Mahatahiry ny Gasy nefa mora manadino?

1. vony501 ( 16/05/2013 06:46)
Tamin'ny taona 1996 no nisian'itony Tee-shirt itony. Mahagaga ihany, 17 taona aty aoriana, mbola misy manana azo anaovana. Asa aloha raha mifanaraka amin'ilay ilay soratra ny tena ao an-tsain'ilay manao azy?
répondu par vony501 le 22/05/2013 07:06
2. 5laody ( 16/05/2013 06:56)
Miarahaba,

Ka fantany angamba hoe mbola hilatsaka sady matevitevina tsara izy izany, fa izao: izy mianaka izao no mizara an'io.
3. hery ( 16/05/2013 08:05)
sao dia mba an'ilay neveu tokoa io fa tsy an'i deba?
4. Nehemiah ( 16/05/2013 08:16)
Tsy manana akanjo betsaka angamba izy dia voatery manao an'iny
5. vony501 ( 16/05/2013 12:22)
An'i Deba io ka! marina fa hoe "Tonga saina" ny an'ny neveu, fa ity slogan'i Deba t@ 1996
6. milamm ( 16/05/2013 14:48)
samy tsy tafa izy mianaka raha za manokana jiolahy asolo mpamosavy
7. sitlo ( 16/05/2013 18:14)
2001 io ka. Tsy haiko ianareo raha mora manadino fa izaho tsia. Fandemen-tsaina amiko ny fitenenana hoe mora manadino ny gasy. Satria rehefa averina foana izay dia lasa izay tokoa.

Amin'ny tele koa miverina foana: fampiavanam-pirenena, aleo ny lasa omba ny lasa fa ny ho avy no ho banjinina, izay tsy nanao ratsy no aoka hitora-bato. Ao koa isa-kerinandro ny famafana memoire any am-piangonana: mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay...
8. vony501 ( 17/05/2013 06:25)
2001 marina kay io fa azafady
9. Nehemiah ( 17/05/2013 06:41)

sitlo:

Ao koa isa-kerinandro ny famafana memoire any am-piangonana: mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay...

F'angaha mamela dia midika hoe manadino ? Sa ny lolom-po no ampanjakaina ? Tsy izay toe-tsiana izay ve no mampitarazoka ny fiainana pôlitika ?
10. hadji ( 17/05/2013 11:06)
!!!!!!!!!!!!!???????????????????
11. mirananirina ( 21/05/2013 10:17)
Tsy ratsy kosa ilay soratra sy menamena an!!Saingy efa lany daty
12. locl ( 21/05/2013 14:58)
Tsy tsara ny manadino saingy tsy natao hanaovana valifaty fa hanarenana ny ho avy, fa tsy milza aho akory hoe fidio Deba an!!!!
Tsy misy hanadino ny zava-bitany RATSY io na TSARA
13. vony501 ( 22/05/2013 07:06)
Tenin'i Deba mihitsy anie izany hoe "mora manadino ny vahoaka malagasy" izany e! mora manadino ny "SOA" natao taminy hoy izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5775