Ohatra ny omby

1. sitlo ( 04/06/2013 02:16)
Ilay malagasy raha hiteny hoe: koa raha tsy omby izahay koa ataon'ialahy manao an'izao dia manao. Na koa raha tsy alika lahin'ialahy izahay koa...

Nefa rehefa atao hoe zanak'ondry dia falifaly ery.
répondu par Nehemiah le 10/06/2013 08:52
2. endriny ( 04/06/2013 05:41)
Ny zaza aza raha mbola kely ka dongadonga dia atao hoe alikalika kely, na amboamboa kely... koa ahoana no hoe tsy tian'ny Malagasy ny alikaina?

Tena tianay mihintsy ny alikaina, ary izay manalika anay no hajainay : Karana, sinoa, komorianina, nijerianina, frantsay moa indrindra indrindra.

Fa izay manaja anay kosa alikainay... ahahahahha
3. Nehemiah ( 04/06/2013 06:47)
Ny tena loza dia rehefa ampianarina any an-tsekoly ny gasy fa tarana-drajako koh !
4. pisoonja ( 04/06/2013 10:22)
(Tena tianay mihintsy ny alikaina, ary izay manalika anay no hajainay : Karana, sinoa, komorianina, nijerianina, frantsay moa indrindra indrindra.)
Ianao no tia an'izany fa tsy ny malagasy rehetra ka fa ahoana kosa moa ?
5. endriny ( 04/06/2013 14:32)

pisoonja:

(Tena tianay mihintsy ny alikaina, ary izay manalika anay no hajainay : Karana, sinoa, komorianina, nijerianina, frantsay moa indrindra indrindra.)
Ianao no tia an'izany fa tsy ny malagasy rehetra ka fa ahoana kosa moa ?



Ntso Piso... akory atao izay no zavamisy... mifitsaka izahay fa alikain'ny frantsay sy karana ary sinoa...
6. sitlo ( 04/06/2013 15:55)
Efa diovina madiodio tsara mihitsy ny sain'ny malagasy fa tsy ahavita na inona na inona izy, fa mila mpamonjy...

Dia eo miandry ny rariny eo.
7. Nehemiah ( 05/06/2013 05:54)
Tsy ahavita inona na inona ? Na tsy azonao mihitsy ny finoana kristiana na manao fanahy iniana mamitaka ianao. @ lafiny ara-panahy ihany no misy an'izay. Tsy misy olona mahavita manamarin-tena eo anatrehan'ilay Andriamanitra masina indrindra tsy manao ratsy mihitsy izao, na manao asa soa toy inona aza, fa tsy maintsy Izy no manao izay rehetra hahatonga antsika ho marina eo anatrehany. Ary mino aho fa efa fantatrao ny anaran'ilay olona izay tsy maintsy inoantsika olombelona mba hahatanteraka an'izay.

Fa @ lafiny ara-piainana kosa dia tsy mankasitraka ny mpiandry ariary 100 am-pandriana ny Baiboly. Iza no tena mpanao asa soa @ fiaraha-monina ? Ny Kristiana. Inona no finoan'ny mpanorina ny oniversite lehibe tahakan'i Oxford ? Kristiana. Inona no nitarika an'i Lincoln sy Martin Luther King hanatanteraka ny zavatra notanterahiny ? Ny finoana kristiana.
8. andrywui ( 05/06/2013 08:37)
elah rastylo tamn naitanay sy hery anlah voaloany elah le botabota io de ozy zahay oe ary ALIKALIKA kely kosa rastylo à , milay zay !! Fa ra oe ALIKA kosa rastylo à de tsy milay ,,
9. mirananirina ( 05/06/2013 13:45)
Nefa tokony hoe izay zanak'ondry mihinana ondry, ary ny zanaka kisoa mihinana kisoa.. sa ny contraire no mety? Za aloha efa nahazo ny hoe lé alikavavy ty sy ny hoe lé kisoavavy ty eh
10. sitlo ( 08/06/2013 16:15)
Tsy izay ilay tiako lazaina fa ilay famafana ara-tsaina ataon'ny finoana kristianina. Ampianarina ery ilay olona hanompo. Mody hoe Andriamanitra ny tompo, dia avy mivadika olona. Dia tsy hay tsy hay eo dia lasa FFKM. Farany lasa olo-tsotra osoran'ny mpitondra fivavahana eny Mahamasina.

Dia ilay zanak'ondry eo nijery fotsiny. Ny tsy fantany aza dia izy indray no milaza azy ho diso. Dia tena tahaka ireny tamin'ny andron'ny fanandevozana ireny mihitsy. Ny vokatry ny asany viravirain'ny tompony, nefa avy eo izy indray niala tsiny sy mifona.

Mila manao vacances kely ny malagasy amin'ity finoana kristianina ity fa raha orokorokoana isan'andro na isak'alahady io dia lasa hypnotisme.
11. Nehemiah ( 10/06/2013 08:52)

sitlo:

Mila manao vacances kely ny malagasy amin'ity finoana kristianina ity fa raha orokorokoana isan'andro na isak'alahady io dia lasa hypnotisme.

Tsy hitako izay olanao @'izany. Efa tanteraka anie ny fanirianao :( ...

Ankoatran'izay mbola tsy voavaly ny fanontaniako. Inona no tokony atao ? Revôlisiona omban'ny fanonganam-panjakana fanindrempany ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1394