tezera fa aza manota
1. smileyah
(
25/02/2013 13:55)
Tezera fa aza manota. Nefa koa hoe raha mitezitra ny rahalahinao ianao dia hohelohina. Ahoana izany?
répondu par toriteny le 01/03/2013 15:01
2. Nehemiah
(
25/02/2013 14:36)
"Halao ny ota fa tsy ny mpanota". Raha ny zavatra ataon'ny rahalahinao no mahatezitra anao dia hatezerana tsara izany. Fa raha izy no iantefan'ny fahatezeranao dia tsy mety izany satria ny zavatra tsy tiana ihany no mahatezitra, manjary fankahalàna ny rahalahinao izany.
Ao koa ny ohabolana frantsay : "La colère est mauvaise conseillère". Mampanaonao foana ny fahatezerana tsy voafehy, ka manjary maratra ny fo sy ny vatan'ny olona akaiky anao.
Ao koa ny ohabolana frantsay : "La colère est mauvaise conseillère". Mampanaonao foana ny fahatezerana tsy voafehy, ka manjary maratra ny fo sy ny vatan'ny olona akaiky anao.
3. bor2lais
(
25/02/2013 15:54)
Tahaka ny fanafody, mety mamono (na mandratra) ny teny nefa koa mety manasitrana ! :-)
4. Miharena
(
25/02/2013 16:36)
Mahazo tezitra amin'ny fo madio ka. Ny olona manao izany no tsy afaka manota.
5. bor2lais
(
25/02/2013 16:57)
Ahoana indray izany tezitra amin'ny fo madio izany ry miharena ? :-) Sa avoaka daholo ny maloto (hatezerana) ao am-po dia lasa madio (soulagé hoy ny fitenenana) amin'izay ? :-) :-)
6. Miharena
(
26/02/2013 02:55)
Izay mihitsy aloha no voalohany Bor2lais ho an'izay mila izany mba ho fanafodiny satria ny zava-maha-tezitra dia manampoizina ny fo tokoa raha tsy mivoaka.
Fa ny atao hoe tezitra amin'ny fo madio kosa dia izay efa maharesy tanteraka ny fahatezerana ka tsy mibedibedy foana fa mahay mihoatra ilay fahatezerana ka manana hatrany saina sy fo madio ary afaka mananatra toa an'i Kristy rehefa miresaka amin'ny namana.
Ny fahatezerana tsy misy vahaolana dia mandoto ny rehetra, na izy nandefa azy na izay niantefan'izany.

7. nannie
(
26/02/2013 05:54)
Ilay tezitra amin'ny fo madio dia toD ampiasaina amin'ny zavatra mahasoa iny hatezerana iny. Ohatra hoe toD lasa mandeha mi-cross rapida b raha matavy, na mitoto ravi-toto raha misy ravi-toto hototoina, na sns sns, hanalana an'ilay NRJ b ao anaty euh !
8. smileyah
(
26/02/2013 05:55)
Miharena:Raha azoko tsara ny tianao ambara dia rehefa tezitra izany dia miala aloha maka saina sy fo tony, ary rehefa avy eo miresaka amin-kalemem-panahy amin'ilay olona nananana hatezerana mampahafantatra azy izay tsy nety nataony taminao teo.
Izay mihitsy aloha no voalohany Bor2lais ho an'izay mila izany mba ho fanafodiny satria ny zava-maha-tezitra dia manampoizina ny fo tokoa raha tsy mivoaka.
Fa ny atao hoe tezitra amin'ny fo madio kosa dia izay efa maharesy tanteraka ny fahatezerana ka tsy mibedibedy foana fa mahay mihoatra ilay fahatezerana ka manana hatrany saina sy fo madio ary afaka mananatra toa an'i Kristy rehefa miresaka amin'ny namana.
Ny fahatezerana tsy misy vahaolana dia mandoto ny rehetra, na izy nandefa azy na izay niantefan'izany.
9. Nehemiah
(
26/02/2013 06:01)
Mba te-hanome ohatra avy @ traikefa ananako @ maha-mpampianatra ahy aho. Rehefa misy ankizy manao zavatra tsy mety dia anarako izy, ary arakaraky ny haratsin'ny zavatra nataony no anarako mafy. Fa tsy mipepopepo azy mihitsy aho tahaky ny hoe : "Jiolahim-boto ity ! Ny fonja no iafaran'ialahy". Fady amiko izany noho ny fitiavako azy ireo.
Raha tezitra @ olona izany ianareo dia aza adino mandrakariva fa tianareo izy dia tsy hanota nohon'ny hatezerana ianareo.
Raha tezitra @ olona izany ianareo dia aza adino mandrakariva fa tianareo izy dia tsy hanota nohon'ny hatezerana ianareo.
10. bor2lais
(
26/02/2013 10:15)
Nehemiah > izay izany ilay hoe "tezitra am-pitiavana" ! ;-) Ary alainao mangingina ve aloha izy sa eo imason'ny namany rehetra eo no "anarinao" satria mety misy fahasamihafany mantsy (miankina amin'ilay ankizy) ! :-)
11. Nehemiah
(
26/02/2013 12:53)
Eo imason'ny namany ka. Satria ho an'ny iray lakilasy ilay fananarana (sao dia mihevitra ny sasany fa kay ve zavatra tsy mampaninona izany, hitanao ihany moa ny ankizy). Ary izay koa ny maha-zava-dehibe ny tsy mipepopepo azy eo anoloan'ny namany rehetra. Izay koa no anisan'ny mahavoa antsika olombelona, reventsika ery rehefa misy olona "oainy", nefa mitresaka mihitsy ny fontsika rehefa antsika no oainy.
12. Miharena
(
27/02/2013 02:14)
Smileyah:
Raha azoko tsara ny tianao ambara dia rehefa tezitra izany dia miala aloha maka saina sy fo tony, ary rehefa avy eo miresaka amin-kalemem-panahy amin'ilay olona nananana hatezerana mampahafantatra azy izay tsy nety nataony taminao teo.
Azonao tsara,
Ny manohy ny fifandraisana no zava-dehibe mba hampahazava fo ny rehetra fa tsy ny mitahiry lolom-po.
13. yohanan
(
28/02/2013 14:30)
Ny hoe manota dia mandika ny lalàna ( 1 Jaona 3:4 ) > Rehefa tezitra izany dia aza mety ho voatarika @ fandikana ny lalàna. Ohatra miteny ratsy, mamono, ... Dia aza atao ela ny fahatezerana, tsy mandra-paharivan'ny andro, sao hiteraka fandikan-dalàna ho anao ihany izany.
Yeshoa anie dia tezitra t@ Mpanora-dalàna sy ny Fariseo ê! Fa izay nataony dia tsy nifanohitra t@ lalàna.
Mianara amiko hoy Izy. Amen !
Yeshoa anie dia tezitra t@ Mpanora-dalàna sy ny Fariseo ê! Fa izay nataony dia tsy nifanohitra t@ lalàna.
Mianara amiko hoy Izy. Amen !
14. bor2lais
(
28/02/2013 14:55)
yohanan:
Ny hoe manota dia mandika ny lalàna ( 1 Jaona 3:4 ) > Rehefa tezitra izany dia aza mety ho voatarika @ fandikana ny lalàna.
Eo indrindra : ahoana no atao mba tsy ho voatarika @ fandikana lalàna ? :-)
(tandremo ny milaza eo hoe "hajao ny lalàna" a ! :-) )
15. yohanan
(
28/02/2013 15:20)
Mandeha ho azy izany rehefa fantatrao ny marina, ny fototry ny finoanao: maty ny Mpamonjy nanamarinana ahy > mandresy ota aho.
Voasoratra mihitsy izany ary tena azo iainana tsara fa tsy mavesatra ( 1 Jaona 5:3 )
Voasoratra mihitsy izany ary tena azo iainana tsara fa tsy mavesatra ( 1 Jaona 5:3 )
16. bor2lais
(
28/02/2013 15:54)
yohanan:
Mandeha ho azy izany rehefa fantatrao ny marina, ny fototry ny finoanao: maty ny Mpamonjy nanamarinana ahy > mandresy ota aho.
Io kosa aloha dia mba iraisako aminao e ! ;-)
Tsy nila nianatra teny hebreo anefa aho dia nahazo an'io a ! :-)
17. toriteny
(
01/03/2013 11:12)
Tsy ny tezitra no olana. FA Jesosy aza mba tezitra nefa dikan'izany ve Izy nanota?
Mar10:14 Izy tezitra raha norarana tsy hanantona Azy ny zaza
Jao2:13-25 Tezitra Izy nandroaka ny mpivarotra niala ny kianjan'ny Tempoly
Ny hevitro ny amin'ny MAt5:22 io dia tsy ny tezitra loatra no fahotana fa ilay manao tsinotsinona ny rahalahinao sy manopa raha izay no azo lazaina azy amin'iny fahatezeranao iny no tsy azo atao
"Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana ; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana ianao , dia mendrika hohelohina amin'ny synedriona ; ary na zovy na zovy no hanao hoe : Foka ialahy , dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo"
Ao amin'ny Efe4:6 ihany koa izy miteny fa "Tezera , fa aza manota ; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo."
Ny tezitra tsy maninona fa ilay mitazona lolom-po no itako fa ota.
Fehiny izany ny tezitra amiko maha olombelona tsy maninona fa ilay miteniteny foana sy manao tsinotsinona ny hafa amin'iny fahatezeranao iny no tsy mety. Ary raha tezitra ianao tsy tokony ho tratra masoandro milentika iny fahatezeranao iny