Efa manomboka hapetaka ilay puce RFID

1. Maranatha ( 20/03/2013 11:55)
Kely sisa dia hifarana ihany ny tantaran'ny tany.
Ho tonga ihany ny Tompo.
Manomboka hisantatra ny fametrahana ny Puce electronique izay entina hanamafisana ny mariky ny bibidia ny zareo Etas-unies (izay bibidia faharoa). Ny 23 mars no farany handraisan'ny Amerikana rehetra izany . harao ny rohy.
http://lecielappellelaterreouioui.wordpress.com/2012/08/30/la-micro-puce-avant-le-23-mars-2013-a-tous-les-americains-marque-de-la-bete-de-lapocalypse/

http://soyezprets.blogspot.com/2012/07/venez-nous-visiter.html

Fa inona moa ilay hoe puce electronique e??? Valiny harao ny rohy.
http://www.onnouscachetout.com/themes/nom/microchip.php

Mihomana ry Zanaky ny Tsitoha fa efa akaiky ny ady farany izay ho antrehan-tsika. Mivonona fa na hijaly sy ho resy eto aza isika dia tsy maintsy handresy kosa ny Tompon-tsika ary hiara-mandresy aminy isika rehefa miverina Izy.

Ny tokony hataon-tsika dia ny miala @ tanan-dehibe. Ary raha manenjika anareo amin'ny toerana iray izy dia mandosira any an-kafa. Mahereza
répondu par Miharena le 24/03/2013 09:43
2. sitlo ( 20/03/2013 12:05)
Tsy voasoratra mivantana ao amin'ny baiboly marina ny hoe:

Aza manely tsaho.
3. RBNIR ( 20/03/2013 12:15)

Maranatha:

Kely sisa dia hifarana ihany ny tantaran'ny tany.
Ho tonga ihany ny Tompo.
Manomboka hisantatra ny fametrahana ny Puce electronique izay entina hanamafisana ny mariky ny bibidia ny zareo Etas-unies (izay bibidia faharoa). Ny 23 mars no farany handraisan'ny Amerikana rehetra izany . harao ny rohy.
http://lecielappellelaterreouioui.wordpress.com/2012/08/30/la-micro-puce-avant-le-23-mars-2013-a-tous-les-americains-marque-de-la-bete-de-lapocalypse/

http://soyezprets.blogspot.com/2012/07/venez-nous-visiter.html

Fa inona moa ilay hoe puce electronique e??? Valiny harao ny rohy.
http://www.onnouscachetout.com/themes/nom/microchip.php

Mihomana ry Zanaky ny Tsitoha fa efa akaiky ny ady farany izay ho antrehan-tsika. Mivonona fa na hijaly sy ho resy eto aza isika dia tsy maintsy handresy kosa ny Tompon-tsika ary hiara-mandresy aminy isika rehefa miverina Izy.

Ny tokony hataon-tsika dia ny miala @ tanan-dehibe. Ary raha manenjika anareo amin'ny toerana iray izy dia mandosira any an-kafa. Mahereza

Faly miarahaba namana,
Tena mino v i namana fa ry zareo Etats unies no bibidia faharoa???
Hozaraina eto raha sitrapon'ny Tompo......
Mila mianatra hoy aho isika e.....
PS: raha any Antsirabe ianao dia manaraha fandarana namana,

Samia ho tahin'ny Tompo
4. ialahy ( 20/03/2013 12:38)
Hazo avo alan-drivotra....
izaho eto USA mipetraka fa tsy mahita an'zany ary tsy maheno ny fisin'zany.
5. Maranatha ( 20/03/2013 12:54)
Araho ilay rohy dia hahafantatra hianareo fa tsy tsely hahely io. Misy roa izy ireo. ary ilay voalohany dia mikasika ny taratasy ho an'ny congres amerikana.
RBNIR:

Faly miarahaba namana,
Tena mino v i namana fa ry zareo Etats unies no bibidia faharoa???
Hozaraina eto raha sitrapon'ny Tompo......
Mila mianatra hoy aho isika e.....
PS: raha any Antsirabe ianao dia manaraha fandarana namana,
Samia ho tahin'ny Tompo

Tena azo antoka io namana. izy no bibidia faharoa. hanamafy ny fametahan'i vatican (rome) ny mariky ny bibidia izy.
6. sitlo ( 20/03/2013 13:01)
Fa voasoratra kosa angamba ny hoe:

Aza manao vavolombelona mangainga
7. RBNIR ( 20/03/2013 13:20)
Mbola faly mizara hatrany,
Ao amin'ny Apokalipsy 13 no hilazana ny momba ireo bibidia 2 mpanompon'ny dragona (devoly).
Apok.13:1 bibidia voalohany : ilay bibidia niakatra avy amin'ny ranomasina.
Ny ranomasina dia midika ho vahoaka amin'ny faminaniana apokaliptika : azo adika io teny io hoe bibidia niakatra avy amin'ny vahoaka.
Efa nozaraiko tato @ ity rohy manaraka ity fa ao anatin'ny 2Eme Evènement http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94#m50af58caa4a24
no hiseho ilay bibidia (ilay voalohany io). Hiroborobo fatratra ilay fitoriana lehibe farany (tahaka ny t@ andron'ny apostoly no toriana ao dia tsy inona fa ilay fampianarana tsy misy kilema nolazain'ny apostoly paoly).
Hisy olona maro B dia maro B tsy hankasitra (noho ny fialonana, noho ny fankahalana, ary tsy fitiavana.....) ka hanandratra olona iray mba hitarika azireo hanohitra ilay fitoriana lehibe farany sy hanenjika ireo olona hitory ao @ 2 ème Evènement.
Hizara 2 mazava tsara ny antokom-pivavahana kristianina manomboka hatreo.
Etsy ankilany ireo manaraka ilay fampianarana tsy misy kilema izay hitory ny fahamarinana rehetra ao @ baiboly,
Etsy andaniny kosa ireo mitsangana hanohitra sy hanenjika izany izay hotarihin'ilay bibidia.
Eo no ho tanteraka ilay hoe « Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), » (Mat.24:15) IZANY HOE FITSANGANAN'ILAY BIBIDIA VOALOHANY EO @ FITOERANA MASINA. izay tsy inona akory fa « .........., ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, » (2 Tes.2:3) FISEHOAN ILAY LEHILAHIN OTA IHANY.
Mbola hitohy....

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
8. Miharena ( 20/03/2013 16:29)
Hono ho'aho namana RBNIR, te-hanontany aho hoe maninona no tsy togna dia lazaina hoe iza no lehilahin'ota fa ampiandrasina ny olombelona hatrany izy io?
9. RBNIR ( 21/03/2013 05:04)
Miharena:

Hono ho'aho namana RBNIR, te-hanontany aho hoe maninona no tsy togna dia lazaina hoe iza no lehilahin'ota fa ampiandrasina ny olombelona hatrany izy io?

Faly miarahaba namana,
Araho tsara aloha, fa holazain-tsika ihany,
Samia ho tahin'ny Tompo
10. niryna ( 21/03/2013 05:04)

Maranatha:


Ny tokony hataon-tsika dia ny miala @ tanan-dehibe. Ary raha manenjika anareo amin'ny toerana iray izy dia mandosira any an-kafa. Mahereza
fa angaha hono misy toerana manokana ho vonjena sy tsy ho vonjena?
Andositra any ambanivohitra avokoa izany ny olona rehetra? aoka re e,fampianarana inona re ity lazaina ity e
Olona milaza antsaka no mitantara ka na ny tenany aza mbola tsy mahalala fa miteniteny fotsiny
Tsotra e, izay mitady ny Tompo dia ahita azy tokoa,izay manalavitra azy dia ho halaviriny ihany koa ,ny baiboly re toriana fa aza mamorona zavatra tsy misy e Afaka miteniteny daholo ny olona rehetra ary tsy azo tampenambava.Tsy mitovy ny hoe izay mizara ny marina dia akatona sy tsy azo sokafana satria misy hery iray tsy mahazaka ny marina o whooops
11. niryna ( 21/03/2013 05:07)

RBNIR:

Faly miarahaba namana,
Tena mino v i namana fa ry zareo Etats unies no bibidia faharoa???
Hozaraina eto raha sitrapon'ny Tompo......
Mila mianatra hoy aho isika e.....
PS: raha any Antsirabe ianao dia manaraha fandarana namana,

Samia ho tahin'ny Tompo
ka izay no nampianarina azy dia ekeny avokoa ka,mahita volana alohan'ny habibo
12. Maranatha ( 21/03/2013 05:47)

niryna:

fa angaha hono misy toerana manokana ho vonjena sy tsy ho vonjena?
Andositra any ambanivohitra avokoa izany ny olona rehetra? aoka re e,fampianarana inona re ity lazaina ity e
Olona milaza antsaka no mitantara ka na ny tenany aza mbola tsy mahalala fa miteniteny fotsiny
Tsotra e, izay mitady ny Tompo dia ahita azy tokoa,izay manalavitra azy dia ho halaviriny ihany koa ,ny baiboly re toriana fa aza mamorona zavatra tsy misy e Afaka miteniteny daholo ny olona rehetra ary tsy azo tampenambava.Tsy mitovy ny hoe izay mizara ny marina dia akatona sy tsy azo sokafana satria misy hery iray tsy mahazaka ny marina o whooops

Hahita hianao f'aza matahotra .
Mety tsy tena mbola mpandalina ny baiboly hianao ka tsy homeko tsiny. fa mibebaha na izany aza. Fa tsy miteniteny fontsiny araka ny voalazanao aho. Tadidio ny tantaran'i Elie fa nandositra lavitra niala ny tanana izy ny goika no nasain'i tsitoha nanome hanina azy. hotoy izany koa @ fanenjehana farany.
Misy hery roa mifanandrina eto ambonin'ny tany. Ho resy ny olo-marina raha ny fijery ivelany satria ho henjehina sy hampidirina amponja ary ho vonoina izay rehetra tsy manaiky mandray ny mariky ny bibidia. Ny Alahady no marikany fa ity puce ity dia ho entina hanamafisana ny fametrahana io marika io. tsy hiisy vola hiasa intsony aoriana kely ao fa ireny carte bancaire ireny no hividianana zavatra. Tsy hahazo hividy na hivarotra izay tsy manana ny mariky ny bibidia. mazava ho azy haninona eto andrenivohitra intsony moa fa dia lasa mitady izay ambanivolo hahazoany mivelona sisa ireo tsy mety mandray ny marika.
RBNR:

. Hiroborobo fatratra ilay fitoriana lehibe farany (tahaka ny t@ andron'ny apostoly no toriana ao dia tsy inona fa ilay fampianarana tsy misy kilema nolazain'ny apostoly paoly).
Hisy olona maro B dia maro B tsy hankasitra (noho ny fialonana, noho ny fankahalana, ary tsy fitiavana.....) ka hanandratra olona iray mba hitarika azireo hanohitra ilay fitoriana lehibe farany sy hanenjika ireo olona hitory ao @ 2 ème Evènement.
Hizara 2 mazava tsara ny antokom-pivavahana kristianina manomboka hatreo.
Etsy ankilany ireo manaraka ilay fampianarana tsy misy kilema izay hitory ny fahamarinana rehetra ao @ baiboly,
Etsy andaniny kosa ireo mitsangana hanohitra sy hanenjika izany izay hotarihin'ilay bibidia.
Eo no ho tanteraka ilay hoe « Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), » (Mat.24:15) IZANY HOE FITSANGANAN'ILAY BIBIDIA VOALOHANY EO @ FITOERANA MASINA. izay tsy inona akory fa « .........., ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, » (2 Tes.2:3) FISEHOAN ILAY LEHILAHIN OTA IHANY.
Mbola hitohy....
Samia ho tahin'ny Tompo daholo

Ny bibidia voalohany aloha dia tsy misy hivoasana fa ilay faharoa kosa no tena tsy nisy hitovizany mihintsy.
Raha mamaky ny Apok 13 io tokoa ka mampiseho ny momba fisehon'ilay bibidia faharoa Apok 13:11 Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
13 Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia.
16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa,17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.

Tsy ho vita eto ny fanazavana fa aleo hanokafana lohahevitra iray hafa ny fanazavana ireo toko sy andininy ireo. fa raha io farany io no raisina dia maneho fa efa ankatoki'ilay tsy mahazo mividy na mivarotra isika izao. Izay ny Amerikana no hisantatra azy. Ny Amerikana izay tahaka ny sarin'ny bibidia (Protestanta nefa manaraka ny hevitra rehetra izay havoakn'i Vatican)
RBNR: Mandiniha tsara f'aza mihinana ambolony
13. RBNIR ( 21/03/2013 06:29)

Maranatha:

Ny bibidia voalohany aloha dia tsy misy hivoasana fa ilay faharoa kosa no tena tsy nisy hitovizany mihintsy.

Faly miarahaba namana,
Mbola tsy niresaka an'ilay bibidia faharoa aho aloha, fa vao nanomboka nampahafantatra ny bibidia voalohany, mbola vao fanimbohana koa fa aza maika e,....
P.S : azo tohizana tsara eto ny resaka bibidia (raha ny fijeriko azy) satria ilay puce RFID izay hinoan'ny namana misy hidiran'ny resaka bibidia namana (ilay bibidia faharoa dia tsy iza fa ry zareo amerikana hoy ianao namana),

Samia ho tahin'ny Tompo e
14. RBNIR ( 21/03/2013 07:13)
ho fanajana ny namantsika Maranatha, dia aleho hotohizantsika ato ny tohin'ny resaka bibidia anakiroa....
http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588
Samia ho tahin'ny Tompo e,
15. sitlo ( 21/03/2013 09:41)
Mety misy puce angamba ny nitarika ity dinika ity. [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/haha-rire-395.gif[/IMG]
16. RBNIR ( 21/03/2013 10:00)
Efa notohizana ilay fizarana momba ireo bibidia 2
Araho ny rohy http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588
Samia ho tahin'ny Tompo daholo e
17. AndriambyII ( 22/03/2013 17:19)
Iza no mety asina sipozitoira ôôô ??? Otsan' ny taon' afokasika fotsny ! Ts maareh n' inn n'inn @ fametaan' azy akoury nareo !! Marika depozé , Etiketazy kôntrôlé pour une apelasion dorizinnaaa amerikannaa !!
18. Miharena ( 24/03/2013 09:43)
Fa miresaka ity tantara ity ihany ianareo fa ny zavamisy eto amintsika raha omena fahefana ny fanjakana hanao fihainoana ny serasera an-telefaonina dia manakorontana no ataon'ny tompon'andriakitra raharaha fa tsy misy farafaharatsiny discrétion kely akory.

Raha eo ampelatanan'ny miseho ho mpifehy izany ny manao fanarahamaso ilay puce dia tsy hanjary mihitsy. Raha toa kosa ka izaràna vaovao isambatan'olona, dia hihanjahanja tsara daholo ary eo vao mety hisy ny firaisankina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1437