Ny Trinite, fizaràna voalohany : Tena misy an'izay tokoa ve ny Baiboly ?
1. Nehemiah
(
01/03/2013 14:00)
Ilay Andriamanitra 3 izay 1
Raha hanompo an'ilay Andriamanitra velona antsika dia tsy maintsy farafaharatsiny mba manana fahalalàna ifotony momba ny maha-Izy Azy. Marina fa tsy misy voary afaka ho tonga @ fahalalana an'Andriamanitra feno, fa kosa nanambara fahamarinana vitsivitsy momba Azy Izy @ fomba izay takatry ny olombelona tsotra. @ maha-Kristiana antsika, tokony maniry ny mahazo an-tsaina tanteraka ny Fanambaràn'Andriamanitra momba ny toetrany arak'izay azontsika atao antsika. Eo am-pototry ny Fanambaran'Andriamanitra momba Azy ny Trinite.
Nefa kosa mora kely ny manana fiheverana diso ny Trinite ; na dia ny Kristiana sasany aza tsy mahazo an-tsaina tsara ny tena dikan'ny Trinite. Mikiry @ fampianarana izay efa naseho ho fampianaran-diso na heresia mihitsy t@ tantaran'ny Fiangonana ny sasany na dia tsy tsaroany loatra aza. Ny sasany @'izany dia tsy mahatsiaro fa tsy ara-dalàna ny zavatra inoany, nefa mikiry manao hoe ny Fiangonana no diso fa tsy ny heretika. Amin'izao vanim-potoana izao, tsy dia asiana tsindrim-peo loatra ny fampianarana teolojika, ary tsy mahagaga raha mihakely ny isan'ny olona afaka miteny am-pahatokiana izay ampianaran'ny Baiboly momba ny Trinite.
Tena misy anaty Baiboly tokoa ve ny Trinite ?
Manantitra ireo mpandà ny Trinite fa tsy miseho anaty Baiboly mihitsy ny teny "Trinite" (ary marina ny azy ireo). "Terme technique" io, izay nipoitra taoriandrian'ny nipoiran'ny finoana kristiana mba ahafahana milaza an'izay rehetra momba ny fampianaran'ny Baiboly momba ny maha-3 izay 1 an'Andriamanitra ka tsy hanao kabary lava be isaky ny mandeha. Nefa kosa hita @ Baiboly ny lafin'ity fampianarana ity rehetra :
1 - Tokana i Andriamanitra.
2 - Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, Andriamanitra ny Fanahy Masina.
3 - Miavaka ireto Persona 3 ireto, ary samy Andriamanitra avokoa.
Miavaka @ fifandraisan'Izy Ireo samy Izy Ireo ary miavaka @ fifandraisany @ zavaboary Izy (Ireo) @ Baiboly.
Tokana i Andriamanitra
Mazava ny Baiboly : tokana i Andriamanitra ary Izy irery no tompoina sy omena voninahitra (na dulie, na lâtrie).
Milaza ny Det. 6:4 hoe "Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.".
Milaza i Andriamanitra @ Is. 45:5-6 : "Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy hianao, mba hahafantarana hatrany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatrany amin’ ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa"
Hoy koa Izy @ andininy 21-22 : "Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy, dia ho voavonjy hianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa."
Manamafy i Paoly Apôstôly @ Rom. 3:30 fa tokana i Andriamanitra. Hoy koa izy hoe : "nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa." (1 Kor. 8:6). Hoy indray izy @ toerana hafa : "Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
" (1 Tim. 2:5). Miaiky koa i Jakoba rahalahin'i Jesoa hoe : "Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra" (Jk. 2:19). Marina fa ny maha-zava-dehibe ny ananana zavatra mihoatra ny fampianarana tsy misy kilema no tian'i Jakoba iaviana eto, fa kosa milaza tsara izy fa tsara ny ataon'ireo olona anoratany rehefa mino fa tokana i Andriamanitra.
I Andriamanitra ihany no azo iantefan'ny fanompoana ara-pivavahana. Tsy natao ho tompoina ny anjely (Kol. 2:18) ary tsy manaiky ho tompoina koa ny anjely (, [url=http://www.smartbaiboly.org/online#Apokalypsy%2022:8-9]22:8-9). Tsy natao ho tompoina koa ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana (Dt. 17:3). Tsy azo tompoina ny sampy (Lev. 19:4). Tsy azo tompoina koa ny olombelona (na dulie, na lâtrie) ; tsy nanaiky ny ho tompoina mihitsy ny Apôstôly (Asa. 10:25-26; 14:13-18). Nofaizin'ny anjely ho faty i Herôda satria nanaiky ny ho tompoina (Asa. 12:20-24).
Fa saingy, araky ny ho hitantsika avy eo, tsy i Andriamanitra Ray ihany no mendriky ny fiderana. Mendriky ny dera koa i Andriamanitra Zanaka (Jesoa) sy i Andriamanitra Fanahy Masina. Ka raha lazain'ny Baiboly ho samy mendriky ny dera avokoa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, midika izay fa samy Andriamanitra avokoa Izy (Ireo).
Ny mahamaro an'i Andriamanitra @ Testamenta Taloha
Manomboka @ Genesisy dia efa ahitantsika porofon'ny maha-maro an'Ilay Andriamanitra tokana. Hoy Izy @ Gen. 1:26a (version Darby) : "Faisons l'homme à notre image, selon notre ressemblance" (Mazava kokoa ny dikan-teny vahiny). Hitantsika fa mampiasa ny 1e personne du pluriel (antsika) Izy, nefa singulier ny "image" (endrika) sy "ressemblance" (fanahana) ; manondro antsika ny toetra maha-maro ny Andriamanitra tokana izany ary hitantsika fa tena izay mihitsy no maha-Izy Azy.
Miteny koa Izy @ Gen. 3:22 : " Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy".
@ Is. 6:8, miteny koa Izy hoe : "Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?". Sady mampiasa ny singulier no mampiasa ny pluriel ao anatin'ny fehezanteny 1.
Misy toerana sasany koa @ Baiboly izay ahitàna fiavahana ny persona iray atao hoe "Andriamanitra" na "ny Tompo" na "Jehovah" sy olona iray izay antsoina hoe "Andriamanitra" koa. Ohatra, ny Sal. 110 dia misy hoe : "Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao." Io no tokon'ny Testamenta Taloha izay be citations indrindra @ Testamenta Vaovao rahateo, ary lazaina foana fa Jesoa no iantefan'io tenin'Andriamanitra io.
Ilay Trinite ambara @ Testamenta Vaovao
Vao mainka mazava ny fanambaràna momba ny Trinite @ Testamenta Vaovao. Rehefa natao batisa i Jesoa, nidina t@ t@ endrikana voromailala ny Fanahy Masina, ary heno avy any an-danitra ny feon'ny Ray, ka nivantana teo izany izy 3 ao anatin'ny Trinite (Mt. 3, Mk. 1). Nandidy i Jesoa mba ho atao batisa @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ny mpino (Mt. 28:19).
Feno fomba fiteny manambara ny Trinite ireo Epistilin'i Paoly Apôstôly. Ohatra, milaza ny Rom. 8:3-4 hoe : "Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo, mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy."
Rehefa zohina ny hevitra manodidina no tena mazava ny tian'i Paoly ambara eto. Tsy Andriamanitra 3 miavaka no ampianarin'i Paoly eto fa Andriamanitra 1 Persona 3. Nandefa an'i Andriamanitra Zanaka i Andriamanitra Ray mba hanafaka antsika @ ota, ary rehefa ekentsika ny asan'ny Zanaka, izay i Andriamanitra Fanahy Masina no afaka miasa ao anatintsika mba hanampiana antsika hiaina araky ny famelan-keloka izay nomen'i Andriamanitra Ray antsika maimaim-poana. Nohon'izay, hitantsika fa miavaka ireo Persona 3 ireo, tsy mba tahaky ny fampianaran'ny "mpandala ny mahiray" sasany, ary tsy midika fa fomba samihafa isehoan'ny persona tokana izany.
Andininy 16 sy 17 : "Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa."
Voa mainka mazava ireo fomba fiteny manambara ny Trinite rehefa tsaroantsika fa matetika dia antsoina @ teny grika hoe "theos" (Andriamanitra) ny Ray ary antsoina hoe "kyrios" (Tompo) ny Zanaka, tahaky ny @ 1 Kor. 12:4-6 : "Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra."
Raha mahatsikaritra ianareo dia ny voambolana "Tompo" ([kyrios) no ampiasain'i Paoly eto, fa tsy ny voambolana "Zanaka" (huios), tahaky ny t@ andininy voalaza etsy ambony.
@ tso-drano ho an'ireo anoratana no hita matetika ireny fomba fiteny ireny. Ohatra : ilay 2 Kor. 13:14 fanta-daza : "Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ ny Fanahy Masina."
Ary tsy ny Epistilin'i Paoly irery no ahitàna an'izay. Izao no lazain'ny mpanoratry ny Hebreo (2:3-4) : "hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo (Kyrios, mazava ho azy fa i Jesoa no tiany resahana eto) tamin’ ny voalohany, ary nohamafin’ izay nandre tamintsika kosa, sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony".
Ao koa ny 9:13-14 : "Fa raha ny ran’ osilahy sy ny ran’ ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ ombivavy afafy amin’ izay voaloto no manamasina hatramin’ ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’ i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ ny asa maty mba hanompoanareo an’ Andriamanitra velona."
Izao no fomba fitenin'i Petera (1 Pet. 1:2) : "araka ny fahalalana rahateo, izay an’ Andriamanitra Ray, amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy, ho amin’ ny fanarahana sy ny famafazan’ ny ran’ i Jesosy Kristy : hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana."
Hoy i Jaona hoe (1 Jn. 4:13-14) : "Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao."
Manentana i Joda hoe (20) : "Fa hianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay."
Na dia tsy hita ny voambolana "Trinite" @ Testamenta Vaovao, ao avokoa ilay fampianarana, hany ka tena manova ny hafatry ny Baiboly avokoa ny fampianarana mandà ny Trinite.
Ka "tokana i Andriamanitra" ary "3 izay 1 i Andriamanitra". Nefa tsy azon'ny maro ny ifandraisan'ireo Persona 3 ireo. Milaza ny Baiboly fa samy Andriamanitra tanteraka ireo Persona 3 ireo ary samy manana ny toetra rehetra maha-Andriamanitra an'Andriamanitra, ary izay no ho hitantsika @ fizaràna manaraka.

répondu par Nehemiah le 11/03/2013 06:58
2. mirananirina
(
01/03/2013 17:21)
raha azoko tsara ity dia hoan ilay mpanao "amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina, amen!
Tokana tokoa Andriamanitra, izy irery ihany no Andriamanitra.
nahoana nefa no misy manao Andriamanitra ny baiboly? Iny no tompoina sy arahina, izay tsy ao anatiny dia tsy izy!fantatsika tsara anefa fa olombelona toa antsika no nanoratra azy ireny!Tsy voatery ho ao anaty baiboly daholo ny zavatra nitranga rehetra ,satria tsy Andriamanitra ireo nanoratra ka mahay izay nitranga rehetra.Betsaka ny zavatra mety tsy voasoratra ao anaty baiboly nefa nisy, mba mamakia ange ireny tantara fahiny be ireny eh
Tena misy anaty Baiboly tokoa ve ny Trinite ?
Manantitra ireo mpandà ny Trinite fa tsy miseho anaty Baiboly mihitsy ny teny "Trinite" (ary marina ny azy ireo). "Terme technique" io, izay nipoitra taoriandrian'ny nipoiran'ny finoana kristiana mba ahafahana milaza an'izay rehetra momba ny fampianaran'ny Baiboly momba ny maha-3 izay 1 an'Andriamanitra ka tsy hanao kabary lava be isaky ny mandeha. Nefa kosa hita @ Baiboly ny lafin'ity fampianarana ity rehetra :
1 - Tokana i Andriamanitra.
2 - Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, Andriamanitra ny Fanahy Masina.
3 - Miavaka ireto Persona 3 ireto, ary samy Andriamanitra avokoa
Tokana tokoa Andriamanitra, izy irery ihany no Andriamanitra.
nahoana nefa no misy manao Andriamanitra ny baiboly? Iny no tompoina sy arahina, izay tsy ao anatiny dia tsy izy!fantatsika tsara anefa fa olombelona toa antsika no nanoratra azy ireny!Tsy voatery ho ao anaty baiboly daholo ny zavatra nitranga rehetra ,satria tsy Andriamanitra ireo nanoratra ka mahay izay nitranga rehetra.Betsaka ny zavatra mety tsy voasoratra ao anaty baiboly nefa nisy, mba mamakia ange ireny tantara fahiny be ireny eh
3. Miharena
(
01/03/2013 19:47)
Misaotra ny namana Nehemiah fa mazava tsara ny Fototra nohazavaina teto. Raha zohina tsara dia io ihany no marina azo ijoroana momba ny Baiboly manontolo. Ny sisa dia endrika nifamahofaho avokoa raha tantara no resahana ao anaty Baiboly. Raha zohina tsara ny zavatra voizina rehetra momba ny famonjena dia ny fampianarana ny maha-IRAY ao amin'ny Trinité. Na ilay mnome ilay atao hoe Endrik'Andriamanitra miaina ao anatintsika.
Ka tsy misy marimaritra iraisana izany fa rehefa atao hoe fahamarinana Fototra tsy iadian-kevitra (Vérité absolue) dia izay no zotra tokony arahana. Mpandresy sahady izany isika rraha mandray ny Trinité dia raha vantany vao nandray ny Batisa fotsiny, na mifoha ho amin'izany fahalalàna sy finoana izany. Ny asan'y Trinité no manadio ny momba antsika rehetra ka azo lazaina fa zanaky ny Mazava isika amin'izay satria mampiatrano ao anaty ny Mazava ary maneho izany ho an'ny mpiara-belona.

4. Nehemiah
(
02/03/2013 05:41)
mirananirina:
nahoana nefa no misy manao Andriamanitra ny baiboly? Iny no tompoina sy arahina, izay tsy ao anatiny dia tsy izy!fantatsika tsara anefa fa olombelona toa antsika no nanoratra azy ireny!Tsy voatery ho ao anaty baiboly daholo ny zavatra nitranga rehetra ,satria tsy Andriamanitra ireo nanoratra ka mahay izay nitranga rehetra.Betsaka ny zavatra mety tsy voasoratra ao anaty baiboly nefa nisy, mba mamakia ange ireny tantara fahiny be ireny eh
Tsikera ve izao ? Tsy atao "Andriamanitra" izao ny Baiboly, fa raisina @ maha-tenin'Andriamanitra azy. Mba takatry ny sainao tanteraka ve ny tena dikan'izany ? Ny dikan'izany dia teny marina sy azo antoka ny zavatra rehetra teneniny, ary manam-pahefàna ilay izy, fa tsy boky tsotra. Ka io ihany no tokony ho référence-ntsika faratampony (ohatra : milaza ny Baiboly fa rehefa maty dia tonga dia mandeha @ toerana sahaza azy ny fanahy, na Paradisa na Hadesy, ary tsy afaka miverina avy any, ka tsy misy izany ny angatra fa fitaky ny devoly izany).
Tsy Andriamanitra ireo mpanoratra ny Baiboly, fa kosa nahazo ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina, ka tsy manimba ny fahefan'ny Baiboly mihitsy ny maha-olombelona mpanota mety diso azy ireo. Tsy hoe nataon'Andriamanitra dictée ilay izy, fa notarihiny ny fiainana sy ny personnalité-n'ireo mpanoratra mba hanoratra ny zavatra tiany hosoratany indrindra.
Tsy mitovy ny fiheveran'ny kristiana ny Baiboly sy ny fiheveran'ny silamo ny Korana. Ny Baiboly tsy milaza ny rehetra tokony fantantsika momba ny zava-drehetra, fa kosa milaza ny rehetra tokony haintsika momba ny ara-panahy. Ka raha milaza ny Baiboly fa tsy misy anampiana ilay izy dia izay no izy, na zakantsika na tsy zakantsika. Azo atao ny mandinika ny Baiboly sy manatsoaka hevitra lalina ao anatiny, na mampiasa azy ho fototry ny ezaka ataontsika @ taranja hafa (ny ankamaroan'ny manam-pahaizana Eoropeana dia niainga avy @ filazàn'ny Baiboly fa misy fandaharany sy dikany izao tontolo izao fa tsy tongatonga ho azy ary Andriamanitry ny filaminana i Andriamanitra). Fa tsy azo atao kosa ny mametraka fanambaràna na fampianarana hafa dia iny no lazaina fa mitovy lenta @ Baiboly.
Zavatra efa naverimberiko t@'ity serasera ity ireo.
5. didi10
(
04/03/2013 07:18)
Tsy fivavahana monothéisme ny finoana ny Trinité.
Inona kay no mahasarotra ny finoana fa Jehovah ihany no Jesosy?

6. Nehemiah
(
04/03/2013 07:52)
Hmmm... Mba novakianao ihany ve ny lohahevitra ?
Inona izany no tianao ambara ? Tsy Persona miavaka i Jehovah sy i Jesoa ? Dia iza izany no nampitondra an'i Jesoa ny otan'ny olombelona rehetra tany Kalvary ?

7. bor2lais
(
04/03/2013 10:16)
didi10:
Inona kay no mahasarotra ny finoana fa Jehovah ihany no Jesosy?
Sarotra amiko ny hino fa Jehovah Ilay nofantsihana teo amin'ny hazo fijaliana ary Jesosy no Ilay Ray nahafoy Azy ! :-)
(Raha tohizako dia sarotra amiko ihany koa ny hino fa Jehovah na Jesosy no nilatsaka tamin'ny mpianatra ny andro pentekosta ! :-) )
8. Miharena
(
04/03/2013 11:54)
Iza tokoa moa no nilaza fa nahafoy Azy ny Ray?
Raha niteny IZY hoe Izaho sy ny Ray dia iray ihany, ary raha nisokatra ny lanitra tamin'ny fotoana nanaovana batisa Azy, tsy ny Fanahiny ihany ve io feo niteny io?
Fa ianao aloha milaza fa tsy mino izany fa izaho dia niainako ilay izy fa hay io fanahiko io miteny amiko hoe : ny teniko no teninao, ny tenako no tenanao nefa ny ao anatiko no maheno azy, hoatr'ireny hoe misaraka ireny izahay nefa hay iray ihany. Izany hoe raha niaina ny expérience de fusion ianao dia mahafantatra tsara izany resahana izany, fa izay tsy niaina izany kosa aloha dia mbola tsy hahazo ilay Trinité mihitsy e! Ataony sarisary sy dogma io fa tsy ho takany ny heviny (raha saina fotsiny koa no mihevitra azy dia tsy tafita e! Iainana izy io manko fa tsy sainina).

9. bor2lais
(
04/03/2013 12:43)
miharena:
Iza tokoa moa no nilaza fa nahafoy Azy ny Ray?
Ekeko (ary inoako) fa tsy nahafoy Azy akory ny Ray na dia niteny an'ireto aza Izy :
- Ary hoy Izy: "Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao"
- "Ely, Ely, lamà sabaktany?"
Fa nentiko nanindry ny maha samihafa Azy ireo (entité 2 fa tsy 1) fotsiny ka ! :-)
miharena:
Fa ianao aloha milaza fa tsy mino izany fa izaho dia niainako ilay izy fa hay io fanahiko io miteny amiko hoe : ny teniko no teninao, ny tenako no tenanao nefa ny ao anatiko no maheno azy, hoatr'ireny hoe misaraka ireny izahay nefa hay iray ihany. Izany hoe raha niaina ny expérience de fusion ianao dia mahafantatra tsara izany resahana izany, fa izay tsy niaina izany kosa aloha dia mbola tsy hahazo ilay Trinité mihitsy e! Ataony sarisary sy dogma io fa tsy ho takany ny heviny (raha saina fotsiny koa no mihevitra azy dia tsy tafita e! Iainana izy io manko fa tsy sainina).
Izy ity moa tsy atao ifamaliana angamba fa fifampizarana e. Ny nahatonga ahy nanoratra io ambony io dia noho ny fanamarihana nataon'ny namana ra-didi10 etsy ambony :
radidi:
Inona kay no mahasarotra ny finoana fa Jehovah ihany no Jesosy?
Amiko indray aloha ry miharena tsy dia fusion loatra araka ny ambaranao akory ny Trinité fa communion e ! :-)
Fomba fijery tiana zaraina ihany anefa izay fa tsy atao ho rohitina lava be akory ! :-)
11. mirananirina
(
05/03/2013 15:25)
Nehemiah:
mirananirina:
nahoana nefa no misy manao Andriamanitra ny baiboly? Iny no tompoina sy arahina, izay tsy ao anatiny dia tsy izy!fantatsika tsara anefa fa olombelona toa antsika no nanoratra azy ireny!Tsy voatery ho ao anaty baiboly daholo ny zavatra nitranga rehetra ,satria tsy Andriamanitra ireo nanoratra ka mahay izay nitranga rehetra.Betsaka ny zavatra mety tsy voasoratra ao anaty baiboly nefa nisy, mba mamakia ange ireny tantara fahiny be ireny eh
Tsikera ve izao ? Tsy atao "Andriamanitra" izao ny Baiboly, fa raisina @ maha-tenin'Andriamanitra azy. Mba takatry ny sainao tanteraka ve ny tena dikan'izany ? Ny dikan'izany dia teny marina sy azo antoka ny zavatra rehetra teneniny, ary manam-pahefàna ilay izy, fa tsy boky tsotra. Ka io ihany no tokony ho référence-ntsika faratampony (ohatra : milaza ny Baiboly fa rehefa maty dia tonga dia mandeha @ toerana sahaza azy ny fanahy, na Paradisa na Hadesy, ary tsy afaka miverina avy any, ka tsy misy izany ny angatra fa fitaky ny devoly izany).
Tsy Andriamanitra ireo mpanoratra ny Baiboly, fa kosa nahazo ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina, ka tsy manimba ny fahefan'ny Baiboly mihitsy ny maha-olombelona mpanota mety diso azy ireo. Tsy hoe nataon'Andriamanitra dictée ilay izy, fa notarihiny ny fiainana sy ny personnalité-n'ireo mpanoratra mba hanoratra ny zavatra tiany hosoratany indrindra.
Tsy mitovy ny fiheveran'ny kristiana ny Baiboly sy ny fiheveran'ny silamo ny Korana. Ny Baiboly tsy milaza ny rehetra tokony fantantsika momba ny zava-drehetra, fa kosa milaza ny rehetra tokony haintsika momba ny ara-panahy. Ka raha milaza ny Baiboly fa tsy misy anampiana ilay izy dia izay no izy, na zakantsika na tsy zakantsika. Azo atao ny mandinika ny Baiboly sy manatsoaka hevitra lalina ao anatiny, na mampiasa azy ho fototry ny ezaka ataontsika @ taranja hafa (ny ankamaroan'ny manam-pahaizana Eoropeana dia niainga avy @ filazàn'ny Baiboly fa misy fandaharany sy dikany izao tontolo izao fa tsy tongatonga ho azy ary Andriamanitry ny filaminana i Andriamanitra). Fa tsy azo atao kosa ny mametraka fanambaràna na fampianarana hafa dia iny no lazaina fa mitovy lenta @ Baiboly.
Zavatra efa naverimberiko t@'ity serasera ity ireo.
Ao ary fa ataotsika hoe tenin'Andriamanitra ny baiboly? ary ny zavatra nataon'Andriamanitra ihany koa!!Ka na iza na iza milaza ao anaty baiboly fa namono olona bdb Andriamanitra dia tsy mino aho toy : Noé, samson, david et Goliath, Moise sns...maro be!!!
Andriamanitra amiko dia mpamela heloka, mpamindra fo, tia ny olona rehetra ka tsy ho ringaniny na vonoiny mihitsy ny olombelona namboariny
12. Miharena
(
05/03/2013 15:42)
Io anie namana Miarananirina ilay controverse hita mibaribary ao e! Misy didy avoaka hoe aza mamono olona, nefa misy fanirahana hamono olona ao anatin"ilay Baiboly.
Dia mitovy amin'io koa ny Korana, misy didy roa mifanipaka.
Dia hoy aho hoe, tena marina ve ny hafatra ao anatiny ao sa tsia e!
Sao dia tsy izy io lazaina fa manana anarana io? I Kristy manko tsy tia niantso anarana mihitsy fa naleony niteny hoe Ray, Zanaka, Fanahy Masina.
Izay no mba hanohanako ny Trinité eto satria mifandraiak tsara amin'ny maha-IZY AZY, mamelona fa tsy mamono. Manome lova tsara fa tsy lova ratsy.

13. Nehemiah
(
11/03/2013 06:58)
mirananirina:
Ao ary fa ataotsika hoe tenin'Andriamanitra ny baiboly? ary ny zavatra nataon'Andriamanitra ihany koa!!Ka na iza na iza milaza ao anaty baiboly fa namono olona bdb Andriamanitra dia tsy mino aho toy : Noé, samson, david et Goliath, Moise sns...maro be!!!
Andriamanitra amiko dia mpamela heloka, mpamindra fo, tia ny olona rehetra ka tsy ho ringaniny na vonoiny mihitsy ny olombelona namboariny
Raha izay no Andriamanitra inoanao dia tsy mba i Jehovah Masina Indrindra tsy manao ny meloka ho marina fotsiny izao izay voambara anaty Baiboly izany fa Andriamanitra namboamboarinao, ka fanompoan-tsampy izany ny anao, miala tsiny raha hentitra ny teniko.
Inona moa ny dikan'izany Andriamanitra Masina izany ? Andriamanitra tsy mahatanty an'izay rehetra maloton'ny ota. Ary izay no nanirahany an'i Kristy, mba hanafaka antsika @ ota. Fa kosa tsy anjarantsika ny mimonomonona momba ny zavatra nataon'Andriamanitra, satria @ maha-Mpahary azy dia manana ny Fiandrianany @ fiainantsika olombelona Izy, na zakanao na tsy zakanao, ary zoany ny anaovany antsika izay tiany.
Sady mari-pototra foana ny zavatra ataony, izay mihitsy no lohahevitry ny bokin'i Joba, fa tsy voatery takantsika foana ny fisainany e !
Fa raha minia tsy mino ny Baiboly ianao dia tsy aleo milaza mazava tsara fa tsy mpanara-dian'ilay niteny hoe : "ny Soratra Masina tsy azo foanana" (Jn. 10:35b) ianao ?