Galata 3 : 28 - Tsy misy lahy na vavy intsony.

1. voromailala ( 23/08/2013 14:17)
Anisany tena mafonja ito frapin'i Jeso ito:

Ka tsy misy Jody na jentily intsony; tsy misy andevo na tsy andevo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany hianareo rehetra ao amin'ny Kristy Jeso.


indrindra fa ilay hoe tsy misy lahy na vavy intsony.

hampiako kely ny soratra masina voasoratra tao anatin'ny Evanjilin'i Tomasy.


Logion 114. (1) Simon Pierre leur dit : Que Mariam sorte de parmi nous, 20 car les femmes ne sont pas dignes de la vie. (2) Jésus dit : Voici, moi je vais la guider afin de la faire mâle, en sorte qu’elle devienne elle aussi un esprit vivant semblable à vous les mâles, (3) car toute femme qui se fera 25 mâle entrera dans le Royaume des cieux.


Raha ny hevitro manokana izany dia rehefa mitambatra ny lahy sy vavy ao anatin'ny olona iray dia ahita ny fanjakan'Andriamanitra izy ary hiray amin'i Kristy.


Ahoana ny hevitrao?
répondu par Nehemiah le 04/09/2013 12:36
2. Nehemiah ( 23/08/2013 15:30)
Raha ny hoe mitambatra ny lahy sy vavy ao anatin'ny olona iray dia ahita ny fanjakan'Andriamanitra izy dia fôpla be ny famoahan-kevitrao satria tsy mba izay no lazain'i Paoly rehefa dinihina ny contexte, fa hoe tsy zava-dehibe ny maha-lahy ny vavy rehefa ao anatin'ny vatan'i Kristy.

Ary hono ho'aho : maninona no ilay ampahan'ny Evanjely gnôstikan'i 'Tômasy' mamotsifotsy ny vehivavy no avoakanao :-) ?

Ireny ihany anie no nahatonga ny Evanjely gnôstika ho tsy tafiditra anaty canon : ni-disqualifier tena e :-) ?
3. voromailala ( 25/08/2013 09:25)
Nehemiah> manaja tanteraka ny fijerinao aho.
Ahoana ny hevitry ny hafa?
4. Miharena ( 26/08/2013 05:03)
Raha ny momba io resaka io indray aloha dia tsy hoe vavy sy lahy ara-batana ny resaka eto fa mitomban-dahy.

Raha toa ka milaza indray isika hoe tsy nanome vahana ny vavy mihitsy ve Jesoa tamin'izany fotoana izany dia nahoana moa ry Maria Magdalena no tsy nisaraka taminy mihitsy? Toy izany koa Maria rahavavin'i Marta.
Raha ilay resaka evajilin'i Tomasy indray dia hoy aho hoe tsara io evanjily io fa ny nanalàna azy tao ami'ny canon dia ny olombelona mpanao filtre ny Tenin'Andriamanitra ihany no nahatonga izany. Misy koa oohatra ny Evanjilin'i Maria izay azo angalàna lesona lalina mihitsy.
5. Nehemiah ( 26/08/2013 07:06)
Ka rehefa jerena anie ny teninao hoe "hoy aho hoe" dia solonao ny filtre-nao manokana ihany ny canon e :)
6. voromailala ( 26/08/2013 07:08)
Miharena> misaotra anao amin'izay valiteninao izay. ary miombokevitra mihintsy amin'ilay hoe tsara ilay evanjilin'i Tomasy ary 'dommage' nesorina tsy natao tao anaty baiboly.
Ary noho io zavatra io tenin'i Petera io angambany no nahatonga ny vehivavy tsy lasa mopera, eveka ary papa.
7. moustaraf ( 26/08/2013 07:24)
Salama namana,
Izay anie ry namana isany no mahatonga anay hilaza foana hoe:"Tsy azo antoka io boky vaovao "io ka ilàna fhaizana tanteraka sy fitsilovana manokana avy @ Ray!

Ny bokin'ny Moseh sy ny mpaminany ihany no azontsika anaporofoana izay rehetra novana sy nodisoina @ ireny epistily ireny! Mety tsy hino ianareo , fa fanatra avy hatrany izay soratra novana sy nampidirina mba hamilizana ny fahamarinana!

Ny filazantsara "par définition" dia Ny bokin'ny lalàna sy ny mpaminany, fa tsy ity Epistily vaovao ity, matoa voasoratra fa "ny zanak'israely nivoaka avy tany Egypta dia nitoriana ny Filazantsara"= Torah
ary koa ny hoe "Ny bokin'ny lalàna sy ny mpaminany dia nalahatry ny Anjely teo an-tanana'ny Mpanalalana=Mesia" ary io Torah io no nentiny nanatanteraka ny Mission izay nankinin'i Ray taminy;
dikany: Izay rehetra mifanohitra @ Torah ka voasoratra @ epistily vaovao dia hosoka avokoa!
8. voromailala ( 26/08/2013 07:30)
moustaraf> misaotra anao tamin'izay valiteny sy fanazavana izany.
Misy fanontaniana kely inty anatin'ny testamenta taloha fa asa raha anatin'ny Torah ihany koa,
hoe tokony hatahotra an'Andriamanitra ny olona. Dieu Colérique, Dieu Jaloux?

Misy sangisangy zaritena izay hoe, noho ny fatahoran'ny olona an'Andriamanitra no tsy handehanany any am-pegonana intsony :-)
9. moustaraf ( 26/08/2013 08:08)
salama namana,
Ny teny hebreo dia tsy hoe "matahotra" ,fa noho ny dikan-teny izay mpandikateny romana sy grika no nanao azy dia ny kolotsainy no hita ao, fa hoy ny orizinaly hoe:
"Manajà amim-pahatahorana" fa Izy dia Elohym saro-piaro

-tahaka ny fandikana ny didiy 1O:
Tsy voasoratraakory hoe :Aza mangalatra,sns.... FA ny hoe "TSY mangalatra, Tsy....."
Tsy mitovy velively ireo!
Ny hoe "Tsy mangalatra" dia principe de vie mihitsy, fa ny hoe "Aza mangalatra" dia natao ho an'ny olona efa mpangalatra!
Eo dia mizara roa mazava be na dia samy mamaky baiboly sy mino ny Ray tsitoha:
ilay hoe AZA....:dia natao ho an'ny hafa firenena (satria io no fandraisany azy)
ilay hoe TSY....: dia natao ho an'Israely

10. voromailala ( 26/08/2013 08:15)
moustaraf> misaotra anao amin'izay fanazavana sy fijery hafa izay.
11. aldira ( 04/09/2013 12:24)
Ny fananany zo amin ny mahalombonjena azy no itovizany @ lehilahy fa amin ny fiainana andavanandro tsy mitovy ny lahilahy sy ny fivehivavy, ary io oe fitoviana fitoviana io ihany no mahatonga an izao désordre eto ambon ny tany izao! na any amin ny fiangonana na eo @ fiarahamonina na any antokatrano!!!
12. Nehemiah ( 04/09/2013 12:36)
Tokony mba azo zemena marina ny hafatra @'ity serasera ity ;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0628