Fiombonan'ny olona masina !

1. bor2lais ( 28/02/2013 13:51)
Ao anaty fanekem-pinoana apostolika (ankoatry ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina) dia misy hoe :
"mino ny :
- Fiangonana masina manerana izao tontolo izao (Eglise catholique (fa tsy EKAR akory a ) ;-) )
- Fiombonan'ny olona masina (communion des saints) "

Ahoana ny fandraisanao an'ireo (raha mino izany ianao mazava ho azy) ? :-)
répondu par bor2lais le 05/03/2013 16:34
2. yohanan ( 28/02/2013 14:17)
Marobe ny hebitra mifaningotra @io fifanekena natao tany Nicée io. Ho an'izay manaiky na mino an'izany dia hoe Apostolika io fa aminay dia ROMANA io , izany hoe ny Empereur t@ izany no nanery ny mpivory hanaiky an'io.
Raha ny hevitray dia marimaritra iraisana io teo anatrehan'ny adihevitra tsy nety nifarana momba ny foto-pampianarana samy hafa izay misy fahamarinana saingy misy ny mivaona tanteraka.Anisan'izany io hoe "canonisation de saint" io; fa izay no nanaovana an'io.
Tsara ny mamantatra ny tantaran'ny Fiangonana sy mandinika ny Teny voasoratra mba tsy hanara-driandrano fotsiny.
Ny hoe MASINA dia VOATOKANA. Voatokana tanteraka ho an' Ilay ivavahanao ianao, dia Ilay nampisy ny lanitra sy ny tany. Ary Voatokana ho an'Ilay Mpamonjy dia ny Zanany Malalany izay nirahiny tety. @zao velona izao fa tsy rehefa maty.
Mazava ho azy fa misy ny fiombonana raho mitovy ny fiainana ny finoana. AMEN !
3. bor2lais ( 28/02/2013 14:37)
yohanan:

Mazava ho azy fa misy ny fiombonana raho mitovy ny fiainana ny finoana

Hita taratra eto izany fa tsy dia aminao loatra ilay fitenenana hoe :"fiombonana ao anatin'ny fahasamihafana e" ? :-)
4. hery ( 28/02/2013 14:38)
yohanan > fa ahoana tsara ny anareo ny fiekem-pinoana aloha?
5. Nehemiah ( 28/02/2013 15:08)
Ny hadisoana eto dia ny fiheverana ho fikambanana na anaram-piangonana ny Fiangonana resahana @ fanekem-pinoana.

Ny Fiangonan'i Kristy dia tsy inona fa ny fitambaran'izay rehetra mino azy sy mankato azy, izay ahitàna katôlika, prôtestanta, ôrtôdôksa, Jiosy mesianika, adventista,...
6. hery ( 28/02/2013 15:13)

Ny hadisoana eto dia ny fiheverana ho fikambanana na anaram-piangonana ny Fiangonana resahana @ fanekem-pinoana.

Tsy misy mihevitra an'izay ka.

Fa tsy iny no olana eto fa ilay hoe fiombonan'ny olona masina, raha misy zavatra toa izany ao amin'ny fiekempinoana
7. yohanan ( 28/02/2013 15:14)
- Elôhym nampisy ny lanitra sy ny tany dia TOKANA ihany.
- Tokony hotiavina @fo sy ny saina ary ny hery rehetra Izy.
- Manana ny lanjany ny Anarany, ary tsy azo tonontononina foana.
- Yeshoah Ilay Zanany Malalany dia nirahiny tety hanatanteraka ny fikasany ny @ taranak'olombelona.
- Ny trano Yehodah (Joda) sy Yisrael no notapahany ho fanekena vaovao. Izany dia midika hoe @ alalan'ireo ny fandraisana ny famonjena. Miaraka @ireo.
- Vahoaka voatokana ireo

Santionany ireo fa raha tsy liana ianao dia tsy ho azonao izany !Efa nambarambaran'i Moustaraf ihany koa ny sasany. (Taranaka Hebreo isika Malagasy , isika no fanekena faharoa)

8. hery ( 28/02/2013 15:16)
yohanan> ah ok. Tsy ao anatin'ilay fiekem-pinoana resahina eto izany koa hitako hoe hors sujet ihany.

Momba ny hoe taranaka hebreo isika dia azonao anokafana lohahevitra vaovao dia any isika mifampiresaka tsara.
9. Nehemiah ( 28/02/2013 15:17)
Iray @ Kristy ny mpino !
10. lekialala ( 28/02/2013 15:42)
yohanan:

- Elôhym nampisy ny lanitra sy ny tany dia TOKANA ihany.
- Tokony hotiavina @fo sy ny saina ary ny hery rehetra Izy.
- Manana ny lanjany ny Anarany, ary tsy azo tonontononina foana.
- Yeshoah Ilay Zanany Malalany dia nirahiny tety hanatanteraka ny fikasany ny @ taranak'olombelona.
- Ny trano Yehodah (Joda) sy Yisrael no notapahany ho fanekena vaovao. Izany dia midika hoe @ alalan'ireo ny fandraisana ny famonjena. Miaraka @ireo.
- Vahoaka voatokana ireo

Santionany ireo fa raha tsy liana ianao dia tsy ho azonao izany !Efa nambarambaran'i Moustaraf ihany koa ny sasany. (Taranaka Hebreo isika Malagasy , isika no fanekena faharoa)

Tsy diso ireo (tsy azoko tsara ilay hoe @ alalan'ireo? Joda sy Isiraely??) fa saingy araky ny nambaranao "package" miaraka @ famonjena ny fidirana ao @ olon'A/tra, vahoakan'A/Tra (izay ilay fampanantenana azon'i Abrahama) Efes 2, Efes 3. Fa angamba kosa tsy hoe "condition"...

Ankoatr'izay ilay hoe => jiosy ny gasy... tsy hoe te hivatravatra aho fa tena tahakan'ny tsy hitako ny "valeur ajouté" an'izay raha hoarina @ ilay efa nambara eo aloha (Apostolic Creed): Jiosy + tsy Jiosy, lahy + vavy, Andevo + Tsy Andevo. Ny vahoakan'A/Tra vaovao dia vahoaka miray, afaka, ary indrindra VAOVAO (Efes 2).

Vao nanomboka kelikely ny finoana Kristiana dia maro dia maro ireo "Judaizer": mila manaraka lalana, mila manao an'ity sy iry, mila mijiosy, ny Kristiana tao Galaty dia nahazo "daka miodina" avy any @ Paoly mihitsy satria araky ny nambarako teo, ao @ Kristy: Jiosy + Tsy Jiosy miray latabatra, ny lalana tsy mamonjy (LAVO @ fahasoavana izay te hanaraka ny lalana Gal 2 sô 3 tsy tadidiko, lol)

Apostolic Creed:
Tena manana ny lanjany io satria anisan'ny zavatra fantatra fa azo avy @ ireo izay nanakaiky an'i Jesosy (ny Mpianany), ary tsy marina ny filazana fa Nicée no niatombohan'io(tahaka n y filazana fa ny trinité dia t@ Nicée vao nanomboka).

Fiombonan'ny Olo-Masina:
isika no olo-masina, izay ao @ "ekipa"... Jereo ny taratasin'i Paoly: Ho an'ny Olo-masina ao Korinto, nefa laozany manitsy ny fijery mivilana an'ny Korintiana izy (fijangajangana, fizahozahoana, etsetra.) tsy ambakan'izany koa ny Efesiana, Galatiana, etsetra... nefa "Olo-masina" daholo ireny. Tsy tadidiko ny toko sy andininy (ao @ Hebreo) fa ny mpino (ny tena mpino) dia izay nohamarinin'ny fahafatesan'i Jesoa (Jesosy) sy nohamasininy, novidiany t@ rany.

Misaotra
11. bor2lais ( 28/02/2013 16:39)
lekialala:

Misaotra indrindra amin'ny fanazavana. Ny fanontaniana (lojika) mitohy amin'io famaritana nomenao io : very ve ilay "qualité" maha olo-masina rehefa maty na nantsoin'ny Ray (hody any Aminy) sa tsia ? :-)
12. lekialala ( 28/02/2013 17:03)
Tsia... any vao tena "vrai" lol. (paraphrase ny hosoratako eto fa tsy quotation mivantana @ Baiboly) manomboka @ 2 Kor 4 i Paoly dia milaza ny "harena" azony (azontsika) izay ao @ "vilany tany" (and. 7), avy eo izy mitantara ny fijaliany/ fihetreny mbamin'ny tanjon'izany (and. 8-15) ary ny and. 16 mariho: Ny toetra anatiny dia avaozina isan'andro, io toetra anatiny io "no tena vrai" (Jereo koa Rom 8, momba ilay "izao tontolo izao" vaovao, 2.0, lol, izay misento miandry ny "fisehon'ny" zanak'A/Tra, na Kol 3: 1-3 na 1 Jaona 3:1-3 milaza daholo antsika miandry sy mitodi-doha @ ilay "fisehontsika zanak'A/tra hitovy @ Jesoa/Jesosy @ Voninahiny") tiako ahatongavana:
1- Misy fomba fijery hoe "efa izy/mbola ho avy" ny famonjena: Efa voavonjy isika, mbola vonjena ary ho vonjena (ary izay nanomboka ny asa tao amintsika no hanatanteraka an'io). Voavonjy t@ vokatry ny ota isika (Justification), vonjena @ herin'ny ota isika (Sanctification), ary ho vonjena @ fisian'ny ota isika (Glorification). @ ireo sehetra rehetra ireo anefa "voavonjy" foana isika, "masina", Glorification io resahinao io ka valiny = any vao tena miseho ny maha-masina antsika
2- 2 Kor 5 tapany voalohany mamelabelatra tsara an'io hevitro io

Lava loatra, lol, misaotra betsaka
13. niryna ( 28/02/2013 17:53)

bor2lais:

Ao anaty fanekem-pinoana apostolika (ankoatry ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina) dia misy hoe :
"mino ny :
- Fiangonana masina manerana izao tontolo izao (Eglise catholique (fa tsy EKAR akory a ) ;-) )
- Fiombonan'ny olona masina (communion des saints) "

Ahoana ny fandraisanao an'ireo (raha mino izany ianao mazava ho azy) ? :-)
misaotra anao nametraka ny fanontaniana
Amiko ilay hoe fiangonana katolika dia ilay fiangonana izay iraisan'ny mpino rehetra ary manaiky fa Kristy no lohan'ny fiangonana ary isika dia ratsambatana fotsiny ihany ary mizarazara ny fahasoavana omeny antsika.Ary Izy ihany koa no mpanelanelana antsika amin'Andriamanitra ary tsy misy ary tsy nisy mihitsy olona hafa ankoatrany hanelanelana antsika amin'Andriamanitra noho izany tsy hoe akory ilay fiangonanan'ny katolika ankehitriny no tiana tenenina io,io anarana fiangonana fotsiny
.Hevitro izany a sao aho torahanareo voadabia eo
Ny antony mahatonga ahy hiteny izany dia toa izao foana no mitranga.Rehefa mizara boky fivavahana ho an'ny mpiara-miasa aminay aho dia hoy foana ny havalin'ny katolika hoe tsy kristiana izahay fa katolika . Dia amindry zareo izany ny kristiana sy ny katolika dia samy hafa,ny antony aloha tsy fantatro ary tsy hiadiako hevitra
14. sitlo ( 28/02/2013 20:09)
Mifamahofaho be ilay dinika.

Misy afaka mamaritra ve aloha ilay hoe olo-masina? Samy hafa ve ny "olona masina" sy ny "olo-masina"?

Misy zavatra lehibe tiako ho ampitaina mantsy ka sao dia lasa rano atsipy amim-bolom-borona raha sendra tsy mifandraika tsara ny foto-dresatsika.
15. lekialala ( 28/02/2013 20:20)

sitlo:

Mifamahofaho be ilay dinika.

Misy afaka mamaritra ve aloha ilay hoe olo-masina? Samy hafa ve ny "olona masina" sy ny "olo-masina"?

Misy zavatra lehibe tiako ho ampitaina mantsy ka sao dia lasa rano atsipy amim-bolom-borona raha sendra tsy mifandraika tsara ny foto-dresatsika.

Olona masina/ Olo-masina: fiombonan'ny olona masina (communion of the Saints) ao @ fanekem-pinoan'ny Apostoly (Apostles creed). Ny fanontaniana iza ireo Olona masina/ Olo-masina ireo?

ps: Olo-masina no marina kokoa raha ny fitsipi-pitenenana satri mitovy firafitra @ hoe olombelona ohatra fa tsy olona velona...
16. bor2lais ( 01/03/2013 11:40)
Misaotra an'i "lekialala" amin'ny valinteny ! Fintiniko ny resatsika :
lekialala:

Fiombonan'ny Olo-Masina:
isika no olo-masina

izaho:

very ve ilay "qualité" maha olo-masina rehefa maty na nantsoin'ny Ray (hody any Aminy) sa tsia ?

lekialala:

Tsia... any vao tena "vrai"

Fanontaniana (lojika) manaraka mitohy amin'ilay teo dia ity : azo inoana ve fa afaka miresaka amin'Andriamanitra (na amin'i Jesoa) izy ireo sa tsy misy ifandraisany ? :-)
17. hery ( 01/03/2013 11:54)
bor2lais:

Fanontaniana (lojika) manaraka mitohy amin'ilay teo dia ity : azo inoana ve fa afaka miresaka amin'Andriamanitra (na amin'i Jesoa) izy ireo sa tsy misy ifandraisany ?

Eny, teto an-tany ara izy afaka niresaka tamin'Andriamanitra, vao mainka fa eo anilany?
18. lekialala ( 01/03/2013 12:11)

bor2lais:

Misaotra an'i "lekialala" amin'ny valinteny ! Fintiniko ny resatsika :
lekialala:

Fiombonan'ny Olo-Masina:
isika no olo-masina

izaho:

very ve ilay "qualité" maha olo-masina rehefa maty na nantsoin'ny Ray (hody any Aminy) sa tsia ?

lekialala:

Tsia... any vao tena "vrai"

Fanontaniana (lojika) manaraka mitohy amin'ilay teo dia ity : azo inoana ve fa afaka miresaka amin'Andriamanitra (na amin'i Jesoa) izy ireo sa tsy misy ifandraisany ? :-)

Alohan'ny hamaliako an'ilay fanontaniana dia misy zavatra angamba tsara velarina aloha: "ny fiainana arinan'ny fahafatesana" SY NY "fiainana arinan'ny fiainana arinan'ny fahafatesana"

+ fiainana arinan'ny fahafatesana
- @ oviana? dieny maty (vix) ka ao @ Tompo dia makany
- Aiza? Any an-danitra: eo @ fanatrehan'ny Tompo
- Mahatsiaro tena ve rahefa any? fohy dia fohy ny toerana sady tsy tiako hitarina lava be ilay resaka fa raha ny fahazon'ny Testamenta Taloha azy (Sheol no fiantso azy) sy ny @ Testamenta Vaovao dia "velombelomina" eo anatrehan'ny Tompo ny FANAHIN'ireo izay efa lasa "nantsoin'ny Tompo", izany hoe ao @ Tompo fa TSY mahatsiaro tena, izay ilay hevitr'ilay hoe MATORY ao @ Tompo

=> Eo anatrehan'ny Tompo izy fa matory, tsy afaka miresaka, fa matory. izany hoe raha izao ka misy mpino maty (vix) dia tsy dia "afa-manoatra" loatra izy fa matory @ izao

++ fiainana arinan'ny fiainana arinan'ny fahafatesana
- @ oviana? rehefa miverina eny @ rahon'ny lanitra Jesosy, be dia be ny theorie momba an'izy ity (eschatology no anaran'ilay izy ho an'izay liana) fa 1 Cor 15 sy 1 Tes 4 no miresaka tsara momba azy. 1) izay efa maty (matory) ao @ Tompo HIFOHA ka hitsangana 2) Isika velona ka mitoetra hiova tsy mety ho lo ny tena mety lo (ITO ILAY TENA VRAI NOLAZAIKO tery ambony)
- Aiza? tsy hanome coordonnées geographiques a fa, lol, tany vaovao sy lanitra vaovao (tany 2.0), Jerosalema vaovao, zavatra materialy, A/tra sy Jesoa/Jesosy ho eo anivon'ny olony
- Mahatsiaro tena ve rehefa any? Tena mahatsiaro tena, ny sarisary omen'ny Mpaminany dia hamelatra latabatra ny Tompo, hisakafo sy hisotro divay, etsetra. Araky Paoly dia Olom-pirenena (citizen) an'io Fanjakan'A/Tra io isika (misy andraikitra mila atao), arak'i Apokalipsy dia ho fafan'A/tra ny ranomaso eny @ tava. ENY, mahatsiaro tena any, atao inona moa vantana vaovao raha tsy mahatsiaro tena...

=> Any ilay TENA VRAI fa tsy ilay arinan'ny fahafatesana akory (raha mbola tsy miverina ny Tompo)

Misaotra
19. bor2lais ( 01/03/2013 12:43)
lekialala > Mbola mamerina ny fisaorana amin'ny fitondrana fanazavana !
hery:

Eny, teto an-tany ara izy afaka niresaka tamin'Andriamanitra, vao mainka fa eo anilany?

Ka en 2 étapes tahaka ny fanazavan'i "lekialala" sa étape 1 ihany ny anao ? :-)
20. Nehemiah ( 01/03/2013 13:19)

lekialala:

=> Eo anatrehan'ny Tompo izy fa matory, tsy afaka miresaka, fa matory. izany hoe raha izao ka misy mpino maty (vix) dia tsy dia "afa-manoatra" loatra izy fa matory @ izao

Tsy "mitsahatra" ve no marimarina tokoa toy izay "matory" ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6719