Ary hoy ilay pasitera hoe ,asaivo manao sarisary ny zanakao
1. niryna
(
29/01/2013 17:33)
Indray andro izay izany ,sendra nividy mofo ho an-janako aho teny an-dalana ho any am-piangonana io .Variana be aho nahita ilay rangahy mpivarotra namerinbola ahy fa tsy aty amiko ny masony fa any ivelany.Teo ka teo,farany nitodika tany amin'ilay dian'ny masony ny tavako ary inona no nitranga hoy hianareo?
Rangahy madio ,nanao complet maity sy lobaka fotsy ary misy cravatte manga izay no nanaovany. Avy tany amin'ny trano farany ambony 10 eme etages tany izy no nianjera a,teo amin'ny varavarankeliny izy no nivoaka ary tonga dia nitotona tery ambany tery,maty tsy tsa-dra ilay rangahy ary ny lohany no nidona tamin'ny rindrina ary vaky niparasaka tery ny karan-dohany .Feno ati-doha ny rindrina( fotsifotsy ,toa menaka tavikena izany ilay izy) . Tsy nahateny ,tsy nahavolana aho ary ny zanako tsy azoko nanafenana fa samy may niampita nijery ilay rangahy moa izahay.Ela aho vao tonga saina ary ilay zaza dia vaka tsy nahateny.Nanatona ny pasiteranay izahay mivady ary nitantara ny zava-misy ,tranga niseo teo ary hoy ilay pasitera tamin'ny zanako hoe ataovy sary hoe izay zavatra itanao sy tsaroanao? Iny tokoa ny zanako fa nanao kisarisary no sady nanazava ilay pasitera izay itan'ny masony.Isaorako lehibe Andriamanitra fa tsy naninona ilay zaza mandraka androany.
Dia izay ve no vahaolana farany nety taminy e? Nandeha teo ny resaka sy ny mpiara-vodirindrana taminy fa efa niteniteny ny andeha foana hono io rangahy io ary toa tsy nino azy ny tao an-tranony dia izay .Vita ny fiainany.
Ny fanontaniako dia hoe satria ilay rangahy tsy nahazaka ny onjam-piainana dia namono tena.Amin'ny maha kristiana sy ny fahafantaranao azy,tsy mitsara isika tonga dia any amin'ny afobe ve izao ilay rangahy sa ahoana ?
"
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Romana 6:23)."
Ny faharoa dia hoe : Inona no tena hevitr'ireo teny eo ambony ireo -Fahafatesana no tambin'ny ota sy ny hoe fiainana mandrakizay ?
misaotra antsika hatrany e

répondu par mandalomiserana le 05/02/2013 10:49
2. Nehemiah
(
30/01/2013 06:01)
Raha ny fiheverako azy aloha dia fiheveran'ny tena ho tompon'ny fiainana ny mamono tena, ka ota izany. Jereo fotsiny ny mpanjaka Saoly sy i Jodasy.
Ny dikan'ny Rom. 6:23 dia mazava rehefa jerena ny lahatsoratra misy azy : niditra teo @'izao tontolo izao ny fahafatesana (na ara-batana, na ara-panahy) noho ny otan'i Adama sy Eva. Maty antsika satria taranany antsika ka tsy aritry ny tsy manota. Fa raha mino an'i Kristy sy ny Asany lavorary tany Kalvary antsika dia manana ny fiainana mandrakizay antsika, izany hoe mahafantatra an'Andriamanitra antsika. Ka velona @ fiainam-baovao antsika, tsy hay ampitahaina @ fiainana talohan'ny nandraisantsika an'i Kristy ho Tompo. Sady manana fanantenana hiaina mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo antsika aorian'ny fahafatesana.

3. smileyah
(
30/01/2013 07:58)
Manao ahoana daholo. Momba ity tranga iray ity, dia tsy anjarantsika olombelona ny mitsara , fa ny tokony ho ao an-tsaintsika dia hoe: Andriamanitra be famindran-po ka mahay mamela ny heloka rehetra. Tahaka ny namelan'i Jesoa Kristy ny helok'ilay jiolahy niara-nofantsiana taminy teo @ hazo fijaliana, ary nilazany hoe anio ihany dia hiaraka amiko any am-paradisa ianao. Raha nisy fanenenana tao @ ilay rangahy ka nitodika tany @ i Jesoa izy alohan'ny nahafatesany dia mino marina aho fa novonjena izy. Satria ny fiainana mandrakizay dia fanomezam-pahasoavana maimaim-poana omen'Andriamanitra ireo izay tiany.Ka na teo aza ny ota nitondra fahafatesana, Jesoa kosa manome maimaim-poana ny fiainana tsy mana-pahataperana.
Ny tokony ataontsika dia mivavaka ho an'ny fanahin'ilay rangahy.

4. didi10
(
30/01/2013 10:24)
niryna:
Ny fanontaniako dia hoe satria ilay rangahy tsy nahazaka ny onjam-piainana dia namono tena.Amin'ny maha kristiana sy ny fahafantaranao azy,tsy mitsara isika tonga dia any amin'ny afobe ve izao ilay rangahy sa ahoana ?
Ho an'ireo manana ny lalàna ao am-pony: "Aza mamono olona" (Eks 20;13) famonoana olona ny famonoan-tena. Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao (Lev 19;18), fahotana ny tsy fitiavana ny tenany, fahotana ny famonoan-tena,
Kor I 6,9: Ny mpanota tsy mba handova ny fanjakan'ny lanitra
niryna:
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Romana 6:23)."
Ny faharoa dia hoe : Inona no tena hevitr'ireo teny eo ambony ireo -Fahafatesana no tambin'ny ota sy ny hoe fiainana mandrakizay ?
misaotra antsika hatrany e
Ny tsara ho fantatra dia ny hoe ny inona no maty raha manota, ny nofo sa ny fanahy?
Raha ny nofo no maty maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsara ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena?
Raha ny fanahy no maty mazava fa tsy mitovy ny endriky ny fahafatesan'ny nofo sy ny fanahy, ny fanahy noho izany no voakasiky ny ota ka iharan'ilay fahafatesana voalohany vokatry ny fahotana, io fanahy mibaby ota io ilay enta-mavesatra omena an'i Kristy hofantsihina eo amin'ny hazo fijaliana amin'ny fibebahana sy alevina miaraka Aminy ary miditra amin'ny fahateraham-baovao amin'ny Batisa. (Romana 6,6).
Izay tsy nandray ny famonjena ny fanahiny no iharan'ilay fahafatesana faharoa dia ny afo solifara sy ny farihy mirehitra afo. (Apok 21;8)
5. smileyah
(
30/01/2013 12:28)
didi10:Ny zavatra fantatro ary inoako @ maha kristianina ahy aloha dia Andriamanitra be famindram-po ary omeny maimaimpoana izany.Tsy noho ny asa vitanao na ny fahamendrehanao fa nohon'ny halehiben'ny hatsaram-pony. Ka raha niteny ianao hoe ny mpanota tsy mba handova ny fanjakan'ny lanitra, dia tokony ho tsy ho tonga any an-danitra izany ilay anankiray niara-nifantsika tamin'i Jesoa, izay jiolahy ary nilazany hoe anio ihany ianao dia hiaraka amiko any am-paradisa.
niryna:
Ny fanontaniako dia hoe satria ilay rangahy tsy nahazaka ny onjam-piainana dia namono tena.Amin'ny maha kristiana sy ny fahafantaranao azy,tsy mitsara isika tonga dia any amin'ny afobe ve izao ilay rangahy sa ahoana ?
Ho an'ireo manana ny lalàna ao am-pony: "Aza mamono olona" (Eks 20;13) famonoana olona ny famonoan-tena. Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao (Lev 19;18), fahotana ny tsy fitiavana ny tenany, fahotana ny famonoan-tena,
Kor I 6,9: Ny mpanota tsy mba handova ny fanjakan'ny lanitra
niryna:
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Romana 6:23)."
Ny faharoa dia hoe : Inona no tena hevitr'ireo teny eo ambony ireo -Fahafatesana no tambin'ny ota sy ny hoe fiainana mandrakizay ?
misaotra antsika hatrany e
Ny tsara ho fantatra dia ny hoe ny inona no maty raha manota, ny nofo sa ny fanahy?
Raha ny nofo no maty maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsara ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena?
Raha ny fanahy no maty mazava fa tsy mitovy ny endriky ny fahafatesan'ny nofo sy ny fanahy, ny fanahy noho izany no voakasiky ny ota ka iharan'ilay fahafatesana voalohany vokatry ny fahotana, io fanahy mibaby ota io ilay enta-mavesatra omena an'i Kristy hofantsihina eo amin'ny hazo fijaliana amin'ny fibebahana sy alevina miaraka Aminy ary miditra amin'ny fahateraham-baovao amin'ny Batisa. (Romana 6,6).
Izay tsy nandray ny famonjena ny fanahiny no iharan'ilay fahafatesana faharoa dia ny afo solifara sy ny farihy mirehitra afo. (Apok 21;8)
Fa raha ny fahafatesana no tambin'ny ota dia izay rehetra manota dia mendrika ho faty dia ny fahafatesan'ny fanahy raha tsy mibebaka. Fa ny fibebahana dia fanenenana marina @ ratsy rehetra natao sy ny fikasana mafy tsy hanao izany intsony. Ary Andriamanitra irery ihany no mahalala ny tena ao am-pon'ny olona tsirairay, ka Izy ihany koa no manome maimaimpoana ny fiainana mandrakizay ho an'ireo izay tiany sy mandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy azy.
6. Nehemiah
(
30/01/2013 12:30)
didi10:
Raha ny nofo no maty maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsara ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena?
Inona no tena tianao tenenina ? Olona efa mety maty ve no noharian'Andriamanitra tany Edena ?
7. didi10
(
30/01/2013 12:40)
smileyah:
Ny zavatra fantatro ary inoako @ maha kristianina ahy aloha dia Andriamanitra be famindram-po ary omeny maimaimpoana izany.Tsy noho ny asa vitanao na ny fahamendrehanao fa nohon'ny halehiben'ny hatsaram-pony. Ka raha niteny ianao hoe ny mpanota tsy mba handova ny fanjakan'ny lanitra, dia tokony ho tsy ho tonga any an-danitra izany ilay anankiray niara-nifantsika tamin'i Jesoa, izay jiolahy ary nilazany hoe anio ihany ianao dia hiaraka amiko any am-paradisa.
Voaporofo teo amin'ny hazo fijaliana fa fotoana fohy monja dia afaka miala eo amin'ilay anarana hoe mpanota ny olona ka mifindra eo amin'ilay hoe voavonjy rehefa miaiky ny fahotany ka mibebaka marina tokoa. Fa tsy hanana "chance" tahaka io Jiolahy io avokoa isika rehetra, izy anie namana ka i Jesosy en personne mihitsy ny nanome "amnistie direct" azy e! fa rehefa niakatra any an-danitra izy dia nirahiny ireo Apostoly mba hampianatra ny sitrapoNY ny amin'ny fiainana mandrakizay. Raha mbola misy ny fotoana namana dia mibebaha, mirosoa amin'ny batisa, raiso ny Fanahy Masina ary mahareta amin'ny finoana.
8. nounourse
(
30/01/2013 21:42)
Amin'ny Maha Kristianina Protestante ahy dia ireto no valin-teny azoko haroso amin'ireo fanontaniana ireo :
1- Ny famonoan-tena dia fahotana : rehefa mamono tena dia ao anatin'ny mamono olona ihany satria ny tenan-tsika dia olona. Any amin'ny afo-be io rangahy io satria teo ampanatanterahana ny fahotana izy no maty, na nivavaka ary izy talohan'ny namonoany tena...dia tsy misy lanjany ny fivavahany satria nivavaka izy dia ny avy eo nanota. (ohatra oe te angalatra mofo de alohan'ny angalarana mofo de mivavaka; de tsis dikan le vavak satria n avy eo iz nangalatra de nefa teo am-pangalarana no maty).
2-
>Ny hoe " ny fahafatesana no tambin'ny ota amiko izao : "Ny afo be no tambin'ny fahotana". Ka io fahafatesana tiany horesahana io dia tsy ilay fahafatesana ara nofo satria na ny olo-marina na ny olon-diso dia samy mandalo fahafatesana ara nofo avokoa, na jesoa kristy ary. fa ilay hafo be, sy ilay fahoriana mandrakizay no tiany ho tenenina amin'io izay natokana ho an'ireo olona tsy mpino, sy mpanota.
>Ny hoe "fiainana mandrakizay indray amiko dia midika ilay fiainana misy ny fiadanana mandrakizay izay natolotr'Andriamanitra ho an'ny olona izay manao ny tsara aorinan'ny fahafatesana ara nofo.
Conclusion : Na ny fahafatesana= afo be, na ny fianana mandrakizay dia samy fianana aorinan'ny fahafatresana ara nofo daholo, fa ilay voalohany fahoriana mandrakizay ar ilay faharoa kosa dia fiadadanana mandrakizay.
Hafatra : Ny fianantsika olom-belona mandalo ihany, ary mpanota daholo isika, manao fahotana tsy iniana ary matetika. Fa ny tena angatahina amin' Andriamanitra amin'ny maha Kristianina dia ny mba hananantsika fotoana angatahana fifonana amin' Azy noho ireo fahotana vita, sy fametrahana ny fanahintsika eo ampelatanany rehefa akaiky fahafatesana, alohan'ny andaozana izao tany mandalo izao.

9. sitlo
(
30/01/2013 22:35)
niryna:
Ny fanontaniako dia hoe satria ilay rangahy tsy nahazaka ny onjam-piainana dia namono tena. Amin'ny maha kristiana sy ny fahafantaranao azy, tsy mitsara isika tonga dia any amin'ny afobe ve izao ilay rangahy sa ahoana ?
Amin'ny kristianina aloha dia tsy hay satria Andriamanitra no mitsara ka tsy isalovanina.
Raha amiko indray dia tsy hitako loatra ny olana.
Ny zavatra mila jerena alohan'ny famonoan-tena:
- ny alahelon'ny olona akaiky anao.
- ny olona miankina aminao: vola, fiarovana, fanabeazana
- ny firenenao: raha ao anatin'ny "population active" ianao dia fahavoazana lehibe ny fahafatesanao
Raha tena dinihina nefa ireo dia mitovy amin'ny fahafatesana rehetra ihany.
niryna:
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Romana 6:23)."
Ny faharoa dia hoe : Inona no tena hevitr'ireo teny eo ambony ireo -Fahafatesana no tambin'ny ota sy ny hoe fiainana mandrakizay ?
Io indray dia anian'ny teny miaro hevitra, tsy mahagaga fa ny Baiboly no resahina. Izany hoe ny hevitra tsara azonao raisina avy aminy no tanjona fa tsy ny famoaboasana azy loatra: na ara-bakiteny io, na ara-kevitra.
10. Nehemiah
(
31/01/2013 12:39)
Efa elaela ihany aho no nanantitra ny maha-zava-dehibe ny vontoatin'ny Hermeneotika : ny Soratra Masina ihany no anazavàna ny Soratra Masina. Ka hoy ny Gen. 2:17 raha adika ara-bakiteny : "Mourrant, tu mourras", izany hoe samy tambin'ny ota ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana : maty ara-panahy i Adama aloha (nisaraka t@'Andriamanitra), sady nanjary niha-antitra tsikelikely hatr@ fahafatesana ny vatany.
11. nounourse
(
31/01/2013 16:53)
Ho lava be ny resaka raha ifampanazava ny Gen. 2:17 sy hiady hevitra amin'izay.
1-Fa entiko hitarihana saina fotsiny dia tokony ho tsaroina lony voalohany indrindra amin'ny maha Kristianina dia ny hoe misy Ny Testamenta vaovao, io Testamenta vaovao io dia tsy famenon'ny Testamenta taloha sy fahatanterahan'ny testamenta taloha ihany, fa koa nisy fanintsiana nataon Jesoa Kristy tao anatin'io (ohatra oe tamin'ny testamenta taloha biby maloto ny kisoa donc tsy hazo hohanina, nefa ao amin'ny testamenta vaovao miteny izy oe tsy izay miditra no mampaloto fa izay mivoaka).
2- Ao amin'ny testamenta vaovao no misy ilay hoe fahafatesana no tambin'ny ota ary anisan'ny fanintsiana sy famenoana ny testamenta taloha izy io satria mba ho azo tsara dia aleo atomboko amin Romana 6:22-23 fa tsy 6:23 fotsiny manao hoe :" Fa ankehitriny, REHEFA NATAO HO AFAKA TAMIN'NY OTA HIANAREO ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fianana mandrakizay.23: Fa ny fahafatesana no tambin'ny ota, ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika"
Isika izany izao ao amin'ny testamenta vaovao, efa nahafahan'ny Jesoa Kristy tamin'ny fahotana nefa tsy hoe akory oe lasa velona mandrakizay. Satria na afaka amin'ny fahotana aza dia tsarovy fa mandalo fahafatesana ara-nofo foana rehefa olona ambany masoandro satria ny antony dia tsy hoe tsony hoe satria nanota fa satri NY NOFO TSY AFAKA ANDOVA NY FIANANA MANDRAKIZAY (satria vovoka), Fa ny fanahy no mandova. Ka ilay fahafatesana tiany hotenenina eto dia ilay mifanohitra amin'ny he Fianana mandrakizay.
IZANY HOE RAHA FINTININA DIA IZAO NO TIANY AMBARA AMIN'iO ROMANA 6:22-23 dia hoe " Efa nahafahana tamin'ny fahotana isika, ka tonga mpanompon'Andrimanitra, Fa ho an'izay mbola manota sy tsy mino kosa dia ho any amin'ny fahoriana mandrakizay tambin'ny fahotanana nataony, fiadanana Mandrakizay kosa no homen'Andriamanitra ho an'izay manaraka sy manao ny sitrapony" Fa tsy ilay fahafatesana ara-nofo intsony

12. nounourse
(
31/01/2013 17:11)
1-Marina fa Andrimanitra no mitsara, fa ny zavatra saika adinonao kely amin'ny maha Kristianina Dia isika olombelona anie efa mahalala ny tsara sy ny ratsy ary ny vokany e. Ary amin'ny maha Kristianina antsika koa, isika mamaky baiboly dia efa fantan-tsika hoe inona doly no tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny vokan'ny tsy fanarahana azy.
2-Mety amin'ny maha olombelona manana ny safidiny malalaka sy ny fomba fijeriny izy tsy misy olana. Fa amin'ny maha Kristianina kosa nefa tsy izany no jerena fa ilay sitrapon' Andrimanitra, ka amiko manokana NY ZAVATRA ALOHAN'NY JERENA ALOHAN'NY FAMONOAN-TENA amin'ny maha- Kristianina dia ny hoe " Mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ve le famonoan-tena(= famonoana olona satria ny tenanao dia olona) sa tsia?
Dia ngamba amin'ny maha kristianina anao dia hainao ny valiny dia fantatrao ho azy koa hoe inona ny vokany.
Marina fa, ra amin'ny fahafatesana ara nofo no jerena dia mitovy amin'ny fahafatesana manjo ny nofo rehetra " arret cardiaque" dia lo ny nofo. fa ny fahafatesana ara-panahy miandry kosa dia ilay fahoriana mandrakizay.
Tsarovy fa ny tenan-tsika tempolin'Andrimanitra, ary izy miteny fa izay manimba ny tempoliny dia hosimbany koa.

13. niryna
(
31/01/2013 17:24)
didi10:
Raha ny nofo no maty maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsara ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena?
Nehemiah:izaho koa aza mba gaga
Inona no tena tianao tenenina ? Olona efa mety maty ve no noharian'Andriamanitra tany Edena ?
Ny tokony ho izy dia hoe inona no lesona azontsika ho tsoahina sy ny fomba fampiarana izany amin'ny fiainana sy ireo manodidina antsika sendra ny patsa iray tsy omby vava ka manaonao foana tsy ampiheverana sa ahoana?
14. niryna
(
31/01/2013 17:29)
smileyah:
Ny zavatra fantatro ary inoako @ maha kristianina ahy aloha dia Andriamanitra be famindram-po ary omeny maimaimpoana izany.Tsy noho ny asa vitanao na ny fahamendrehanao fa nohon'ny halehiben'ny hatsaram-pony. Ka raha niteny ianao hoe ny mpanota tsy mba handova ny fanjakan'ny lanitra, dia tokony ho tsy ho tonga any an-danitra izany ilay anankiray niara-nifantsika tamin'i Jesoa, izay jiolahy ary nilazany hoe anio ihany ianao dia hiaraka amiko any am-paradisa.
didi10:izay izany no lesona azo tsoahina,raha mbola misy fotoana hibebahana dia mibebaha
Voaporofo teo amin'ny hazo fijaliana fa fotoana fohy monja dia afaka miala eo amin'ilay anarana hoe mpanota ny olona ka mifindra eo amin'ilay hoe voavonjy rehefa miaiky ny fahotany ka mibebaka marina tokoa. Fa tsy hanana "chance" tahaka io Jiolahy io avokoa isika rehetra, izy anie namana ka i Jesosy en personne mihitsy ny nanome "amnistie direct" azy e! fa rehefa niakatra any an-danitra izy dia nirahiny ireo Apostoly mba hampianatra ny sitrapoNY ny amin'ny fiainana mandrakizay. Raha mbola misy ny fotoana namana dia mibebaha, mirosoa amin'ny batisa, raiso ny Fanahy Masina ary mahareta amin'ny finoana.
15. niryna
(
31/01/2013 17:32)
Nehemiah:ota tokoa ny mamono tena saingy raha toa ka tsy manana an'Atra ilay olona dia tsy mihevitra izany ho ota iza .Ahoana tokoa re no niafarany raha toa ka nibebaka teo i Jodasy ary nitory teny e, moa ve nanaraka azy io ireo nihevitra ny hamono an'i kristy? Ny baiboly anie dia lesona hoentintsika amin'ny fiainana e,fa ahoana kosa ary raha toa ka tsy mahalala ny teny mamy sy fampianarana ary fampaherezana ao anaty baiboly ny olona iray?
Raha ny fiheverako azy aloha dia fiheveran'ny tena ho tompon'ny fiainana ny mamono tena, ka ota izany. Jereo fotsiny ny mpanjaka Saoly sy i Jodasy.
misaotra anao
Ny dikan'ny Rom. 6:23 dia mazava rehefa jerena ny lahatsoratra misy azy : niditra teo @'izao tontolo izao ny fahafatesana (na ara-batana, na ara-panahy) noho ny otan'i Adama sy Eva. Maty antsika satria taranany antsika ka tsy aritry ny tsy manota. Fa raha mino an'i Kristy sy ny Asany lavorary tany Kalvary antsika dia manana ny fiainana mandrakizay antsika, izany hoe mahafantatra an'Andriamanitra antsika. Ka velona @ fiainam-baovao antsika, tsy hay ampitahaina @ fiainana talohan'ny nandraisantsika an'i Kristy ho Tompo. Sady manana fanantenana hiaina mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo antsika aorian'ny fahafatesana.
16. nounourse
(
31/01/2013 18:57)
Ny zavatra adinonao dia ny hoe andriamanitra MAMINDRA FO HO AN'IZAY MIBEBAKA AMINY ary amin'ny maha Kristianina dia tokony ho fantatra izany. Ka na be famindra po ary Andriamanitra rehefa tsy nanana fotoana ibebahana ianao nefa nanota dia tsy avotra intsony.
Ary iarahantsika mahalala ngamba fa namindra fo tamin'io jiolahy io Andriamanitra satria nahatsiaro nibebaka sy niaiky ny fahotany. ary raha toizana koa dia ilay Jiolahy iray hafa maty satria nanota (niniana nijanona tamin'ny fahotany izy fa tsy nibebaka dia tsy nahazo famindrampo)
Amin'ny maha Kristianina anao izany dia tokony ho fantatrao fa fahotana ny mamono tena, raha nangalatra ianao ohatra nefa mbola velon'aina dia isaory an'Andrimanitra satria famindram-po ahafahanao mibebaka. Na hoe namono tena ianao dia tsy maty dia isaory satria mbola misy fotoana ibebahana.
Fa ra eo am-pangalarana, na eo ampanatanterahana ny famonoan-tena ianao no maty, tsy nisy fotoana ibebana aminy. Dia amin'ny maha Kristianaina anao ngamba dia ianao no mafantatra ny valiny
FAMINTINANA:Misy teny soratra masina izay ao amin'ny baiboly ao manao hoe (tsy tadidiko ny misy azy) : "Ny heloka rehetra rehafa ibebahana azo avela avokoa afa tsy ny miteny ratsy ny fanahy masina" izay midika fa ny heloka rehetra ibebahana azo avela avokoa, ary ny heloka rht tsy hibebahana dia tsy ho avela. Ilay miteny ratsy ny fanahy masina dia ilay ts nibebaka tamin fahotany.
[quote=smileyah]

17. nounourse
(
31/01/2013 19:26)
1- Izay ilay hoe Andriamanitra no mifidy ny olony fa tsy ny olona no mifidy an'Andriamanitra. Amin'Andriamanitra tsy misy ota niniana sy tsy niniana, na fantatra sy tsy fantatra izany fa rehefa fahotana dia fahotana. Izay no matonga an'i Pastera refa mivavaka dia ifonana na ny ota tsy fantatra ary satria mampitondra any amin'ny fahaverezana. Ny olona tsy mahafantatra ny ontany nef nanota ka tsy nibebaka dia very ny fanahiny nefa mafy kokoa ho an'izay mahafantatra nef minia.
Ary tsarovy fa olona tian'Andriamanitra ianao ary nofidiny sy namindrany fo matoa nataony ho isany nahalala ny teniny. Nefa kosa, ny andraikitr'isika Kristianina dia ny mampahafantatra an'ireny olona tsy mahafantra ireny mba tsy ho very ny fanahiny
2-Izaho anie tsy manda ny teninao e, marina tokoa fa ny fahafatesana ara nofo dia vokatry ny fahotana nataon'ny Adama sy Eva ary tambin'ny fahotana nataony. Nefa ao amin'ny testamenta vaovao, tsy hoe akory hoe miteny izy hoe ny fahafatesana no tambin'ny ota dia tonga dia midika avy hatrany oe tsy maintsy ilay ara nofo sy ara panahy miaraka no tiany ho tenenina eo.
tokony horaisinao hatramin'ny andininy faha 22 ilay izy dia mazava tsara fa raha alaina sombitsombiny dia manjary diso hevitra. Noteneniny ao dia efa afaka amin'ny fahotana isika tamin'ny alalan'ny jesoa Kristy fa izany nefa tsy manafoana ny fahafatesana ara nofo, fa lasa lalana andalovan'ny rehetra io, iampitana any amin'ny ilay fianana mandrakizay. FA kosa ny fahafatesana no tambin'ny ota izay midika ra eo amin'io andininy io hoe ny afo be no azon izay mbola manota.
Nehemiah:ota tokoa ny mamono tena saingy raha toa ka tsy manana an'Atra ilay olona dia tsy mihevitra izany ho ota iza .Ahoana tokoa re no niafarany raha toa ka nibebaka teo i Jodasy ary nitory teny e, moa ve nanaraka azy io ireo nihevitra ny hamono an'i kristy? Ny baiboly anie dia lesona hoentintsika amin'ny fiainana e,fa ahoana kosa ary raha toa ka tsy mahalala ny teny mamy sy fampianarana ary fampaherezana ao anaty baiboly ny olona iray?
Raha ny fiheverako azy aloha dia fiheveran'ny tena ho tompon'ny fiainana ny mamono tena, ka ota izany. Jereo fotsiny ny mpanjaka Saoly sy i Jodasy.
misaotra anao
Ny dikan'ny Rom. 6:23 dia mazava rehefa jerena ny lahatsoratra misy azy : niditra teo @'izao tontolo izao ny fahafatesana (na ara-batana, na ara-panahy) noho ny otan'i Adama sy Eva. Maty antsika satria taranany antsika ka tsy aritry ny tsy manota. Fa raha mino an'i Kristy sy ny Asany lavorary tany Kalvary antsika dia manana ny fiainana mandrakizay antsika, izany hoe mahafantatra an'Andriamanitra antsika. Ka velona @ fiainam-baovao antsika, tsy hay ampitahaina @ fiainana talohan'ny nandraisantsika an'i Kristy ho Tompo. Sady manana fanantenana hiaina mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo antsika aorian'ny fahafatesana.
[/quote]
18. nounourse
(
31/01/2013 19:53)
Izay ilay hiran'ny Hantatiana ao amin'ny salamo hoe : Nahoana no toa miadana ny mpirehareha, ny ratsy fanahy, toa tsy azom pahoriana ka saiky lavo aho nialona. Toa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny izany no irereavany.
Ny zavatra rehetra tsy maintsy misy valiny avokoa. Ilay hoe nofo maty akory tsy hoe ze ratsy fanahy na mpangalatra dia tonga dia maty, fa izay tsara fanahy ho ela velona. Ny fahafatesana ara nofo dia andalovan'ny olona rehetra na ny tsara na ny ratsy, fa tsy hoe valin'ny faharatsiana na fangalarana natao. Ka aza gaga ianao raha maita mpangalatra reny ela velona.
Fa ho an'ny Krisitanina dia ny valin'ny natao dia tsy ny eto antany ihany, fa ilay aorian'ny fahafatesana ara nofo. Mety hoe ambinina izy, toa jerena sambatra izy nefa ny fiainana eto an-tany ne mandalo ihany e, ny mpanao ratsy tsy maintsy ahazo ny vokany aorinan'ny fahafatesana ara nofo. Dia tsy aleo ve miaritra manao ny tsara, iaritra ny fijaliana kely sendra miserana dia mahazo ny fianana mandrakizay; toy miadana vetivety toy ny mpangalatra nef ao aorinan'ny fahafatesana feno fijaliana mandrakizay. (Manamarina izany ny Tantaran'ilay mpanankarena sy Zakaiosy)
Ny tokony ho izy dia hoe inona no lesona azontsika ho tsoahina sy ny fomba fampiarana izany amin'ny fiainana sy ireo manodidina antsika sendra ny patsa iray tsy omby vava ka manaonao foana tsy ampiheverana sa ahoana?
[/quote]
Ny zavatra rehetra tsy maintsy misy valiny avokoa. Ilay hoe nofo maty akory tsy hoe ze ratsy fanahy na mpangalatra dia tonga dia maty, fa izay tsara fanahy ho ela velona. Ny fahafatesana ara nofo dia andalovan'ny olona rehetra na ny tsara na ny ratsy, fa tsy hoe valin'ny faharatsiana na fangalarana natao. Ka aza gaga ianao raha maita mpangalatra reny ela velona.
Fa ho an'ny Krisitanina dia ny valin'ny natao dia tsy ny eto antany ihany, fa ilay aorian'ny fahafatesana ara nofo. Mety hoe ambinina izy, toa jerena sambatra izy nefa ny fiainana eto an-tany ne mandalo ihany e, ny mpanao ratsy tsy maintsy ahazo ny vokany aorinan'ny fahafatesana ara nofo. Dia tsy aleo ve miaritra manao ny tsara, iaritra ny fijaliana kely sendra miserana dia mahazo ny fianana mandrakizay; toy miadana vetivety toy ny mpangalatra nef ao aorinan'ny fahafatesana feno fijaliana mandrakizay. (Manamarina izany ny Tantaran'ilay mpanankarena sy Zakaiosy)
didi10:
Raha ny nofo no maty maninona no mbola miriaria eny soa aman-tsara ireo mpangala-badin'olona sy mpandroba harem-pirenena?
Nehemiah:izaho koa aza mba gaga
Inona no tena tianao tenenina ? Olona efa mety maty ve no noharian'Andriamanitra tany Edena ?
Ny tokony ho izy dia hoe inona no lesona azontsika ho tsoahina sy ny fomba fampiarana izany amin'ny fiainana sy ireo manodidina antsika sendra ny patsa iray tsy omby vava ka manaonao foana tsy ampiheverana sa ahoana?
[/quote]
19. smileyah
(
01/02/2013 13:17)
Amin'ny maha kristianina ahy dia fantatro tsara fa fahotana ny mamono tena ,ary mifampitohy ihany ny resakantsika fa izay mibebaka alohan'ny hahafatesany no mahazo famindram-po. Taiza no nahafantaranareo zay tao am-pon'ilay rangahy teny am-panidinana, na talohan'ny nialany aina? Ary izany no mahatonga ahy tsy hiteny hoe any @ afobe izy sa tsia satria novidin'i Jesoa lafo tamin'ny rany koa io olona io ka azony avela heloka raha nanenina mafy tao am-pony izy sady nangata-bonjy taminy.
Maro loatra ny mpahay baiboly ato ka tsy mihevitra intsony ny halehiben'ny fitiavan'andriamanitra ny olombelona.
Ny lesona tiako hampitaina dia hoe na dia efa eo ambavahaonan'ny fahafatesana aza isika dia aza adino na oviana na oviana ny mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra sy manenina mafy amin'ny hadisoana natao.

20. Nehemiah
(
01/02/2013 13:39)
Hitanao izany, miaiky ianao fa raha mbola tsy niala ny ainy dia mbola afaka mibebeka izy, fa raha efa niala ny ainy dia tsy misy inona na inona azo atao intsony. Tsy afaka manao soa na ratsy intsony ny maty, ka @ fomba ahoana no mbola ahafahany mibebaka ? Ka fandanian'andro ny "mivavaka ho an'ny fanahiny" satria efa lasa tany @ toerana sahaza azy izy, na Paradisa, na fiainan-tsi-hita, satria tsy azo dinganina ny hantsana mampisaraka azy ireo.