Neerlandey nanamboatra Sambofiara
1. Nehemiah
(
12/06/2013 07:42)

Johan Huibers no anaran'ity rangahy Neerlandey ity. Mpandrafitra hazo sy lehiben'ny orinasa fanamboarana trano hazo no asany.
T@ 2007 dia nanamboatra sambofiara mitovy habe @ antsasaky ny Sambofiaran'i Noa izy izy. Nasiany kivaroho misy sary vongana biby vita polyester mitovy habe @ biby tena izy ny sambofiara namboariny. Ny mpitsidika an'ilay izy koa (satria be mpizaha tany ny Pays-Bas) dia afaka nijery sarimihetsika mamelabelatra ny tantara sy ny asan'i Noa. Nisy koa afisazy naneho ny Safo-drano, ny mandan'i Jerikao, sambo fanjonoana Galiliana ary ny fasan foanan'ny Tompo Jesoa Kristy. Misy mpampitsidika mamaly ny fanontanian'ny mpitsidika koa ny toerana.

Efa elaela ihany no nirotsaka t@ asa fitoriana ny Filazantsara i Huibers. Ny antony nanamboarany an'ity sambofiara ity dia ny mba hanintonana ny olona tsy mahalala ny hafatry ny Evanjely, satria efa tsy mazoto miangona intsony ny ankamaroan'ny olona. Izay koa no antony nanaovany sambofiara "kelikely" kokoa (70 m halava, 13 m saka, 13 m haavo), mba ahafahany mivezivezy @ renirano miaraka @ ka mitsidika tanana hafa, ary firenena hafa mihitsy raha azo atao.
Nanapaka hevitra hanamboatra Sambofiara izy rehefa namaky ny boky momba ny Sambofiara nosoratan'ny mpanankanto neerlandey Rien Poortvliet. Nanomboka nanangona antontan-kevitra momba ny Sambofiara izy. Nohon'ny fahasoavan'ny Tompo dia nahita milina mpanatsofa hazo @ vidiny mirary dia mirary izy. Nampiasa hazo 1 200 (pins norvégiens sy sedera amerikana) nobatain'ny kamiao 20 izy. Nitaky 20 herinandro ny mamadika azy ireo ho planches.

Tsotra ny tanjon'i Huibers. Hoy izy hoe tsy miandry Safo-drano faha2 fa miandry ny fiverenan'i Kristy kosa. Sady tsy salama ny fiaraha-monina ankehitriny. Tsy maintsy mitory fiovàna izy, tahaky ny nataon'i Noa t@ fotoan'androny. Tsy ny mampitahotra olona no tanjony, fa ny mampita ny hafatra hoe : "Misafidiana ny manara-dia an'i Jesoa, dieny mbola azo atao."
Ny tena nahafaly azy dia sady nisy voa nafafy nohon'ny fampisehoana nataony no nisy voa nojinjaina. Efa nahita olona nanatona ny Tompo nohon'ny nahitany ny "sambofiarany" izy fa tsy voatery niandry ho 75 taona izy :) .
Kanefa tsy mba nionona an'izay "tapa-tsambofiara" izay izy. Andrana fotsiny ilay teo ! Nahavita voatra sambofiara mitovy habe @ an'i Noa izy t@ faramparan'ny taona 2011 !

Nanaporofo ny tenany ho mahavita azy koa i Huibers t@ sambofiara voalohany ka nanaiky hiindrana vola @ ny banky. Nisy fiangonana nanohana azy koa. Ary soa ihany fa nisy azy ireo satria pins suédois 12 000 indray no nilainy mba hanamboara ilay sambofiara faha2.
Mba tsy hifanjevo @ bureaucratie izy dia namboariny eo ambonin'ny sambo fisa-body fitondràna entana 21 nifamatotra izay samy 18,75x9,5 m izy. Tsy maintsy nasiany vernis ignifuge koa ny sambofiara, mb@ fiantsonana (ancre), mba tsy ho sokajiana ho sambo ny sambofiarany fa trano. Nitaky azy mba hanamafy ny rafitry ny sambony @ alalan'ny rafi-by ny bureaucratie. Ka nataon'i Huibers mazava tsara fa moramora kokoa @ ny manamboatra sambofiara tsy vita afa-tsy @ hazo, sao dia lazain'olona fa manaporofo fa tsy hay amboarina ny sambo hazo gilady be toy izao :) !
Voatery nasiany rihana 7 koa ilay izy, fa tsy 3 tahaky ny t@ Sambofiaran'i Noa, mba hampiasa ny erana rehetra. Nasiany sary vongana biby vita @ polyester ilay izy, fa nasiany biby tena izy koa, tahaky ny gisa, ny omby, sns. Nasiany sary vongana dinôzôra koa ilay izy ary tena nasiany zanaka T-Rex mihitsy. Nasiany amphithéâtre mitafo 2 ilay izy ho an'ny mpanankanto sy ny mpitoriteny.
Fomba anank1 anehoan'i Johan Huibers ny fitiavan'Andriamanitra ny sambofiara namboariny. Manome lanja ny fitantaran'ny Baiboly ny mahita sambofiara mitovy habe @ an'i Noah. Ankehitriny, ny fikasan'i Huibers dia ny hitondra ny sambofiara namboariny ho aseho eran'izao tontolo izao.
répondu par Nehemiah le 14/06/2013 06:35
6. sitlo
(
13/06/2013 13:28)
he moa izany izy, mety hanamboatra kontinanta plastika koa izany lery dia asaina miely eny daholo ny biby rehetra dia omena sakafo mandram-pisy ny cycle de vie
Ary mety hoe nihinana bozaka angamba ny liona rehefa nalefa avy eo
Ary mety hoe nihinana bozaka angamba ny liona rehefa nalefa avy eo
7. Nehemiah
(
13/06/2013 13:54)
Raha ny hoe nomena ny ambin-tsakafo t@ Sambofiara mandrapitsiry ny zavamaniry voalohany dia tsy fantatro, tsy hita @ Baiboly ilay izy, na dia afaka manao vinavina tsotsotra isika, tsy hitompo teny fantatra hoe marina na tsy marina aho. Fa tsarovy kosa fa malaky mi-récupérer be aorian'ny loza natoraly ny tontolo iainana. Ringana tsy misy toy izany ny tontolo iainana taorian'ny fipoahan'ny Mt St-Helens, kanefa 3 taona taty aoriana dia nandrombona.
Sady mety efa niteny an'izay t@ lohahevitra hafa fa tsy ny zavamaniry rehetra sy ny bibikely rehetra no ringan'ny Safo-drano fa ny biby manana fofon'aina @ vavorony ihany. Mety nisy bibikely sy voa tafajanona ambony hazo mitsingevaeva ambony rano (mbola fahita @ tondra-drano ankehitriny izay), ka nony nisintaka ny rano dia nalaky nitsiry ilay izy.
He he, mety efa niteny an'izay koa aho fa inona no heverinao ho antony nahalany taminga an'ireny dinôzôra ngeza be ireo ;) ? Henjana be ny tontolo taorian'ny Safo-drano ka tsy nahavita nandrombona t@'izany izy ireo. Nefa averiko ihany fa ahitàna anganona dragona ny vahoaka rehetra eran'izao tontolo izao, ary zavatra tsy mahagaga izany raha ny Baiboly no inoana.

8. Nehemiah
(
13/06/2013 13:56)
Saika adinoko : rehefa mosarena ny tany dia mihinana ahitra ny liona sy ny ankamaroan'ny biby mampinono mpihinan-kena.
9. sitlo
(
13/06/2013 20:29)
mifototra amin'ny hoe "mety hoe" ilay izy ka mandany andro
fa tsara angamba raha alalinina kokoa ny atao hoe écosystème. Fa na laboratoire enjana be ankehitriny aza tsy mahavaika ny écosystème ao an'ala ao. Lava raha ho hazavaiko fa ho hitanao miandalana eny.

10. Nehemiah
(
14/06/2013 06:35)
Fantatro anie izay, fa nadinonao ity :
Tsy namoromporona aho : toy izao ny endriny t@ taona 1985 eo ho eo

Kanefa moa marina ny anao fa tsy maintsy miainga avy @ Baiboly foana aho. Io no ankina iaingako. Tsy misy tamban-kevitra filôzôfika tsy mifototra @ ankina tsy hay porofoina avy @ ilay tamban-kevitra izany.
Nehemiah:
Fa tsarovy kosa fa malaky mi-récupérer be aorian'ny loza natoraly ny tontolo iainana. Ringana tsy misy toy izany ny tontolo iainana taorian'ny fipoahan'ny Mt St-Helens, kanefa 3 taona taty aoriana dia nandrombona.