Fiombonan'ny olona masina !

21. bor2lais ( 01/03/2013 18:04)
Ary ahoana indray ny fahazoantsika ny teniNY tamin'ilay jiolahy nifantsika teo anilany hoe : "anio no hihaonanao amiko any am-paradisa" (na mitovitovy amin'izay ! ;-) ). En 2 étapes ve iny sa tsy isan'ireo lazaina fa olo-masina iny jiolahy iny ? :-)
22. Miharena ( 01/03/2013 20:20)
Tokony tsy hifamahofaho ny dinika eto.

Satria ny fiombonan'ny olona masina dia ny Israely aloha, izay Firenena masina. Raha miresaka firenena dia mazava fa fitambaran'ny olona izany. Ka na io Israely, na io hafa firenena dia fiombonan'ny olona masina izay.

Ny resaka hoe tsy manana anjara intsony ho an'ny velona izy ireo dia tsy mitombina satria velona izy ireo.

Mety hisy hilaza ny hoe ahoana àry ilay hoe mitsahatra amin'izay nisasarany izy? Ny tena sy ny vatana no nisasatra ary mitsahatra izany rehefa tonga amin'ny sehatra maha-fanahy feno azy ny olona tsirairay. Koa tsy mahagaga raha misy ny olomasina izay miasa manao fanelanelanana mba hahazoan'ny mahanofo antsika ny atao hoe fiainana ara-panahy.

Fa izany eo ihany fa ny fiangonana no fiombonan'ny olomasina dieny eto an-tany. Izay tsy te-hilaza tena hoe olomasina dia tsy tokony hanonona io vavaka iraisam-pinoana io akory.
23. bor2lais ( 02/03/2013 09:26)
miharena:

Tokony tsy hifamahofaho ny dinika eto

Apetrao ny fanontanianao raha toa misy tsy azonao na mifamahofaho ao an-tsainao izay voalaza ka ! ;-)
24. Miharena ( 02/03/2013 14:55)
Fanohizana ilay fanontaniana momba ilay jiolahy. Ny hasin'ny olona iray dia tsy hita amin'ny toetrany ivelany. Ny Tompo no mahalala ny ao am-pony ary masina efa hatrizay io jiolahy io no fandraisako azy satria efa mahalala an'Andriamanitra fa sendra ny ankason'ny fiainana dia tsy afa-manoatra haneho izany fahamasinany izany.

Toy izany avy ny olon-drehetra amiko, rehefa tonga ny fotoana dia mifoha izy vao afaka maneho ilay tena IZY ao aminy.
25. Nehemiah ( 04/03/2013 05:31)

Miharena:

Fanohizana ilay fanontaniana momba ilay jiolahy. Ny hasin'ny olona iray dia tsy hita amin'ny toetrany ivelany.

Ahoana indray ny hoe "Ny voany no ahafantarana ny hazo" ?
26. Miharena ( 04/03/2013 05:53)
Ny voany no ao anatiny fa ny hazo dia izay miseho ivelany. Ny olana amin'io fanoharana io dia ilay hazo tsy dia ny voany loatra no nahatonga azy hitsipozipozy fa ireo zezika nampiasaina hampitomboana azy, na ny marina kokoa izay nalainy ho zezika hitomboany. Io anefa dia arakaraka ny toerana (erana, kolontsaina) ipetrahany ihany no mahatonga azy hanana izay endrika avoitrany avy eo.

Ny voary iray dia efa tonga lafatra ny ao anatiny (voa) ary ahazoany mivoatra arakaraka ny erana misy azy ary manome endrika (hazo) mifandraika amin'izay erana ipetrahany fa tsy hitovy daholo akory ny hiafarany.Ny hany azo antokadia nanao asa izy teto ambonin'ny tany ary ireo asany ireo no manome faharavana na fanorenana. Nefa ireo faharavàna dia tsy azo lazaina koa hoe tena avy aminy fa mety noho ny hetraketraky ny tontolo nanodidina azy.

Raha hipetraka eo amin'y fitoeran'ny mpitsara dia mila mahafantatra ireo rehetra ireo, fa raha tsy izany dia mpitsara mitongilana ihany ary ny olana aza dia rehefa lasa mpitsara mitady ny ho azy, ka rehefa ratsiratsy dia esorina, fa rehefa tsaratsara dia alainy ho azy.

Fa na izany na tsy izany, mety hanaiky ve ny rehetra fa ny fiombonan'ny olomasina dia mpanota nanadio tena ho afaka? Izany hoe ny rehetra dia manana sanjila ho afaka (olomasina) avokoa.
27. bor2lais ( 04/03/2013 09:36)
miharena:

masina efa hatrizay io jiolahy io no fandraisako azy satria efa mahalala an'Andriamanitra fa sendra ny ankason'ny fiainana dia tsy afa-manoatra haneho izany fahamasinany izany.

Miverina eto ilay filôzôfianao a ! ;-)
Ianao moa tsy mino ny fisian'ny devoly sy ny helo ary hita taratra amin'ny valinteny izany : asa raha mino io fanekem-pinoana lazaiko amin'ny lohateny io ianao aloha na tsia !
Raha ny zohin-kevitrao mantsy no jerena dia masina koa ny devoly (mahalala an'Andriamanitra izy ! ;-) )

miharena:

Ny voany no ao anatiny fa ny hazo dia izay miseho ivelany

Sao dia afangaronao kosa ny atao hoe "fruit" (voankazo) sy "rein" (voankena) a ! :-)
miharena:

Fa na izany na tsy izany, mety hanaiky ve ny rehetra fa ny fiombonan'ny olomasina dia mpanota nanadio tena ho afaka? Izany hoe ny rehetra dia manana sanjila ho afaka (olomasina) avokoa.

Mbola hita taratra eto ihany indray ilay filôzôfia hoe : "nous irons tous au paradis" a !
Raha afaka manadio tena daholo ve ry miharena mbola nilaina ny "Paska" ? :-)
28. Miharena ( 04/03/2013 10:27)
Tsy manana filozofia aho namana Bor2lais a! Efa ela no nitadiavana hoe aiza no marina ary inona no tokony hovoizina amin'ny fitoriana an'Andriamanitra Mpahary mba ho fantatry ny olona tsara. Fa ilay tsoa-kevitra malaza azo avy amin'i Krsity ihany no izy : hoy IZY manko hoe tsy misy ny Devoly fa ao anatin'ny tsirairay ihany (efa lohahevitra napetrako izy io ary tsy izaho no nilaza izany fa ny hafatra azo avy AMINY izay voasoratry ny namana ao amin'ny La Vie des Maitres).

Tsy mifangaro koa ny atao hoe voa fruit sy ny rein voankena. Ny faharoa aza anie dia fanadiovana no asany e! fa ny voa dia indray mandeha no mifafy avy eo mivoatra arakaraka ny misy azy. Io no nitenenana ilay ohatra momba ny voa nafafy noharina tami'ny Teny na vaovao mahafaly. Fa ny fanoharana iray apetrako kosa dia mifototra amin'ny fahariana ny tsirairay manana voa iray karazana ihany dia ilay Endrik'Andriamanitra, fa ny nentiny nampiasa azy io no samy manana ny azy arakaraka ny toerana (firehana) nahazoany faka avy ka niteraka ny vokatra (tsara endrika na ratsy endrika). Fa ny fiafarany dia iray ihany : mody voa vaovao hamokatra indray. Toy ny mamboly ihany io, ny paiso, na asianao zezika na tsia rehefa lehibe dia mnome voam-paiso azo volena indray.
29. bor2lais ( 04/03/2013 11:11)
miharena > hajaiko tanteraka ny filôzôfianao ka ! :-)

Raha hiverina amin'ilay lohateny isika, araka ny hevitrao dia :
- ny olo-masina dia olona manadio tena
- raha miteny hoe "fiombonan'ny olo-masina" dia ao anatiny koa ny devoly ! :-)

Averiko indray ny fanontaniako eo ambony : "ianao ve mba isan'ny olona manao io fanekem-pinoana apostolika io sa tsia ?" :-)

Raha tsia ny valinteninao, dia tsy natao ho anao ilay lohateny araka ny nomarihiko ery ambony ! ;-)
30. Miharena ( 04/03/2013 11:31)
Manao io fanekem-pinoana io tokoa aho namana Bor2lais, Ary manaiky ny famelan-keloka ary mivavaka ny hamelana ny namako rehetra koa (satria fantatro fa tao anatiko tao sy tao anatin'y namako tao ilay devoly izay avela heloka fa tsy ivelany ka!). Izany hoe tsy mivavaka ho an'ny devoly ivelany aho io fa mivavaka ho afaka ami'ny devoliko sy ny an'ny namako ihany.

Ka asa hoe inona no filozofia amin'izany namana! Ny fahazoana azy no tsy mitovy amintsika angamba (Mbola angambaina satria mety hihaona ihany ilay fahazoana ny resaka eto).

Ity ohatra iray:

Bor2llais:

- raha miteny hoe "fiombonan'ny olo-masina" dia ao anatiny koa ny devoly !

Hoy i Kristy izay hoe: misaora izay manisy ratsy anareo...
Marina io satria ahoana tokoa moa no hahitanao fa tsara ianao raha tsy nisy nanisy ratsy anao ka hanehoanao fa tsara ianao?

Eo koa ny momba ny fahatsiarovan-tena ho ratsy, raha tsy izay dia tsy hahafantatra ny tokony hialàna amin'ny ratsy isika. Fa na zany na tsy izany, ilay ratsy koa aloha tokony hofaritana tsara fa tsy tonga dia atao hoe devoly izy io e! Mety hoe safoto no azo ilazàna azy ary atao koa hoe mandalo izy io fa tsy azo ianteherana, nefa ao anaty ihany no mahalala izany isika.

Asa hoe inona no tianao hahatongavana àry amin'ilay lohahevitra fa raha izay valinteniko izay dia tsy anisan'ny tokony handray anjara tokoa ve aho izany? Mba hazavao tsara namana a!
31. bor2lais ( 04/03/2013 12:12)
miharena > miala tsiny aminao fa tsy mitovy ny finoantsika raha izany : ny devoly re ry miharena (amiko) tsy olona (nofo aman-drà) akory fa fanahy ratsy a !

Mino ny "fiombonan'ny olona masina" i bor2lais fa tsy mino ny "fiombonan'ny fanahy ratsy" tsy akory ! ;-)

miharena:

Hoy i Kristy izay hoe: misaora izay manisy ratsy anareo...

Ny olona no isaorana fa tsy ny fanahy ratsy tsy akory ka ! :-)
32. Miharena ( 04/03/2013 16:15)
Marina ka! Mino ny fiombonan'ny olona masina isika fa tsy mifanipaka izany ny finoantsika.

Azonao tsara ve aloha ilay fanazavana sa tsia?

Raha mahita olona iray ianao dia tsarovy hatrany fa fanahy mandehandeha iny izay. Rehefa mipoitra ety ivelany ny avy ao am-pony dia hoy ianao hoe : tsara fanahy izy na ratsy fanahy. tsy misy idiran'ny devoly ivelany izany fa tonga dia miseho eo. Hoy i Jesoa hoe : Tsy izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy fa izay mivoaka avy ao am-pony.

Ka tsy haiko hoe manaiky izay lazain'i krsity ve isika sa tsia fa tsy mivoana io teniNY io raha niteny koa IZY hoe ao anatin'ny olona ihany ny devoliny. Ary efa naseho koa ny fomba fiady amin'izany toe-javatra izany araka ny famindram-po novoizin'Andriamanitra RAY sy ny Zanaka ary n yFanahy Masina.

Ka aiza àry isika izany!
33. Nehemiah ( 05/03/2013 05:55)
Ahoana indray ny hoe : "Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly" (Ef. 4:27) ?
34. Miharena ( 05/03/2013 08:15)
Misaotra ny namana Nehemia amin'ilay fanontaniana izay ataoko fa efa tokony ho voavaly avy amin'ireo teny voalaza eo ireo ihany.

Rehefa mibahana ao amintsika ny marina dia tsy ao amintsika intsony ny Devoly. Fa raha kolokolointsika ny maha-devoly antsika dia anisan'ny mpanota hatrany isika. Dia mazava io anatra io hoe aza manome fitoerana ho an'ny Devoly, mitovy amn'ny hoe : diovy ny tenanareo ho fanatitra velona sitrak'Andriamanitra.
35. bor2lais ( 05/03/2013 09:48)
Somary nihataka "kely" ny lohateny isika ka tiako averina indray.
Famintinana :

lekialala:

Fiombonan'ny Olo-Masina:
isika no olo-masina

izaho:

very ve ilay "qualité" maha olo-masina rehefa maty na nantsoin'ny Ray (hody any Aminy) sa tsia ?

lekialala:

Tsia... any vao tena "vrai"

izaho:

azo inoana ve fa afaka miresaka amin'Andriamanitra (na amin'i Jesoa) izy ireo sa tsy misy ifandraisany ?

Valinteny 1.
hery:

Eny, teto an-tany ara izy afaka niresaka tamin'Andriamanitra, vao mainka fa eo anilany?

Valinteny 2.
lekialala:

Alohan'ny hamaliako an'ilay fanontaniana dia misy zavatra angamba tsara velarina aloha: "ny fiainana arinan'ny fahafatesana" SY NY "fiainana arinan'ny fiainana arinan'ny fahafatesana"

+ fiainana arinan'ny fahafatesana
- @ oviana? dieny maty (vix) ka ao @ Tompo dia makany
- Aiza? Any an-danitra: eo @ fanatrehan'ny Tompo
- Mahatsiaro tena ve rahefa any? ... ao @ Tompo fa TSY mahatsiaro tena, izay ilay hevitr'ilay hoe MATORY ao @ Tompo

=> Eo anatrehan'ny Tompo izy fa matory, tsy afaka miresaka, fa matory.

++ fiainana arinan'ny fiainana arinan'ny fahafatesana
- @ oviana? rehefa miverina eny @ rahon'ny lanitra Jesosy ...
- Aiza? tany vaovao sy lanitra vaovao, Jerosalema vaovao, zavatra materialy, A/tra sy Jesoa/Jesosy ho eo anivon'ny olony
- Mahatsiaro tena ve rehefa any? Tena mahatsiaro tena ...

=> Any ilay TENA VRAI fa tsy ilay arinan'ny fahafatesana akory (raha mbola tsy miverina ny Tompo)

Avy amin'ireo valinteny roa ireo no hita taratra ny fisamihafana amin'ny finoana ilay "fiombonan'ny olona masina" raha ny fijeriko azy.

Ny valinteny 2 ve milaza fa tsy maintsy miara-mifoha daholo ireo matory ao amin'ny Tompo sa tsy voatery ?

Raha ny valinteny 1 no raisina dia toa tsy miandry ilay étape 2 (rehefa miverina eny amin'ny rahon'ny lanitra ny Tompo) sa ahoana ry hery ? Izay no nahatonga ahy nametraka fanontaniana (ho an'ny mpomba ny valinteny 2) mikasika ny tenin'ny Tompo tamin'ilay jiolahy niara-nifantsika tamiNY ("Anio no hihaonanao Amiko any am-paradisa") ? Azo raisina koa ny nisehoan'i Mosesy sy Elia tamin'ny fiovan'ny Tompo tarehy teo an-tendrombohitra ! Toa efa "nifoha" izy ireo fa tsy niandry ny étape 2 sa ho an'ny Kristiana ihany ilay étape 2 ? :-)

Ny tiako tenenina dia (amiko) na ny valinteny 1 na ny valinteny 2 dia samy tsy misy mifanipaka amin'ny fanekem-pinoana apostolika akory fa resaka fiainana ilay finoana no mahasamihafa azy ireo ! :-)

Bor2lais dia isan'ireo mpankafy ny "fiombonana ao anatin'ny fahasamihafana" e ! ;-)
36. Miharena ( 05/03/2013 15:04)
Fa ilay fahasamihafana anie namana misy ny hafa amin'ny fiheverana tsy misy porofo azo antoka ary misy ny hafa manana porofo azo antoka.

Ohatra, rehefa maty ilay olona iray dia mahita fa tsy maty kay izy fa tena izay vao velona.
Dia rehefa tantaraina izany ilay mpanao hoe mety ho toy izao na izatsy izany any ankoatra izany, dia tsy mino mihitsy hoe : tsy maty anie ianao fa eo vao manomboka ny fiananao e!

Dia lasa indray ilay iray maka andininy ao anaty Baiboly ao dia manamarina zavatra tsy hitany sy fantany akory, ary mandà hatrany an'ilay tantarain'ilay niaina ilay fahafatesana= fandraisana tena vaovao iny. Dia ilay olona mahafantatra hoe eo vao tena velona dia mahita ihany koa porofo ao anaty Baiboly dia milaza sy manamarina.

Dia eo no azo tarafina ny maha-marina na maha-diso ny tsirairay. Ka asa tokoa aloha hoe : ilay fiombonan'ny olomasina ve tsy ny velona no mitombina fa tsy ny honohono sy tsy voafaritra tsara?
37. Nehemiah ( 05/03/2013 15:15)
"Honohono sy tsy voafaritra tsara" ve ny Tenin'Andriamanitra ?

Ilay izy koa moa mitaky finoana sy fanetren-tena antsika
38. Miharena ( 05/03/2013 16:09)

"Honohono sy tsy voafaritra tsara" ve ny Tenin'Andriamanitra ?

Ilay izy koa moa mitaky finoana sy fanetren-tena antsika


Izay indrindra namana! mila tsotra dia tsotra mandray ilay teny fa tsy manao honohono na mamariparitra izay heverina fonosin'izany Teny izany tsy misy porofo mazava mivaingana tsara.
39. bor2lais ( 05/03/2013 16:34)
Mba ny fanontaniana moa valiana ry miharena fa tsy ny "détail" soratako no rohitina lavabe eto in-1 a ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0797