Ahoana hoy ny mpamaky ny serasera fivavahana finoana?
1. Miharena
(
23/04/2013 14:54)
Mba te-hampandray anjara ireo izay mpamaky fa tsy mandray anjara amin'ny adihevitra momba ny fivavahana sy finoana aho.
Inona no mety hitan'izy ireo fa mandringa, inona no mampahery ary inona no tena hita fa mampiorina?
Dia misaotra sahady ireo mpamaky mamaly.

répondu par Miharena le 25/04/2013 14:59
2. ialahy
(
23/04/2013 16:25)
Ny finoana dia tsy ilaina ady hevitra be izany, tsy tokony hifamaliana akory aza, SAFIDY ny fianona, izay mety aminao sy izay tianao tsy an-tery no finoanao, tsy hitako hoe inona no hifandresena lahatra ela be eo,inona no hiadina hevitra be eo. tano mafy ny ananao dia izay ihany.
3. smileyah
(
24/04/2013 07:11)
Aza mihevitra isika fa rehefa manampinoana an'Andriamanitra dia izay no mahavonjy. Maro ireo fampianarana nomen'i Jesoa antsika momba ny famonjena:
-Izay mino ka hatao batemy dia ho voavonjy.
-Izay tsy mihinana sy tsy misotro ny ràko dia tsy hanana ny fiainana mandrakizay.
-Mifankatiava ianareo tahaka ny itiavako anareo.
-Izao telo izao no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra.
Koa tsara ihany ny mampahafantatra ny olona rehetra ny sitrapon'Andriamanitra mba tsy hanana fahadisoan-kevitra izy ireo.
Araka ny voalaza hoe fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.
Ny fiezahana hanaradia bebe kokoa an'i Jesoa eo @ fiainana no manosika antsika liana te hahalala ny marina, ary Izy Fanahy Masina no manoro antsika izany fahamarinana izany satria tian'Andriamanitra ho voavonjy isika rehetra.

4. smileyah
(
24/04/2013 07:15)
Fanitsiana: Izay tsy mihinana ny nofoko sy tsy misotro ny ràko dia tsy hanana ny fiainana mandrakizay.
5. Miharena
(
25/04/2013 14:59)
Miarahaba ny rehetra indray,
Ny namana Ialahy izao anisan'ny olona mamaky sy manaraka fa tsy te-hiady hevitra. Fa ny fanontaniana dia hoe : rehefa mamaky itony lohahevitra misy adihevitra itony ve izy dia mahita ihany tsirony na mahita hoe mety mampiorina ihany ny karazana serasera toy itony raha ampiharina amin'ny fivavahana sy finoana iainany andavanandro?