Essenien marina ve i Jesoa?

1. voromailala ( 19/06/2013 08:33)
Anisany zavatra tena nahaliana ahy moa izany ireo manuscrites de Qumrân.Raha fintinina izany dia tao no nahitana ny arsiva ny Baiboly ela indrindra, ary misy milaza fa Esseniens (sekta Jiosy), no nonina tao amin'ilay tanana nahita an'ireo arsiva ireo.

Ary misy mihintsy aza milaza fa i Jesoa dia Essenien, ahoana ny hevitrareo amin'izany?

ary misy ihany koa milaza ihany koa fa i Anna renibean'i Jesoa dia Essenienne ihany koa.


répondu par Nehemiah le 24/06/2013 13:49
2. RBNIR ( 19/06/2013 09:03)
voromailala:

Anisany zavatra tena nahaliana ahy moa izany ireo manuscrites de Qumrân.Raha fintinina izany dia tao no nahitana ny arsiva ny Baiboly ela indrindra, ary misy milaza fa Esseniens (sekta Jiosy), no nonina tao amin'ilay tanana nahita an'ireo arsiva ireo.
Ary misy mihintsy aza milaza fa i Jesoa dia Essenien, ahoana ny hevitrareo amin'izany?
ary misy ihany koa milaza ihany koa fa i Anna renibean'i Jesoa dia Essenienne ihany koa.

Faly miarahaba namana,
Raha araka ny famaritana ny secte aloha dia tena secte marina tokoa ny fivavahana kristianina. Ary tena Marina Jesosy Kristy no nanorina ny secte voalohany.https://fr.wikipedia.org/wiki/Secte
Ary araka izany dia n'iza n'iza ankehitriny mitonona ho kristianina dia tokony hanaiky fa secte avokoa.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
3. RBNIR ( 19/06/2013 09:06)
zfdy, https://fr.wikipedia.org/wiki/Secte
4. voromailala ( 19/06/2013 09:25)
Raha ny dikateny malalaka dia miombokevitra aminao mihintsy aho. Fa ny olana tato aoriana dia lasa zavatra ratsy ilay hoe Sekta.
Raha ny tantara anie nojerena dia azo lazaina ihany fa sekta avy amin'ny Abrahama ny fivavahana Jiosy, ary ny Silamo.Ny Kristianisma koa izany efa sekta avy amin'ny Jiosy.
5. sitlo ( 19/06/2013 13:03)
ka mbola hijanona ho kristianina sa tsia?

Za efa milaza fa raha ny fahendrena no tadiavinareo dia hahita tokoa ianareo na any amin'ny toeran-kafa aza. Fa ianareo ilay mihevi-tena ho ambonin'ny zava-drehetra sy novolavolain'andriamanitra manokana dia azon'ny olona borosiana tsara.
6. voromailala ( 19/06/2013 14:47)
Amiko manokana izany dia tsy ilay hoe fitononana ho kiristianina na tsia no tena sarobidy, fa ilay fanarahana ny fampianaran'i Kristy.
Hitako hoe vao maika azany lasa mampisaratsaraka ilay fanavahana hoe kristianina, silamo, jiosy, sns....ary raha tohizana dia hoe Merina,Betsimisaraka,sakalava, Tandroy, .....
ary raha mbola tohizana ihany dia hoe Malagasy, Frantsay, Anglisy,....,Fotsy, Maizina, Mavo,....





7. Miharena ( 19/06/2013 17:09)
Azo lazaina ho fototra azo raisina ny Manuscrits de la mer morte ary manome mazava ny finoana ara-Baiboly tsy nisy fanovana araka ny hitantsika ankehitriny satria na ny ikanteny fotsiny aza dia miova vao mivadika amin'ny teny fototra Hebreo.

Misy fijoroana tokana tsy azo hozongozonina ao amin'io Manuscrits io ary tokony ho azo raisina hoe mivoy fahamarinana tokana dia ny maha-IRAY ao amin'ny RAY ny olomblelona rehetra.

Ny olana dia rehefa mamay ireny ny Kristianina sasany dia milaza fa mivavaka amin'ny tenany ny olona. Nefa i Jesoa no voalohany nanao izany endrim-pivavahana izany tamin'IZY nanao vavaka talohan'ny namatsihana Azy ao amin'ny Jaona.

Izany hoe tsy manaiky mihitsy ireo karazana Kristianina ireo fa ny Tompo aminy dia ivelany fa tsy ao anatiny ary tsy afaka manjaka ao anatiny mihitsy.

Ity zavatra tsotra ity mazàna no tsy hitan'ny Kristianina sasany : Mandondona i Jesoa ka mila vohaina varavarana dia tsy hain'ny Kristianina ny mamoha ny varavaran'ny fony hanjakaNY. Very amin'ny resaka hoe tsy maintsy hatao izao na izatsy ny olona, na koa hoe tsy maintsy mibebaka ny olona vao voavonjy no fomba fitoriana mazàna nefa mahagaga fa seho ivelany daholo no fmba itondrany ny fanazavàny ary raha anontaniana marina izy hoe inona no atao hoe mibebaka dia tsy mahafapo satria fomba fanao miova no atorony ny olona manontany fa tsy hoe toe-po vaovao hanjakan'i Kristy.
Ka raha hiverina amin'ilay Qumran isika dia mahagaga hoe misy version ny Rainay izay any an-danitra ao izay hafa tanteraka ny fisehony ary io no tsipahan'ny fiangonana ka ilazàany fa tsy izy ny Qumran fa izay voasoratra ao anaty Baiboly ihany no marina.
8. voromailala ( 20/06/2013 06:56)
Misy fahamarinana ny lazain'i Miharena indrindra ilay hoe i Jesoa dia ao anatin'ny fotsika fa tsy any ivelany akory.
Mila miditra ao anatitsika isika izany,fa tsy tokony variana an'ny tontolo ety ivelany.

Tena ahitana zavatra maro mihintsy tao amin'iny Qumran io.
Amiko manoaka izany dia ny Rainay izay any an-danitra dia torolalana fanoroana ny tokony hivavahanao amin'Andriamanitra, fa tsy tanisaina fotsiny amin'izao.

Ary ny vavaka amiko dia tsy tokony hatao "Par Coeur' fa tokony vokatry ny fo, io no anisany fanalahidy iray ahafahanao mamoa ny fonao hidiran'i Jesoa ao aminao.



9. endriny ( 20/06/2013 15:54)
Ka ilay izy aza tsy natao tao anaty baiboly, dia lavinay marin-drano... Ahahahahhaha

Io mitovy amin'ilay vaton'ny didy folo ihany, nokarohina dia hita, dia nopotehina fa nisy rangopohin'olombelona... Fa hay tsy Atra no nanoratra azy...
10. voromailala ( 21/06/2013 09:05)
Ohatra an'izay koa no hita tao amin'ny Evangile de la Paix tao Qumran. Ny didy folo Voalohany nomen'Andriamanitra iny no tena izy, ilay potika.
Fa ilay azo faharoa dia novaina natao mifanaraka tamin'ny zavatra nitranga nataon'ireo olona niandry teo ambany tendrombohitra.
11. endriny ( 21/06/2013 11:16)

voromailala:

Ohatra an'izay koa no hita tao amin'ny Evangile de la Paix tao Qumran. Ny didy folo Voalohany nomen'Andriamanitra iny no tena izy, ilay potika.
Fa ilay azo faharoa dia novaina natao mifanaraka tamin'ny zavatra nitranga nataon'ireo olona niandry teo ambany tendrombohitra.


Notadiavina hatry ny ela ireo takela-bato roa nisy ny didy folo, ary hita tany Ethiopia, rehefa hita ilay izy, tao amin'ny fiangonana iray izay lozo-bato tsara rafitra, dia nozahana ary dia marina ny daty fa tamin'ny faha Mosesy tokoa no vita ireto vato. Saingy nisy soratra fanampiny ilay izy, izay ninoan'ireo mpizaha fa i Mosesy ihany kay no nanao ny vato sy ny soratra, dia noezahina nesorina ireo soratra ambiny ireo, ary potika ilay vato... Dia nolazaina fa ny ady tamin'ny nandravan'ny silamo ny kristianina no nahatonga ny fahasimban'ny vato. Raha liana ianao dia jereo any Amsterdam ny sombin'ny vato.
12. voromailala ( 21/06/2013 13:17)
Misaotra an'i endriny amin'izay fizarana vaovao izay. Andraso asiantsika fikarohana kely.

13. Nehemiah ( 24/06/2013 13:49)

sitlo:

Fa ianareo ilay mihevi-tena ho ambonin'ny zava-drehetra sy novolavolain'andriamanitra manokana dia azon'ny olona borosiana tsara.

Mifanipaka an izao :).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0915