Vatsy soratra zaraina amin ny Mpiray Tanindrazana

1. saho ( 30/05/2013 19:31)
Fahendrena sy Fahamatorana no isan ny fahavitana zavatra hivoahana amin ny krizy na olana misy, toetra iray io hahafahana miroso amin ny marimaritra iraisana
Raha asiana sivana dia sivana toetra no ilaina ao amin ny raharaha Politika any Gasikara, discipline na fifehezantena no ilaina voalohany, discipline hoy aho, raisiko voalohany io satria ny lalàna (loi na justice) any Gasikara dia ohatrany tsy misy miraharaha
Sivano ohatran ny anaty lalàna (loi na règle) aza izay ho olombanona sahaza hitondra an i Gasikara, voafidimbahoaka sy mamin ny be sy ny maro
Ireo olona tia fahefana, tia seza, tia tena, tia vola, mankahala ny tian ny be sy ny maro hahatongavana ny marimaritra iraisana dia tsy sahaza hitondra firenena
Fahaizana manokana hafa kely ny fitondrana any Gasikara ka be ny Mpanaraoraotra mamadika Tanindrazana, ny tiako lazaina dia olon ny fo ny akabeazan ny Malagasy, ary entina sy arahina araka izany ny fitondrana Malagasy hatramin izay ka hatramin izao raha araka ny tantara nisy sy nifandimby teo, misy tokoa ny rà mandriaka rehefa tsy mifanaraka ny ambony toerana, ny tsy manantsiny no atao fitaovana hahazoana izay ilainy izany hoe Fahefana (Pouvoir).
Farany, ny Toetra (Charactère) na Fahaizana (Compétence) na Fifehezantena (Discipline) ireo gambany no vatsy soratra azo zaraina ny Mpiray tanindrazana hahafahana miala amin ny Krizy misy
Toetra tokony hananan ny tsirairay ao anatin ny vondrona Politisiana ireo voatanisako ireo
Ny resaka Fivavahana (Religion) moa raha tena mino tokoa, dia efa misy ny fanantenana fa hikisaka ny tendrombohitra roa mifanalavitra mba hifanakaiky...
Marary ny tany, mivavaka ho an ny Firenena Malagasy mba hahatonga saina ireo olombitsy manaraoraotra sy manodikodina ny fiainambahoaka mampivarina any anaty lavaka sy any ankady sns...
Mahaiza mifidy, dia mba ho modely ho an ny Taranaka faramandimby ny asa vita, ho voasoratra ao anaty Tantara (Histoire) Malagasy.
Ampitampitao!
répondu par saho le 03/07/2013 18:01
2. pisoonja ( 31/05/2013 06:20)
(tia seza, tia tena, tia vola, mankahala ny tian ny be sy ny maro hahatongavana ny marimaritra iraisana dia tsy sahaza hitondra firenena)
ny zavatra tiako tsindriana fotsiny di ny fanomezana ny fahefana feno ny mpitondra fanjakana ka na te hanao zvt ary ry zareo rehefa tonga eo dia mamy ny vola ka lasa manaonao foana
Maninona moa raha ahena ny fhfana anana'ny mpitondra eto M/car , e mihena koa ny ondemnite maro isan-karazany , raha izay no mitrang , mety ho olom-bitsy izay tena tia tanindrazana marina no hilatsaka eo.
izao mantsy manam-bola handoavana ny caution ny betsaka, satria manantena fa hitombo 10000% n'ny vola naloa no azo rehefa tonga eo @ fitondrana , domy tapany mandoa erany e
3. saho ( 03/07/2013 18:01)
Dia tena tsy hisy ve ny vahaolana lehibe ho tanjona hiraisan'ny rehetra, tena tsy misy Reglement ve fa dia samy te hahazo rariny daholo, aiza ny tena hoe fahaizana mitondra hiarahan'ny be sy ny maro ekena. Rehefa samy tsy hanaja ny Reglement (Justice) ary Justice mahaleo tena sy manana lanja, dia very lalana le firenena iray
Raha ny fandraisana ny firenena Afrikana dia ohatrany mitovy2 daholo ny cas Politika rehetra, tsy misy manao recherche ve izany hoe fa maninona loatra ny firenena Afrikana no mikatso foana na taloha na ankehitriny.
voalohany, dia tena mbola voabaikon ny frantsay foana ny ex colonie taloha, izay voageza ara fanapahankevitra mahaleo tena ho an'ny firenena lazaina fa efa mahaleo tena
Mahaiza manazava sy maneho hevitra malalaka eto serasera, ataovy ny fandinihina, asio ady hevitra, ny hevitry ny be sy ny maro mahatakatra lavitra
Zaho manokana raha mandinika, dia miaro ny tombotsoany( ny resaka matiere premiere, ny resaka fifamoivoizina eny habakabaka, ny resaka tourisme, ny resaka fomba fiteny ofisialy toa ny teny frantsay sns....) manokana ny fanjakana frantsay mba tsy ho tsabahan'ny firenena matanjaka hafa ny toe Politika ny ex colonie ao continent Afrika ao. Ny chine sy Amerika anefa zao efa mitady lalana hidirana Amin izany, asio fetra ny fandehanjavatra rehetra hifandraisana ara diplomasia Amin ny firenena frantsay, mahaleo tena ny malagasy tamin ny taona 26 juin 1960, isika zao efa taona 2013, aiza ho aiza ny fahaizantsika Malagasy, dia hiankina foana ve, mahaiza maka lalana tsara sady mazava no marina, aza mety ambakaina
Mazotoa daholo
pisoonja:

(tia seza, tia tena, tia vola, mankahala ny tian ny be sy ny maro hahatongavana ny marimaritra iraisana dia tsy sahaza hitondra firenena)
ny zavatra tiako tsindriana fotsiny di ny fanomezana ny fahefana feno ny mpitondra fanjakana ka na te hanao zvt ary ry zareo rehefa tonga eo dia mamy ny vola ka lasa manaonao foana
Maninona moa raha ahena ny fhfana anana'ny mpitondra eto M/car , e mihena koa ny ondemnite maro isan-karazany , raha izay no mitrang , mety ho olom-bitsy izay tena tia tanindrazana marina no hilatsaka eo.
izao mantsy manam-bola handoavana ny caution ny betsaka, satria manantena fa hitombo 10000% n'ny vola naloa no azo rehefa tonga eo @ fitondrana , domy tapany mandoa erany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2302