Mbola tsy hita ihany izay marina
1. tsitialainga
(
27/01/2013 10:39)
Raha tena mpivavaka marina sy manana ny Andriamaniny ny Malagasy, maninona no mbola toy izao ihany ny fiainany kanefa efa t@ 190 taona lasa izay no nampahafantarana azy io Andriamanitra io?
Samia manome soso-kevitra fa ohatra ny mahalasa saina raha mandinika ny fiainan' ny Malagasy satria toa tena isika ilay voalaza ao @ Deo 28/15-68.

répondu par Miharena le 04/02/2013 16:44
2. saho
(
27/01/2013 15:56)
Mba tanteraho hatramin ny farany hoe ny mitanisa ny voalazan ny soratra masina Deo28/15-68
Mba liana amin izany zahay te hamaky sy handinika , Ny Malagasy mila mibebaka, dia voalaza koa hoe ny hatsembohin ny tavanao no hinananao! Tsiss mana avy any an danitra, mila ezaka na ara panahy na ara moraly sns...mbola be dia be ny ezaka, Aoka ho an ny mpanjaka ny anjarany ary aoka ho an ny fiangonana koa ny anjarany, zany hoe zavatra roa samy manana ny toerany ireo, ny mpitantana sy ny mpitondra manana fahefana enjana raha tsy matahotra an Atra sy manao ny marina dia mijaly ilay firenena iray misy io tranga io. Mahereza ra-Malagasy isany dia aza mitsahatra ny tolona na arapanahy na ara tsaina fa misy valiny foana ao aoriana

tsitialainga:
Raha tena mpivavaka marina sy manana ny Andriamaniny ny Malagasy, maninona no mbola toy izao ihany ny fiainany kanefa efa t@ 190 taona lasa izay no nampahafantarana azy io Andriamanitra io?
Samia manome soso-kevitra fa ohatra ny mahalasa saina raha mandinika ny fiainan' ny Malagasy satria toa tena isika ilay voalaza ao @ Deo 28/15-68.
3. didi10
(
27/01/2013 20:04)

Raha ny ara-nofo tokoa no jerena dia azo lazaina fa mahantra ny ankamaroan'ny malagasy, kanefa fantatrao fa ny nofo aman-drà tsy mba handova ny fanjakan'ny lanitra (I Kor 15;50), ary ireo firenena tandrefana izay lazaina he mandroso dia mikoroso fahana ny fanahin'ny mponina ao satria variana amin'ny fisakaizana amin'izao tontolo izao izay midika fandrafiana an'Andriamanitra (Jak 4,4).
Famonjena ny fanahy rahalahy izao no zava-dehibe a! ilaina ny fitahiana sy ny fananana ny ampy sady efa natao ho an'ny zanak'Andriamanitra rahateo izany fa ny zavatra hitako aloha dia efa betsaka ireo malagasy no tena mandroso ara-panahy, ary mbola maro ireo mangetaheta famonjena, mahereza amin'ny asan'ny Tompo rahalahy a.
4. Nehemiah
(
28/01/2013 13:44)
tsitialainga:
Samia manome soso-kevitra fa ohatra ny mahalasa saina raha mandinika ny fiainan' ny Malagasy satria toa tena isika ilay voalaza ao @ Deo 28/15-68.
Miombon-kevitra aminao tanteraka aho @'ity : nanary an'Andriamanitra antsika gasy, nefa rehefa dinihina ny harena ananantsika dia tokony ho lohany antsika fa tsy vodiny. Ka tsy tongatonga ho azy izany fa i Andriamanitra mihitsy no mikapoka antsika. Jereo fotsiny ny kolontsaina @'zao : arakaraky ny anarian'ny firenena iray an'Andriamanitra no maharatsy ny zava-kanto avoakany, ary tsy diso anjara @'izany koa i Madagasikara, raha tsy izay ve dia hisy "mpanankanto" tahakan'i Tence Mena ho lasa malaza noho ny fihetsiny vetaveta ?
Mino aho fa vokatry ny générations vitsivitsy notaizana t@ finoana fa tongatonga ho azy ny zavatra rehetra @ alalan'ny fizotra natoraly misy fahafatesana sy aretina ary fandatsahan-dra tao anatin'ny tapitrisa taona tsy hita lany, izay midika fa tsy ilaina intsony i Andriamanitra hanazavàna ny fisiantsika ary angano fotsiny ny Baiboly (izany hoe ny fotopisainan'ny evolisiona).
5. mandalina
(
30/01/2013 14:45)
Indray ALAHADY maraina aho sendra nandalo an'analakely, de tena gaga sy talanjona aho nahita ireto mpivarotra zay tena betsaka lavitra noho ny andavanandro. Dia nanontany tena aho hoe : ahoana moa no ahafoizan'Andriamanitra ho an-draMalagasy, ko iray andro ao anatin'ny herinandro aza tsy foin'ny Malagasy hitsaharana sy hiderana an'Andriamanitra????
Ka aza gaga mihitsy isika amin'ny fandehan'ny fiainantsika malagasy amin'izao fotoana izao.
Ekeko fa resaka finoana pure izany, kanefa rey olona rehefa tsy nahita vaha olana isika, sao dia tokony .... Aoka tsy ho adino mihitsy fa isika olombelona dia : saina - vatana - fanahy, tsy maintsy ampifandanjanao ireo raha te ho ara-dalàna ny fiainanao

Nehemiah:
tsitialainga:
Samia manome soso-kevitra fa ohatra ny mahalasa saina raha mandinika ny fiainan' ny Malagasy satria toa tena isika ilay voalaza ao @ Deo 28/15-68.
Miombon-kevitra aminao tanteraka aho @'ity : nanary an'Andriamanitra antsika gasy, nefa rehefa dinihina ny harena ananantsika dia tokony ho lohany antsika fa tsy vodiny. Ka tsy tongatonga ho azy izany fa i Andriamanitra mihitsy no mikapoka antsika. Jereo fotsiny ny kolontsaina @'zao : arakaraky ny anarian'ny firenena iray an'Andriamanitra no maharatsy ny zava-kanto avoakany, ary tsy diso anjara @'izany koa i Madagasikara, raha tsy izay ve dia hisy "mpanankanto" tahakan'i Tence Mena ho lasa malaza noho ny fihetsiny vetaveta ?
Mino aho fa vokatry ny générations vitsivitsy notaizana t@ finoana fa tongatonga ho azy ny zavatra rehetra @ alalan'ny fizotra natoraly misy fahafatesana sy aretina ary fandatsahan-dra tao anatin'ny tapitrisa taona tsy hita lany, izay midika fa tsy ilaina intsony i Andriamanitra hanazavàna ny fisiantsika ary angano fotsiny ny Baiboly (izany hoe ny fotopisainan'ny evolisiona).
7. moustaraf
(
01/02/2013 15:42)
Salama namana,
Mahaliana foana ny mandinika an'ity Malagasy, ary manainga antsika handinika lalina an'io maha malagasy antsika io foana aho raha sendra mba mandalo eto @ sera!
-io fahantrana sy fijaliana lalina mahazo ny Malagasy (@ ankapobeny), dia azo dinihina sy jerena tsara araka ny tantarany; dia ny maha taranaka Hebreo azy;
-Ozona io r'ireto a!
Efa betsaka ny fanazavana naroso teto @ maha Hebreo ny Malagasy, ka tsy iverenako intsony, fa ny tiako holazaina fotsiny dia izao:
-Tsy olon_koazy isika ry Malagasy namana, fa ny Razam-bentsika no nanao fifanekena t@ Tsitoha Avo indrindra ary nilazany hoe"Kol hadevarym aser diber naasheh"= izay rehetra lazaina dia ataonay sy ekenay"
-Ary nilazan'Izy Tsitoha hoe: Raha mivadika ny fanekeko kosa ianareo, dia HAMELY ANAREO KOSA AHO
LEVIT 26: 14 ; DEOT 28: 15/31-32
-Tanteraka eto amintsika avokoa ireo rehetra ireo, ary tsy misy lalana hafa,, hafa tsy ny fiverenana @ ilay NIFANAIKY TAMINTSIKA;
-Vahaolana
DANIEL 9: 1-7 / LEVIT 26: 40-42 / MALAK 2: 5 / MALAK3:6-7/20-21-22
Aza adino , fa Ny ROMANA sy GRIKA dia tsy ilay fivavahana t@ Tsitoha akory no nandraisany ilay fivavahana fa ny HAMPIONDRIKA AN'IZAO TONTOLO IZAO @ ILAY IVAVAHANY DIA NY MASOANDRO (Sabata novana ho SUN DAY, sns....)
Aza gaga ianao ry Malagasy ry Mijaly sy fadiranovana, satria ILAY NANDRARANA SY TSY AZO IANKOHOFANA NO IVAVAHANA isan'andro!
Ilay anarana ambony indrindra "ELOHYM" novana "Fatina mpanjaka = Andriamanitra , JEREMIA 31: 7-10 / 21 ) Eto MADAGASIKARA IRERY IO NO TANTERAKA

8. Miharena
(
04/02/2013 16:44)
Toa mba te-hanontany ny namana Moustaraf aho eo amin''ny nanaovan'ny Malagasy hoe Andriamanitra no dikan'ny voalaza tao anaty Baiboly.
Tena fiheverana Malagasy ve izy io sa ny vahiny izany nampiditra ny Baiboly teto no nanery azy ireo hilaza hoe Andriamanitra no hilazana ny DIeu, na Elohim?