Hazofijalian'i Jesosy Kristy: Rehareha sa henatra?

1. mizara ( 23/07/2013 10:54)
Fanoharana:

Nisy lehilahy iray nilomano tamina dobo iray, voan'ny "crampe" tampoka anefa izy dia nilentika, soa ihany fa nisy lehilahy iray hafa namonjy azy saingy ny navotana avotra soa aman-tsara fa ny mpanavotra no maty tao anatin'ilay dobo.

Ny fanontaniana mipetraka dia hoe:
1. Moa tsy ho lasa reherehan'ilay navotana ve ilay mpanavotra?
2. Moa tsy ho lasa henatra ho an'ilay navotana ve ilay dobo, ka na ny mandalo eo aza maharikoriko azy?

Maro amintsika anefa no manao ilay lakroa izay midika "fahafatesana" ho reharehantsika ka miambozona azy, miankohoka aminy any ampiangonana; fa angaha moa tsy hoe "tsy misy reharehako afatsy ianao ry Jesoa Tompo?

répondu par leva2 le 23/07/2013 18:11
2. Tefigasy ( 23/07/2013 12:19)
Misaotra anao Mizara !

Efa novalianao ihany moa ilay fanontaniana fa sady henatra ilay izy no rehareha. Izay no fiheveranao azy; fa mba hotarihiko kely ianao hijery izay lazain'ny baiboly :

Midika inona ny hazofijaliana :

1 - fanandratana an'Andriamanitra :
Jao.3:14-15 “ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy ” Tsy ilay menarana varahina akory no misy dikany hoazy na misy heriny hoazy fa ilay tenin’Andriamanitra no mitoetra ao aminy: raha mijery ny olona dia ho sitrana, rehefa tsy mijery izy dia ho faty. Raha misy olona miavonavona tsy manaiky ny famonjen’Andriamanitra dia ho faty eo ihany izy. Isika rehetra dia kaikerin’ny ota, ary ny fahotana no mahafaty antsika. Raha tiana hovonjena isika dia tsy maintsy mijery an’i Jesoa ilay tsy nanota nefa natao ho tonga ota mba hamonjena ireo kaikerin’ny ota rehetra. Asaina mijery an’i kristy isika, asaina mino ny asa vitany. Ny hevitry ny hoe kristy nasandratra, dia izy maty teo amin’ny hazo fijaliana nitondra ny fahotantsika. Koa izay mijery izany dia voavela heloka . Ny fahafatesan’i kristy no mahatonga antsika ho tafiditra amin’ilay fahateraham-baovao

2 - Fanafintohinana ho an'ny jiosy :
I.Kor.1:23 "fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana , dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy" . Fa maninona moa no tafintohina ny jiosy : satria tsy mifototra amin'ny fahafatesan'i Kristy teo amin'io hazofijaliana io no heverin'izy ireo ny famonjena fa mifototra amin'ireo aloka be dia be mbola heverina ho mahavonjy (fitandremana andro, sakafo, fombafomba, fihaviana, ....)

3 - mitory fampihavanana sy famelan-keloka :
I.Kor.1:17 " Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa , fa hitory ny filazantsara , tsy tamin'ny teny fahendrena , fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy " . Tsy avy amin'ny fampianarana, fahalalana, fahendrena ny famonjena sy ny famelankeloka ary ny fampihavanana amin'Andriamanitra fa mifototra amin'ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana izay nitsatoka tsara tamin'ny tany

4 - Manorotoro ny fo vato :
Gal.5:24 "Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana " ; Rom.6:6 "fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota , mba tsy hanompoantsika ny ota intsony" . Ny mandinika ny fiainan’I Jesoa tao anatin’ny alina nitsarana sy nanombohana azy, nitondrany ny mafy dia mampitomany, mahatorotoro fo. Jesoa ihany koa dia fadiranovana eo ampiantrehana ny fijaliana izay tsy maintsy hiantrehany. Andriamanitra dia mila fo torotoro, manaiky hotarihin’ny Tompo ka izy no ho velona ao anatin’ny olona izay manaiky Azy. Efa resy teo amin’ny hazofijaliana ny nofo.

Mila tandremana tsara anefa fa tsy andriamanitra ny hazofijaliana ka hiankohofana na sanatria hivavahana sy hitadiavana famonjena rehefa misy loza manjo, ....
3. leva2 ( 23/07/2013 18:11)
Velona Jesosy!

Mampahatsiahy ahy ity hira ity ilay resakareo eto :
Fihirana FFPM 107 :
"Maniry mafy aho e, ry Jesoa Tompo ô,
hialoka eo ambany hazo fijalianao
tsy misy toeran-kafa re izay tena mamiko
ny hazo fijalianao no fiarovako
ny hazo fijalianao no itazanako
ny tenanao izay nijaly mba ho avotro
ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
ny tavako ry Tompo ô, fa afak'heloka
ampototry ny hazo izay nijalianao
no itoerako hohazavain'ny tavanao,
ataoko fatiantoka ny zava-mora lo
ny hazo fijalianao no tombon-dahiko

Raha tsy mitandrina izao isika amin'ity hira ity ka manakatra ny hevitry ny "hazo fijaliana" dia tena manompo sampy mihitsy.

Misaotra namana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0539