Yeshoa, Yeshoua, Yehu'a, Yehoshoua, Yahoshowah, Yehoshowah, Ieshoa, Jesoa, Jesosy safidio izay tianao
1. didi10
(
21/01/2013 12:41)
Yeshoa, Yeshoua, Yehu'a, Yehoshoua, Yahoshowah, Yehoshowah, Ieshoa, Jesoa, Jesosy
Mahagaga fa samy manana ny anarana mahavonjy azy ny olona, iza amin'ireo no mahavonjy anao?
Mahagaga fa samy manana ny anarana mahavonjy azy ny olona, iza amin'ireo no mahavonjy anao?
répondu par totoavina le 13/02/2013 15:43
4. Nehemiah
(
22/01/2013 06:06)
sitlo >> I Buddha anie tsy "mahavonjy" fa ny "Nobles Vérités"-ny no ahafahanao hivelona fiainana tsaratsara kokoa
5. Maranatha
(
22/01/2013 08:02)
didi10:
Yeshoa, Yeshoua, Yehu'a, Yehoshoua, Yahoshowah, Yehoshowah, Ieshoa, Jesoa, Jesosy
Mahagaga fa samy manana ny anarana mahavonjy azy ny olona, iza amin'ireo no mahavonjy anao?
Ny tsy fahampiana fahalalana no mahatonga ireo rehetra ireo ho lasa misy fiandaniana. Ny hevitry ny teny hoe : anarana aloha dia milaza fahefana Asa 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
Ny teny hoe Jesoa no nahalalan'ny olona rehetra teto M/car ilay zanakin'ny Avoindrindra. Io no fahalalany ny fiantsoana azy. Ny sainy sy ny fivavahany dia mitodika tanteraka any an-danitra rehefa miantso io anarana io izy. toy izany koa ny hoe Jesosy. Ny fahefany afaka mamela heloka no jereny fa tsy ny fanononana Azy.
Diso io raha ny fiantsoan'ny Israely Azy satria Yeshoua no fiantsony ny Mpamonjy.
Ny lanitra anefa dia mijery ny fo fa tsy ny zavatra miseho ivelany.
Ho anay laika rehefa mihaona @ Jiosy na ny hebreo na ny Israely na izay mitovitovy amin'izany dia Yeshoua no hiantsoanay ilay zanakin'i Avoindrindra rehefa miresaka aminy mba hahamora ny fampitana ny hafatra . Rehefa ireo Kristiana indray dia i Jesoa na i Jesosy no hiantsoana Azy mba hahamora ny fandraisany ny hafatra avy any an-danitra.
Ny hamonjena ny fanahy no tena zava-dehibe fa tsy ny fifampiandaniana. Ny votoanton-kevitra no tokony hapita.
RAha misy ny olana dia antsoy fotsiny hoe Ny mpamonjy, Ny Mesia, ny Mpanavotra sns...
6. Nehemiah
(
22/01/2013 08:15)
Mba hanampiako ny tenin'i Maranatha : ny anarana "Jean" @ teny frantsay dia lazaina hoe "John" @ teny anglisy, "Juan" @ teny espagnol, "Johannes" @ teny allemand, "Giovanni" @ teny italiana, "João" @ teny portugais, "Ivan" @ teny rosiana, nefa tsy taitra antsika, ka aiza ny olana @ fiantsoana ny tompo hoe Jesosy, Jesoa, Jésus, Jesus, Giesu na Jesús araky ny firenena ?
8. Nehemiah
(
22/01/2013 12:41)
sitlo >> I Mahomet koa tsy "mahavonjy" fa mitondra ny hafatr'i Allah mba ho arahin'ny olombelona.
9. tsitialainga
(
22/01/2013 14:54)
didi10 mahalala tsara ilay anarana tena izy fa aza avela hirediredy intsony daholo ny olona fa mijaly. Tsy te hiditra fanazavana momba an' io aho androany fa mety ho laniko eo ny page dimy dia ho tezitra eo indray ny sasany izay "TSY MAHAZAKA NY FAHAMARINANA", noho izany dia izao fotsiny no mba atosako ry namana a : ny anaranao mbola tsy olana raha ovaovain'ny olona, ohatra raha "Ingahy Faly" no ao @ CIN dia antsoin'ny vazaha hoe Bienvenu Mr Content rehefa midina eny Roissy, na raha frantsay ilay olona ka mitondra anarana hoe: Patate Gilles dia sahinao ny miantso azy rehefa tonga eny Ivato aéroport hoe : Bienvenu à Mscar Monsieur VOMANGA. Otran tsy ho sahy ianao na dia tsy fantany ary a? Ny dikany dia otran'ny tsy fahalalam-pomba na fanesoana na fanambaniana sy fanazimbazimbana mihitsy aza, mainka fa ilay Nahary ny Lanitra sy ny Tany dia tena mahasahy fotsiny zao ianao?
Ny aza adino mantsy dia efa nampahafantariny anie ny ANARANY fa tsy hoe enao no mpanome anarana AZY e!
Hatreo indray aloha fa samia mahay miaina TSARA miaraka AMINY fa sao dia hiteny indray ny sasany hoe ka efa MATY NIARAKA TAMIN JESOSY ANGE NY ANARANY E!
Eritrereto raha diso ny Nom d' utilisateur nao sy ny mot de passe ampidirinao @ mail na ny FB dia ahoana ny suite? Ary raha diso anarana na adresse ny valopy misy taratasy sarobidy alefanao, MOA TSY RETOUR A L' ENVOYEUR VE, toy ny mail miverina ihany io e!
MBOLA TSY FAY SY LEO @ ity manaonao foana ity ve isika Malagasy e? Aiza tsy hantsoin'ny olona hoe Pays à la moramora.
Mahereza daholo izay mpandàla ny Fahamarinana fa ny mpamazivazy sy ny mafy hatoka avelao e! TANDREMO TITOSY 3/10. Misaotra Ô!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

11. hasiniony
(
22/01/2013 19:12)
Za tsy tia an'ireo!
Aza hadino ry namana fa araka ASA 4:12 dia "Tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona mba hahazoantsika famonjena". Ary mbola voahilika indray eto ny hafa firenena satria dia tsy ho avy aminy velively ny hihavian'izany famonjena izany araka ny Jaona 4:22 "Ianareo dia mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa dia mivavaka amin'izay fantatray satria avy amin'ny JIOSY ny famonjena".
Ho lazaiko anareo ambangovangony fotsiny ny tena marina ary tsy hanome toko sy andiny aho fa maika mahafanina ny sasany izany:
- Eo amin'ny tantaran'ny zanak'Andriamanitra dia manana anarana roa samihafa izy:
1°. Izy teraka, ary maty teo amin'ny hazo fijaliana ka niakatra ho any an-danitra dia antsoina hoe: "ANDRIAMANITRA NO MPAMONJY", avadiho teny hebreo io dia ho hainao ilay tena anarany.
2°. Izy ho avy eny amin'ny rahon'ny lanitra amim-boninahitra, ary izy ho mpanaka ao amin'ny FANJAKANA 1000 TAONA dia ho antsoina hoe: "ANDRIAMANITRA NO FIHAVANANTSIKA", avadiho teny hebreo ihany koa io dia ho fantatrao avy hatrany.
NY FANAHY MASINA ANIE, HAMPIANATRA ANAREO NY ZAVA-MIAFINA REHETRA...AMEN.

14. tsitialainga
(
23/01/2013 07:53)
Nehemiah:
tsitialainga >> Atsipinao ny Tit. 3:10 nefa adinonao ny Tit. 3:9
ianao koa mitifi-tena fa ianao indrindra no tena miady hevitra voalohany fa rava ny lalàna, dia averiko aminao ny Tit:3/9
15. Nehemiah
(
23/01/2013 08:08)
tsitialainga:
ianao koa mitifi-tena fa ianao indrindra no tena miady hevitra voalohany fa rava ny lalàna, dia averiko aminao ny Tit:3/9
Izany dia manaporofo fa tsy azonao mihitsy ny teniko : tsy miady hevitra aho fa rava ny lalàna (satria raha "rava" ny lalàna dia tsy maninona intsony izany ny mipelaka sy manala zaza), fa miteny aho fa TSY MANAN-KERY INTSONY NY LALÀNA hanameloka antsika.
16. Nehemiah
(
23/01/2013 08:11)
@ fomba ahoana kay no mampandroso ny finoana kristiana izao resaka Yeshoa Yahushuwah izao ? Izay ny resaka adaladala voalazan'ny Tit. 3:9 ! Izay angaha no hitarika ny olona tsy hanipy toaka @ zoro firarazana isaky ny misotro ? Izay angaha no hahatonga saina ny mpandà an'Andriamanitra na ny mpanao heloka bevava na ny mpandala ny homosexualité fa tsy mety ny ataony ? Izay angaha no hanome fanantenana sy firaisana velona @'Andriamanitra ny tsy mahalala Azy ?
17. tsitialainga
(
23/01/2013 08:23)
Nehemiah:
tsitialainga:
ianao koa mitifi-tena fa ianao indrindra no tena miady hevitra voalohany fa rava ny lalàna, dia averiko aminao ny Tit:3/9
Izany dia manaporofo fa tsy azonao mihitsy ny teniko : tsy miady hevitra aho fa rava ny lalàna (satria raha "rava" ny lalàna dia tsy maninona intsony izany ny mipelaka sy manala zaza), fa miteny aho fa TSY MANAN-KERY INTSONY NY LALÀNA hanameloka antsika.
Mandiniha tsara aloha fa sao dia lasa mampihomehy araka ny fitenin'ny ankizy fa rehefa tsy manankery ve tsy rava toy ny tsy misy ranamana a?
Efa saika hangina ihany aho kanefa tsy maninona fa izao : NY LALANAN' NY FISORONANA IHANY NO RAVA fa tsy toy ny ambaranao any @ lohahevitra hafa hoe "mitsotsotra any an-trano rehefa tonga ny Sabata". FANAMARINANA izay rehetra mino sy mandray an' IESHUAH no ataony raha manota TSY NAHY ilay olona fa tsy manamarina izay MINIA MANOTA IZY. Izay no atao hoe FAHASOAVANA fa tsy ambanin'ny lalàna intsony fa aza hitarina any @ tsy FITANDREMANA NY SABATA ny resaka. IZA aloha no niteny ilay ao @ Mat 5/17-18 raha fantatrao e? Dia aza manao resaka aller-retour.
18. Nehemiah
(
23/01/2013 08:35)
Rehefa inian'i Tsitialainga tsy azo fa aloka sy tandidon'Ilay ho avy sy ny fanekena ho avy ireny didy nomena t@ Testamenta Taloha, rehefa inianao tsy fantatra fa ankizy tia mianatra no tena mianatra tsara fa tsy ny ankizy teren'ny ray aman-dreny hahazo naoty tsara, ka alefanao @ tsy izy ny zavatra lazaiko, dia ataoko ahoana ?
Dia ahoana indray ny valinao @ fanontaniako tetsy ambony ?
Dia ahoana indray ny valinao @ fanontaniako tetsy ambony ?
19. tsitialainga
(
23/01/2013 08:43)

Mbola tsy voavalinao anie ilay fanontaniako teo fa aza hodiana fanina e!
Indro averiko indray : Iza no niteny ilay ao amin'ny Mat 5/17-18 sa efa foana t@ 21 Desambra 2012 ny lanitrareo sy ny taninareo?
20. Tefigasy
(
23/01/2013 08:56)
tsitialainga:
Mbola tsy voavalinao anie ilay fanontaniako teo fa aza hodiana fanina e!
Indro averiko indray : Iza no niteny ilay ao amin'ny Mat 5/17-18 sa efa foana t@ 21 Desambra 2012 ny lanitrareo sy ny taninareo?
Efa mivaona ihany moa ity lohahevitra ity dia aleo avoana tanteraka ary !
Efa napetrako tamin'i RBNIR ity fanontaniana ity, tsy novaliany, ary fantatro fa tsy hovalianao ihany koa , nefa na izany aza dia apetrako ihany.
Izao aloha no voalaza ao amin'ny Mat.5:17-18
"Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany ; tsy tonga Aho handrava , fa hanatanteraka . Fa lazaiko aminareo marina tokoa : Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany , dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna , na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza , mandrapahatanterak' izy rehetra "
Dia izao ilay fanontaniako aminao:
Tanerak'i Kristy ve ny lalàna sa tsia ? Tanteraka tao amin'i Kristy ve ny lalàna sa tsia ?
Eny na Tsia fotsiny no angatahiko aminao dia izay !