BATISA @ RZF sa BATISA @ JESOSY

1. aldira ( 04/09/2013 13:16)
Marobe ankehitriny ireo antokompivavahana kristiana misy ankehitriny ary samy manao batisa avokoa! misy ny manao batisa zazakely, misy ny manao batisa asitrika anaty rano, fa misy koa ny anarana tononina rehefa atao batisa ny olona iray

1-Misy ny manao batisa tahaka izao:
"Izaho manao batisa anao amin ny anaran ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina"
Araka ny voasoratra io :
Mat 28:19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

2-Misy koa ny manao batisa hoe:
"Izaho manao batisa anao amin ny anaran i Jesosy Kristy"
araka ny voasoratra oe:
Act 19:5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.

Inona no fanazavana azo entina manoloana an izay tsy fitoviana izay! ary misy vokany ve izay ho an ny olona iray eo @ fiverenan ny zanak Andriamanitra?

Isaorana mialoha amin ny fandraisana anjara.
répondu par didi10 le 09/09/2013 09:00
2. Nehemiah ( 04/09/2013 13:39)
Hanandrana hampiasa lôjika tsotra hamaliana an'izay : rehefa manao batisa @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia tafiditra ao anatin'izay i Jesoa Tompo. Nohon'izay rehefa milaza ny Asa. 19:5 hoe "natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo", tsy midika fa tsy notononina koa ny anaran'ny Ray sy ny Fanahy Masina.

Samy Andriamanitra 100% izy 3 (1x1x1=1) kanefa ny Ray dia tsy ny Zanaka ary tsy ny Fanahy Masina koa, ny Zanaka dia tsy ny Ray ary tsy ny Fanahy Masina koa, ny Fanahy Masina dia tsy ny Ray ary tsy ny Zanaka koa, satria samy Persôna samihafa izy 3, nohon'izay rehefa niteny ny Zanaka fa tsy maintsy antsoina izy 3 rehefa manao batisa dia tsy azo atao ankilabao izany.

N.B. ho an'ny mpomba ny sekta : tsy manam-potoana ho an'ny fifandirana momba ny fomba fanaovana batisa aho
3. orampanala ( 06/09/2013 07:38)

iza ireo sekata tiana lazaina ? mahaliana ahy ity resaka ity!misaotra mamaly
4. Nehemiah ( 06/09/2013 12:55)
Misy mantsy ny mpomba ny sekta izay manizingizina fa tsy maintsy atsoboka tanteraka anaty rano ilay atao batisa ary ota ny fanaovana batisa @ fomba hafa, avy eo henjehiny izay tsy miombon-kevitra @.
5. orampanala ( 08/09/2013 08:45)
izany oe ireo izay mpanao batisa atsoboka anaty rano izany no sekta?
6. Nehemiah ( 09/09/2013 08:05)
Tsia, tsy hoe mpanao batisa atsoboka anaty rano=sekta raha raisintsika @ famaritany ara-Baiboly ilay voambolana "sekta" (izany hoe antokom-pivavahana nisintaka niala avy @ fampianarana marina velabelarin'ny Baiboly) fa hoe tsy ny fomba fanaovana Batisa no zava-dehibe.
7. didi10 ( 09/09/2013 09:00)
aldira:

Marobe ankehitriny ireo antokompivavahana kristiana misy ankehitriny ary samy manao batisa avokoa! misy ny manao batisa zazakely, misy ny manao batisa asitrika anaty rano, fa misy koa ny anarana tononina rehefa atao batisa ny olona iray

1-Misy ny manao batisa tahaka izao:
"Izaho manao batisa anao amin ny anaran ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina"
Araka ny voasoratra io :
Mat 28:19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

2-Misy koa ny manao batisa hoe:
"Izaho manao batisa anao amin ny anaran i Jesosy Kristy"
araka ny voasoratra oe:
Act 19:5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.

Inona no fanazavana azo entina manoloana an izay tsy fitoviana izay! ary misy vokany ve izay ho an ny olona iray eo @ fiverenan ny zanak Andriamanitra?

Isaorana mialoha amin ny fandraisana anjara.


Asa na mety hahavaly ny fanontanianao ity fampianarana ity namana.

http://www.youtube.com/watch?v=gYHZAesuPYU

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584