Ary hoy ilay pasitera hoe ,asaivo manao sarisary ny zanakao
21. niryna
(
01/02/2013 16:59)
niryna:
Ny fanontaniako dia hoe satria ilay rangahy tsy nahazaka ny onjam-piainana dia namono tena.Amin'ny maha kristiana sy ny fahafantaranao azy,tsy mitsara isika tonga dia any amin'ny afobe ve izao ilay rangahy sa ahoana ?
didi10:ary raha toa ka teo ambavahoam-pahafatesana izy no niantsoantso ny anaran'i Jesosy,mamindrafo amiko Tompo o fa mpanota aho,vonjeo ny fanahiko sns dia mbola any amin'ny afobe ihany ve izy?
Ho an'ireo manana ny lalàna ao am-pony: "Aza mamono olona" (Eks 20;13) famonoana olona ny famonoan-tena. Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao (Lev 19;18), fahotana ny tsy fitiavana ny tenany, fahotana ny famonoan-tena,
Kor I 6,9: Ny mpanota tsy mba handova ny fanjakan'ny lanitra
22. niryna
(
01/02/2013 17:04)
sitlo:izay koa no mba eritreritro, eny fa na dia eo ambavahoana aza ilay rangahy ka mibebaka izy sa ?
niryna:
Ny fanontaniako dia hoe satria ilay rangahy tsy nahazaka ny onjam-piainana dia namono tena. Amin'ny maha kristiana sy ny fahafantaranao azy, tsy mitsara isika tonga dia any amin'ny afobe ve izao ilay rangahy sa ahoana ?
Amin'ny kristianina aloha dia tsy hay satria Andriamanitra no mitsara ka tsy isalovanina.
ilay famonoantena ve?
Raha amiko indray dia tsy hitako loatra ny olana.
Ny zavatra mila jerena alohan'ny famonoan-tena:
- ny alahelon'ny olona akaiky anao.
- ny olona miankina aminao: vola, fiarovana, fanabeazana
- ny firenenao: raha ao anatin'ny "population active" ianao dia fahavoazana lehibe ny fahafatesanao
Raha tena dinihina nefa ireo dia mitovy amin'ny fahafatesana rehetra ihany.
niryna:
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." (Romana 6:23)."
Ny faharoa dia hoe : Inona no tena hevitr'ireo teny eo ambony ireo -Fahafatesana no tambin'ny ota sy ny hoe fiainana mandrakizay ?
Io indray dia anian'ny teny miaro hevitra, tsy mahagaga fa ny Baiboly no resahina. Izany hoe ny hevitra tsara azonao raisina avy aminy no tanjona fa tsy ny famoaboasana azy loatra: na ara-bakiteny io, na ara-kevitra.
[/quote] dia ahoana ny hevitrao amin'io ? Misaotra sitlo
23. niryna
(
01/02/2013 17:07)
nounourse:misaotra anao
Ho lava be ny resaka raha ifampanazava ny Gen. 2:17 sy hiady hevitra amin'izay.
1-Fa entiko hitarihana saina fotsiny dia tokony ho tsaroina lony voalohany indrindra amin'ny maha Kristianina dia ny hoe misy Ny Testamenta vaovao, io Testamenta vaovao io dia tsy famenon'ny Testamenta taloha sy fahatanterahan'ny testamenta taloha ihany, fa koa nisy fanintsiana nataon Jesoa Kristy tao anatin'io (ohatra oe tamin'ny testamenta taloha biby maloto ny kisoa donc tsy hazo hohanina, nefa ao amin'ny testamenta vaovao miteny izy oe tsy izay miditra no mampaloto fa izay mivoaka).
2- Ao amin'ny testamenta vaovao no misy ilay hoe fahafatesana no tambin'ny ota ary anisan'ny fanintsiana sy famenoana ny testamenta taloha izy io satria mba ho azo tsara dia aleo atomboko amin Romana 6:22-23 fa tsy 6:23 fotsiny manao hoe :" Fa ankehitriny, REHEFA NATAO HO AFAKA TAMIN'NY OTA HIANAREO ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fianana mandrakizay.23: Fa ny fahafatesana no tambin'ny ota, ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika"
Isika izany izao ao amin'ny testamenta vaovao, efa nahafahan'ny Jesoa Kristy tamin'ny fahotana nefa tsy hoe akory oe lasa velona mandrakizay. Satria na afaka amin'ny fahotana aza dia tsarovy fa mandalo fahafatesana ara-nofo foana rehefa olona ambany masoandro satria ny antony dia tsy hoe tsony hoe satria nanota fa satri NY NOFO TSY AFAKA ANDOVA NY FIANANA MANDRAKIZAY (satria vovoka), Fa ny fanahy no mandova. Ka ilay fahafatesana tiany hotenenina eto dia ilay mifanohitra amin'ny he Fianana mandrakizay.
IZANY HOE RAHA FINTININA DIA IZAO NO TIANY AMBARA AMIN'iO ROMANA 6:22-23 dia hoe " Efa nahafahana tamin'ny fahotana isika, ka tonga mpanompon'Andrimanitra, Fa ho an'izay mbola manota sy tsy mino kosa dia ho any amin'ny fahoriana mandrakizay tambin'ny fahotanana nataony, fiadanana Mandrakizay kosa no homen'Andriamanitra ho an'izay manaraka sy manao ny sitrapony" Fa tsy ilay fahafatesana ara-nofo intsony
24. niryna
(
01/02/2013 17:16)
smileyah:misaotra anao,izay tokoa no tadiavan'Andriamanitra amintsika- Ahoana hoy ny teny ao anaty baiboly? "Avia hifandahatra amiko( ny dikany amiko dia hoe manatona Ahy ary lazao amiko izay ao am-ponao na ny fifonanao - asa aloha fa hevitro io an) ka na mena toy ny jaky aza ny fahotanao( toa midika izany fa na inona na inona ka hibebahanao amiNY dia sarona avokoa-tsy hisy olona hitsara anao intsony -eny misy foana ny fitsaran'ny olona na dia efa niova fo ary ny olona iray -kanefa tsy mijery izany intsony ilay niova fo rehefa nandray-tena nandray an'Andriamanitra tokoa izy) dia ho fotsy toy ny oram-panala ho voafafaNy ,tsy ho tsaroaNy intsony ,voavelaNY .
Amin'ny maha kristianina ahy dia fantatro tsara fa fahotana ny mamono tena ,ary mifampitohy ihany ny resakantsika fa izay mibebaka alohan'ny hahafatesany no mahazo famindram-po. Taiza no nahafantaranareo zay tao am-pon'ilay rangahy teny am-panidinana, na talohan'ny nialany aina? Ary izany no mahatonga ahy tsy hiteny hoe any @ afobe izy sa tsia satria novidin'i Jesoa lafo tamin'ny rany koa io olona io ka azony avela heloka raha nanenina mafy tao am-pony izy sady nangata-bonjy taminy.
Maro loatra ny mpahay baiboly ato ka tsy mihevitra intsony ny halehiben'ny fitiavan'andriamanitra ny olombelona.
Ny lesona tiako hampitaina dia hoe na dia efa eo ambavahaonan'ny fahafatesana aza isika dia aza adino na oviana na oviana ny mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra sy manenina mafy amin'ny hadisoana natao.
Hevitro ihany anefa io fa tsy dia manampahaizana firy aho fa mba mandinindinika kely eny ihany
25. niryna
(
01/02/2013 17:24)
Nehemiah:misaotra Nehemiah .sao dia hoe mivavaka ho an'ny fianakaviany kosa ary no mba tiany ho tenenina? Sanganehina kely tokoa aho nahita hoe mivavaha ho an'ny fanahiny- Eny misy tokoa fivavahana mivavaka ny maty,mivavaka ho an'ny maty ary mangataka amin'ny maty hivavaka ilay maty mba ho voavonjy ny fanahiny whoops -voatoraky ny voatabia eto aho- Soa fianatra ary samy mianatra tenin'Atra eto avokoa isika fa amiko manokana dia hoe mivavaka ny fianakavian'ilay niaram-pahoriana ny tena mba omen'Andriamanitra hery sy tanjaka sns .. fa raha hoe efa maty izany no mbola hivavahana dia e,e very fotsiny ny aina nibebaka ,niezaka nanaraka ny sitrapon'Atra ,nangataka famelan-keloka sns raha toa ka mbola afaka manao izany rehefa maty na afaka mangataka famelankeloka ho ahy indray ny fianakaviako ohatra rehefa maty aho- Raha toa ka nifidy ny tsy hino an'Atra ilay olona maty nefa mitady famelankeloka indray ,mendry manangatra hatramin'ny maty aza an, ha,ha
Hitanao izany, miaiky ianao fa raha mbola tsy niala ny ainy dia mbola afaka mibebeka izy, fa raha efa niala ny ainy dia tsy misy inona na inona azo atao intsony. Tsy afaka manao soa na ratsy intsony ny maty, ka @ fomba ahoana no mbola ahafahany mibebaka ? Ka fandanian'andro ny "mivavaka ho an'ny fanahiny" satria efa lasa tany @ toerana sahaza azy izy, na Paradisa, na fiainan-tsi-hita, satria tsy azo dinganina ny hantsana mampisaraka azy ireo.
26. smileyah
(
04/02/2013 14:09)
Nehemiah:Ary ahoana ny hevitrao @ hoe amin'ny farandro dia ho avy i Jesoa hitsara ny olon-drehetra (ny velona sy ny maty).Hitsangana ny maty. Iza ireo maty ireo? Izay mbola hotsaraina.
Hitanao izany, miaiky ianao fa raha mbola tsy niala ny ainy dia mbola afaka mibebeka izy, fa raha efa niala ny ainy dia tsy misy inona na inona azo atao intsony. Tsy afaka manao soa na ratsy intsony ny maty, ka @ fomba ahoana no mbola ahafahany mibebaka ? Ka fandanian'andro ny "mivavaka ho an'ny fanahiny" satria efa lasa tany @ toerana sahaza azy izy, na Paradisa, na fiainan-tsi-hita, satria tsy azo dinganina ny hantsana mampisaraka azy ireo.
27. Nehemiah
(
05/02/2013 07:12)
Izay izany no fandraisanao azy ? Nefa maninona moa no tsy nahazo famelan-keloka na kely aza (Lk. 16:24) ilay lehilahy manankarena @ fanoharan'ny mpanankarena sy Lazarosy rehefa tany @ fiainan-tsi-hita ? Ny fitsaràna @ andro farany anie dia mba tsy hisy fiangarana ka samy miara-tonga @ Fanjakan'Andriamanitra daholo ny olo-marina rehetra.
28. smileyah
(
05/02/2013 07:56)
Nehemiah:Mila valiny ilay hoe iza ireo maty mbola hotsaraina amin'ny andro farany raha efa voatondro ny toerana misy ireo zay efa lasan-korazana? Sa mbola haverina hotsaraina ireo olona zay efa lazainao fa efa nahazo ny toerana misy azy?
Izay izany no fandraisanao azy ? Nefa maninona moa no tsy nahazo famelan-keloka na kely aza (Lk. 16:24) ilay lehilahy manankarena @ fanoharan'ny mpanankarena sy Lazarosy rehefa tany @ fiainan-tsi-hita ? Ny fitsaràna @ andro farany anie dia mba tsy hisy fiangarana ka samy miara-tonga @ Fanjakan'Andriamanitra daholo ny olo-marina rehetra.
29. mandalomiserana
(
05/02/2013 10:49)
ny point de depart'ny fanontaniana rehetra dia :rangahy iray namono tena fa tsy nahazaka onjam-piainana hono; eo ao no mametraka ny fanontaniana hoe:"fa nahoana no tsy zaka???" tsy fantany ve sa tsy nisy nanoro azy fa Ilay Andriamanitra nahatonga ny fisiany teto an-tany sy nampisy ny fiainana tsy niteny hoe: "aza manahy fa Izaho momba anao mandrakariva" sa tsy kristiana ilay olona ? satria raha nahatadidy io teny io izy ary mahatoky fa tsy mandainga Andriamanitra dia mbola nisy tsirim-panantenana tao am-pony, ka na dia toa maizina mikitroka aza ny fijerin'ny fiainany dia mbola nisy toky tao ampony fa mandalo fotsiny izany fa mbola hiova rahampitso.
saingy namono tena no lalana finidiny, izany hoe handositra tsy hihatrika intsony ny zavamisy no fanampahan-keviny,mazava ho azy fa tsy fantany izany ny ao ambadikin'ny fiainana eto an-tany, fa raha nisy nilaza tamin'ny fa misy fiadanana mandrakizay sy fijaliana mandrakizay any dia tsy maintsy nametra-panontaniana izy talohan'ny namonony tena hoe:"ahoana ny hahazoana ny fiainana mandrakizay fa tsy zaka intsony ny eto an-tany?"
ary raha mino izy na tsy mino ny fisian'ireo dia tsy manafoana na manafaka azy tsy handalo ilay fitsarana izay hanendry ny toerana sahaza azy.
Ny olana anie dia ny tsy fanekentsika sy ny finoantsika fa tonga tety an-tany i Jesosy kristy,zanaka lahitoka'Andriamanitra, navelan'Andriamanitra Ray ho faty hisolo heloka antsika mba hahafahantsika miditra any amin'ilay fiainana mandrakizay fa tsy ho any amin'ny fijaliana mandrakizay. tsy nanery Izy fony tety fa NITORY fa any an-danitra any dia misy fanjakana, Andriamanitra no mpanjaka,fifaliana sy fiadanana mandrakizay no fiainana any;NAMPIANATRA Izy ny fomba hahatongavana any: eto an-tany no hanaovana ny safidy ary tsy tafiditra any raha tsy manaiky sy manoa ny teniny satria izy no mpanjaka; NANASITRANA Izy mba hanehoany amin'ny rehetra fa tiany ny olombelona ka nafahany t@ ny fijaliana sy ny aretina satria Andriamanitra manana ny hery rehtra mahavita izany Izy.
saingy tsy nanery Izy fa niandry ampitiavana ny fanapahan-kevitri'ny tsirairay ary nampanatena fa homba mandrkariva izay rehtra manoa Azy. Nasainy nozaraina izany teniny izany mandra-piveriny hanapitra ny fiaianana eto an-tany ka handefa ny olona rehtra any amin'ny toerana sahaza azy aorian"ny fitsarana.
ny bokin'ny fiainana any an-danitra no miraikitra izay safidinao sy ny nataonao rehetra teto an-tany ka mamaritra ny lala-kombanao rehefa miala ety.
lazain'ny olona fa finoanoam-poana izany ka tsy raharahiany ka ny fiainana eto an-tany no hataony masaka tsara.
voaporofo @ 'ity lehilahy namono tena ity anefa fa mety tsy ho zaka izany onjany izany raha mandeha irery , toa manamarina fa safidy no an'ny olombelona fa tsy mahafehy na dia ny 1 sec @ ny fiainanyizy fa misy any mandahatra ny zavatra rehetra.ny baiboly mbola manamafy fa tsy misy mahay manampy na dia 1 sec @ ny fiainany aza. koa mahatonga aho resy lahatra hoe: tsy mampiesona i Jesosy ary marina ny voalazany ka antsika ny safidy. tsy misy afaka milaza hoe : ny ahy na ny religion-ko no tena marina fa hamarino ao ami'ny baiboly ny marina fa ny tenin'Andriamanitra no entiny hanehoany ny fisiany io( DIEU SE REVELE AUX HOMMES PAR LA BIBLE) fa tsy doctrine na phylosophie.
ary hoy Jesosy ao @ Jean 10:10 "Izaho ilay mpiandry tsara,izaho hanome anareo fiainana ,dia fiainana be dia be" raiso Izy fa eo anoloan'ny varavaran'ny fonao, ao antiny ny poignet, ka raha tsy hampandroisoinao Izy dia tsy tafiditra, Izy hitoetra ao aminao, hiara-hisakafo aminao ,hiara-hizaka ny onjam-piainana aminao; (apocalypse 3:17)tsy hitarika anao hamono tena satria mara-maty ao ianareo fa manome anao ny fanantenana feno.
mahereza