mody mba oe fotana ren'andriamanitra fa hitsabo an'i mama fotsiny ah de hody ee !! kay tsy zay akory
1. andrywui (
04/05/2013 17:28)
fa vo sitratsitrana i bebe de io fa namoaka ny rambony amzay i neny !! nefa anie defa nanao sonia teo ivato zao tam vo tonga e !! oe aza manaonao politika a yeuu tsy hanao ah e !! mitsabo an'i bebe fotsiny de mody a !! yeeu matokisa ee !! de apanaovina sonia zany neny amzay valiteny zay a ? yeeuu hanao ah e !!
kay vao sitrana kely i bebe de ny hiady seza haingana amzay no nataony tsss oul mivadika i neny
Olana io namana fa efa hita mazava fa tsy manana fahalalahana ny olombelona rehetra amin'ity ataon'ny fitondrana ankehitriny ity. tsy mety ny mampanao sonia toy ireny satria tena fanaovana tsinontsinona ny zon'olombelona fotsiny izao.
Fa izany eo ihany fa ny fandrindrana ny zava-drehetra anie dia efa hita mazava fa natao mihitsy mba hahatonga an'i Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka hilatsaka. Nahoana moa no dia tonga teto dia nilatsaka, nefa natao fotsiny hoe ny FFKM no nanasa ho amin'y fampihavanana? Inona koa moa no mahatonga ireny fanehoana ny kabarin'ny mponina mangataka azy hilatsaka isaky ny mitokana zavabita ny filoha Rajoelina raha tsy efa fantatra fa hilatsaka izy? Ary efa nomanina mihitsy angamba ireny olona ireny hiteny hoe milatsaha ianao.
Efa vita kalamina izany ny zava-drehetra izao ka dia ny antsika dia mitazana fotsiny. Izay olona manao ilay fandrindrana fotsiny no tsy hita hoe iza fa ataoko fa ireo conseiller ireo angamba.