DISO VE AHO?
1. nilex
(
18/02/2013 07:55)
Misy zandrin'ny vadiko manana sipa izay tsy mino ny fanahy masina ny fiangonana misy azy,(ilay bandi izany).Mananatra ny zaobaviko aho ary mampianatra azy ny maha mety izany satria izahay dia kristianyna FJKM.
Misy ny tenin'Atra hoe '14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina?
KORINTIANA FAHAROA 6 14 - 14
Manazava mafy aminy aho fa mivoana @ sitrapon'Atra mihintsy.Tsy aiko koa fa milaza izy fa tsy tena tia an'ilay bandy nefa mbola raikitra aminy foana hatramin'izao.Ilay bandy koa tena miseho ho tsara fanahy be aminy an ary nilaza mihintsy fa haka vady azy .Ny olana iray koa anefa dia ny dadan'io bandy io mihintsy no lehiben'ilay fivavahana misy andry zareo.
Tsy mbola naharesy lahatra azy aho hatramin'izao fa mivavaka ho azy kosa fa ny nambarako kosa anefa dia izao.Raha toa ka hivady ry zareo dia tsy hafaka ny hanatrika izany izaho sy ny vady aman-janako satria lasa firaisana amin'ny tsy mino izany.Satria amiko na dia zandrin'ny vadiko aza io olona io dia tsy tokony hampisaraka ahy amin'Atra izay tompoiko mihintsy akory.
DISO VE AHO?
Raha ny fandresendahatra ato anatiko dia tsy diso mihintsy aho fa ny hevitrareo momba izany fotsiny no mba ilaiko.

répondu par nilex le 21/02/2013 06:11
3. hery
(
18/02/2013 09:54)
Misy fanamarihana kely fa arakaraka ny faharesen-dahatra anananao ihany.
Mety hoe fanarianao ny fianakavianao ihany koa nefa raha io no ataonao... ary vao maika ilay zandrim-badinao hanaraka tanteraka an'ilay vadiny satria ny mpiray fiangonana aminy aza nanary azy, tsy nanohana azy intsony. Ny fanatrehana azy dia mety hidika koa hoe miaraka aminao izahay ary tsy manary anao fa mbola miady hitondra anao hiverina ao am-bala.
Izany hoe tsy mi-abandonner azy e.
Dia mbola mitovitovy amin'ny eo ambony ihany. Raha mafy tsara ny finoanao dia tsy hampisaraka anao amin'Andriamanitra tompoinao mihitsy ny fifaneraserana amin'ny hafa. Ho menatra indray aza izy ireo raha toa ka asehonao azy fa vavolombelon'ny finoana ianao ka afaka mifanatrika amin'izy ireo. Ary fomba iray hahafahanao mamerina ilay zandrimbadinao ao am-bala indray ny fiezahana mifandray am-po aminy tsara aloha, hahafahanao miresaka sy mandresy lahatra azy tsikelikely.
Raha toa ka tapaka ny fifandraisana dia tsy hanana fomba handresena lahatra azy intsony ianao fa dia toy ny very izy izany.
Fa ireo nolazaiko ireo dia miankina tanteraka amin'ny faharesen-dahatra anananao. Hatraiza ny hamafin'ny finoanao?
Raha toa ka hivady ry zareo dia tsy hafaka ny hanatrika izany izaho sy ny vady aman-janako satria lasa firaisana amin'ny tsy mino izany
Mety hoe fanarianao ny fianakavianao ihany koa nefa raha io no ataonao... ary vao maika ilay zandrim-badinao hanaraka tanteraka an'ilay vadiny satria ny mpiray fiangonana aminy aza nanary azy, tsy nanohana azy intsony. Ny fanatrehana azy dia mety hidika koa hoe miaraka aminao izahay ary tsy manary anao fa mbola miady hitondra anao hiverina ao am-bala.
Izany hoe tsy mi-abandonner azy e.
Satria amiko na dia zandrin'ny vadiko aza io olona io dia tsy tokony hampisaraka ahy amin'Atra izay tompoiko mihintsy akory
Dia mbola mitovitovy amin'ny eo ambony ihany. Raha mafy tsara ny finoanao dia tsy hampisaraka anao amin'Andriamanitra tompoinao mihitsy ny fifaneraserana amin'ny hafa. Ho menatra indray aza izy ireo raha toa ka asehonao azy fa vavolombelon'ny finoana ianao ka afaka mifanatrika amin'izy ireo. Ary fomba iray hahafahanao mamerina ilay zandrimbadinao ao am-bala indray ny fiezahana mifandray am-po aminy tsara aloha, hahafahanao miresaka sy mandresy lahatra azy tsikelikely.
Raha toa ka tapaka ny fifandraisana dia tsy hanana fomba handresena lahatra azy intsony ianao fa dia toy ny very izy izany.
Fa ireo nolazaiko ireo dia miankina tanteraka amin'ny faharesen-dahatra anananao. Hatraiza ny hamafin'ny finoanao?
4. didi10
(
18/02/2013 10:10)
nilex:
Tsy mbola naharesy lahatra azy aho hatramin'izao fa mivavaka ho azy
Tohizo ny vavaka fa sady manampy anao hanatona an'Andriamanitra bebe kokoa izany no sady hitaritaNY ny diany ihany koa, tadidio anefa fa ny Tompo manana làlana tsy takatry ny saina sao ilay lehilahy indray no mety taritin'ny Fanahy Masina tampoka.
nilex:
fa ny nambarako kosa anefa dia izao.Raha toa ka hivady ry zareo dia tsy hafaka ny hanatrika izany izaho sy ny vady aman-janako satria lasa firaisana amin'ny tsy mino izany.Satria amiko na dia zandrin'ny vadiko aza io olona io dia tsy tokony hampisaraka ahy amin'Atra izay tompoiko mihintsy akory.
DISO VE AHO?
Diso ianao eto satria adinonao fa ny fitiavana no lehibe indrindra, raha tena tianao io zaobavinao io dia tokony atrehanao ny andro tsara indrindra eo amin'ny fiainany:
-1- Ny atao hoe mariazy dia ilay voady ifanaovan'ny olona roa (lahy sy vavy) fa hifankatia sy hiara-dia mandrakizay eo anatrehan'Andriamanitra, noho izany tsy miankina amin'ny anaram-piangonana ny maha "valide" ny mariazy fa miankina amin'izy roa kely ihany.
-2- Raha tsy mety aminao ny miditra ao amin'ilay fiangonana dia tsy maninona raha tsy miditra ao ianao fa tokony hiara-paly aminy ianao mba hanehoanao fa tia azy ianao ary tsy manary azy
-3- Fantatrao fa hisedra ady sy fisarahana amin'ny fianakaviana izy na ho ela na ho haingana, fa ra
5. sitlo
(
18/02/2013 15:48)
Eny hoy aho ramalagasy. Dia ho adinoiny ny anabaviny fa namaky ny Kor hono izy.
Maninona koa raha tsy mikasika ordinatera fa sinoa sy karana izay maro tsy kristianina no namboatra azy?

6. Tefigasy
(
19/02/2013 01:04)
nilex:
Misy zandrin'ny vadiko manana sipa izay tsy mino ny fanahy masina ny fiangonana misy azy,(ilay bandi izany).Mananatra ny zaobaviko aho ary mampianatra azy ny maha mety izany satria izahay dia kristianyna FJKM.
Mahafinaritra ny fandraisanao andraikitra amin'ilay fananarana. Mino aho fa tena fitiavana no nanosika anao hanao izany. Tsapako anefa fa tsy izany no tena ilain'ny zaobavinao amin'io tranga mianjady aminy io. Tsy ho voaovanao amin'ny fananarana intsony io zaobavinao io satria efa misy zavatra mamatotra azy. Tsy fananarana no vahaolana entina mamaha fatorana fa Jesoa irery ihany. Ampahafantaro an'i Jesoa io zaobavinao io, eto mankeo Aminy, ary asaivo mandray Azy ho tena Tompo sy Mpamonjiny, tsy am-bava fotsiny fa tena am-pinoana. Mety hiteny ianao hoe,izy anie efa mpandray, diakona, ... Marina izany, saingy tsy mahavaha fatorana ireny. Ataovy izay hahatonga azy ho olom-baovao, hateraka indray ao amin'i Jesoa Kristy. Tena mino aho fa raha vitanao izany - sady angatahiko ianao mba hanao izany - dia ho afaka amin'io fatotra mianjady aminy io ny zaobavinao.
nilex:
Manazava mafy aminy aho fa mivoana @ sitrapon'Atra mihintsy.Tsy aiko koa fa milaza izy fa tsy tena tia an'ilay bandy nefa mbola raikitra aminy foana hatramin'izao.Ilay bandy koa tena miseho ho tsara fanahy be aminy an ary nilaza mihintsy fa haka vady azy .Ny olana iray koa anefa dia ny dadan'io bandy io mihintsy no lehiben'ilay fivavahana misy andry zareo.
Tsy mbola naharesy lahatra azy aho hatramin'izao fa mivavaka ho azy kosa
Manamafy ny lazaiko eny ambony izao tranga ambaranao eto izao. Tsy anao ny fandresen-dahatra fa an'ny Tompo irery ihany. Aza mangataka andro fa sao ho tara ny fitondranao azy ho an'ny Tompo amin'ny fahateraham-baovao, fanavaozana ny fanoloran-tena satria efa tonga eo aminy ny amboadia mitafy ny fitafian'ny ondry.
nilex:
Raha toa ka hivady ry zareo dia tsy hafaka ny hanatrika izany izaho sy ny vady aman-janako satria lasa firaisana amin'ny tsy mino izany.Satria amiko na dia zandrin'ny vadiko aza io olona io dia tsy tokony hampisaraka ahy amin'Atra izay tompoiko mihintsy akory.
DISO VE AHO?
Raha ny fandresendahatra ato anatiko dia tsy diso mihintsy aho fa ny hevitrareo momba izany fotsiny no mba ilaiko.
Averiko aminao ilay teny natolotrao teny ambony : II.Kor6:14 "Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina? " Mila mijoro hatramin'ny farany ianao fa tia azy. Asehoy aminy fa fidirana, lalana mankany amin'ny fahaverezana ny lalana hizorany ka tsy afaka ny hifaly, hanotrona hijery azy mandeha amin'izany lalana izany ianao.
Anontanio ny sitrapon'Andriamanitra fa na Fitiavana aza Izy, tsy hiaraka amin'ny olona andeha hijangajanga any amin'ny boite de nuit mihitsy, tsy andeha hiaraka amin'ny olona andeha hangalatra sy hamono olona mihitsy satria izay no maha Fitiavana Azy. Ary ho fanampin'io teny omenao io, ilay Andriamanitra Fitiavana no nilaza ity : Mat.10:35 "Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy , ary ny zanaka vavy amin'ny reniny , ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy" . Ny dikan'izay dia hoe: Andriamanitra aloha vao ny manodidina anao, Andriamanitra no ambonin'ireo havana, ray, rahalahy, anabavy. Ka raha sitrapon'Andriamanitra ny tsy mandeha any amin'ny boite de nuit, raha tsy sitrapon'Andriamanitra ny lalana mizotra ho any amin'ny fahotana: ny fandresen-dahatra ho ahy manokana dia izao: rehefa tsy présent eo Jesoa, miala tsiny aho fa mba tsy présent eo ihany koa. Raha toerana tsy hahitako ny Tompo, ialako tsiny fa tsy ho hitanao amin'izany ihany koa ny tenako.
Amiko manokana, fandresen-dahatra ho ahy ity: TSY DISO IANAO raha tsy manatrika izany !
7. sitlo
(
19/02/2013 02:57)
Dia aleo izany milongilongy amin'ny zaobavinao fa sao tsy mankany amin'ny fanjakan'ny lanitra?
8. Tefigasy
(
19/02/2013 03:02)
sitlo:
Dia aleo izany milongilongy amin'ny zaobavinao fa sao tsy mankany amin'ny fanjakan'ny lanitra?
ise angamba no efa zatra milongilongy fa toa mbola tsy nisy nanoratra teto hoe milongilongia amin'ny zaobavinao. Tokony mba miezaka ny hahay hamaky izay nosoratana ise fa tsy ilay fitsarana ao an-tsain'ise no habahana eo aloha !
9. sitlo
(
19/02/2013 03:51)
Tsy dia misy idiran'ny momba ahy ity dinika ity ka tsy dia hitako no antony anontaniana ny momba ahy. Fanontaniana no napetrako,
Dia aleo izany milongilongy amin'ny zaobavinao fa sao tsy mankany amin'ny fanjakan'ny lanitra?
Misy soratra ao amin'n Baiboly ao manao hoe, raha tsy mifanaraka amin'ny rahalahinao ianao dia vahao aloha izany fa tsy misy dikany akory ny fanantonanao ny Tompo nefa na ny rahalahinao aza tsy iresahanao.
Ka ahoana, raha mivady izany ry zareo dia tsy ho any aminy intsony?

10. Tefigasy
(
19/02/2013 05:23)
sitlo:
Tsy dia misy idiran'ny momba ahy ity dinika ity ka tsy dia hitako no antony anontaniana ny momba ahy.
Tsy misy nametraka fanontaniana mikasika an'ise manokana. Tsoa-kevitra noho izay nambaran'ise teo aloha no mba nolazaiko fa tsy fanontaniana re a !
sitlo:
Fanontaniana no napetrako,
Dia aleo izany milongilongy amin'ny zaobavinao fa sao tsy mankany amin'ny fanjakan'ny lanitra?
Misy soratra ao amin'n Baiboly ao manao hoe, raha tsy mifanaraka amin'ny rahalahinao ianao dia vahao aloha izany fa tsy misy dikany akory ny fanantonanao ny Tompo nefa na ny rahalahinao aza tsy iresahanao.
Tsy midika akory hoe miady rehefa tsy mandeha any. Tenenina amin'ilay zaobavy tsara ny antony fa fitiavana azy no hanaovana izany, alahelo azy no hanaovana izany fa tsy hatezerana na hasosorana na lonilony. Ataoko fa raha manana fo tony feno fitiavana ihany koa io zaobavy io dia tsy handray izany ho ady koa.
sitlo:
Ka ahoana, raha mivady izany ry zareo dia tsy ho any aminy intsony?
Lasa lavitra loatra ise, zavatra mety tsy hitranga akory izany raha tena mitory an'i Jesoa amin'ny zaobaviny i nilex ary tena manaiky sy miroso amin'ny fahateraham-baovao io zaobaviny io. Na izany aza valiana ihany ilay fanontaniana: tsy mijanona ny fitoriana raha tsy azo ny vokatra. Mila vokatra i Jesoa. Mankahery an'i nilex foana aho mba hamita ny andraikitra efa noraisiny raha tanteraka ihany io raharahan'ny zaobaviny io. Tsy vahaolana ny mipetraka fotsiny fa adidiny ny mitarika hatrany ny zaobaviny amin'izao lalana hizorany izao. Ny tiana hatongavana: mila mandeha any aminy mihitsy i nilex mikarakara ny voa efa nafafiny.
11. sitlo
(
19/02/2013 05:38)
Mba zay ahay!
Mila mandinika tsara alohan'ny hitsaoka hevitra fa lasa mibolila.
Fa na izany na tsy izany, raha ary fototra ny finoan'ilay ranamana sy ilay zoabavin-dranilex ka tsy hiala amin'ny finoany izy. Dia tsy midika akory izany hoe farano hatreo koa ny fihavanana. Ny finoana io samy manana ny azy.

12. nilex
(
19/02/2013 06:23)
Tsy mbola tafiditra ao amin'ny tena fahalalana an'ny Tompo i Stilo ka mbola manao fijerin'izao tontolo izao.Aza adino fa ny fidirana any andanitra anie ka tsy misy maha mpivady ,mpianakoa na fihavanana fa samy manana ny fiainampanahiny.
-29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao; ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.
MATIO 5 29
Sarotra ny manaraka ny sitrapon'Atra raha vao mieritreritra ny maha olona isika satria Izy Ray ary efa niteny fa ny 'fihevitro tsy fihevitrareo hoy izy".
Izany koa anie tsy midika hoe rava ny fihavanana e fa misy sehatra tsy hiarahana fotsiny raha vao hikambanana amin'ilay ratsy.
Fananarana no azo atao toy ny nataon'i Jeso tonga tety an-tany fa izy tsy nanery mihintsy ny olona hanaraka azy akory.
Ampahatsiahivina azy fotsiny ny tena sitrapon'Atra momba io tranga io dia izy no misafidy fa rehefa tsy mety moa izy atao ahoana .
8 Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
EZKIELA 33 8-9

13. Nehemiah
(
19/02/2013 07:00)
Nitovitovy hevitra t@ Sitlo ny vadin'i Stephen Hawking (anisan'ny athées mafana fo indrindra @'izao tontolo izao) izay nefa avy eo ory tsy nisy toy izay ny fanambadiany nohon'ny tsy fifanarahan-dry zareo.
14. sitlo
(
19/02/2013 08:36)
nilex:
Tsy mbola tafiditra ao amin'ny tena fahalalana an'ny Tompo i Stilo ka mbola manao fijerin'izao tontolo izao.Aza adino fa ny fidirana any andanitra anie ka tsy misy maha mpivady ,mpianakoa na fihavanana fa samy manana ny fiainampanahiny.
Fa didy tokana no omeko anareo dia ny ...
15. sitlo
(
19/02/2013 10:20)
Vaovao tokotrany mu fa disodiso kely. Yo, fa ny hevitra tiana ho ampitaina mitovy ihany.
16. moustaraf
(
20/02/2013 13:19)
Salama namana,
"Fantaro ny zavatra rehetra,ka hazony mafy izay tsara" , efa nofakafakaina ve ilay fivavahana arahin'ilay tovolahy?
sao dia fotoana kosa ary izao, hidiranao @ tena fanompoana marina ka ialanao @ fombafombam-pivavhana ao @ FJKM? Tsy manaratsy aho akory, fa mahalala tsara anefa izay lazaiko.
MAHEREZA NAMANA

17. Nehemiah
(
20/02/2013 13:37)
Hitan'i Moustaraf ity lohahevitra napetrak'i Hery ity ?
http://forum.serasera.org/forum/message/m51156d389ccc3
Averiko aminao ilay izy, fa saingy avadiho "FJKM" fotsiny ny hoe "katôlika"

18. nilex
(
21/02/2013 06:11)
Tsy mila fanadihadihana lalina angamba fa ny renin'ilay tovolahy mihintsy no efa niezaka nandresy lahatra anay momba io fivavahany io ka nazava tamin'izany ny zavatra rehetra.Nambarany tamin'izany fa ny fiangonana rehetra mino ny trinité izany hoe "Ray-Zanaka-Ary ny Fanahy masina"dia ho very any amin'ny helo avokoa fa ry zareo ihany no hahazo ny fanjakan'ny lanitra.Tena mpanorina an'io fiangonana io mihintsy ny rain'ity tovolahy ity .Santionany fotsiny izany dia mety ho azonao ny sisa rehetra noresahinay tao.
Marina fa FJKM aho fa ny fijeriko dia mivelatra be fa tsy araka izay voalazanao hoe manaraka fombafomba.Hidera sy hanome voninahitra an'Atra no alehako any ampiangonana fa tsy ny fombafomba ary tsoriko aminao fa maro tokoa ny fombafomba araka ny voalazanao izay tsy maharesy lahatra ahy ao amin'ny FJKM.Misy koa ny fomba izay hitako izay mahatsara azy any amin'ireny fiangonana mifoha vao mifoha ireny ary ankasitrahiko.Atra no banjiniko fa tsy anaram-piangonana fa ao amin'ny FJKM kosa ametrahan'Atra ahy hanompoako azy.
Ohatra akaiky izao ity tranga notantaraiko taminareo ity.Raha olona hafa ao amin'ny FJKM izao tsy miraharaha izany fa izaho kosa dia mijoro satria izay no namianarin'ny tenin'Atra ahy.
Fa ho an'i Sitlo kosa dia mivavaka ho anao aho ary miangavy anao mba hiditra bebe kokoa sy lalindalina kokoa amin'ny fanarahana ny Tompo dia ho hitanao sy ho azonao izay nolazaiko rehetra teny ambony.
Ny Fanahy masina anie hanazava sy hanampy ny fahazoanao ny sitrapon'ATRA
Ho tahian'ny Tompo isika rehetra e.