Ny Trinite, fizarana faha-2 : ireo Persona 3 ao anatiny

1. Nehemiah ( 04/03/2013 08:52)
Andriamanitra ny Ray
Ity angamba no tsy iadiana hevitra indrindra - ny heresia rehetra t@ tantaran'ny fiangonana dia nanamafy fa Andriamanitra ny Ray, fa diso t@ fijeriny ny fifandraisan'ireo Persona 3 ireo, na ny toetran'ny Persona 2 ankoatry ny Ray. Ny Ray no nandidy ny zava-drehetra ho misy @ Gen. 1. Izy no nandefa ny Zanany hitafy nofo (Jn. 8:42). Ary Izy no mandefa ny Fanahy Masina (Jn. 14:26). Mazava fa mendriky ny ho deraina sy tompoina ny Ray (Jn. 4:21-23).

Andriamanitra ny Zanaka
Milaza ny Hebreo 1:3 fa i Jesoa no "famirapiratan' ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin' ny herin' ny teniny". Rehefa nahary antsika i Andriamanitra dia "nitovy endrika aminy ary araka ny tarehiny" antsika, ka midika izany fa mitovitovy @'Andriamanitra antsika, nefa mitovy @ alavitra dia alavitra nohon'izay ny Zanaka. Ilay teny grika nadika hoe "endriky ny tenany indrindra" dia ???????? ??? ?????????? ????? (character tes upostaseos autou), ary midika fa mitovy tanteraka @ Ray ny Zanaka. Tsy misy toetra ananan'ny Ray izay tsy ananan'ny Zanaka @ fatrany mitovy. Tsy misy inona na inona izay tsy itovizan'ny Zanaka @ Ray. Izay no nampianarin'i Jesoa rehefa niteny izy hoe : "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" (Jn. 14:9b), ary miteny koa i Paoly hoe : "Fa ao amin’ ny tenany no itoeran’ ny fahafenoan’ ny fomban’ Andriamanitra rehetra".
Manamafy an'izay ny mpanoratra ny Hebreo andininy vitsivitsy aorianan'izay rehefa milaza izy hoe : "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra o, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao" (Heb. 1:8), ka hitantsika @'izany fa miresaka momba ny toetra maha-Andriamanitra ny Zanaka ny Ray.

Ny tsy mampitovy an'i Jesoa @ olombelona rehetra dia nisy talohan'ny nahaterahany Izy. Manomboka ny evanjeliny toy izao i Jaona : "Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia g/A/gndriamanitra." (Jn. 1:1) miresaka momba an'i Jesoa. Antsoiny Izy hoe : "ny Zanakalahy Tokana (?????????, monogenes), Izay ao an-tratran’ ny Ray" (Jn. 1:14).

Hoy i Paoly hoe : "Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy et? ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [Gr. seza fiandrianana] , na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany". (Kol. 1:15-16) Manantitra an'ireto andininy ireto ny mpanda ny Trinite mba hanaporofoana fa voary fotsiny i Jesoa, na dia nasandratra aza. Nefa hoy koa ireto andininy ireto hoe : "ao aminy no nahariana ny zavatra rehetra", ka tsy mba natao izany Izy fa raha tsy izay dia tafiditra ao anatin'ny "zavatra rehetra" Izy. Ny ambaran'ny voambolana "Lahimatoa" eto dia midika fotsiny fa manana ny i/zo/in'ny lahimatoa Izy, ary manana lanja goavana izany satria t@'izany andro izany dia nahazo anjara lova in-droa heny nohon'ny zandriny ny lahimatoa. Ka eto izany dia tsy midika hoe "natao voalohany" (protoktisis @ teny grika) ny "Lahimatoa" (prototokos), fa manambara ny fahamboniany.

Misy toerana betsaka izay ahitantsika ho manana ny toetra izay voatokana ho an'Andriamanitra i Jesoa.
Heb. 13:8 : "Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay."
Hoy i Jesoa @ Jn. 5:26 : "Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy". Nefa i Andriamanitra irery no misy ho Azy.

Heverina ho mendriky ny fiderana sy fanompoana koa i Jesoa @ Testamenta Vaovao. Hoy i Tomasy aorian'ny nitsanganan'i Kristy t@ maty hoe : "Tompoko sy Andriamanitro !" (Jn. 20:28). Ny olo-marina izay mahazo dera izay natokana ho an'Andriamanitra dia tsy maintsy manda an'izany (jereo ny nataon'i Paoly sy Barnabasy @ Asa. 14:8 sy manaraka), nefa tsy nanao an'izay i Jesoa, ka ahazoana antoka fa mety ny nataon'i Tomasy.
Miantso an'i Jesoa hoe "Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika" ny Tit. 2:13. Milaza an'i Jesoa ho "ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay" i Paoly (Rom. 9:5). Isaky ny mahazo hoby sy fiderana i Jesoa @ Soratra Masina dia voatantara @ fomba mankasitraka. Sady tena mitaky voninahitra mitovy @ ny an'ny Ray Izy : Jn. 5:23 : "mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy."

Andriamanitra ny Fanahy Masina
Misy ny mieritreritra ny Fanahy Masina ho karazana hery miafina, tsy fantampantatra, tsy misy maha-Izy Azy (ary misy ny mieritreritra ny fanahy ho zavatra manjavozavo tsy misy fotony. Nefa tena asehon'ny Soratra Masina tsara fa Persona Izy.

Rehefa nandainga momba ny vidy nivarotany ny tanim-boliny i Ananiasy sy Safira dia hoy i Petera hoe : "Nahoana no nisaina izany tao am-ponao hianao? Tsy nandainga tamin’ olona hianao, fa tamin’ Andriamanitra." (Asa. 5:4). Ka ampitoviana @'Andriamanitra ny Fanahy Masina eto. Vao mainka mazava izany @ tohin'ilay boky, satria manondro ny tenany @ voambolana "Ahy" sy ny tovana "-ko" ny Fanahy Masina, ka tsy azo ihodivirana fa Persona Izy :
Asa. 13:2 : "Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy."

Hoy i Davida hoe : "Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] ho fandriako aza aho, indro, any Hianao." (Sal. 139:7-8). Hoy indray i Paoly hoe : "ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza." (1 Kor. 2:10). Ireo andininy ireo dia manambara toetra roa izay voatokana ho an'Andriamanitra : omniprésence, omniscience.

I Andriamanitra no hany afaka manome fiainana ara-panahy (1 Jn. 3:9), kanefa hoy i Jesoa hoe : "Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy." (Jn. 3:5-6) Raha i Andriamanitra irery no afaka manome fiainana ara-panahy, ary ny Fanahy ihany no afaka manome fiainana ara-panahy, dia lojika raha Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Torak'izany, rehefa azontsika fa samy Andriamanitra 100% ny Ray sy ny Zanaka dia mazava ho azy fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina rehefa zohina ireo andininy maneho ny momba ny Trinite.

Wayne Grudem:

"Once we understand God the Father and God the Son to be fully God, then the Trinitarian expressions in verses like Matthew 28:19 (“baptizing them in the name of the Father and of the Son and of the Holy Spirit”) assume significance for the doctrine of the Holy Spirit, because they show that the Holy Spirit is classified on an equal level with the Father and the Son. This can be seen if we recognize how unthinkable it would have been for Jesus to say something like, “baptizing them in the name of the Father and of the Son and of the archangel Michael”—this would give to a created being a status entirely inappropriate even to an archangel."

Misy ny milaza fa tsy azo tompoina ny Fanahy Masina satria tsy misy andininy manao hoe "Manompoa ny Fanahy Masina !". Kanefa moa raha mendriky ny fanompoana sy ny dera i Andriamanitra, ary raha Andriamanitra ny Fanahy Masina, dia mazava ho azy fa mendriky ny dera ("il reçoit même adoration et même gloire") ny Fanahy Masina.
répondu par Nehemiah le 12/03/2013 06:51
2. Nehemiah ( 04/03/2013 13:41)
Raha misy liana hamaky ny fizaràna voalohany dia ity ny rohy :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5130b473df3f8
3. bor2lais ( 04/03/2013 14:49)
Tahaka izao ny ahy no mba fandraisako Azy ireo (Trinité) eo amin'ny fiainan'ny Kristiana :

Fanahy Masina (manoro, mampahatsiahy, sns) ---> Kristiana (manara-dia) ---> Zanaka (làlana, ...) ----> Ray (maniraka) ---> Fanahy Masina (boucle)

Izany hoe ny Fanahy Masina no "mampiditra" antsika mpanara-dia an'i Kristy ho ao amin'ny Trinité : tsy izay ve moa ilay antsoina hoe zanak'Andriamanitra ? :-)

Fomba fijery mba tiana zaraina ihany anefa ny ahy io ! :-)
4. Nehemiah ( 05/03/2013 05:41)
Mahaliana ny fomba fijerinao, ry Bor2lais, ary raha ny fahitako azy dia mifandraika @ fampianaran'ny Baiboly, fa asio hoe "Ray --->" eo anoloan'ny boucle satria hoy i Jesoa hoe tsy misy afaka manatona Azy raha tsy ny Ray no nanitona azy.
5. didi10 ( 05/03/2013 12:08)

Nehemiah:

Andriamanitra ny Ray
Ity angamba no tsy iadiana hevitra indrindra - ny heresia rehetra t@ tantaran'ny fiangonana dia nanamafy fa Andriamanitra ny Ray, fa diso t@ fijeriny ny fifandraisan'ireo Persona 3 ireo, na ny toetran'ny Persona 2 ankoatry ny Ray. Ny Ray no nandidy ny zava-drehetra ho misy @ Gen. 1. Izy no nandefa ny Zanany hitafy nofo (Jn. 8:42). Ary Izy no mandefa ny Fanahy Masina (Jn. 14:26). Mazava fa mendriky ny ho deraina sy tompoina ny Ray (Jn. 4:21-23).

Andriamanitra ny Zanaka
Milaza ny Hebreo 1:3 fa i Jesoa no "famirapiratan' ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin' ny herin' ny teniny". Rehefa nahary antsika i Andriamanitra dia "nitovy endrika aminy ary araka ny tarehiny" antsika, ka midika izany fa mitovitovy @'Andriamanitra antsika, nefa mitovy @ alavitra dia alavitra nohon'izay ny Zanaka. Ilay teny grika nadika hoe "endriky ny tenany indrindra" dia ???????? ??? ?????????? ????? (character tes upostaseos autou), ary midika fa mitovy tanteraka @ Ray ny Zanaka. Tsy misy toetra ananan'ny Ray izay tsy ananan'ny Zanaka @ fatrany mitovy. Tsy misy inona na inona izay tsy itovizan'ny Zanaka @ Ray. Izay no nampianarin'i Jesoa rehefa niteny izy hoe : "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" (Jn. 14:9b), ary miteny koa i Paoly hoe : "Fa ao amin’ ny tenany no itoeran’ ny fahafenoan’ ny fomban’ Andriamanitra rehetra".
Manamafy an'izay ny mpanoratra ny Hebreo andininy vitsivitsy aorianan'izay rehefa milaza izy hoe : "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra o, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao" (Heb. 1:8), ka hitantsika @'izany fa miresaka momba ny toetra maha-Andriamanitra ny Zanaka ny Ray.

Ny tsy mampitovy an'i Jesoa @ olombelona rehetra dia nisy talohan'ny nahaterahany Izy. Manomboka ny evanjeliny toy izao i Jaona : "Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia g/A/gndriamanitra." (Jn. 1:1) miresaka momba an'i Jesoa. Antsoiny Izy hoe : "ny Zanakalahy Tokana (?????????, monogenes), Izay ao an-tratran’ ny Ray" (Jn. 1:14).

Hoy i Paoly hoe : "Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy et? ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [Gr. seza fiandrianana] , na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany". (Kol. 1:15-16) Manantitra an'ireto andininy ireto ny mpanda ny Trinite mba hanaporofoana fa voary fotsiny i Jesoa, na dia nasandratra aza. Nefa hoy koa ireto andininy ireto hoe : "ao aminy no nahariana ny zavatra rehetra", ka tsy mba natao izany Izy fa raha tsy izay dia tafiditra ao anatin'ny "zavatra rehetra" Izy. Ny ambaran'ny voambolana "Lahimatoa" eto dia midika fotsiny fa manana ny i/zo/in'ny lahimatoa Izy, ary manana lanja goavana izany satria t@'izany andro izany dia nahazo anjara lova in-droa heny nohon'ny zandriny ny lahimatoa. Ka eto izany dia tsy midika hoe "natao voalohany" (protoktisis @ teny grika) ny "Lahimatoa" (prototokos), fa manambara ny fahamboniany.

Misy toerana betsaka izay ahitantsika ho manana ny toetra izay voatokana ho an'Andriamanitra i Jesoa.
Heb. 13:8 : "Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay."
Hoy i Jesoa @ Jn. 5:26 : "Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy". Nefa i Andriamanitra irery no misy ho Azy.

Heverina ho mendriky ny fiderana sy fanompoana koa i Jesoa @ Testamenta Vaovao. Hoy i Tomasy aorian'ny nitsanganan'i Kristy t@ maty hoe : "Tompoko sy Andriamanitro !" (Jn. 20:28). Ny olo-marina izay mahazo dera izay natokana ho an'Andriamanitra dia tsy maintsy manda an'izany (jereo ny nataon'i Paoly sy Barnabasy @ Asa. 14:8 sy manaraka), nefa tsy nanao an'izay i Jesoa, ka ahazoana antoka fa mety ny nataon'i Tomasy.
Miantso an'i Jesoa hoe "Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika" ny Tit. 2:13. Milaza an'i Jesoa ho "ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay" i Paoly (Rom. 9:5). Isaky ny mahazo hoby sy fiderana i Jesoa @ Soratra Masina dia voatantara @ fomba mankasitraka. Sady tena mitaky voninahitra mitovy @ ny an'ny Ray Izy : Jn. 5:23 : "mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy."

Andriamanitra ny Fanahy Masina
Misy ny mieritreritra ny Fanahy Masina ho karazana hery miafina, tsy fantampantatra, tsy misy maha-Izy Azy (ary misy ny mieritreritra ny fanahy ho zavatra manjavozavo tsy misy fotony. Nefa tena asehon'ny Soratra Masina tsara fa Persona Izy.

Rehefa nandainga momba ny vidy nivarotany ny tanim-boliny i Ananiasy sy Safira dia hoy i Petera hoe : "Nahoana no nisaina izany tao am-ponao hianao? Tsy nandainga tamin’ olona hianao, fa tamin’ Andriamanitra." (Asa. 5:4). Ka ampitoviana @'Andriamanitra ny Fanahy Masina eto. Vao mainka mazava izany @ tohin'ilay boky, satria manondro ny tenany @ voambolana "Ahy" sy ny tovana "-ko" ny Fanahy Masina, ka tsy azo ihodivirana fa Persona Izy :
Asa. 13:2 : "Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy."

Hoy i Davida hoe : "Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] ho fandriako aza aho, indro, any Hianao." (Sal. 139:7-8). Hoy indray i Paoly hoe : "ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza." (1 Kor. 2:10). Ireo andininy ireo dia manambara toetra roa izay voatokana ho an'Andriamanitra : omniprésence, omniscience.

I Andriamanitra no hany afaka manome fiainana ara-panahy (1 Jn. 3:9), kanefa hoy i Jesoa hoe : "Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy." (Jn. 3:5-6) Raha i Andriamanitra irery no afaka manome fiainana ara-panahy, ary ny Fanahy ihany no afaka manome fiainana ara-panahy, dia lojika raha Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Torak'izany, rehefa azontsika fa samy Andriamanitra 100% ny Ray sy ny Zanaka dia mazava ho azy fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina rehefa zohina ireo andininy maneho ny momba ny Trinite.

Wayne Grudem:

"Once we understand God the Father and God the Son to be fully God, then the Trinitarian expressions in verses like Matthew 28:19 (“baptizing them in the name of the Father and of the Son and of the Holy Spirit”) assume significance for the doctrine of the Holy Spirit, because they show that the Holy Spirit is classified on an equal level with the Father and the Son. This can be seen if we recognize how unthinkable it would have been for Jesus to say something like, “baptizing them in the name of the Father and of the Son and of the archangel Michael”—this would give to a created being a status entirely inappropriate even to an archangel."

Misy ny milaza fa tsy azo tompoina ny Fanahy Masina satria tsy misy andininy manao hoe "Manompoa ny Fanahy Masina !". Kanefa moa raha mendriky ny fanompoana sy ny dera i Andriamanitra, ary raha Andriamanitra ny Fanahy Masina, dia mazava ho azy fa mendriky ny dera ("il reçoit même adoration et même gloire") ny Fanahy Masina.

Tsapako sahirana ianao namana amin'ny fanazavana ny momba an'Andriamanitra Fanahy Masina, raha ny tokony ho izy tokoa mantsy dia tsy hoe Andriamanitra ny Fanahy Masina fa hoe Andriamanitra Fanahy Masina.

Vao manomboka ny Baiboly dia manazava ny momba an'Andriamanitra

Gen 1;1
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.

Eto dia miseho sahady fa Andriamanitra dia Fanahy, tsy hery miasa ilay Fanahy fa endrik'Andriamanitra, toetran'Andriamanitra.
Izay ihany dia ampy hanazavana fa Andriamanitra = Fanahy Masina

Gen 1;26
26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika

Raha mino ianao fa Andriamanitra dia Fanahy, araka ny fanazavana eo ambony dia tokony hino fa fanahy tahaka Azy no noforoniNY ho olombelona, noho izany fanahy mitafy nofo isika, ary ny fanahy ao anatinao dia manana ny toetran'ny Fanahin'Andriamanitra satria mitovy Aminy, raha mino izany ianao dia lojika aminao ireto teny ireto:

Jaona 4;24
Andriamanitra dia Fanahy ary izay mivavaka Aminy dia mivavaka amin'ny fanahy sy fahamarinana.

Romana 8 ;5-9
5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana) 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.

Mazava fa rehefa niverina ho ao amin'Andriamanitra Jesosy dia ilay Tenan'Andriamanitra (Fanahy Masina) mihitsy no ampitoeriny ao amintsika (ao amin'ny fanahy) ka tanteraka ilay teny hoe: "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko"

6. Nehemiah ( 05/03/2013 12:48)
Misaotra, fa izany hoe tiako marihina fa, araky ny efa nazavaiko, Persona afaka mieritreritra, mitaky, tezitra, malahelo, mifaly... ny Fanahy Masina, tahaky ny Ray sy ny Zanaka. Raha mionona @ hoe "endrik'Andriamanitra ny Fanahy Masina" antsika dia manjary tafalatsaka anaty karazana modalisme mampidi-doza.
7. toriteny ( 05/03/2013 20:51)

didi10:

Zay vao azoko ny porofo fa tena niova ianao. :-)
8. didi10 ( 06/03/2013 06:04)
Toriteny:

Zay vao azoko ny porofo fa tena niova ianao.

Mila fanazavana fanampiny azafady
9. Miharena ( 06/03/2013 06:45)
Nehemia:

Misaotra, fa izany hoe tiako marihina fa, araky ny efa nazavaiko, Persona afaka mieritreritra, mitaky, tezitra, malahelo, mifaly... ny Fanahy Masina, tahaky ny Ray sy ny Zanaka. Raha mionona @ hoe "endrik'Andriamanitra ny Fanahy Masina" antsika dia manjary tafalatsaka anaty karazana modalisme mampidi-doza.

Mila hazavaina koa ity resakao ity namana azafady.
10. leva2 ( 06/03/2013 08:28)
Velona Jesosy!

Ity resaka entinao momba ny trinité ity namana Nehemiah dia fampianarana théologique ary tohanana amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra, fa tsy fampianarana momba ny trinité araka ny tenin'Andriamanitra mivantana.
Mino aho fa manao théologie ianao, mifandray amin'ny fampianaram-piangonana ny théologie ka miovaova sy miankina indrindra amin'izay fiangonana mampianatra azy.
Ny Tenin'Andriamanitra no tsy miova mandrakizay.

Efa nentiko teto ihany ity fanazavana ity saingy averiko kely sao mety hanampy antsika :

Jaona 17/23, ity endrika firaisana eto ity namana dia ny firaisana ao amin'ny Fanahy Masina, mifanaraka amin'ny I Kor12/13 :"Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray", sy ny hoe "mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy". Efe 4/3-4.
Miteny ny baiboly ny maha-tokana an'Andriamanitra, ary tena marina izany fa porofoin'ny tenin'i Jesosy hoe "izaho sy ny Ray dia iray ihany". Ny olana mantsy dia ny fomba fijery ny personnalité an'i Jesosy Kristy sy Jehovah Ray izay faritana araka ny fijerin'olombelona fotsiny ihany, hany ka tsy ahatakarana ny mistery lalina fonosin'ny teny hoe : Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Momba ny Fanahy Masina :
- Sady ambara ao amin'ny baiboly ny hoe "Fanahin'i Jehovah" : "Ny Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy, Ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy" Joba 33/04, "Ary izahay dia vavolombelon’izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen’Andriamanitra ny manaiky Azy" Asa 05/32.
- No sady voateny matetika koa ny hoe "Fanahin'i Kristy" : "Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô" Gal 04/06. Sy ny hoe :" Fa hianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy" Rom 08/09.
- Voalaza mazava nefa fa iray ihany ny Fanahy anaovana batisa, ary amin'ny alalan'izany Fanahy Masina izany ho hiasany sy hitoerany ary hanjakany ao anatin'ny olony :" mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo" Efe04/04.
Raha atao ny tsoak'hevitra izany dia Fanahin'i Jehovah na Fanahin'i Kristy dia iray ihany, porofoin'ny hoe :"Andriamanitra dia Fanahy" Jao 04/24.
11. Nehemiah ( 11/03/2013 07:19)
Leva2 >> Mety liana @ fizaràna voalohany ianao. Efa nasiako rohy mankany etsy ambony.
12. Miharena ( 11/03/2013 11:00)
Tsy voavalinao angaha namana Nehemia ilay resaka teo aloha io?

Ny modalisma mampidi-doza amiko dia ny fiheveranao mihitsy hoe : persona afaka mieritreritra ny Fanahy Masina... Mety mampidi-doza io an!

Hazavaiko ny hevitro, raha manao izany fahatezerana izany ohatra ny Fanahy Masina dia mamono izany. Amiko, ny sehatra misy ny fifaliana sy ny fahatezerana dia ao amin'ny maha-zanaka raha raisina fa ny toetra ara-nofo no mamaritra azy.

Ny atao koa hoe mahery kokoa ny iray noho ny iray hafa dia mila jerena ao amin'izy telo, izay maneho hatrany ny fomba fiasan'izy ireo eo amin'ny fiainana andavanandron'ny olombelona tsirairay ary ny fomba fiasan'Andriamanitra aseho amin'ny alalan'ireo karazana telo ireo.
13. Nehemiah ( 11/03/2013 12:23)
Ay marina, azafady. Ny modalisme dia fampianarana manao hoe tsy persona samihafa ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina fa endrika 3 ho an'ny Andriamanitra 1 (tahaky ny 3 états de la matière : solide, liquide, gazeux), ka nivadika ho Zanaka ny Ray t@ nahaterahan'i Kristy, ary nivadika ho Fanahy Masina Izy rehefa niakatra tany an-danitra.
14. Nehemiah ( 12/03/2013 06:51)
Io indray ary ny rohy mankany @ fizaràna farany :

http://forum.serasera.org/forum/message/m513ed05475f68
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0511