Fandisoana ny Paska, sakana tsy handraisana ny famonjena
1. didi10
(
22/03/2013 07:59)
Ny kristiana mankalaza ny Paska dia misy fizaran-kevitra 2 eo amin'ny andro hankalazana azy:
1- Ankalazaina amin'ny andro nahafatesany (14 Abiba)
2- Ankalazaina amin'ny andro nitsanganany (Paska alahady)
Raha ny tantaran'ny Paska hatramin'ny testamenta taloha aloha dia tsy tokony hiova ny fankalazana azy fa amin'ny andro faha 14 amin'ny volana voalohany amin'ny hariva, io ihany koa ilay fotoana nihinanan'i Jesosy farany niaraka tamin'ny mpianany (ho fankalazany ny Paska) ary andron'io ihany (satria ny iray andro dia maty masoandro à maty masoandro) no namonoana an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana ka nahatonga Azy ho zanak'ondrin'Andriamanitra, nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao, ka voavono i Kristy Paska ho antsika.
Mipetraka ary ny fanontaniana hoe:
Inona no mahasamy hafa ny mankalaza ny Paska amin'ny nahafatesaNY sy ny mankalaza amin'ny nitsanganaNY?
Nitsanganany: Iankinan'ny inona?
I Kor 15;14
14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.
Mazava fa iankinan'ny finoana ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, lasa nino isika fa Izy tokoa ilay zanak'Andriamanitra velona, ary ny fiantsoana sy fangatahana amin'ny anaraNY dia hahazoana izay rehetra ilaintsika manomboka amin'ny tombontsoa ara-nofo toy ny fahasalamana, fitahiana, ... ka hatramin'ny tombon-tsoa ara-panahy tahaka ny famelan-keloka sy ny hery handroahana ny asan'ny demonia,
Koa aza gaga isika raha ireo tombontsoa ara-nofo sy ara-panahy ireo no indraindraina ao amin'ny fiangonanao satria ao anatin'ny fiangonan'ny finoana ianao dia najanona eo. Tsy miteny aho akory hoe tsy ilaina ny finoana fa ny finoana no dingana voalohany mankany amin'ny famonjena, najanona eo hoy aho satria nafenina taminao fa ny nahafatesan'i Kristy no tena Paska ho antsika ary misy dingana tsy maintsy atao sy tanterahana manoloana izany lalam-pamonjena nataon'i Jesosy izany.
NahafatesaNY: Iankinan'ny inona
Rom 5,8
8 Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
Mazava fa maty i Kristy ho famonjena antsika, izany fahafatesana izany dia misy "étape" maromaro izay misy "équivalence" tokony ho tanterahantsika izay te handray ny famonjena.
- Nofantsihina
Rom 6,6
6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Ahoana ny fomba hanombohantsika ny tenan'ny ota miaraka amin'i Kristy mba hanadiovana ny fanahintsika amin'ny rany izay teo amin'ny hazo fijaliana?
Amin'ny alalan'ny fibebahana
Maty, nalevina, nitsangana
Romana 6;3
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
Ny fidirana amin'ny batisa no hanatanterahantsika izany lalam-pamonjena izany, fahafatesan'ilay tenan'ny ota tamin'ny fibebahana, alevina, asitrika, ary ny fivoahana ao anaty rano (ateraky ny rano) no taratr'ilay fahateraham-baovao sy fiainam-baovao ao amin'i Kristy.
Fehiny
Matio 7;22
22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.
Asa lehibe, naminany, namoaka demonia = vokatry ny finoana fa tsy nahavonjy azy ireo
Mpanao meloka = Tsy nandray ny famonjena (mpanota tsy mibebaka, tsy maty, tsy nalevina, tsy nitsangana)

répondu par Nehemiah le 10/04/2013 12:17
3. Nehemiah
(
22/03/2013 08:17)
Ny an'ny evôlisionista ary biby tsy tambo isaina no natao sorona t@ alitaran'ny kisendrasendra mandritry ny fotoana tsy takatry ny sain'olombelona :).
4. sitlo
(
22/03/2013 08:35)
Ilay fotom-pisainana manao sorina mihitsy no tsy mety na inona na inona finoana.
ps: izaho mba te hiresaka amin'ny evolutionist raha misy

5. Nehemiah
(
22/03/2013 08:52)
Ianao izay dadany be @ resaka philosophie de la religion dia tokony efa mahafantatra fa fisoloana voina ny heloka nataontsika olombelona ny sorona ho an'Andriamanitra
7. smileyah
(
22/03/2013 12:21)
Maro ny olona izay nankalaza ny Paka araka ny fankalazan'ny Katolika azy no tonga olomasina.Raha tsy hilaza an'i MB Thérèse de l'enfant Jésus izay nampanantena fa rehefa tonga any an-danitra izy dia handrotsaka vonindraozy ety an-tany. Ary tanteraka izany, ary izay rehetra voakasiky ny vonindraozy ireo dia sitrana sy nahazo fahasoavana daholo. Inona intsony ny porofo ilaiko ankoatr'izany?
Ny olona marivo salosana no ho voarebirebinareo amin'izany.

8. Miharena
(
23/03/2013 11:33)
Ilay atao hoe fandraisana ny famonjena raha tsy mifanaraka ami'ny fomba fankalazàna no toa vato misakana eo amin'y fanehoan-kevitry ny namana Didi10.
Raha miresaka ity tanisa ity ohatra izy ary arahina ilay fanazavçàna eo ambany hoe hanombohanan ny tenantsika miaraka amin'i Kristy mba hanadiovana ny fanahy, dia toa atao tery vay manta ihany ny fanatsofohana ilay hoe IZY nifantsika.
Tsy azo atao mihitsy ve ny manazava hoe fanaporofoana ny fiainana mandrakizay no naseho teo? Dia ilay fandaozana ny nofo ota izay tsy azo ifikirana ka momba amin'ny fiainam-panahy miaraka amin'Andriamanitra?
Raha miresaka ity tanisa ity ohatra izy ary arahina ilay fanazavçàna eo ambany hoe hanombohanan ny tenantsika miaraka amin'i Kristy mba hanadiovana ny fanahy, dia toa atao tery vay manta ihany ny fanatsofohana ilay hoe IZY nifantsika.
6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Ahoana ny fomba hanombohantsika ny tenan'ny ota miaraka amin'i Kristy mba hanadiovana ny fanahintsika amin'ny rany izay teo amin'ny hazo fijaliana?
Amin'ny alalan'ny fibebahana
Tsy azo atao mihitsy ve ny manazava hoe fanaporofoana ny fiainana mandrakizay no naseho teo? Dia ilay fandaozana ny nofo ota izay tsy azo ifikirana ka momba amin'ny fiainam-panahy miaraka amin'Andriamanitra?
9. diniho
(
06/04/2013 18:48)
Ny paska dia tafiditra ao anatin'ny lalàn'i Mosesy,ny lalàn'i Mosesy anefa tsy azo anampiana,tsy azo analana(Deotoronomia4:2;13:13:1).Noho izany raha mitandrina ny lalàn'i Mosesy dia tsy maintsy mitandrina ireo lalàna rehetra miisa ho 600 eo ho eo ao antiny,toy ny didy 10(sabata fa tsy alahady ny didy faha4),paska(14 Abiba),pêntekosta,sorona,,fetin'ny Tabernakely,fanavahana ny biby madio sy maloto...
Raha ny lalàn'i Mosesy no jerena dia natao ho an'ny zanak'Israely ny paska(14 Abiba)(ao anatin'ny lalàn'i Mosesy) fa tsy natao ho an'ny hafa firenena e!Ary voalaza fa ao Israel ihany no itandremana izany!
Eksodosy12;Levitikosy23:5-8;Deotoronomia16:1-8(and5);4:1;6:1;12:1;30:11-14.
Ny paska amzao dia ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i kristy
1Korintiana5:7,8:Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana
1Korintiana11:26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka,dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
Noho izany,ny paska ankehitriny dia ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo(tsy lalàn'i Mosesy velively zany satria ny klalàn'i Mosesy ,tsy azo anampiana tsy azo analana)
Sourcen'ny fampianarana:HFF Radio97.2Mhz(Episkopo).
Manasa antsika rehetra mba hanaraka izany fampianarana mitondraho any an-danitra izany

10. moustaraf
(
09/04/2013 17:05)
Salama namana;
1. ny lalàn'i Mosesy no manondro sy manambara ny famonjena, ka raha foanana ny lalàn'i Mosesy dia tsy misy fototra izay rehetra vitan'i Mpamonjy;
2. Ny Paska dia FANEKENA mandrakizay eo @ Israely sy Elohym, ka raha fivavahana hafa no misy anao dia tsy natao ho anao ny Paska! satria hafa mihitsy ny fitandremana an'io ao @ trano Israely!
3.mbola misy ny fankalazana ny andro firavoravoana tahaka ny t@ andron'i Mosesy, ary ilay tsy fihinanana mofo misy masirasira dia tanterahina aty @ andron'ny Apostoly:
1Korintiana5:7,8:Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana!
Dikany: NY APOSTOLY DIA NAMPIANARINA HAHAY TSARA NY BOKIN'NY LALANA , mba hahay hanatanteraka izany @ ara-panahy!
4. Aoka tsy ho fitahina ny mpino ka ilazana fa hafa ny Paska taloha ary hafa ny Paska ankehitriny!
Ny Romana no nanova ny Paska sy ny fankalazana azy fa tsy ny Baiboly akory:
Peshar novana tsotra izao hoe Passover/ pâques/ paska.....midika zavatra hafa
sabata ny andron'ny Peshar; novana Alahady "SUN DAY" fiankohofana @ masoandro
Andro Faha 15 NY ampitson'io dia andro firavoravoana ; nampidirina ny LUN DI de paque (andron'ny VOLANA)
Alina no fihinanana ny Peshar; novana Atoandro be nanahary izany
Sakafo voatokana no ohanina @ paska dia ny 2° Ma'aser na ny 1/10 faha 2; fa tsy biby maloto sns...
MAHEREZA DAHOLO E

11. Nehemiah
(
10/04/2013 06:46)
Jer. 31:31-34 : "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny [Na: tompony] , hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany."
Raha tsy azonareo izay dia tsy azonareo mihitsy ny finoana kristiana

12. toriteny
(
10/04/2013 08:28)
Tena nalahelo be aho namaky ity post nao ity. Noheveriko fa efa niova ianao hay mbola ianao taloha ihany no ianao
Ny kristianina, ny fitsanganan'i Jesosy Kristy no maha kristianina ny kristianina: tsy ny nahaterahany ho tonga nofo, tsy ny fahafatesany fa ny fitsanganany.RAha novonoina Izy fa tsy natsangana tsy hitako izay maha samihafa an'izany amin'ny tany amin'ny TT. Araka ny tenin'i Maranatha atsy ambadika hoe atao solona biby alatsa-dra fotsiny Izy izany ka mba tsy hamonoana biby isaky ny mihetsika dia ny ràny fotsiny ny évoquer na amin'izay tsy lany tamingana ny biby fanao sorona. Fa nahavonjy ny zanak'Israely ve ny fanaovana sorona fotsiny? Nisy zanak'Israely niakatra tany an-danitra ve?
Raha fahafatesany ihany dia efa afaka mandova ny fiainana mandrakizay isiaka tsy itako anie izany izay antony hananganana Azy é. Indrindra moa fa hoe tombon-tsoa amin'izao fiainana eto an-tany izao no tombony azontsika amin'izany fananganana Azy izany. Sady fa anga fiainana eto an-tany tsaratsara no tanjontsika kristianina?
Inona no noentin'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty?
JAo11:25: "Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy , na dia maty aza , dia ho velona indray "
Tsy misy ny fiainana mandrakizay raha tsy natsangana Izy, tsy misy ny fananganana ny maty ra tsy natsangana Izy. Tena voavela tokoa ny helokao eo amin'ny hazo fijaliana tahaka amin'ny nahafahan'ny helok'ireo Zanak'Israely rehefa nanatitra sorona alatsa-drà izy ireo. Fa ahoana ny tohiny avy eo? MAty ihany ianao na dia maty voavela heloka aza raha tsy natsangana Izy satria Izy no fananganana ny maty. Raha tsy natsangana Izy tsy natsangana isiaka ary tsy nisy ny fiainana mandrakizay, tsy nisy Jerosalema vaovao Jao14:3
Kol15: 17-19: "ary raha tsy natsangana Kristy , dia foana ny finoanareo ; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo" (RAha tsy natsangana Kristy, mbola ao amin'ny fahotana ihany isiaka, ary tsy nisy ny finoana)18 "dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy , dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika"
Raha Kristianina ianao tsy hitady famantarana sy fahagagana ary tsy hikatsaka ny hahasoa ny fiainanao eto an-tany fa ny fiainana mandrakizay.
Ahoana hoy ny Jao6:26-27: "Jesosy namaly azy hoe : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Mitady Ahy ianareo , nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana , fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky .Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona , fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay , izay homen'ny Zanak'olona anareo ; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase .
JAo12:25Izay tia ny ainy no mahavery izany ; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay .
RAha fanasitranana indray dian-kapoka TAminy no nanasitranana antsika fa tsy ny fitsangananany ary raha fitahiana sy fiaianana tsara no hivavahanao sy hanantonanao an'i Jesosy dia tena diso adiresy tanteraka ianao satria tsy ny ahazoana izany no nitsanganany tamin'ny maty fa ny hanorona toerana antsika any an-danitra. 1JAo2:16:"Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ."
didi10:
fa ny nahafatesan'i Kristy no tena Paska ho antsika ary misy dingana tsy maintsy atao sy tanterahana manoloana izany lalam-pamonjena nataon'i Jesosy izany.

13. hasiniony
(
10/04/2013 09:00)
Miarahaba anareo rehetra, (manoka ho an'i Nehemiah)...
Fa inona tokoa moa no atao hoe LALANA? ( ny Paska koa dia ao anatin'ny lalànan'ny Jiosy).
Ny tanjon’Andriamanitra, tamin’ny nanomezany ny lalàna ho an’ny zanak’olombelona, izay niaina tsy nisy izany nandritra ny 2500 taona dia voalohany aloha, mba ham-pahafantatra ny olona ny fahotany, ary, manaraka izany, mba haneho aminy fa tsy afaka manao na inona na inona izy, manoloana ireo fitakiana marina ataon’Andriamanitra. Noho izany, ny lalàna dia tsy inona, tsy akory, fa fanompoana fanamelohana ary mitondra fahafatesana.
-“Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna, eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20);
-“Inona àry ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy” (Galatiana 3. 19);
-“Fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra izao tontolo izao” (Romana 3. 19);
-“Izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana ; fa voasoratra hoe : ‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna’ ” (Galatiana 3. 10);
-“Na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra” (Jakoba 2. 10);
-“Raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, dia ilay voasoratra teo amin’ny vato…” (2 Korintiana 3. 7);
-“Ny fanompoana nitondra ny fanamelohana…” (2 Korintiana 3. 9);
-“Ny lalàna no herin’ny ota” (1 Korintiana 15. 56);
-“Izaho dia velona tsy manan-dalàna, fahiny ; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho” (Romana 7. 9).
NOHO IZANY DIA ABARIBARIN'ANDRIAMANITRA FA TSY AZO ATAO NY MIFIKITRA AMIN'NY LALANA IZAY NOMENA AN'NY ALALAN'I MOSESY FA NY SITRANY KOSA DIA NY FAHASOAVANA IZAY NASEHONY TAMIN'NY ALALAN'NY ZANANY:
-“Nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Yahoshuah Kristy, dia nino an’i Kristy Yahoshuah koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna” (Galatiana 2. 16).
-“Ao aminy (Yahoshuah) no anamarinana izay rehetra mino, ho afaka amin’ny heloka rehetra, izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy” (Asa 13. 39).
-“Misy fahafoanana ny didy nialoha, noho ny halemeny sy ny tsy fanasoavany (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy koa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra” (Hebreo 7. 18-19).
MISY MIERITRERITRA FA REHEFA TSY EO AMBANY LALANA NY MPINO DIA HANGALATRA, HAMONO OLONA, HIJANGAJANGA, HITSIRIRITRA...sns!
-> SANATRIA ANIE IZANY, SATRIA VOASORATRA HOE:
-“Ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana” (Romana 6. 14).
-“Amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna, noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ An¬driamanitra. Fa fony tao amin’ny nofo isika, dia ny filàn’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika, hahavokatra ho amin’ny fahafatesana. Fa ankehitriny dia efa afa¬ka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ny ha¬vaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny haelan-tsoratra” (Romana 7. 4-6) ;
HITA ARAKA IZANY FA TSY MIRESAKA NY LALÀNA MOMBA NY FOMBAFOMBA FIVAVAHANA INTSONY NY FILAZANTSARA.
* TEO AMBANY LALANA (Mosesy) DIA TSY NISY FAHAMARINANA HITA TAO AMIN'NY OLONA ARY MELOKA IZY, fa REHEFA TONGA KOSA NY FAHASOAVANA DIA NISY NY LALANA VAOVAO NY AMIN'NY FINOANA(Yahoshuah) IZAY MANAMARINA NY OLONA:
-“Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Yahvah : Hataoko ao am-pony ny lalànako, sady hosoratako ao an-tsainy” (Hebreo 10. 16).
-“Maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny za¬na¬ky ny mazava” (Efesiana 5. 8).
-“Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hen¬dry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao” (Efesiana 5. 15-16).
-“Hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo” (Galatiana 5. 16).
-“Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny di¬din’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany” (Jaona 15. 10).
TSAROVY IHANY KOA FA TAO AMIN'NY FAHASOAVANA NO NIVOAKA NY DIDY MOMBAN'NY FAHATERAHANA INDRAY(batisa), IZAY ANTOKA AHAZAHOANA NY FIAINANA MANDRAKIZAY SY NY FAHAVAOZANA NY OLONA HO TONGA ZANAK'ANDRIAMANITRA:
-“Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy : efa lasa ny zavatra taloha ; indreo, efa tonga vao¬vao ireo” (2 Korintiana 5. 17).
-“Yahoshuah namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra” (Jaona 3. 3)
-“Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra” (Jaona 1. 12-13).
-“Ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra, amin’ny finoana an’i Kristy Yahoshuah” (Galatiana 3. 26).
**Izay ny teniko 'zay zaraiko aminareo, tsy izay lazaiko anefa no izy na izay lazainareo; fa ankehitriny kosa dia tanteraka ilay teny manao hoe: "TANO MAFY IZAY ANANANAREO MBA TSY HISY HAKA NY SATROBONINAHITRAREO..."
Mirarisoa ho antsika rehetra!

14. Nehemiah
(
10/04/2013 12:17)
Misaotra ho an'ny fanazavàna, izay no manavaka ny finoana mahavonjy sy ny fitandremana lalàna