Ahoana ny fahazahoanareo Baiboly Jaona 3:1-7

1. voromailala ( 18/06/2013 11:16)
salama
Inty misy sombin-dahatsoratra tao anaty Baiboly, afaka manazava ny fahazahoanareo azy avy ve ianareo?

Jean (3:1-7)


1 Mais il y eut un homme d'entre les pharisiens, nommé Nicodème, un chef des Juifs,

2 qui vint, lui, auprès de Jésus, de nuit, et lui dit : Rabbi, nous savons que tu es un docteur venu de Dieu; car personne ne peut faire ces miracles que tu fais, si Dieu n'est avec lui.

3 Jésus lui répondit : En vérité, en vérité, je te le dis, si un homme ne naît de nouveau, il ne peut voir le royaume de Dieu.

4 Nicodème lui dit : Comment un homme peut-il naître quand il est vieux ? Peut-il rentrer dans le sein de sa mère et naître ?

5 Jésus répondit : En vérité, en vérité, je te le dis, si un homme ne naît d'eau et d'Esprit, il ne peut entrer dans le royaume de Dieu.

6 Ce qui est né de la chair est chair, et ce qui est né de l'Esprit est esprit.

7 Ne t'étonne pas que je t'aie dit : Il faut que vous naissiez de nouveau.

répondu par moustaraf le 04/07/2013 08:41
2. Tefigasy ( 18/06/2013 11:24)
Efa nisy namelabelatra teto io dia aleo ianao mba manenjika kely any :

http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a
3. voromailala ( 18/06/2013 11:30)
Misaotra anao nanoro ilay rohy efa ahitana valiteny.

Fa ny ahy izany ny angatahako dia fanazavana fohifohy amin'ny fahazahoan'ny tsirairay avy azy
manomboka ny 1 ka hatramin'ny 7.
4. voromailala ( 18/06/2013 11:51)

Tefigasy:

Efa nisy namelabelatra teto io dia aleo ianao mba manenjika kely any :

http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a

Efa avy nanenjika tany aho, na dia somary lavalava ihany azany ilay lalana.
efa nametraka valiteny ihany koa.

5. Miharena ( 19/06/2013 02:14)
Raha valinteny mivantana sy tsotra dia hoe : tsy ny vatana no resahana fa ny fanahy mihavao.

Rehefa mamaky io baiboly io aho ohatra dia tsy resabatana mihitsy no jereko ao fa resa-panahy iray manontolo.
6. smileyah ( 19/06/2013 05:50)
Amiko indray aloha raha ny fahazahoako azy dia :ny olona dia tsy maintsy atao batemy ary izay vita batemy rehetra dia tokony tsy hiaina araka ny nofo intsony fa araka ny fanahy kosa. Izany hoe tsy ny filàn'ny nofo intsony no tokony hibaiko ny olona fa ny filàn'ny fanahy. Satria ireo dia mifanohitra mandrakariva ka mahatonga ny olona tsy hahafantatra izay ataony.
Koa izay rehetra nateraka ara-panahy dia tokony hikatsaka mandrakariva ny zava-panahy satria efa tonga zanak'Andriamanitra.
7. Nehemiah ( 19/06/2013 07:14)

smileyah:
ny olona dia tsy maintsy atao batemy ary izay vita batemy rehetra dia tokony tsy hiaina araka ny nofo intsony fa araka ny fanahy kosa

Somary H.S. ihany izay, fa batemy @'inona no tianao tenenina ? Tsy natao batisa @ rano mantsy ny jiolahy faha2 niaraka nohombohana t@ hazofijaliana @ Jesoa nefa voavonjy avokoa.
8. voromailala ( 19/06/2013 07:16)
Misaoatra betsaka an'i Miharena sy smileyah nizara ny fahazahoany ilay soratra masina.

Miharena> izany hoe ny fanahy no hateraka indray, ary ilay fiterahana dia fanavaozana?

smileyah> raha azo tsara izany dia izay tsy vita batemy dia tsy ahita ny fanjakan'Andriamanitra?
9. sitlo ( 19/06/2013 12:06)
Ireny no atao hoe toto amin'ny haranjono.

Vitsy tokoa ny olona no mora variana rehefa atao mitapody kely tahaka izao ny resaka. Ny fanontaniana tiana ho apetraky ny mpamaky eto dia ny hoe: inona no atao hoe nateraka indray? Raha efa izay, dia eo amin'izay ilay blablabla be.
10. leva2 ( 19/06/2013 21:04)

Miharena:

Raha valinteny mivantana sy tsotra dia hoe : tsy ny vatana no resahana fa ny fanahy mihavao.

Rehefa mamaky io baiboly io aho ohatra dia tsy resabatana mihitsy no jereko ao fa resa-panahy iray manontolo.

Velona Jesosy!

resa-panahy tokoa izy ity, tena marina ny anao namana miharena.
fa izao, ilay hoe fanahy mihavao angamba tsy de izay loatra, satria toy ny miteny hoe miova tsikelikely. Tsy "évolution progressive" ny fahateraham-baovao fa tena "transformation fondamentale et immédiate". Miova tanjona sy zava-kendrena, miova fijery, miova lalana izorana, miova fomba, miova toetra, miova fo, miova fitafy, miova fomba fiteny. Miala eo ambany ozona ka miditra amin'ny fitahiana, miala amin'ny fanjakan'izao tontolo izao ka tafiditra ho mpikambana ao amin'ny fanjakan'ny lanitra (fanjakan'Andriamanitra) dieny eto an-tany, niala tamin'ny fahafatesana ka tonga amin'ny fiainana, niala tamin'ilay rain'ny lainga sy rain'ny mpamono olona (satana) ka natsangan'ny RAY vaovao ho zanany sy mpandova AZY.

Misaotra namana
11. leva2 ( 19/06/2013 21:15)

smileyah:

Amiko indray aloha raha ny fahazahoako azy dia :ny olona dia tsy maintsy atao batemy ary izay vita batemy rehetra dia tokony tsy hiaina araka ny nofo intsony fa araka ny fanahy kosa. Izany hoe tsy ny filàn'ny nofo intsony no tokony hibaiko ny olona fa ny filàn'ny fanahy. Satria ireo dia mifanohitra mandrakariva ka mahatonga ny olona tsy hahafantatra izay ataony.
Koa izay rehetra nateraka ara-panahy dia tokony hikatsaka mandrakariva ny zava-panahy satria efa tonga zanak'Andriamanitra.

Velona Jesosy!

Tsy maintsy hanisy resaka kely ihany aho namana fa tsy aritro.
Hoy ianao hoe :"izay vita batemy rehetra dia tokony tsy hiaina araka ny nofo intsony" saingy tsy izany no zava-misy. Midika izany fa tsy nahomby ilay batemy natao. Ny antony tsy nampahomby azy dia tsotra : satria ny fahateraham-baovao dia tsy fombafomba atao (batemy, fandraisana, sns ) ahazoana famonjena, fa tena fifanekena eo aminao sy Andriamanitra Ray ary Jesosy Kristy Tompo.
Ny ahatongavana ho zanak'Andriamanitra ka hanana anjara lova amin'ny fanjakan'Andriamanitra, dia tsy fombafomba tsy maintsy atao fa tolo-tanana avy amin'Andriamanitra hamonjy anao, sy fanapahan-kevitrao handray izany tanana izany hanafaka anao sy hitantana ary hitondra sy hiaro anao manomboka hatreo.

Misaotra namana!
12. voromailala ( 20/06/2013 07:02)
Misaotra an'i Sitlo nanoratra sy nametraka arofanina ary an'i leva2 nanome valiteny sy fijery hafa sady mahaliana.
13. Miharena ( 23/06/2013 17:51)
Voromailala:

Miharena> izany hoe ny fanahy no hateraka indray, ary ilay fiterahana dia fanavaozana?

Eny : vaovao lalandava izay mahay miditra ami'ny lalana tery izay midika fahatsoram-po tsy manao vesatra ny filan'ny saina sy ny nofo, fa miaina ara-panahy hatrany, tsy mety sosotra fa manana fiadanam-po. Tsy mitady lavitra ny Tompo fa mikatsaka ny fanjakaNY ao am-po.
14. voromailala ( 24/06/2013 09:35)
Miharena> Ianao ve izany efa nahita ny fanjakan'Andriamanitra, sa efa nahafantatra olona efa nahita izany?
15. Miharena ( 24/06/2013 09:59)
Raha ny valim-panontanianao dia tsy hita ny fanjakan'Andriamanitra fa tsapa. Ary ireo izay nilaza na milaza fa nahita ny Fanjakan'Andriamanitra, eny na i Jesoa aza dia tsy amin'ny maso tsotra no hahitana izany fa amin'ny masom-panahy ihany. Ny olona ara-nofo dia tsy mahatsapa mihitsy izany fanjakan'Andriamanitra izany. Ny tsirairay ihany no mahafantatra hoe efa miaraka AMINY na mbola miherikerika mamantatra ny avo sy ny iva.

Ny olona fantatra fa mitantara ny Fanjakan'Andriamanitra indray dia betsaka no maneho izany na avy eto an-toerana na avy any ivelan'i Madagasikara. Ary fantatra hatrany hoe marina ny filazany.

Raha ny tena manokana indray dia rehefa feno an'Andriamanitra ny fiainana dia efa afaka milaza fa efa mahita ny Voninahitr'Andriamanitra. Ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy fanjakàna no tokoy hiheverana azy satria IZY maneho Voninahitra no IZY fa tsy manjaka na amin'iza na amin'iza. Ny fanjakan'ny LANITRA no azo lazaina kokoa fa tsy fanjakan'Andriamanitra, ary Jesoa matoa tsy nilaza hoe asandrato ho mpanjaka dia tsy ny fanjakana no inona fa ny Voninahitry ny RAY aseho ho an'ny rehetra.
Ny toetra manjakazaka izany dia tsy AZY fa an'ny lazaina fa mpanohitra AZY.
16. voromailala ( 24/06/2013 10:41)
Marina mihintsy ny voalazanao fa tsapa fa tsy hita ny fanjakan'Andriamanitra.
Fanjakan'Andriamanitra no andikako ilay hoe "Le royaume de Dieu".

Aleo azany hapetrako ohatra an'izao ilay fanontaniana hoe ianao ve ry Maharena efa nahatsapa sy niditra tao anatin'ilay 'Royaume de Dieu"?

Ary inona no hatao hoe LANITRA sy hoe Voninahitry ny RAY?
17. Miharena ( 24/06/2013 17:41)
Ny Fanjakan'ny lanitra dia tsy misy avo sy iva fa azo tarafina ao amin'ny olombelona tsirairay IZY RAY. Izay no hafatra nomen'i Jesoa momba ny hoe IRAY ao amin'ny RAY.
Ny olana anie tamin'ny fotoan'androny dia ilay Jesoa nilaza hoe ; Izaho sy ny Ray dia Iray ihany e! Dia hoy ny olona hoe angaha tsy zanak'i Maria sy Josefa io ko no milaza fa Andriamanitra?
Ny dikan'izay dia ilay fanasandratana mihitsy no diso fiantefa raha ny momba an'Andriamanitra Ray no dinihina.

Raha mamaky indray ny momba ny hoe Rainay izay any an-danitra isika dia ilay version hita tao ami'ny qumrah no mahadika kokoa izay tian'i Jesoa lazaina momba ny fanjakan'ny lanitra.
18. moustaraf ( 04/07/2013 08:41)
salama namana,
Efa nisy namelabelatra tokoa io lohahevitra io teto fa saingy ny hevitra samy manana ny azy:
Io fahateraham-baovao io vavahady idirna ny lanitra, ary izingizinin'ny baiboly manontolo mihitsy:
1. Ateraky ny rano = batisa @ rano
mazava be io, fa tsy mila adika akory "izay mino sy atao batisa no vonjena", "mandehana ianareo.....manaova batisa azy @ anaran'ny..."
-Ny Israely nivoaka avy tany an'efitra: niditra tao @ Yam adôm (ranomasina mena)= batisan'ny rano
Mialatsiny fa tsy fombafomba fotsiny akory ny Batisa , fa vavahady voalohany hidirana any an-danitra; fanehoam-pinoana izay tsy maintsy atao ilazano fa ianao dia mandingana ny vavahady 1°;
-Saingy tsy ampy; Na dia vita batisan'ny rano ny Israely rehetra, dia maty ihany satria tsy vita batisan'ny fanahy; manohitra foana ny didy sy ny fitsipika!
Ny batisan'ny fanahy no manova an'ilay vatofisaka vato ho vatofisaka nofo anoratana ny Toraha ao am-pontsika, ka andehanantsika araka an'i El

Tonga Yeshu'a, niditra t@ batisan'ny rano IZY, ho modely ho antsika fa TSY MAINTSY ATAO BATISA @ RANO ISIKA ALOHA (olon-dehibe io), Ny mpianatra ihany koa dia nasaina hanao izany batissa izany (Kornelio,...)
-Fanahy minedrika voromailala no raisina @ batisan'ny rano (misy heviny lalina koa io)

-Ary naniraka ny Rouha kodesh (FM) Izy, hampianatra antsika ny zavatra rehetra!
Oviana ary ny olona iray no mandray an'io Rouha Kodesh IO? Misy koa ny fanehoam-pinoana sy ny dingana mazava asain'ny soratra masina atao;
fa tsy vitan'ny hoe: IZAHO MINO ato am-poko mafy be, fa raisiko ny FM;
-aRY Fanahy miendrika lelafo no raisina amin'io.

MAHEREZA DAHOLO


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5255