin'ny alalan'ny fifehezan'ny vatany no hivohan'ny fanahiny andreseny ny vatana.
Yogis: Fahazaina fampiasaina saina ambony indrindra no ahafahany indray mamoka ny fanahiny
Moine: Amin'ny alalan'ny fifehezany ny "emotion" no ahafahany mamoka ny fanahiny.
Tsy feno anefa ny olona iray tonga fanahy amin'ny iray amin'ireo.
Izay mahatonga ny hatao hoe 4 eme voie, izany manoro hevitra amin'ny fampiarahana azy telo ireo miaraka.
Ho anareo izay liana izany 4 eme voie izany dia afaka mijery eto 4 eme Voie.