Fahaleovantena hono...

1. Alfantomas ( 26/06/2013 11:39)
Dradradraina fa 53 taona hono izay ny fahaleovantenantsika. Fahaleovantena hono kanefa ity firenena lazaina fa mahaleotena dia mbola miankindoha tanteraka ny vahiny na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy sy ny etsetra.... Dia mahaleo tena hono izany nefa ny raharaham-pirenena aza ny vahiny no manapaka, ny entana aondrana ny vahiny indray no mandidy... Dia tena faha-53 taonan'ny fahaleovantena marina ve no tokony ankalazaina sa kosa faha-53 taonan'ny SARITSARIM-PAHALEOVANTENA ...
répondu par margrity le 28/06/2013 12:21
2. margrity ( 27/06/2013 02:34)
Ka misy firaisankina aloha ve ilay gasy sa mitsikera fotsiny? Raha mifanaraka tsy hividy akanjo sinoa ve ny gasy dia hahavita?
3. pisoonja ( 27/06/2013 05:53)
Amiko manokana aloha tsy ilay hoe hividy akanjo vita sinoa sa tsia no olana fantatra anie fa isika manana ny ampy e! raha tena haintsika no mizara tsra ny harem-pirenena fa tsy hidiran'ny vahiny , volamena , vatosoa , fasimainty, solika sns, efa nanambara ny manam-pahaizan iray fa na ny vidin'ny volamena ananantsika eto M/car fotsiny dia ampy hampanankareana ny gasy araka ny tenin'i R8 hoe hanana 4l daholo ny isan-trano fara-fahakeliny fa tendan-kanina no betsaka
4. teamryan ( 27/06/2013 08:35)

margrity:

Ka misy firaisankina aloha ve ilay gasy sa mitsikera fotsiny? Raha mifanaraka tsy hividy akanjo sinoa ve ny gasy dia hahavita?

Tsy hoe any @ resaka firaisan-kina ngamba no tokony ho jerena aloha raha ny fijeriko azy fa ny foto-pisainana sy ny hasina maha-malagasy mitsy no simba tanteraka indrindra nandritra ity fitondrana tetezamita ity!!! ka amiko ireo zavatra ireo aloha no tokony amboarina hiverina @ laoniny dia miverina hoazy ny ambony!!!
noho izany tsy any @ hoe tsy hividy akanjo sinoa; sa iverina anao ny fitavy toy ny taloha (salaka) no tianao ambara????
5. andrywui ( 27/06/2013 09:39)



mitsangana ry tanora
mitsangana faza manana ahiahy
zao no andro sady ora
mijoro sahia tokoa ho lehilahy
6. 5laody ( 27/06/2013 11:36)

mitsangana ry tanora

toerana voatokana ho an'ny bevohoka eo fa marina izany. Mitsangana dia mandehana.

Eritrereto hoe tanàna kely iray manana zavatra (ressources) be dia be ilay Madagasikara dia isika ireo no mipetraka ao. Na tsy mitovy hevitra ary, tsy maintsy misy ny zavatra iraisana hoe tsy maintsy misakafo, tsy maintsy mianatra ny ankizy, te ho salama daholo ary mila fandriam-pahalemana sns.....
Tsy miandry olona avy any ivelan'ny tanàna ianao hanatitra vary sy hiambina ary hampianatra ny ankizy
inona ny fika?

Raha mbola sarotra izay dia ataovy hoe fianakaviana indray, na tsy ray amandreny aza ianao tsy maintsy mitady fika foana (afa-tsy ny hoe hivarotra tany lol ) hahatafavoaka anareo mianakavy.


7. margrity ( 27/06/2013 15:46)
Ny gasy ange no mihady vatosoa sy volamen fa ny vazaha mividy fotsiny. Na akanjo sinoa no vidina avy eo na 4L, samy afarana avy any ivelany daholo izany. Koa mahaleo tena ahoana?
za tsy mteny hoe andao hanao salaka. Fa na ndeha aza hoe hanao salaka isika dia mino marimarina aho fa hisy salaka vita sinoa indray eny hovidiana.
8. margrity ( 27/06/2013 16:02)
plus, ny firaisakina angaha tsy anisan'ny foto-pisainana sy hasina maha-malagasy?
9. pisoonja ( 28/06/2013 08:08)
Ny mividy entana avy any ivelany tsy midika akory izany hoe tsy mahaleo tena ny firenena iray, marque fotsiny ireny tsy fantatrao angaha fa ny marque lee-cooper, crocodile, levis sns anie ka asa tanana gasy e , noho izany vita malagasy fa etiquette fotsiny no europeanina
10. margrity ( 28/06/2013 12:21)
tsy hoe tsy mividy mihitsy fa lanjalanjaina hoe manimba ny toekarena ve? tena ilaina v ohatra ilay 4L bdb nefa ny lasantsy tsy maintsy vidina? na ohatra koa hoe, efa tsy nahita akanjo vita gasy aloha v vao nividy an'ilay vita sinoa?
Ny fahaleovantena dia amin'ny lafiny maro, ohatra noraisiko ftsn ny hoe mahaleo tena amin'ny fitafiana v ny gasy sa tsia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9779