Hoy ilay tovovavy hoe: Efa lasan'ny olona avokoa ny tsara rehetra

1. niryna ( 01/02/2013 17:31)
Dia mahavariana tokoa ny tovovavy indraindray an,lazainy fa efa lasan'ny olona avokoa hono ny tsara rehetra- izany hoe manambady avokoa ny tsara fa dia eny amin'ny bar sisa izy no mijerijery whoops
Mahalasa saina ahy indray ity hoe
didi10:
Ny tsara ho fantatra dia ny hoe ny inona no maty raha manota, ny nofo sa ny fanahy?
Raha ny nofo no maty maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsara ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena?

Dia misaotra an'i Didi10 indray aho aloha ny amin'ity sujet iray ity
Mahavariana tokoa fa toa alain'Andriamanitra avokoa ny tsara rehetra ! izany akory tsy midika fa ratsy avokoa isika an!
Raha ny hoe raha ny nofo no maty maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsraa ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena
Ireo izany no tena ota mety avo eto amin'i didi10 ? asa aloha fa nonome ohatra fotsiny izy
Fa amiko,matoa mbola velona daholo isika rehetra dia omen'Andriamanitra fotoan'andro hibebahana sa ahoana ?
Niryna
répondu par didi10 le 05/02/2013 08:01
2. leva2 ( 02/02/2013 09:54)
Velona Jesosy!

Somary misy hevitra misafotofoto kely ilay resakao namana niryna.

1- Mila faritana tsara fa "vady sahaza" no omen'Andriamanitra, fa tsy hoe "vady tsara tarehy", na "ratsy tarehy" na "tsara toetra" na "ratsy toetra". Fahendren'Andriamanitra izany no nanomezany anao an'io vadinao io, ka na tsara na ratsy araka ny fijerinao azy izy io dia SAHAZA ary misy hevi-dalin'Andriamanitra ao. Noho izany, tsy tokony hitsiriritra ny hafa satria TSY SAHAZA anao iny, tsy hahasoa anao ary tsy sitrak'Andriamanitra.
Ho an'ny mbola tsy manana kosa, angataho amin'Andriamanitra izay vady SAHAZA anao, fa tsy hoe izay tsara tarehy, na hoe izao na izatsy, fa haitraitra izany fa tsy fahendrena. Rehefa mangataka dia matoky sy mino fa hahazo, fa tsy ianao no handeha hikaroka na hitady araka izay fomba iheveranao azy, fa aleo Jesosy no hiasa dia hiseho aminao ny voninahiNy.

2- "Alain'Andriamanitra avokoa izay tsara rehetra" : angamba tsy dia izay loatra. Iombonako hevitra aminao kosa ilay hoe "matoa mbola velona daholo isika rehetra dia omen'Andriamanitra fotoan'andro hibebahana" ary izay maty dia tsy hoe satria tsara avokoa, fa andeha atao hoe afa-nenina taminy ny Tompo, ka raha nahalala sy nandray an'i Jesosy izy ary naharitra mandra-pahafatiny dia voavonjy : "Tsara", fa raha tsy nino izy, na nino fa tsy nandray an'i Jesosy, na nino sy nandray an'i Jesosy fa tsy naharitra hatramin'ny farany dia "ratsy" izy izany ary ho very any amin'ny helo ny fanahiny.
Tadidio anefa : "vitsy no hovonjena".
3. niryna ( 02/02/2013 20:04)

leva2:

Velona Jesosy!

Somary misy hevitra misafotofoto kely ilay resakao namana niryna.
fa ahoana no misafotofoto ? hi,hi Aoka aloha hazava kely fa tsy izaho io olona io fa fiteny matetika heno avy amin'ny olona tanora

1- Mila faritana tsara fa "vady sahaza" no omen'Andriamanitra, fa tsy hoe "vady tsara tarehy", na "ratsy tarehy" na "tsara toetra" na "ratsy toetra".
fantatro tsara izany ka ,raha miantehitra ny fiainantsika isika fa tsy manankina ny fianantsika amin'Andriamanitra dia manana eritreritra hafa tokoa isika ka
Fahendren'Andriamanitra izany no nanomezany anao an'io vadinao io, ka na tsara na ratsy araka ny fijerinao azy izy io dia SAHAZA ary misy hevi-dalin'Andriamanitra ao. Noho izany, tsy tokony hitsiriritra ny hafa satria TSY SAHAZA anao iny, tsy hahasoa anao ary tsy sitrak'Andriamanitra.
hi,hi dia diso hevitra be hianao fa vereno vakiana tsara ilay hafatr'ilay tovovavy e

Ho an'ny mbola tsy manana kosa, angataho amin'Andriamanitra izay vady SAHAZA anao, fa tsy hoe izay tsara tarehy, na hoe izao na izatsy, fa haitraitra izany fa tsy fahendrena. Rehefa mangataka dia matoky sy mino fa hahazo, fa tsy ianao no handeha hikaroka na hitady araka izay fomba iheveranao azy, fa aleo Jesosy no hiasa dia hiseho aminao ny voninahiNy.
izay ahay mba manome lesona ireo izay tsy mbola manana

2- "Alain'Andriamanitra avokoa izay tsara rehetra" : angamba tsy dia izay loatra. Iombonako hevitra aminao kosa ilay hoe "matoa mbola velona daholo isika rehetra dia omen'Andriamanitra fotoan'andro hibebahana" ary izay maty dia tsy hoe satria tsara avokoa, fa andeha atao hoe afa-nenina taminy ny Tompo, ka raha nahalala sy nandray an'i Jesosy izy ary naharitra mandra-pahafatiny dia voavonjy : "Tsara", fa raha tsy nino izy, na nino fa tsy nandray an'i Jesosy, na nino sy nandray an'i Jesosy fa tsy naharitra hatramin'ny farany dia "ratsy" izy izany ary ho very any amin'ny helo ny fanahiny.
Tadidio anefa : "vitsy no hovonjena".
dia lasa ho sujet vaovao indray io any aoriana any
4. didi10 ( 03/02/2013 14:15)

niryna:

...maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsraa ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena
Ireo izany no tena ota mety avo eto amin'i didi10 ?


Tsara ny Tompo

Misaotra ny namana amin'ny fanamarihana,
Ny fametrahana "degré" amin'ny fahotana izany hoe misy ny fahotana lehibe sy ary misy ny fahotana kely dia matetika mamporisika ny mpanota hamerina ilay fahotana heverina fa kely tsy ankitsahatra, tsy misy ny fahotana lehibe sy kely fa mitovy avokoa ny valin'ny fahotana rehetra.
Ny fisafidianana ireo ota roa ireo dia amin'ny maha-ota maharitra azy, izany hoe mety amin'ny fotoana elaela no hanantanterahan'ilay olona azy sady efa hitam-poko no hitam-pirenena ka tsy miafina intsony.

niryna:

Fa amiko,matoa mbola velona daholo isika rehetra dia omen'Andriamanitra fotoan'andro hibebahana sa ahoana ?
Niryna


Marina izany namana Niryna, ny tombon'andro omen'Andriamanitra antsika dia famindram-po mba hahafahantsika miverina Aminy, maro ireo mpanota izay mihevitra fa mpanota be na nanao fahotana lehibe (ohatra: namono olona, nangalatra vola betsaka, manana sipa 4 sy zanaka ampielezana 5 nefa manambady...) no tsy sahy miverina amin'ny Tompo satria menat
5. AndriambyII ( 05/02/2013 06:54)
Hatraiza moa ny fetran' ny atao hoe tsara sy ratsy @-ndraolombelona ? Tsy noforonina hanota tokoa ve ny olombelona raha ny tena marina ? Vokatr" izay ilay fihinanana sy fitadiavana ary fandaniana ny marina sy ny tsara isan'andro vaky izao ? Jerikiana tsotra dia ampy hamaliana izany , eo @ rohy RAR sy ny zanaka fotsiny , tsy maintsy tsara ve ny RAR miohatra @ zanany ? ny zanaka anefa tsy maintsy mitroka sy maka tahaka , ary mihinana ny anjara tsara avy amindry zareo !
6. didi10 ( 05/02/2013 08:01)

AndriambyII:

Hatraiza moa ny fetran' ny atao hoe tsara sy ratsy @-ndraolombelona ?

Ny nihinanan'i Adama sy Eva ny voankazo voarara no nahatonga antsika hahalala ny tsara sy ny ratsy, dia mbola mipetraka foana eto ilay fanavahana ny tsara kely sy tsara be ary ny ratsy kely sy ratsy be, rehefa tsara dia tsara, rehefa ratsy dia ratsy.

AndriambyII:

Tsy noforonina hanota tokoa ve ny olombelona raha ny tena marina ?


Tsia raha ny tena marina dia noforonina tsy hahay hanota isika fa ny fihinanana ny voankazo voarara no nahatonga antsika hahalala fahotana. Ny fahafantarana ny tsara sy ny ratsy dia mitoetra ao amin'ny fanahintsika lalandava, io ilay antsoin'ny siansa hoe "conscience" fa isika no misafidy ny hanaraka na tsia izay lazain'io conscience io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0537