baiboly ve tenin'Andriamanitra ranoray?

1. voromailala ( 23/07/2013 08:21)
Maro amin'ny malagasy mbola mino fa ny baiboly dia tenin'Andrimanitra ranoray.
Kanefa dia maro ireo 'Contradictions" hita ao anaty baiboly. Misy ireo olona miezaka manazava fa tsy "Contradictions" izy ireny ohatran' ity tranonkala ity

Mbola vitsy anefa ireo malagasy mahafantatra ny tena tantaran'ny nihadoan'ny baiboly, tantaran'ny Manuscrites de la Mer Morte sy tany Nag Hammandi.

Ahoana ny hevitrao amin izay?

répondu par Nehemiah le 16/08/2013 08:59
2. Nehemiah ( 23/07/2013 08:40)
Miantefa amiko manokana ve ilay hafatra ? Raha eny no valiny dia izao fotsiny no hevitro : raha tena te-ho crédible kokoa ianao @'ity croisade-nao manohitra ny Baiboly ity dia tohero avy aloha ny hevitra aroson'ilay rohy voalohany omenao (satria tsara be ilay izy, na dia somary manjavozavo ny fiheverany ny lanjan'ny Gen. 1-3), izay ianao voa mahazo miroso @ zavatra hafa.

Raha ny Nag Hammadi indray dia bibliôtekan'ny asa soratra gnôstika io. Ny gnose dia sekta t@ taon-100 voalohany sy faha2 izay nampiditra hevitra kristiana rehefa hitan-dry zareo fa mihamahazo vahana ilay izy, mba hanintonany ny olona mora ambakaina @ fampianaran-disony, tahaky ny ataonareo ankehitriny.

Ka miantefa aminao koa ity fampitandremana omen'ilay rohy voalohany :

vous serez damnés si vous ne croyez pas en Jésus-Christ et si vous ne confessez pas qu'il est le Fils de Dieu, mort et ressuscité pour vous ; si vous ne devenez pas ses disciples, mettant ses commandements pleinement en pratique.
3. voromailala ( 23/07/2013 11:57)
Nehemiah>Raha niantefa taminao irery inty dia efa nataoko hafatra fa tsy forum.

Ny tiako ho fantatry ny malagasy kristinina dia hoe taiza no loharano nangalana ny baiboly, ary
iza no nisafidy ny lahatsoratra tokony hampidirina na tsia.

Raha fijery anaty ny fivavahana kristianina taorinan'ny taona 350, taorinan'ny concile de nicée no hamalianao dia rariny raha manendrika ny gnostika ianao.

Marihana fa ny loharano izay hita tany Nag Hammadi sy Qumran dia toerana iray avokoa nahita evanjily maro (Thomas,Marie,...) ankoatran'ny evanjily 4, ary koa lahatsoratra gnostika. Izany hoe mitovy lanja izany ireo.

Fa ny concile de nicee sy ny mifandimby no nifantina izany mba hifanaraka amin'ny lalana tian'i Constantin hapetraka tao Roma. Dia nolazaina fa apokirify.


Ny tiako ho fantatry ny malagasy kristinina izany dia hoe taiza no loharanao ela indrindra nipoiran'ny baiboly. ary iza ireo olona vitsy nanapakevitra nisafidy hoe evanjily 4 fotsiny no
natao tao anaty baiboly. Jereo ny tantaran'ny conciles...

Aza raisina mihintsy hoe fanenjehana fa fizarana ny zavatra misy sy zavatra niseho, koa anjaran'ny tsirairay no mandray izay tiany horaisina.
4. voromailala ( 23/07/2013 12:15)
Fanampiny kely, ny baiboly antitra indrindra hita hatramin'izao dia ny Codex Vaticanus izay ao vatican no misy azy.
Ary izy io no anisany nangalana nanoratana ilay testamenta vaovao farany tamin'ny taona 1881. marihana vao tamin'ny andron'i Constatin io baiboly io.
5. Nehemiah ( 23/07/2013 13:12)
Mbola odianao fanina hatry ny oviana ity rohy ity :
http://forum.serasera.org/forum/message/m51a5a2b77c4ef ?

Toa te-haneho mantsy ianao fa tsy manana valiny ho an'ny fanendrikendrenao ny kristiana.

Rehefa vitanao izay dia
izaho ihany:

tohero avy aloha ny hevitra aroson'ilay rohy voalohany omenao (satria tsara be ilay izy, na dia somary manjavozavo ny fiheverany ny lanjan'ny Gen. 1-3), izay ianao voa mahazo miroso @ zavatra hafa.


Ary aza miafina ambadiky ny hoe érudit aho érudit fa tsy fomba fiadiana hevitra izany.
6. voromailala ( 23/07/2013 13:30)
Nehemiah> Tsy mody fanina aho fa araka ny lazaiko tsy mamaky zavatra lavabe, ary tsy azonao terena ihany koa aho hamaky izany.

Izay andraisanao ny zavatra lazaiko tsy maninona,fa farafaharatsiny mino aho fa misy olona mety mahazo izay lazaiko, ka hifoha hivoaka ny "Formatage" hataon'ny fivavahana kristianina ankehitriny.

Amiko manokana tsy sarobidy ny hoe maharesy lahatra na tsia, mizara ny zavatra fantatro sy nandramako ka nahitako soa aho, raha misy manaraka tsara, raha tsisy manaraka azy izay.

Tsy ny fahaizana ny baiboly no sarobidy fa ny fanaovanao soa sy ny fizarana fitiavana amin'ny olona manodidina anao.

7. Nehemiah ( 23/07/2013 13:53)

voromailala:

Nehemiah> Tsy mody fanina aho fa araka ny lazaiko tsy mamaky zavatra lavabe, ary tsy azonao terena ihany koa aho hamaky izany.

Ka eo anie ny olana e : tsy vakianao na variraiventy aza ilay izy. Raha mba hoe mamaky en diagonale ianao mbola azoko ihany, fa tsy vakianao mihitsy ilay izy nefa avy eo mametraka fihaikàna izay efa novaliana. Izany ve dia mba mendrika ?
voromailala:
Izay andraisanao ny zavatra lazaiko tsy maninona,fa farafaharatsiny mino aho fa misy olona mety mahazo izay lazaiko, ka hifoha hivoaka ny "Formatage" hataon'ny fivavahana kristianina ankehitriny.

Angaha misy olona tena kristiana intsony @'izao ?... Azo lazaina fa efa tanteraka anie ny fanirianao
voromailala:
Amiko manokana tsy sarobidy ny hoe maharesy lahatra na tsia, mizara ny zavatra fantatro sy nandramako ka nahitako soa aho, raha misy manaraka tsara, raha tsisy manaraka azy izay.

Eo andaniny ianao milaza fa tsy maninona raha manaraka ny fivavahany ny ts11 nefa eo ankilany mametraka zavatra itarihana ny olona hiala @ finoany. Ny aiza no tena marina ?
voromailala:
Tsy ny fahaizana ny baiboly no sarobidy fa ny fanaovanao soa sy ny fizarana fitiavana amin'ny olona manodidina anao.

Koa angaha tsy mizara fahaizana ianao eto ?
8. voromailala ( 23/07/2013 14:59)
Nehemiah>
- izaho tsy te ho mendrika, fa fotsiny te hizara ny mahasoa.

- Amiko manokana dia 1% ny kristinianina no tena kristianina sisa, izany hoe ireo izany nifoha ka nivoaka an'ilay gadra "Formatage".

- Tsy mitarika ny olona hiala amin'ny finoany izaho, fa mitarika ny olona ahafantatra ny tantaran'ny zavatra arahana. Ohatra ny saribakoly ihany io, rehefa lehibe ny ankizy miala ho azy eny antanany ny saribakoly.

- Eto no mahasamihafa antsika, izaho tsy mizara fahaizana fa traikefa. Ny fahaizana afaka azonao any ampianarana, fa ny traikefa kosa dia amin'ny fiainana. Koa amiko ny traikefa no sarobidy indrindra.



9. Nehemiah ( 23/07/2013 15:05)
Traikefa amin'inona kay ?
10. voromailala ( 23/07/2013 15:24)
Ohatra an'izany zao tena mahafinaritra mihintsy ny valiteninao.

Omeko ohatra ianao zavatra hitako tao amin'ny Evangile de la paix an'i Paoly (apokrifa).

Raha vonoinao vao hohaninao ny zavatra hoaninao hoy izy Jesoa dia hotakona ny fanahinao, fa raha ohatra ka sakafo velona dia hivoaka ny fanahinao.

Io izany amiko no hatao hoe fahaizana amin'ny saina fotsiny io.

Nandramako narahana io, mihinana sakafo velona aho, tsy misakafo tsindraindray (andiny hafa tao io), fa tena lasa en forma tsara aho ary ankavitsiana izany hoe narary izany.
Fa indrindra mora kokoa ny mifandray amin'Andriamanitra.

Io ilay traikefa lazaiko, nandramako, nahasoa ahy dia zaraiko aminareo eto avy eo.

11. voromailala ( 23/07/2013 15:26)
Raha toa ianareo ka liana amin'ilay resaka sakafo velona dia nanokatra lohahevitra sakafo velona ato izaho.
12. Nehemiah ( 24/07/2013 06:02)
Efa novakiako taloha izay resaka izay fa misaotra.

Ny ahy dia misy tanjona ny fahaizana avoitro, fa tsy but en soi ilay izy. Manipy fihaikàna vary raraka @ kristiana izao tontolo izao mba hanaporofoana fa tsy izy ny finoana kristiana na tsy ara-pisainana na finoanoam-poana sns ary voahozongozona ny finoana ny maro, hany ka tsy mandeha fiangonana intsony ny olona, mirona @ relativisme moral, marefo ny finoany, lasa mahatsiaro ny tenany ho tsy itambesaran'ny tsiny rehefa manao ratsy, sns.
Heverinao fa avy aiza ny fitotongan'ny soatoavina malagasy nentin-drazana ankehitriny ? Satria nanipaka ny finoana kristiana nolovainy t@ ray aman-dreniny ny gasy, kanefa ny fomba fijery kristiana tsy miharoharo ihany no antoky ny fiaraha-monina salama sy tomady, fa tsy hoe miseho azy ho mifady hanina ny mpanao pôlitika dia kristiana tokoa.

Ny fomba 1 amerenana ny fototra kristianin'ny fiaraha-monina dia ny mijoro ho an'ny fiarovana ny finoana : misy valiny mitombina daholo avokoa ny fihaikàna torahan'ny tsi-mpino rehetra, raha mijery ny rohy voalohany nomenao ianao. @'izay sady manamafy orina ny finoan'ny sasany no voakombona ny vavan'ny mpaniratsira, ka rehefa mafy orina ny finoan'ny olona 1 dia hitovy kokoa @ toetran'i Jesoa Kristy ny toetrany.
13. voromailala ( 24/07/2013 08:06)
manaja izany fomba fijerinao izay aho.

Amiko manoaka, na tsy hiditra fiangonana, na tsy hamaky baiboly, ny malagasy tsy olana, fa ny tena sarobidy dia ny fifanajana, firalahiana,fifanomezantanana, fa indrindra fifankatiavana.

Jereo ireo mpanao politika rehetra milaza fa ho mpivavaka daholo nefa jereo ny hifaran'ny malagasy?

Tsy aleo ve omena olona tia fihavanana, tia mifanampy tsy mpandeha fiangonana ny fitondrana? Jereo fotsiny ny fitsabahan'ny FFKM ny fitondrana ny firenena.


14. endriny ( 25/07/2013 04:39)
Ka io izao nolovaina tamin'ny baiboly mihintsy eh: ady an-trano, fifamonoan'ny mpirahalahy, famonoana izay tsy mitovy finoana, famoana izay manana sampy hafa, fandoroana ny fananan'ny tsy mino ny Atr'i Mosesy, fandrobana tsena teo ivelan'ny tempoly... Dia mody hoe ny feon'ny vahoaka dia feon'Atra... Dia izao ny vahoaka mikaikaika dia aiza ilay mpanala bilo teo Ambohitsorohitra no tsy mbola miseho....

Fomba fanjanahana hatrizay, baiboly lanjaina amin'ny tanana avia atao akaiky ny tratra, dia ny basy no arangaranga ampihondrehina ny mainty izay taranaky ny maizina (christianization of black african (the son of evil)).
15. Nehemiah ( 25/07/2013 06:59)
Tafaverina @ serasera i Endrikendrika...
17. Nehemiah ( 26/07/2013 07:17)
Dia ???
18. voromailala ( 26/07/2013 08:08)
Tsy tokony hitsabaka amin'ny raharahampirenena ny FFKM, fa vao maika lasa mampiady ny olona.
Jereo daholo ireo fitondrana rehetra izay nidiran'ny fivavahana ny fitondrana fa rava ary tsy maharitra ela.


19. Nehemiah ( 26/07/2013 08:28)
Ka inona no idiran'izany @ hoe baiboly ve tenin'Andriamanitra ranoray?
20. voromailala ( 26/07/2013 08:38)
Tsara manao politika ianao :-).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0772