Fa maninona ianao no mivavaka?

1. toriteny ( 17/05/2013 23:48)
Fa maninona kay ianareo no mivavaka? par obligation ve? mangataka zavatra amin'Andriamanitra ve? te handova fiainanan mandrakizay ve? SA antony hafa tsy ao anaty baiboly?

Na raha avadika ny fanontaniana dia hoe inona no hiandrasanareo ny fivavahana sy amin'A/tra ka mahatonga anareo hivavaka.

Tsy question piège akory ito ary raha mety dia mùba tsy izay voalaza ao anaty baiboly no hamaliana azy na ny tenin'ny olonkafa fa ny tena tsapanareo rehefa mivavaka sy ny mi-motivé anareo hivavaka sy ho kristianina fa tsy hoe ho musulman na ho athé na hanompo razana sy sampy na tsy ho boudhiste, na ho scientifique hiringiriny na tsy haiko. Réponse personnelle izany raha mety é!!!





répondu par voromailala le 12/06/2013 12:48
2. toriteny ( 18/05/2013 01:57)
Bazylou no tena hiangaviako hamaly indrindra indrindra
3. leva2 ( 18/05/2013 08:01)
Velona Jesosy!

Misy ilay fihirana fanampiny hoe :
... mivavaka aho satria tena mino,
mino sy manantena ...

fa angamba tsara faritana mihitsy aloha ilay atao hoe mivavaka (eo amin'ny sehatra kristiana no tiako hotenenina), fa marobe ny mivavabava-poana sy diso hevitra mihitsy ny amin'ny atao hoe mivavaka.
1- Ny atao hoe mivavaka dia miresaka amin'ny RAY Tsitoha, amin'ny anaran'i JESOSY KRISTY na miresaka amin'i Jesosy Kristy; fa tsy hoe mankany ampiangonana, na manao asa fanompoana, na manao asa soa, na dia ilaina aza izany.
2- Ny vavaka izany dia fifandraisana amin'ny Tompo, hisaorana Azy, hibebahana aminy izay mety ho fahalemena amin'ny maha-nofo sy ra, fangatahana Aminy ny zava-panahy, izay vao ny ara-nofo (ity farany ity aza dia tsy voatery hatao satria efa fantany izay mahasoa ny zanany, raha tena zanaka tokoa)
3- Mivavaka satria mino, ary ny tanjon'ny finoana dia ny FAMONJENA NY FANAHY. Ho fanampin'izany ho an'izay maharitra hatramin'ny farany amin'ny finoana ny FIAINANA MANDRAKIZAY.

TANDREMO, tsy tanjona mihitsy amin'ny antony hivavahana ny fahasalamana, ny fahombiazana na fitahiana ara-materialy, ny ho tafita eto amin'ity fiainana mandalo ity.

FARANY, ny antony hanompoako ny Tompo, anolorako ny amiko rehetra AZY, ary hiankinako tanteraka Aminy dia satria izy TIA AHY, satria fantatro fa IZY TSY MIOVA, satria raha miaraka aminy aho dia mandresy satria IZY MPANDRESY, satria raha miaraka aminy aho dia afaka ny HANANTENA satria IZY TSY MBA MANDAO.
4. vale ( 18/05/2013 14:28)
mivavaka satria izy no mpahary dia mino ny fisiany fa raha tsy mino ny fisiany tsy hivavaka akory, mila misaotra sy mankasitraka ny zava-tsoa omeny, mangataka aminy raha misy zavatra ilaina, miezaka ny tsy hanota na dia olombelona mpanota
5. moustaraf ( 18/05/2013 18:34)
salama namana,
Samy hafa ny dikan'ny hoe mivavaka @ finagonana sy ny fampianarana Romana , sry ny dikany sy ny heviny @ finoana sy fivavahana Hebreo!
Hatreto dia ilay voalohany no miparitaka sy miely fa ilay faharoa dia mbola vitsy mpahalala;

1.Ny atao hoe vavaka, araka ny bokin'ny mpaminany?
"Ny mpahary dia fanahy, izay miavavaka aminy dia mivavaka @ fanahy"
Ny fanahy dia mila sorona, ary izany no naha maro ireo sorona t@ andron'ny mpaminany;
"Ola" no finatso aazy @ hebreo, vakio ny Levitikosy manontolo fa hazavaina tsara ao ny atao hoe fisoronana; io izany no vavaka t@ andron'ny Mpaminany!

2. rehefa vitan'i Mesia ny famonjena, ary Izy nisolo toerana an'ireo sorona marobe sady Izy ihany rahateo no mpisorona, dia tsy manatitra sorona biby intsony isika , fa vavaka no nasoloan'ireny: "Tefyla"

3.Vavaka manao ahoana?
Manaraka antsakany sy an-davany ny fepetra sy filahatry ny fisoronana:
"atolory ny tenanareo ho fanatitra velona"
(HITOHY)



6. Miharena ( 19/05/2013 03:56)
Tsotra ny vavaka : fikolokoloana ny Mazava Loharano nipoirana ho an'ny tsirairay ary fifampitaizana ho an'ny mpiara-miombona hampifoha izay mbola marefo na mbola tototra ny hazavany iombonany amin'ny rehetra izay miaina.
7. leva2 ( 19/05/2013 17:28)

moustaraf:

1.Ny atao hoe vavaka, araka ny bokin'ny mpaminany?
"Ny mpahary dia fanahy, izay miavavaka aminy dia mivavaka @ fanahy"
Ny fanahy dia mila sorona, ary izany no naha maro ireo sorona t@ andron'ny mpaminany;
"Ola" no finatso aazy @ hebreo, vakio ny Levitikosy manontolo fa hazavaina tsara ao ny atao hoe fisoronana; io izany no vavaka t@ andron'ny Mpaminany!

2. rehefa vitan'i Mesia ny famonjena, ary Izy nisolo toerana an'ireo sorona marobe sady Izy ihany rahateo no mpisorona, dia tsy manatitra sorona biby intsony isika , fa vavaka no nasoloan'ireny: "Tefyla"

3.Vavaka manao ahoana?
Manaraka antsakany sy an-davany ny fepetra sy filahatry ny fisoronana:
"atolory ny tenanareo ho fanatitra velona"

Velona Jesosy!

Ny atao hoe vavaka namana moustaraf dia aza ahodinkodina izy ty fa "resaka atao amin'i Jehovah Ray Tsitoha amin'ny anaran'i Jesosy". Mety ho fisaorana sy fiderana io, mety ho fangatahana ihany koa.
Momba ny kifombafombam-pivavahanao indray dia anao iny, fa mba fantatrao ve ny dikan'ilay lamban'ny tempoly triatra nizara roa raha vao maty Jesosy?
Tapitra hatreo ny kifombafombam-pisoronana fanaon'ny jiosy. Efa vitan'i Jesosy ny sorona tokana maharitra mandrakizay ary izy no efa mpanalalana sy mpisorona be ho an'ny mino azy.
Asa raha tsikaritrao namana moustaraf fa tsy misy filazana mihitsy ao amin'ny testamenta vaovao ahitana hoe mbola notohizan'i Jesosy sy ny mpianany ity kifombafombam-pisoronana ity, fa ianareo moa mbola taraiky any amin'ny testamenta taloha sady te hitaona ny olona hiverina amin'izany dia anao ny anao.

Manarak'izay, mba tiako mihitsy ianao namana Moustaraf hijoro vavolombelona ny amin'ity finoana arahinao ity hoe inona no vokatra ara-panahy, fiovana nentin'izany teo amin'ny fiainanao, fa tena mahaliana ahy; fa ny ahy Jehovah Andriamanitra Ray Tsitoha izay inoako, ka nametraka ny fanahin'ny Zanany tato anatiko dia miharihary amiko isan'andro isan'ora fa velona sy mahery IZY, tia ahy, nanafaka ahy tamin'ny faharatsiana maro, miaro sy mitahy ahy.

Mahereza namana isany!
8. RBNIR ( 20/05/2013 10:23)
Faly miarahaba namana,
« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Mat.25:34)
« Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Mat.25:41)

Mivavaka aho satria mba te ho isan'ireo eo ankavanany. Sady araka ireo teny ireo dia tsy misy safidy fa na eo ankavanany na ho eo ankaviany.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
9. moustaraf ( 20/05/2013 13:05)
Salama namana,
Misy fanamarihana kely: Ny baiboly dia mampianatra antsika mba ho croyant(mpino), fa tsy ho mendiant(mpangataka),
1. noho izany ny vavaka dia fanehoam-pinoana
Abrahama : tsara laza t@ finoana , ka izany no ilazana azy ho rain'ny mpino/ fa tsy rain'ny mpangataka
2.Ny vavaka dia fisoronana izay atao isan'andro @ fotoany avy
EKS 29: 38 -42 "zanak'ondry roa:iray nony maraina , iray nony hariva"..."ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby....dia ao amin'izay hihaonako aminareo HITENY AMINAO" (tandindon'ny vavaka isan'andro izany)

3. Fanatitra sy fanoloran-tena:
ROM 12:1-2 "...Atolotrareo ny tenanareo ho Fanatitra velona.....dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany"
Hoy ihany koa i PETERA ao @ 1 PETERA 2:5
Atsangana ianareo ho:
1. vato velona
2. Trano fanahy
3. hanao fisoronana
4. hanatitra fanati-panahy

Dikany, misy fanatitra sy fosoronana ataontsika isan'andro, ka ny Epistily dia fampianarana an'izany fisoronana izany @ lafiny rehetra, izay notanterahina ara-bakiteny sy ara-nofo t@ andron'i Mosesy.

Mivavaka aho satria :
-Nantsoiny mba ho fiderana ny anarany
-Nambarany ahy ny marina sy izay tokony hivavahana
-Nasehony ahy fa Yeshu'a Hamashyrha irery ihany no lalana sy fahamarinana ahazoana ny famonjena , ka tsy misy anarana hafa ety ambany masoandro!
-Nosokafany ny masom-panahiko ho afaka amin'ny fampianaran'olom-belona sy ny fiantsoana fatina mpanjaka
-tsy misy zavatra hafa ambony nohon"ny fiavahana @ Elohym
-tsinontsinona ny fiainako, ary ity nofoko ity dia hody ho vovotany ihany
-tiako ny hitafy an'ilay fitafiana fitondra @ fampakaram-badin'ny zanak'ondry raha miala ety
-mba ho hita eo @ handriko"ilay anarana TOKANA mahavonjy" rehefa tonga ny fotoam-pijinjana, hanavahana ny ondry @ osy!

Mahereza daholo!



10. Miharena ( 21/05/2013 04:46)
Marina avokoa ny filazana rehetra satria iray rafitra ihany raha toa ka Elohym, na Yahoshua na Jehivah, Jesoa no lazaina.

Fa ny mba tiana hahatongavana dia hoe : efa fantatra tsara ve fa mitafy an'i Kristy na Hamashyrha na mitafy Masoandro, dia iray no vontoatiny dia ny fivavahana amin'ny Mpahary hanana izany toetraNY izany satria fantatra fa araka ny Endriny no nanaovana ny olombelona.
11. didi10 ( 21/05/2013 06:00)

toriteny:

Fa maninona kay ianareo no mivavaka? par obligation ve? mangataka zavatra amin'Andriamanitra ve? te handova fiainanan mandrakizay ve? SA antony hafa tsy ao anaty baiboly?

Na raha avadika ny fanontaniana dia hoe inona no hiandrasanareo ny fivavahana sy amin'A/tra ka mahatonga anareo hivavaka.

Tsy question piège akory ito ary raha mety dia mùba tsy izay voalaza ao anaty baiboly no hamaliana azy na ny tenin'ny olonkafa fa ny tena tsapanareo rehefa mivavaka sy ny mi-motivé anareo hivavaka sy ho kristianina fa tsy hoe ho musulman na ho athé na hanompo razana sy sampy na tsy ho boudhiste, na ho scientifique hiringiriny na tsy haiko. Réponse personnelle izany raha mety é!!!








Mivavaka aho satria tiako Jehovah, Jesosy, tiako ilay Andriamanitra ivavahako.

Efa nametraka lohahevitra mitovy amin'ity aho namana ka omeko anao ny rohy mba hanampy anao.
http://forum.serasera.org/forum/message/m4faa12ebc4b0a
12. bor2lais ( 28/05/2013 14:36)
RBNIR:

Mivavaka aho satria mba te ho isan'ireo eo ankavanany. Sady araka ireo teny ireo dia tsy misy safidy fa na eo ankavanany na ho eo ankaviany.


Fomba fijeriko :

Araka ny fanekem-pinoana Kristiana dia ny Zanaka no mipetraka eo an-kavanan'ny Ray !

Ny antony ipetrahana eo ankavan'ny Zanaka amiko dia mba ho takoNY ny tsy famendrehana rehetra (mitafy Azy) fa Izy no hitan'ny Ray ! Io no tsy mba ananan'izay mipetraka eo ankaviaNY (tsy mitafy Azy) ! :-)

Ny Kristiana dia mipetraka eo ankavanaNY ! :-)

Averiko indray fa fomba fijeriko ihany io a ! ;-)
13. voromailala ( 12/06/2013 12:48)
Izaho izany hiezaka hamaly ilay fanontaniana amin'ny fomba malalaka, tsy voagejan'ny fitaizana,fivavahana ary ny fonkonolona.

Amiko ny fivavahana dia tokony ho fisaorana fotsiny."Gratitude" hoy ny vazaha.

Ny hatao hoe mivavaka amiko dia mampitony ny saina."non mental".

Ny antony hivavahako dia ahafahan'ny fanahiko mivoka ary rehefa mivoka ny fanahiko dia miray
tanteraka amin'Andriamanitra aho.

Rehefa mitony ny saiko dia mivoka ny fanahiko, ary eo no ahatsapako ilay "Paix du Christ".



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0743